TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 5 aprily 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny angidim-by ho an’ny tafika malagasy « Airbus type H-130 », sy ny kojakoja rehetra miaraka aminy. Ity angidimby ity dia novidian’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, entina hanamafisana ny fampitaovana ny tafika an’habakabaka, ilaina amin’ny ady amin’ny dahalo.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA + SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana ireo delegasiona vahiny avy amin’ny Komity lefitra eo anivon’ny Firenena Mikambana misahana ny fisorohana ny fampijaliana (Sous-comité des Nations Unies pour la Prévention de la Torture- SPT) ho avy eto Madagasikara ny 16 ka hatramin’ny 27 Aprily 2023.

    Izany dia ho fanatanterahana ny voalazan’ny andininy faha-11 sy 12 amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fampijaliana ireo olona voatazona na voafonja, izay nankatoavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2017. Hisy ny fivoriana teknika sy politika hiarahana amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ara-pitsarana sy ny fitsidihana ny fonja na ireo toerana hitazomana olona enjehin’ny lalàna mandritra ny famotorana, dia ny eny anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Ity fitsidihana ity dia hifanakalozana amin’ny tompon’andraiki-panjakana malagasy mba hisian’ny fiarahamiasa hametrahana sy hampandehanana ny « mécanisme national de prévention de la torture » izay takiana amin’ny firenena rehetra nankatoa ilay fifanarahana iraisam-pirenena.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Ho fanatsarana sy fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasim-panjakana amin’ny fandaniam-bolam-panjakana, dia nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny hanavaozana ny fomba fiasa mba tsy hampikatso ireo asa efa nankatoavina tamin’ny alalan’ny fanaovana tsenam-baro-panjakana. Nasiam-panovana, araka izany, ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny fampiasana ny tetibolam-panjakana.

    Araka ny voalazan’ny andininy voalohany amin’ny lalàna 2016-009 tamin’ny 22 aogositra 2016 moa dia napetraka eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika ny fanaraha-maso ny volam-panjakana na ny « Contrôle Financier », ka ho fanatanterahana izany dia noraisina ny didim-panjakana lf 2023-057 tamin’ny 18 janoary 2023 nentina nananganana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny birao fanaraha-maso ny fandaniam-bolam-panjakana na ny « Bureau de Suivi des Engagements Financiers-BSE ».

    Tahaka izao ny dingana harahina manomboka izao :

    - Anjaran’ny minisitra tsirairay no mitondra ny tetikasam-pampiasam-bolany eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra, miaraka amin’ny tombam-bidin’ny tsenan’asa izay hataony (estimation de coût) raha ohatra ka tsy mbola voafaritra mazava ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2023 izany. 

    - Raha vantany vao ankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ilay tetikasa miaraka amin’ny tombam-bidiny dia afaka miroso avy hatrany amin’ny fanaovana tolo-bidy (appel d’offres) ny minisitera tsirairay, ary mandeha avy hatrany eny amin’ny fanarahamaso ny volam-panjakana (contrôle financier) miaraka amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny filan-kevitra (note de conseil) manamarina ny fankatoavana ilay tetikasa. 

    - Aorian’izay dia afaka manao fanarahamaso ny BSE raha tena nanaraka ilay tombam-bidy nekena teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra ilay tetikasa. Raha sanatria ka tsy voahaja izay tombam-bidy izay, dia azo atao ny manajanona ny fikirakirana ny fandoavam-bola (liquidation) amin’ny orinasa nahazo ny tsenan’asam-panjakana. Tompon’andraikitra mivantana amin’ny tombam-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana izay ekeny ao anatin’ny tolo-bidy araka izany ny minisitra tsirairay. 

    - Hisy ny fametrahana ny rindram-baiko “PRE-SIG” hampidiran’ny minisitera tsirairay ny drafi-pandaniam-bola izay hataony (plan d’engagements financiers) mba hahafahan’ny BSE manana ny lisitr’ireo tetikasa hanaovana tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana, hanamorana ny fanarahamaso aoriana (contrôle a posteriori). 

    - Ho an’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena rehetra dia hisy ny fametrahana “guichet unique » hikirakira ny pitsopitsony ara-panjakana rehetra amin’ny tolo-bidy izay takian’ny tsenan’asam-panjakana, ka hisy koa ny fanendrena « inspecteur d’Etat » manokana hiandraikitra izany. 

    Mba hiadiana amin’ny gaboraraka amin’ny resaka fandaniana solika eo anivon’ny orinasa JIRAMA dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fomba fiasa vaovao izay tsy maintsy harahina raha sendra misy ny « réquisition » ny solika eny anivon’ireo mpandraharaha ara-tsolika hamatsiana ny JIRAMA.

    Sarotiny amin’ny fanajàna ny lalàna manan-kery ny fitondram-panjakana ka manipika fa tsy maintsy misy ny sora-bola afaka mizaka ilay fandaniana solika vao azo atao ny « réquisition ». Izany hoe tsy azo irosoana mihitsy ny pitsopitsony ara-panjakana amin’ny fanaovana « réquisition » raha tsy misy ny « titre d’engagement financier » mifanandrify amin’izany. Tsy maintsy mandalo amin’ny Minisitra misahana ny angovo mialoha ny vina hanaovana ny « requisition » mba ahafahany manara-maso mialoha ny fanajana izay voalazan’ny lalàna izay, ka rehefa voamarina fa misy tokoa ny sora-bola ahafahana mizaka ilay fandaniana izay vao manome fankatoavana izy hirosoana amin’ilay « réquisition ».

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny fitsinjarana ny tetibola azon’i Madagasikara tamin’ny fandaharanasa fampandrosoana ny sehatry ny fambolena (Développement des filières agricoles Inclusives-DEFIS) izay vatsian’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena (FIDA).

    Raha tsiahivina dia natao hanatsarana ny fidiram-bola sy ny fiarovana ara-tsakafo ho an’ireo tantsaha mpamboly any amin’ny faritra Androy, Anosy, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Atsimo Andrefana ity fandaharanasa ity. Efa nisy ny famatsiam-bola voalohany azo tamin’ny taona 2017 izay nitentina 37,8 tapitrisa DTS. Ny volana Janoary 2021 dia mbola nanome famatsiam-bola fanampiny ny FIDA izay mitentina 83,5 tapitrisa dolara amerikana. Ny 28 jona 2022 no vita sonia ny fiarahamiasa. Ny 31 Aogositra 2022 raha nandalo voalohany teo anoloan’ny Filan-kevitry ny Minisitra ity antotan-taratasy ity mba hakana fankatoavana dia nitondra fanamarihana ny Filan-kevitra araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hahitsy ny fitsinjarana ny fandaniam-bola ao anatin’ny fandaharanasa, ka mba tena ny asa sy ny fampitaovana zezika, masomboly, fitaovam-pamokarana samihafa ho an’ireo tantsaha no ho betsaka fa tsy ho lany amin’ny fakan-kevitra (consultance) sy ny fanadihadiana sy ny tohana teknika fahita mahazatra ny vola. Nahitsy, araka izany, ny fitsinjarana ny tetibola, niaraha-nidinika tamin’ny FIDA ka rehefa naverina nodinihin’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany dia nankatoavina, ary afaka miroso amin’ny fanaovana tovana ny fifanaraham-piarahamiasa ny roa tonta, araka ity fanovàna nentina ity.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana ara-informatika izay entina hanampiana ny sampana isam-paritry ny Biraom-pirenena misahana ny Ambana sy ny Loza voajanahary (BNGRC) any Ambovombe, Mahajanga ary Toamasina.

    . Famatsiana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) ireo fitaovana ireo, ary entina indrindra hiatrehana ny ambana samihafa ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. 

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Ratsy dia ratsy ny lalana eto Antananarivo Renivohitra ankehitriny, nanapa-kevitra ny Filan-kevitry ny Minisitra fa horaisin’ny Fanjakana Foibe an-tanana ny fanamboarana ireo lalana tena ratsy, izay fantatra ny fiantraikany amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, manampy trotraka rahateo ny vanim-potoanan’ny orana ankehitriny ka mety hahatapaka tanteraka ny lalana mihitsy. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, araka izany, ny hirosoana amin’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana «appel d’offres restreint» noho ny hamehana, mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpampiasa lalana.

    Izany dia araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery mikasika ny tsenan’asam-panjakana, ny andininy faha-38 amin’ny lalàna lf : 2016-055 tamin’ny 25 janoary 2017 sy ny andininy faha-5 sy faha-6 amin’ny didim-panjakana fampiharana lf 2022-800 tamin’ny 01 jona 2022 mamaritra ireo tranga sokajiana ho hamehana. Ampahan-dalana miisa 42 manerana an’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina no ho voakasiky ny fanamboarana izay horaisin’ny Fanjakana Foibe an-tanana, araka ny drafi-panamboarana (plan de réhabilitation) izay nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa araka ny toromarika mazava nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny anjaran’ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny tetikasa « projet d’aménagement de corridors et de Facilitation du Commerce-Phase I » (PACFC I) izay vatsian’ny Vondron’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana sy ny Vondrona Eoropeana. Mitentina 153,75 tapitrisa dolara amerikana io famatsiam-bola io ka ny 5% no anjaran’ny Fanjakana Malagasy avy amin’ny tetibolany manokana.

    Ireto avy ny asa tafiditra ao anatin’ity tetikasa PACFC I ity :

    - Asa fanajariana sy fandrakofana tara ny lalam-pirenena RN9 ampahany voalohany eo anelanelan’Analamisampy (PK 107+400) sy Bevoay (PK 192+780) efa an-dalana amin’izao fotoana izao ary tombanana ho vita amin’ny faran’ny volana Jolay 2023

    - Asa fanajariana sy fandrakofana tara ny lalam-pirenena RN9 ampahany faharoa eo anelanelan’i Bevoay (PK 194+730) sy Manja (PK 274+844) efa an-dalana ihany koa amin’izao fotoana izao ka tombanana ho vita amin’ny faran’ny volana Jolay 2023.

    - Asa fanajariana sy fandrakofana tara ny lalam-pirenena RNT12A ampahany voalohany eo anelanelan’i Tolagnaro (PK0+00) sy Bevoay (PK44+850) ka tafiditra ao anatin’izany ny famindrana ny tambazotran’ny jiro sy ny rano an’ny orinasa JIRAMA.

    - Fanentanana ny mponina mipetraka manamorona ny RN9 izay ho voakasiky ny asa.

    - Fanadihadiana ara-tontolo iainana amin’ny RN9.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny anjaran’ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny tetikasa « projet d’aménagement de corridors et de Facilitation du Commerce-Phase II » (PACFC II) izay vatsian’ny Vondron’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana, ny Vondrona Eoropeana, ny OFID ary ny Banky Aziatika ho an’ny Fampiasam-bola Iraisam-pirenena (AIIB). Mitentina 322,54 tapitrisa dolara amerikana io famatsiam-bola io ka ny 2% no anjaran’ny Fanjakana Malagasy avy amin’ny tetibolany manokana.

    Ireto avy ny asa tafiditra ao anatin’ity tetikasa PACFC II ity :

    - Asa fanajariana sy fandrakofana tara ny lalam-pirenena RNT12A izay mizara 2, ny voalohany eo anelanelan’i Ebakika (PK 44+850) sy Somisika (PK165+400), ary ny faharoa eo anelanelan’i Masianaka (PK200+800) sy Vangaindrano (PK232+000), ary tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana tetezana miisa 13 sy ny asa mifandraika aminy. Efa natao ny 17 febroary 2023 lasa teo ny tolo-bidy misokatra iraisam-pirenena mikasika ireo asa 2 ireo. 

    - Fanonerana ireo mponina voakasiky ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny RNT12A.

    Araka ny fanapahana natao teo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola lf: 002-2023/MEF/SG/DGFAG tamin’ny 06 janoary 2023 mikasika ireo tetikasa iarahana mamatsy amin’ireo mpamatsy vola ka misy ny fandraisana anjaran’ny Fanjakana dia ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no mandray an-tanana ny fandoavana azy, rehefa avy nahazo ny fankatoavan’ny Filan-kevitry ny Minisitra.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ARY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna mankatoa ny findramam-bola hamatsiana ny tetikasa haratonaina sy fiahiana ara-tsosialy « Filets Sociaux de Sécurité et Résilience à Madagascar », izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) tamin’ny 16 janoary 2023. Natao hisitrahan’ny tokantrano malagasy tena sahirana ny haratonaina omen’ny Fanjakana, hampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy sy hanampiana ny tokantrano misitraka ny fanohanana mba ho afaka hiatrika ny sedra ara-tsosialy misy ny tetikasa, ka distrika 47 anatin’ny faritra 15 no voafantina hanaovana izany. Fiantohana ny fanjarian-tsakafo sy ny fiarovana ara-tsakafo izay tena laharam-pahamehana ho an’ny Fanjakana Malagasy no tanjona apetraka.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY NY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ny didim-panjakana lf: 2014-1650 tamin’ny 21 oktobra 2014 mamaritra ny dingana arahina sy ny fepetra ampiharin’ny ARTEC (Agence de Régulation pour la réglementation du secteur des télécommunications) ho amin’ny fandaminana ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny didim-panjakana lf : 2014-1652 tamin’ny 21 oktobra 2014 mifehy ny fandaminana ny tambazotra sy ny asa manodidina ny fifandraisan-davitra, ary ny didim-panjakana lf : 2014-1652 tamin’ny 21 oktobra 2014 mifehy ny lasitra fifampizarana ny fotodrafitrasam-pifandraisan-davitra (cadrage de la mutualisation). Fanovàna goavana be no entin’ny Fanjakana Malagasy eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra, mba hisian’ny fanalalahana tanteraka ity sehatra ity, hamporisihana ny fifaninanana, mba hampihena ny saran’ny fifandraisan-davitra, na ny antso na ny aterineto, ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjifa. Ny fanafoanana ireo didim-panjakana 3 teo aloha sy ny fandaniana ity didim-panjakana tokana vaovao ity araka izany dia nanalana ireo sakana rehetra mba tsy hisian’ny fifaninanana, ary nametrahana fepetra hisarihana ireo mpandraharaha rehetra hampiasa vola eo amin’ity sehatra ity.

    Ity didim-panjakana vaovao ity dia :

    - Mametraka sokajina fanomezan-dalana 2 vaovao : “licence satellite” sy “licence globale” ankoatra ireo fanomezan-dalana 3 nisy hatramin’izay dia ny “licence fixe”, “licence mobile”, ary ny “licence transferts de données radio”. 

    - Nasiana fandaminana vaovao ny fomba fanomezana ny “licence” sy ny faharetany, mba ahafahana mamporisika ny mpandraharaha hirona any amin’ny fanaovana “licence globale”.

    - Napetraka ny fanalalahana tanteraka ny fametrahana sy ny fampiasana ny “fibre”.

    - Nohamafisina ny fahefana ananan’ny Fanjakana Malagasy hampanaja ny bokin’andraikitra ho an’ireo mpandraharaha rehetra sy hisorohana ny fandraharahana tsy manara-dalàna.

    - Nampifanarahana amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny antsoina hoe « neutralité technologique »

    - Niantohana ny fametrahana ny mangarahara eo amin’ity sehatry ny fifandraisan-davitra ity, ka manery ny tsy maintsy hamoahana ny fanapahan-kevitra raisin’ny sampan-draharaha mpandrindra ny sehatra sy ny antotan-taratasy sy ny bokin’andraikitra ho fantatry ny besinimaro. 

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-746 tamin'ny 21 jolay 2021 ary manendry ny Vice-Amiral GA Jacquy Honoré, ho "Coordinateur Général des Projets" an’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-379 tamin'ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Contre-Amiral SAM HIENG TWION Kalobe Mickaël, ho "Major Général de la Marine Nationale"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-211 tamin'ny 27 febroary 2019 ary manendry ny Colonel JAONASY Autrick, ho Talen’ny Fiarovana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-374 tamin'ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Contre-Amiral TSIRINIAINA Gabriel, ho "Chef d’Etat-Major de la Marine Nationale."

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1255 tamin'ny 31 aogositra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIROA Vololonantenaina Mauricia Sylvie, ho "Directeur des Affaires Financières"

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-027 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RALISAONA Arsène, ho Directeur Général de l’Administration Pénitentiaire.

    MINISITERAN'NY ATITANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1416 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa FANOMEZANTSOA Jean Baptiste, ho Lehiben'ny Distrikan'i Belo-Tsiribihina
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1415 tamin’ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANAIVOJAONA Navalona Rafanoharana, ho Préfet an'Ihosy

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-841 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RANDRIANIRINA Manahy, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Atsimo Andrefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-840 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire de Police de Première Classe RALAHINIRINA Patrick Chrétien, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Androy.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA ny INDOSTRIA, ny VAROTRA sy ny FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANJALAHY Georgius Garsis, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Anôsy.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ary ny LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2042 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa ANTILAHY Alexandre Martial, ho Talen’ny Formation et du Perfectionnement de l’Institut National de Formation Administrative (INFA).

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY sy ny FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa JAONARY Josa Augustina, ho "Directeur de la Statistique, du Système d’Information et de la Planification".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-558 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMIRADO Lalatina Christian, ho Talen’ny "Centre National de Télé-Enseignement de Madagascar".

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1295 tamin'ny 17 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANASOLO Henri, ho "Directeur des Soins de Santé de Base"

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-926 tamin'ny 15 septambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANJAFINIAINA Zarnelson, ho "Directeur des Affaires Juridiques"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1298 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOVELOMANANTSOA Albert, ho Talem-paritra ny asa vaventy ao Anôsy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1002 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RABE Jean Ernest, ho "Coordonnateur de la Cellule de la Coordination des Projets"

    MINISITERAN'NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-722 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA Dina Hariniry, ho Tale Jeneralin'ny "Transports Maritime, Fluvial et Aérien".

    MINISITERAN'NY ANGOVO sy ny AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1193 tamin'ny 10 aogositra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAJAONSON Solondraibe Malina, ho Talen’ny serasera

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA sy ny FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANJAFIMAHANINA Harisoa Hery Tiana Jean Patrick, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa ao Betsiboka

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA sy ny FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-947 tamin'ny 22 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAJAONARISOA Tahiry, ho "Directeur Général des Opérations et de la Vulgarisation des Tics"

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA sy ny FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1169 tamin'ny 16 septambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RATRIMOSON Nirinahoelisoa, ho "Directeur d’appui à la promotion de l’Economie Verte et Bleue"

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA ny TOERAM-PONENANA sy ny TANANA VAOVAO EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARILALAINA Annick Rosa, ho "Directeur de Régulation et de Contrôle"
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFINJATOVO Naja Famaniaina, ho "Directeur de Développement du Partenariat"(DDP)
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-774 tamin'ny 16 jolay 2020 nanendry ny Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana tao Betsiboka.

 

Natao ny 5 aprily 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO