TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 12 aprily 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny drafi-pirenena an-tsitrapo (Plan d’Action National Volontaire 2023) taona 2023 ka hatramin’ny 2025 izay entina hanatanterahana ny tsoakevitra 1540 (2004) hiadiana amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika (nokleary, simika ary biolojika) eo anivon’ny Filan-kevitry ny fiarovana amin’ny Firenena Mikambana. Raha tsiahivina dia nisy ny atrikasa nentina namolavolana io drafi-pirenena io tamin’ny volana novambra 2022, nandraisan’ny andrimpanjakana samihafa, ny sampan-draharaham-panjakana, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena anjara. Aorian’izao fankatoavana azy eto amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izao dia ho entina eo anatrehan’ny komitin’ny 1540 eo anatrehan’ny Filan-kevitry ny fiarovana amin’ny Firenena Mikambana ity drafi-pirenena an-tsitrapo ity

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanombohana ny « caravane du droit » antsoina hoe FIARA ZO izay entina hampahafantarana ny daholobe ny lalàna sy ny zon’ny olompirenena tsirairay. Natao hampanakaikezana ny lalàna amin’ny vahoaka ny hetsika, hanentanana azy ireo hahalala ny zony ihany koa. Tafiditra indrindra ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly izay tanjon’ny Velirano faha-3 an’ny Filoham-pirenena izy ity, satria rehefa mahalala ny lalàna sy ny zony ny olompirenena dia tsy voafitaka sy voasarika amin’ny fanaovana kolikoly. Ny 26 ka hatramin’ny 28 aprily 2023 ho avy izao no hanatanterahana izany, ka any Anjozorobe no hisantarana azy, aoarian’izay dia any Mampikony ny 22 may 2023, ary Fenoarivo Atsinanana ny 5 jona 2023 ary any Ambalavao Tsienimparihy ny 10 jolay 2023. Marihana fa misy mpitsara, mpisolo vava, vadintany, ary “notaires” handray anjara amin’ny FIARA ZO, ary ankoatra ny fanentanana dia hisy koa ny fandraisana ny fitarainan’ny olompirenena manana raharaham-pitsarana ka misedra olana, mba ahafahana mamaha ny olana. Ny fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD) no miara-miombon’antoka amin’ity hetsika ity.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Ny tanànan’i Mahajanga dia anisan’ny misitraka ny fandaharanasa PADEVE (Programme d’Appui et de Développemeny des Villes d’Equilibre) andiany voalohany sy andiany faharoa, izay efa nanomboka ny taona 2011, iarahana amin’ny Sampan-draharaha Frantsay misahana ny Fampandrosoana (AFD). Fandaharanasa izay natao hanajariana ireo tanàn-dehibe, renivohi-paritany 5 ankoatra an’Antananarivo sy ny tanànan’Antsirabe. Amin’ny andiany faharoa dia ny fanajariana ny « Vallon Meztinger » no iompanan’ny fandaharanasa, amin’ny maha-toerana mora hisian’ny tondra-drano azy. Hisy koa ny famolavolana ny drafitra fanajariana ny tanàn-dehibe (Plan d’Urbanisme de Détail) miaraka amin’ny asa fanajariana izay hatao. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, araka izany, ny hirosoana amin’io andiany faharoa amin’ny fandaharanasa PADEVE io ho an’ny tanànan’i Mahajanga.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMA-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny teti-bola anatin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hisy ampahany halefa amin’ny fampitaovana ireo « scanners » miisa 9 izay homena an’i Maroantsetra, Mandritsara, Fenoarivo Atsinanana, Morondava, Tolagnaro, Nosy-Be, Manakara, Sambava ary Ambatondrazaka. Hisy koa ny ampaham-bola hatokana amin’ny fanamboarana sy fiarovana ireo toerana hametrahana “scanners” ireo : ho an’i Fenoarivo Atsinanana, Tolagnaro, Nosy Be, Sambava ary Ambatondrazaka dia hisy ny fananganana toerana vaovao satria tsy manana toerana handraisana ireo « scanners » ireo ny hopitaly any an-toerana ; ho an’i Morondava sy Mandritsara dia efa misy ny trano fa tsy maintsy hasiam-panavaozana ; ho an’ny ambiny kosa dia mila hampidirana jiro, sy asiana fitaovana ara-informatika sy kojakoja ilaina amin’ny birao mba ahafahana mampiodina ny toerana, ka handraisana ireo marary mila manao fitiliana amin’ny alalan’ny « scanners ».

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny teti-bola anatin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hisy ampahany halefa amin’ny fividianana fitaovana ara-pitsaboana sy kojakoja ilaina amin’ny birao, ho an’ireo foibe fitsaboana CSB miisa 100 izay efa vita fanamboarana nanomboka ny taona 2020 no mankaty.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny teti-bola anatin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hisy ampahany alaina amin’ny programa 213 ary halefa amin’ny fividianana fiara ilain’ny Minisitera.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny teti-bola anatin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina mba hisy ampahany alaina amin’ny programa 831 ary halefa amin’ny famitàna ny fanamboarana ny tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina any Maroantsetra Analanjirofo sy any Ihosy Ihorombe.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana foibe an-tanana ny fandoavana ireo fandaniana mbola mila hatao taorian’ny nandravàna ny « Maison de la Culture » tao Mahajanga, izay efa natambatra amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny. Ireo fandaniana ireo dia ny latsakemboka fisotroan-dronono « caisse de pension et de retraite » nanomboka ny volana Jolay 2016, ny latsakemboka « caisse de retraite civile et militaire » ana mpiasam-panjakana niasa tao amin’ity sampandraharaha ity, teo anelanelan’ny volana May 2019 ka hatramin’ny Desambra 2020, ny vidin-jiro sy ranon’ny JIRAMA ary ny haba sy hetra izay mbola tsy voaloa talohan’ny fandravàna azy. Mitentina 27.664.004 Ariary ireo fandaniana mbola mila hatao ireo. 

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Noho ny maha zava-dehibe ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra Atsimo, dia ilaina ny fanokafana ny seranam-piaramanidina ao Toliara ho an’ny fifamoivoizana an’habakabaka iraisam-pirenena satria miantoka ny hoavy tsara ho an’ny sehatry ny habakabaka sy ny fizahantany. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampidirana io seranam-piaramanidina voalaza io ao anatin’ny lisitry ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, ny fanohizana ny fanamarinana azy ary ny famoahana azy ao amin’ny antotan-taratasy ofisialin’ny OACI.

    Marihina fa misy dingana dimy ny fanamarinana ny seranam-piaramanidina ary ny taona 2019 ny ADEMA no efa nanomboka ny dingana. Ireto asa manaraka ireto no efa tontosa :

    - Fametrahana ny fefy fiarovana ny seranam-piaramanidina,

    - Fanamboarana « hangar » ho an'ny sampandraharaha misahana ny ady atao amin’ny afo,

    - Fampanarahana fenitra ny lentan’ny fiarovana ilaina ho an’ny SSLI,

    -  Fanamboarana lalana fidirana eo amin'ny hangar mankany amin'ny lalan’ny fiaramanidina (piste).

    Ao anatin’ny dingana fahatelo (03) ny ADEMA amin’izao fotoana izao. Ny 80%-n’ny asa no efa vita, ka ny asa fandaminana ny tany (terrassement) eo amin’ny toerana fiaingan’ny fiaramanidina no sisa mila vitaina.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana didy hitsivolana mifandraika amin’ny fandaminana ny fizarana sy fitsinjarana ny fitaovam-piarovana an-dranomasina sy an-dranomamy sy mametraka ny fitsipika mifehy izany fizarana fitaovam-piarovana an-dranomasina sy an-dranomamy izany ary koa ny fepetra amin’ny fahafahana mivarotra ireo fitaovana ireo.

    Mba ahafahana miandriaka am-pilaminana dia tsy maintsy mamaly sy manaraka ny fenitra napetraky ny iraisam-pirenena na ny fenitra eto an-toerana ireo fitaovana an-dranomasina sy an-dranomamy.

    Marihina anefa fa ahitana fahabangana ny eto amin’ny sehatra nasionaly noho ny tsy fisian’ny didy aman-dalàna mifandraika amin’ny fenitra takiana amin’ny fitaovam-piarovana an-dranomasina sy an-dranomamy sy mifehy ireo mpaninjara an’io fitaovam-piarovana io. Ny tsy fahampian'io rafitra ara-dalàna io dia miteraka loza mitatao ho an’ny fiarovana ny fiandrikana an-dranomasina sy an-dranomamy ary anisan'ny mahatonga ny loza. Noho izany, dia ilaina ny mametraka rafitra ara-dalàna.

    Ny fandraisana io didy hitsivolana io dia ahafahana miantoka ny fiarovana ny fiandrikana an-dranomasina sy an-dranomamy, ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina ary ny fampihenana ny loza an-dranomasina sy an-dranomamy mety hitranga.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Minisiteran’ny Rano sy ny fanondrahana an’ny Repoblikan’i Arabon’i Egypta sy ny Minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovan’i Madagasikara.

    Ny tanjon’ity fifanaraham-piarahamiasa ity dia iompana eo amin’ny sehatry ny fitantanana maharitra momba ny rano ary mifandray manokana amin’ireto teboka ireto:

    -  Fianarana sy fikarohana mifandraika amin'ny tondra-drano;

    - Fomba sy teknika maoderina ampiasaina amin'ireo fikarohana momba ny fitantanana ny rano ambanin'ny tany;

    - Fifanakalozana traikefa eo amin'ireo manam-pahaizana;

    - Fandaminana sy fandraisana anjara amin'ny fihaonambe sy atrikasa siantifika eo amin'ny firenena roa tonta;

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana mifandraika amin’ny haba fanampiny amin’ny fanitarana ny fe-potoana ho an’ny fampidirana anaty fotoana voafetra manokana (Admission Temporaire Spéciale) an’ireo fitaovana ilaina amin’ny asa fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manitsy ny satan'ny Tahirim-bola ho an'ny lalana na “Fonds Routier” ary mametraka ny fandaminana misy ao aminy, sy ny anjara asany. Napetraka tamin’ny taona 2019 ny Tahirim-bolan’ny lalana izay nisolo ny Tahirim-bola ho an’ny fikojakojana ny lalana na “Fonds d’entretien routier”. Hita fa ny andininy sasantsasany tamin’ny didim-panjakana momba ny sata mifehy ity rafitra ity dia nampiadana ireo asa ho fiarovana sy fampivoarana ireo lalana, ka nampihena araka izany ihany koa ny fahombiazan’ny politikan’ny Fanjakana eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa.

    Ity didim-panjakana vao noraisina ity dia mametraka ny fanitsiana ny sata mifehy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana amin’ny alalan’ny fampidirana ireo fepetra mifandraika amin’ny sampan-draharaha manapa-kevitra sy ny mpanatanteraka ao aminy ary koa ny fanatsarana ny fomba fiasa. Ity fanitsiana ity dia mikendry ny hanome ny Tahirim-bola ho an'ny lalana ny sata mifanaraka kokoa amin'ny tanjona nanosika ny famoronana azy tany am-boalohany.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna fanitsiana ny “code minier”. Noho ny lalàna 99-022 tamin’ny 19 aogositra 1999 momba ny “code minier”, novain’ny lalàna 2005-021 tamin’ny 17 oktobra 2005 dia hita ny fetran’ny rafitra nasionaly napetraka, indrindra manoloana ny andrasan’ny Fanjakana, ny vondrom-bahoaka eny ifotony sy ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Ny “code minier” manan-kery amin'izao fotoana izao dia lany andro amin'ny lafiny sasany, ary tsy afaka manatanteraka ny tanjon'ny Fanjakana amin'ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany intsony. Ny fitondram-panjakana araka izany dia mikasa ny hametraka ny rafitra ara-dalàna mba hahatonga ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ho fanoitry ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny fanitsiana ny “code minier” dia vahaolana avy amin’ny Fitondram-panjakana malagasy manoloana ireo olana sy fanamby vaovao eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ary mampiditra fepetra vaovao natao hampifanaraka ny lalàna misy eto amintsika amin'ny fomba fanao tsara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha-10 nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ity volavolan-dalàna fanitsiana ny “code minier” ity, izay manohana ny fitantanana maharitra sy ny fiarovana ny harena voajanahary eto amintsika.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

     Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka ny fitsipika sy fomba fiasa amin’ny fifandraisana sy ny fidirana amin’ny tambajotram-pifandraisan-davitra (“règles et modalités d’interconnexion et d’accès aux réseaux de télécommunications”), mba hampiharana amin’ny fomba mivaingana ny foto-kevitra napetraky ny Lalàna tamin’ny taona 2005 sy ny lesoka tamin’ny didim-panjakana tamin’ny taona 1998.

    Ity didim-panjakana ity dia niainga avy amin’ny fomba fanao tsara hita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny hita any Kenya, Niger, Rwanda, Sénégal, Togo, Comores, izay firenena ahitana ihany koa ireo mpandraharaha miasa eto Madagasikara. Ny fampiharana io didim-panjakana io dia anisan’ny ahafahan'ny ARTEC, hamaha ny olan’ny saram-pifandraisana, toy ny vidin'ny "on-net" ataon'ny mpandraharaha (miantso amin'ny tambajotra misy azy) sy ny "off-net" ( miantso amin’ny tambajotran’ireo mpifanina), ny sarany ambongadiny eo amin’ny backbone nasionaly na ny saran'ny fidirana eo amin’ny iraisam-pirenena izay tsy mitsinjo ny vahoaka ary indraindray dia fomba fanao manohitra ny fifaninanana. Izany dia sazian’ny firenena maro ary sazian’ny lalàna malagasy momba ny fifaninanana ihany koa.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMANANTSOA Mbolatiana, ho « Directeur Technique de l’Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo » (A.P.I.P.A).

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANARIVO Oniarilova, ho Talem-paritry ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy any amin’ny faritra Vatovavy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2019-1580 tamin’ny 14 aogositra 2019 ary manendry an’Andriamatoa MALO Orlando Delphin, ho Talem-paritry ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy any amin’ny faritra Amoron’i Mania.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2022-1049 tamin’ny 13 jolay 2022 ary manendry an’Andriamatoa ZARALAHY Cyprien, ho « Directeur des Bourses Nationales et Extérieures » (DBNE).
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2019-581 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Dominique Andrianaivo, ho « Directeur de l’Enseignement Supérieur » (DES).

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa SAMISONINA Claudia Sylviane, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka any amin’ny faritra Analanjirofo.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RARIVOJAONA Joelinirina Nomenasoa, ho « Directeur de l’Office Malagasy du Droit d’Auteur » (OMDA).

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2021-1086 tamin’ny 13 Oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOVAO RAZAFINDRAHETY Sendra Hasinirina, ho « Coordonnateur Général des Projets » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

 

Natao ny 12 aprily 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO