TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 15 martsa 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hikarakarana ny fihaonamben’ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany, « FORUM DE LA DIASPORA » andiany faharoa izay hotontosaina ny 28 ka hatramin’ny 30 Jolay 2023 eny amin’ny CCI Antananarivo. Tohin’ny Fihaonambe andiany voalohany izay nentina nandinika ny lohahevitra mikasika ny « diplomasia ara-toekarena », ka hamaliana indrindra ny fanontaniana hoe ahoana no hahafahan’ny Malagasy miasa sy monina any ivelany mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena, ka hanamorana ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana azon’izy ireo atao eto Madagasikara. Hasaina manokana, araka izany, ireo Malagasy avy any ivelany izay manana tetikasa tiany hotanterahina eto amintsika mba ho avy amin’io fotoana io, satria hanome tanana sy hanampy tosika azy ireo ny Fanjakana.

    Hisy ny zotram-piaramanidina manokana hanampy ny zotra efa misy mahazatra, hahafahan’izy ireo ho tonga maro aty Madagasikara mandritra io fotoana hanaovana ny fihaonambe io

    Raha tsiahivina dia efa nankatoavin’ny Fanjakana Malagasy ny Politikam-pirenena ho amin’ny firotsahana an-tsehatry ny Malagasy mila ravinahitra any ivelany (Lettre de Politique Nationale pour l’Engagement de la Diaspora), manaporofo ny lanja omen’ny Fanjakana an’ireo Malagasy miasa sy monina any ivelany ireo, ka hampandraisana anjara mavitrika azy ireo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nankatoavin’ny Filan6kevitry ny Minisitra koa ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fikarakarana ny hetsika.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra TVA amin’ny fividianana amin’ny tsena eto an-toerana ireo fitaovana ilaina amin’ny fanavaozana ny Foibe « Centre d’Opération Maritime » any amin’ny tobin’ny tafika an-dranomasina any Antsiranana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fiarahamiasa eo amin’ny Masoivoho Amerikana sy ny Tafika Malagasy ity fanavaozana ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny paikady hitantanana ireo trosan6ketran’ny Fanjakana Malagasy tokony hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, tafiditra ao anatin’ny asa laharam-pahamehana tsy maintsy atao (Action prioritaire 1.2 MERG) mifanaraka amin’ny fiarahamiasan’i Madagasikara amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Izany asa laharam-pahamehana izany dia andrasana ao anatin’ny fahazoantsika ny fanampiana amin’ny tetibola izay omen’ny Banky Iraisam-pirenena. Ao anatin’izany paikady izany moa ny fandraisana fepetra hitakiana ny hetram-panjakana tokony hiditra, avy any amin’ireo orinasam-panjakana na orinasa tsy miankina samihafa mba hanatevenana ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Fifampiresahana aloha no dingana voalohany handresena lahatra ireo mpandoa hetra ananan’ny Fanjakana trosa ireo mba hanefa izany araka ny fahafaha-manao eo am6pelatanany, mialohan’ny hirosoana amin’ny dingana hafa, tahaka ny sazy ara-panjakana raha sanatria mandamoka ny fifampiresahana.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana sy kojakoja ilain’ny Laboratoara ao amin’ny FIFAMANOR sy ny FOFIFA. Ireo fitaovana ireo dia fanomezana avy amin’ny Foibe Iraisam-pirenen’ny Angovo Atomika (Agence Internationale d’Energie Atomique) ao anatin’ny tetikasa fiantohana ny fiarovana ara-tsakafo sy fanatsarana ny fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny fandaharanasa fiompiana sy fanaraha-maso ny kalitaon’izany fiompiana izany.

    MINISITERAN’NY RANO SY NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ireo asa maika fanarenana ny tanànan’i Nosy Varika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, ka hampidirana rano fisotro madio any an-toerana. Koa satria maika ny asa dia nomena alalana ny Minisitera hanamora ny pitsopitsony amin’ny dingana takiana amin’ny tsenam-baro-panjakana. Efa misy kosa ny tetibola hampiasaina amin’ity asa maika ity, eo anivon’ny Minisitera tamin’ny alalan’ny fanovàna ny antom-pampiasana tetibola efa voafaritra tany aloha (aménagement de credits internes). Tobin-drano fisotro madio miisa 6 no vinavinaina hapetraka ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manamarina ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny rafipitsarana ambony miady amin’ny Kolikoly na “second degré” eo amin’ny PAC eto Antananarivo.

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manamarina ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny Lehiben’ny Mpitsara mpamoaka didy eo anivon’ny rafi-pitsarana ambony miady amin’ny kolikoly na ny “second degré” eo amin’ny PAC eto Antananarivo

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina hankatoavana ny fifanaraham-pindramam-bola fanampiny ao anatin’ny Fandaharanasa afrikana ho amin’ny famatsiana ny fitantanana ny Ambana sy ny Loza voajanahary (ADRiFI) eto Madagasikara. Fifanarahana izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana miaraka amin’ny Tahirim-bola Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD/FAT) tamin’ny 17 janoary 2023. Mazava ho azy fa mbola handalo eny anivon’ny parlemanta, hodinihina sy holaniana ho lasa lalàna, ity volavolan-drijatenin-dalàna ity.

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mifehy ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana nahazoana famatsiambola avy any ivelany. Didim-panjakana natao hanova ny efa nisy teo aloha, dia ny didim-panjakana 2018-298 tamin’ny 04 aprily 2018 izay tsy maintsy havaozina, taorian’ny nanafoanana ireo sampan-draharaha nisahana ity andraikitra ity tany aloha, dia ny OCSIF (Organisme de Coordination et de Suivi des Investissements et de leurs Financements) sy ny STP-CA (Secrétariat Technique Permanent pour la Coordination des Aides).

    Hisy araka ity didim-panjakana ity ny tahirin-kevitra hifehy ny fomba fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana na « manuel de gestion des investissements publics » hametrahana ireo dingana samihafa tsy maintsy arahina, miainga amin’ny famaritana ny tetikasa hanaovana ny fampiasam-bola ka hatramin’ny fanatanterahana azy. Tafiditra ao anatin’izany ny tombana mialoha sy aorian’ny fanatanterahana ny tetikasa, ny fandraketana ny tetikasa ao anatin’ny fananam-panjakana (comptabilisation-matières) ary ny fanaovana fitsirihana sy fanadihadiana (audit et contrôle) manaraka ny fomba fanao maneran-tany. Anisan’ny asa laharam-pahamehana ao anatin’ny fiarahamiasan’i Madagasikara amin’ny Banky Iraisam-pirenena ihany koa ny fandaniana ity didim-panjakana ity.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY RANO SY NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina hankatoavana ny fifanaraham-pindramam-bola ao anatin’ny fandaharanasa « Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo-2ème phase - PIAA2 » izay fiarahamiasa vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha Frantsay ho an’ny Fampandrosoana (AFD) tamin’ny 08 desambra 2022. Fandaharanasa mitentina 35 tapitrisa euros, izay natao hanatsarana ny fiainan’ny mponina eto Antananarivo, indrindra ireo mipetraka eny amin’ny faritra iva izay tena iharan’ny amban’ny tondra-drano matetika.

  • III- FAMPAHAFANTARANA IREO DRAFITR’ASA LAHARAM-PAHAMEHANA ISAKY NY MINISITERA

    Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany taorian’ny nanendrena ireo minisitra vaovao, dia nanolotra ny drafitr’asa heveriny fa laharam-pahamehana ao anatin’ny departemanta tantaniny ny minisitra tsirairay. Mamatotra ireo minisitra io drafitrasa laharam-pahamehana io izay tokony hotanterahina ao anatin’ny 6 volana ho avy. Minisitera miisa 2 indray tamin’ity androany ity no nampahafantatra ny fandaharanasa laharam-pahamehana ho an’ny departemantany:

    - Minisiteran’ny Asa Vaventy: ny fanaovana ny asa maika ho an’ny lalana eto Antananarivo sy ny renivohi-paritany sy renivohi-paritra, tahaka an’i Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe, Ambositra, Ambatondrazaka, Fenoarivo Atsinanana, Maintirano, Antsohihy, Mananjary, Manakara, Morondava ary Ambovombe no tena laharam-pahamehana voalohany, ary efa manomboka ankehitriny ny eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Eo koa ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa vaventy eny amin’ny lalam-pirenena izay simban’ny rivodoza, amin’ny alalan’ny tahirimbolan’ny lalana (Fonds Routier) sy ny tetibola manokan’ny Minisitera (RPI). Ankoatra izay dia laharam-pahamehana tsy maintsy hotanterahina koa ny fanamboarana ny tena simba na “points noirs” rehetra amin’ireo lalam-pirenena RN2, RN4, RN6 ary ny RN7. Ary ny farany dia ny fanohizana sy famitana ny lalambe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

    - Minisiteran’ny Fampiroboroboana sy ny fanovàna ara-haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra : ny famadihana ireo asam-panjakana hanaraka ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra no tena laharam-pahamehana. Manampy ireo karatra “e-poketra” miisa 60.000 efa nozaraina hatreto ho an’ny mpianatra ambaratonga ambony, dia tombanana ho karatra “e-poketra” miisa 110.018 vaovao no ho voazara, ho an’ireo miaramila sy zandary, ny polisim-pirenena, ny mpampianatra FRAM ary ireo mpianatra vaovao L2 eny amin’ny oniversitem-panjakana. Ny karinem-pokontany kosa dia efa tokantrano 400.000 hatreto no misitraka azy ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Mananjary ary Nosy-Varika. Ao anatin’ny 6 volana dia kendrena ho tokantrano 1.103.000 amina kaominina ambonivohitra miparitaka manerana ny Nosy no hizarana karinem-pokontany.

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1642 tamin'ny 21 aogositra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANDRATONDRAKOTONIRINA Hacynicolas Finoana Arizo, ho Tale Jeneralin'ny “Institut Supérieur de Technologie Ambositra”.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 34 tamin'ny 10 may 2017 ary manendry an'Andriamatoa RAHARINAIVO Rémi Saray, ho "Directeur d’Ecole du Génie Industriel de l’Institut Supérieur de Technologie" d’Antsiranana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1448 tamin'ny 04 novambra 2020 ary manendry an-dRamatoa NALY Cindy Vermeille, ho Talen’ny “Centre d’Information et de Documentation Scientifique” an’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1430 tamin'ny 04 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa KARA Marcel, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Ihorombe

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 294 tamin'ny 04 martsa 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMAVO Christophe, ho Tale Jeneralin'ny “Agence Routière”
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1233 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa SAMBISOLO Emile Joseph, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIVOLOLONA Maminirina Estel, ho "Directeur des Affaires Juridiques"

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIAMAHEFA Haingotseheno, ho « Directeur de la Promotion de l’Hygiène »

    MINISITERAN'NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 425 tamin'ny 23 martsa 2022 ary manendry an'Andriamatoa TOTO Modeste Justin, ho Talem-paritry ny asa tanana sy ny haitao ao Sava
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABETSIALONINA Moustane, ho Talen’ny Serasera

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 578 tamin'ny 20 aprily 2022 manendry an'Andriamatoa MAMITIANA Andriamanjato, ho Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1001 tamin'ny 29 septambra 2021 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy

 

Natao ny 15 martsa 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO