TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 30 martsa 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fihaonana ara-pandraharahana « Business Forum” ho an’ny Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, andiany faha-2. Ny 06 sy 07 Aprily 2023 no hanaovana izany any Toamasina. Ny “Economic Development Board of Madagascar” na EDBM no misahana ny fikarakarana. Sehatra ara-toekarena manana erijika hiroborobo tahaka ny fandraharahana ara-pambolena, ny angovo, ny toekarena maitso sy manga, ny indostria maivana, ny fananganana fotodrafitrasa, ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, ary ny fizahantany amin’ireo faritra 3 ireo no tena homena sehatra, ary ny fanamoràna ny fandraharahana manoloana ny fanambin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara no lohahevitra, adika amin’ny teny frantsay hoe “emergence économique régionale : faciliter les investissements face aux défis de l’industrialisation à Madagascar”.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-informatika avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana na PNUD. Fanampiana ho an’ny sampan-draharahan’ny Fadin-tseranana ireo fitaovana ara-informatika ireo ao anatin’ny tetikasa fihavaozana ara-kajy mirindra na « digitalisation »

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Ho fanatanterahana ny Velirano faha-10 ny Filohan’ny Repoblika, mikasika ny « fitantanana maharitra ny loharanon-karena natoraly eto Madagasikara », dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famerenana tsikelikely ny fandinihana ireo fangatahana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany (permis miniers) izay mbola mihantona eo anivon’ny BCMM (Bureau du Cadastre Minier de Madagascar). Hametraka drafitra laharam-pahamehana, araka izany, ny minisitera tompon’andraikitra, ka ny fanavaozana ny fahazoan-dalana ho an’ireo mpitrandraka madinika na PRE aloha no hodinihana voalohany satria ireo no maro an’isa indrindra, aorian’izay ny fahazoan-dalana hanao fikarohana na PR ary ny fahazoan-dalana hitrandraka ho an’ireo orinasa ara-indostrialy lehibe na PE no hamarana azy. Mifanindran-dalana amin’izay dia hisy ihany koa ny drafitra hanadiovana io sehatry ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany io (plan d’assainissement du cadastre minier).

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ny fepetra nampihantona ny fanondranana ny volamena taorian’ny fampandaniana ny didim-panjakana mikasika ny fitantanana ny volamena (régime de l’or). Raha tsiahivina dia volamena 3.051 kilao monja no voaporofo fa naondrana ara-dalàna raha ny tarehimarika tamin’ny taona 2018, kanefa araka ny fanadihadiana natao tany Dubaï, izay firenena tena mpandray ny volamena avy aty Madagasikara, dia tafiakatra hatrany amin’ny 12 ka hatramin’ny 15 taonina ny volamena naondrana antsokosoko. Raha tombanana dia nitenti-bidy teo amin’ny 945 tapitrisa dolara amerikana teo ny vola very noho ireo fanondranana antsokosoko ireo. Voatery nandray fepetra ny fitondram-panjakana tamin’ny 25 septambra 2020, nampihantona ny fanondranana volamena mba nahafahana nandinika amin’ny antsipirihany ny tetikady tokony apetraka mba hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko sy hamerenana amin’ny ara-dalàna ny sehatry ny fanondranana volamena eto Madagasikara. 3 taona no nanaovana ny fandinihana sy ny fanadihadiana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, ka vita soamantsara izany ankehitriny, ary dia narafitra ao anatin’ny didim-panjakana izay noraisina tao anatin’ny Filan-kevitry ny governemanta androany maraina.

    Ireto avy ny teboka lehibe misongadina ao anatin’ny fanavaozana lehibe izay apetraka manomboka izao :

    - Fanamafisana ny fepetra sy ny mason-tsivana hahazoan-dalana manangana « comptoir de l’or » mba tena hikendry ireo mpandraharaha matihanina sy aradalàna eo amin’ny sehatry ny volamena.

    - Fanamafisana ny fepetra takiana amin’ireo antsoina hoe « promoteur du comptoir » sy ny fanarahamaso azy ireo mba hialana amin’ny hosoka maro sy ny fisian’ny mpindrana anarana « prête-nom » eo amin’ny resaka fanondranana volamena.

    - Famaritana vaovao ny satan’ny fanondranana volamena ka hitakiana ny fanomezan-dalana « agrément de comptoir de l’or » ho an’ireo mpandraharaha rehetra maniry hanondrana volamena.

    - Fametrahana ny tsy maintsy hamerenana ny vola eto Madagasikara (rapatriement de devises) sy ny tsy maintsy hitondrana ny vola eo amin’ny tsena iraisan’ireo banky amin’ny fifanakalozana ara-bola (marchés interbancaires de devises).

    - Fametrahana fepetra sy sazy ara-panjakana ho an’ireo mpandraharaha tsy mamerina ny vola vidina volamena eto Madagasikara.

    - Fanafohezana ny fe-potoana tsy maintsy hamerenana ny vola azo avy amin’ny fanondranana. 

    - Fanamafisana ireo andininy mifehy ny fanarahamaso ny fivarotana volamena.

    - Fanamafisana ny fepetra hisian’ny “traçabilité” ho an’ny volamena, hahafantarana hoe avy taiza marina no niavian’ny volamena ary taiza avy ny lalana nandalovany mandra-pahatonga any amin’ny toerana hanondranana azy

    - Famaritana vaovao ireo sazy ara-panjakana mikasika ny tsy fanajana ny fepetra takiana amin’ny fananganana “comptoir de l’or”

    - Fametrahana toerana tokana na “guichet unique” hikirakirana ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fahazoan-dalana hanondrana volamena

    Taorian’ity didim-panjakana vao noraisina tamin’ny Filan-kevitry ny Governemanta androany maraina ity, araka izany, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Miniistra androany tolakandro ny fanafoanana ny fepetra nampihantona ny fanondranana ny volamena izay tsy maintsy noraisina tany aloha noho izay fahamaroan’ny trangana fanondranana antsokosoko sy ny tsy fisian’ny famerenana ny vola azo amin’ny fanondranana volamena eto Madagasikara izay.

     

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny fandaminana sy ny fomba fiasan’ny Rafitra Misahana ny Fiarahamiasan’ny Fanjakana sy ny tsy miankina (Unité Partenariat Public Privé- UPPP). Araka ny voalazan’ny lalàna lf : 2015-039 tamin’ny 3 febroary 2016 izay mifehy ny fiarahamiasa PPP dia natao hanoro hevitra sy hanampy ny Komitim-pirenen’ny PPP, hanampy ara-teknika ireo mpisehatra eo amin’ny asam-panjakana amin’ny tetikasa PPP, ny fanaovana fandalinana mialoha hamaritana ny fanasokajiana ny tetikasa iray ho PPP, ny fanarahamaso ny fampanajana ny takian’ny lalàna manan-kery momba ny PPP anatina tetikasa voasokajy, ary ny fampahafantarana sy ny fampiroboroboana ny fisian’ny tetikasa PPP. Fitaleavana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika izy ity, eo ambany fiahian’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika ary Tale tendrena eo amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra no misahana azy, antsoina hoe « responsable UPPP »

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mifehy ny fanomezana ny sata araky ny lalàna ny EITI Madagascar na ny “Extractive Industries Transparency Initiative- Madagascar” izay miandraikitra ny fampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena hampiharin’ireo firenena rehetra mpikambana amin’ny EITI maneran-tany, amin’ny fitrandrahana solika sy harena an-kibon’ny tany.

    Izany dia mba ahafahana mampifanaraka azy amin’ny voalazan’ny lalàna manan-kery lf 2018-037 tamin’ny 08 febroary 2019 mamaritra ny fepetra mifehy ireo sampan-draharaham-panjakana (établissements publics) sy ny fananganana ny sokajina sampan-draharahan-panjakana (catégories d’établissements publics). Manomboka izao dia lasa « etablissement public à caractère administratif » araka izany ny EITI Madagascar, eo ambany fiahiana ara-teknikan’ny Minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny fiahiana ara-bolan’ny Minisitera misahana ny tetibolam-panjakana. Ny rantsana mpanapa-kevitra eo anivon’ny EITI Madagascar dia ny Komitim-pirenena izay misahana ny andraikitry ny filan-kevi-pitantanana ; ny rantsana mpanatanteraka indray dia ny sekretaria mpanatanteraka ary mba ho fanajana ny lalàna dia misy koa ny rantsana misahana ny fanaraha-maso ny fampiasam-bolam-panjakana na ny « agence comptable » izay tendren’ny minisitera misahana ny tetibolam-panjakana. Voasolo tena ao anatin’ny Komitim-pirenena ny fanjakana malagasy, ny vondron’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny indostria fitrandrahana solika sy harena an-kibon’ny tany, ary ny fiarahamonim-pirenena. Ny asa iandreketany kosa dia mijanona amin’izay efa nataony hatrizay, fa ny sata araky ny lalàna izany no novaina mba hampifanarahana azy amin’ny didy aman-dalàna manan-kery eto amin’ny firenena.

 

Natao ny 30 martsa 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO