TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 09 martsa 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fanamarihana ny tsingerin-taona faha-76 ny tolona ho an’ny fahafahana ny 29 martsa 1947, amin’ity taona 2023 ity.

    Ny 15 martsa 2023 dia efa hanomboka ny fanamarihana amin’ny alalan’ny fanentanana amin’ny haino vaky jery sy ny tambajotran-tserasera samihafa. Ny 22 martsa koa no hisy ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanamarihana eo amin’ny tany malalaky ny zaridainan’Anosy, arahin’ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ireo mpiady tia tanindrazana sisa mbola velona, izay hatao eto Antananarivo, Manakara ary Moramanga. Ny 22 ka hatramin’ny 28 martsa dia hisy ny fampirantiana mahakasika ny tolona natao eo amin’ny zaridainan’Anosy ihany, izay hohatevenina amin’ny fampirantiana mitety sekoly ny 23 ka hatramin’ny 27 martsa 2023. Ny 25 martsa 2023 dia hisy fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana hatao eny amin’ny fiangonana advantista Soamanandrariny, ary ny ivon’ny fanamarihana dia ny andron’ny 29 martsa 2023 hametrahana ny fehezam-boninkazo sy fampiroboroboana ny afo tsy maty.

    Marihana fa manerana ny Nosy dia hisy fanamarihana avokoa, ankoatra ny eto Antananarivo, Manakara ary Moramanga izay hiavaka noho ireo toerana ireo izay tena nisy ny hetsika navaivay nandritra ny tolom-panafahana 1947.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-informatika fanomezana avy amin’ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD). Ireo fitaovana ireo dia hampiasain’ny Fitaleavana misahana ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny fanovàna samihafa apetraka eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola mikasika ny fomba enti-mitantana ny volam-panjakana, mba hanatrarana ny tanjon’ny paikadin’ny teti-pivoarana sy fanatanterahana ny fampandrosoana maharitra na « ODD » sy ny « agenda 2063 » eo anivon’ny Firenena Mikambana.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKERANA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fiara miisa 04, fanomezana avy amin’ny « Service départemental-métropolitain d’incendie et de secours » na SDMIS Lyon Rhône France.

    Fiara izay hampiasaina ao anatin’ny tetikasa fametrahana ny « Unité de protection civile » ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, natao hiadiana amin’ny hain-trano. Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe, ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy ary ny sampan-draharaha SDMIS Lyon Rhône France.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanatanterahana ny Fandarahanasa hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny fandraharahana maharitra sy ny fanohanana amin’ny fiseharana ara-toekarena an’ireo tanora tantsaha (Programme de Renforcement de l’Entrepreneuriat durable et de Soutien à l’Insertion Economique des Jeunes Ruraux - PROGRES) izay vao avy nankatoavin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ara-pambolena (FIDA) andiany faha-137 farany teo tamin’ny 28 desambra 2022. Ny FIDA sy ny tahirim-bola OFID (tahirim-bola avy amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny OPEP) no miaraka mamatsy vola ny tetikasa.

    Famatsiam-bola mitotaly 82.780.000 Euros izay mizara telo no azon’i Madagasikara amin’io tetikasa io :

    Fampiroboroboana ny fandraharahana ho an’ny tanora tantsaha (entrepreneuriat des jeunes ruraux) : izay hanomezan-danja ny rojon’ny fambolena, ary kendrena hamoronana orinasa miisa 21.200 sy asa miisa 50.000 eo ho eo. 

    Fampandrosoana ny rafi-tsakafo ho an’ireo tena sahirana (systèmes alimentaires pro-pauvres) : ka kendrena hanampiana tokantrano ambanivohitra tena sahirana, hizarana « titre vert » ho an’ireo tokantrano tena sahirana ahafahan’izy ireo mamboly sy miompy. Kendrena ny hanaratrarana ireto tanjona ireto : tokantrano tena sahirana miisa 75.000 no hahazo tohana, tokantrano hafa miisa 110.500 no hisitraka fanatsarana ara-tsakafo, kara-tany miisa 10.000 no ho voazara amin’ireo mpisitraka ny tetikasa, velaran-tany fambolena mirefy 1842 hektara no ho voatondraka, lalana ambanivohitra mirefy 40 km no ho voavoatra, fotodrafitrasa fiompiana miisa 50 no ho voatsangana, ary toeram-pitobiana vokatra lehibe 8 miaraka amina toeram-panodinana vokatra miisa 25 sy toeram-pitotoana vary miisa 20 no ho voatsangana. 

    Fanamafisana fahaiza-manaon’ny sampan-draharaham-panjakana hisahana ny fitantanana ny tetikasa amin’ny alalan’ny famolavolana ny drafim-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (plan national de développement agricole) mikasika ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fampivoarana ny eny ambanivohitra ary ny fahazoana ny tany hambolena. Ny tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampitaovana (Fonds d’Equipement des Nations Unies-FENU) no manohana ity singa fahatelo ity.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna mikasika ny fampiasam-bola (Avant-projet de loi sur les investissements) eto Madagasikara. Natao hametrahana tontolo mahasarika ireo mpampiasa vola na avy eto an-toerana na avy any ivelany, sy hiarovana ny fampiasam-bola ataon’izy ireo ity rijateny vaovao ity, hampifanarahana amin’ny fenitra iraisam-pirenena misy, ary hametrahana indrindra koa ny mangaraharaha eo amin‘ireo dingana ara-panjakana ilaina atao rehefa hampiasa vola eto Madagasikara.

     Ny foto-kevitra tena mibaiko ny volavolan-drijatenin-dalàna ity dia ny hiantohana ny fampitoviana lenta ireo mpampiasa vola na malagasy na vahiny manoloana ny fampiasam-bola ataon’izy ireo (traitement juste et équitable). Eo koa ny fampifanarahana ny lalàna lasitra mikasika ny fampiasam-bola amin’ireo lalàna isan-tsehatra samihafa efa misy eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Tsiahivina fa mbola handalo eo anoloan’ny parlemanta 2 tonta ity volavolan-drijatenin-dalàna ity amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka. 

  • III- FAMPAHAFANTARANA IREO DRAFITR’ASA LAHARAMPAHAMEHANA ISAKY NY MINISITERA

    Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany taorian’ny nanendrena ireo minisitra vaovao, dia nanolotra ny drafitr’asa heveriny fa laharam-pahamehana ao anatin’ny departemanta tantaniny ny minisitra tsirairay. Mamatotra ireo minisitra io drafitrasa laharam-pahamehana io izay tokony hotanterahina ao anatin’ny 6 volana ho avy.

    Minisitera 3 no nanomboka izany androany:

    - Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany : ny tena goavana indrindra dia ny fizarana karatany ho an’ny tantsaha mpamboly mba hiarovana ny tanin’izy ireo tsy hisy hangalatra. Ka amin’ny faran’ny volana Septambra 2023 dia vinavinaina ho karatany miisa 1.205.000 no ho voazara manerana an’i Madagasikara.

    Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana : ny fanajariana ny tany hambolena sy ny fanohanana ny tantsaha no isan’ny goavana indrindra hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ao anatin’ny 6 volana dia vinavinaina hahatratra 109.757 hektara ny velaran-tany ho voajary, fianakaviana tantsaha miisa 60.989 no hisitraka masomboly, miisa 208.900 no hisitraka zezika, fikambanana mpamboly miisa 52 sy mpamokatra miisa 29.928 no hisitraka fitaovam-pambolena isan-karazany. Tanora tantsaha miisa 2.540 no tombanana hisitraka ny fandaharanasa “titre vert”. Any amin’ny faritra atsimo manokana dia kendrena ho voatsangana ao anatin’ny 6 volana ny toeram-pitehirizan-tsakafo na “banque alimentaire” miisa 10, fianakaviana miisa 121.000 no hisitraka masomboly “sorgho” sy “mil”, ary toby fitehirizan-drano miisa 15 koa no ho voatsangana.

    Minisiteran’ny angovo sy akoran’afo : ny tetikasa fananganana “parcs solaires” mba hampihenana ny fahatapahan-jiro matetika, ny “branchement mora” izay fampidirana jiro anatina tokantrano tena kely fidiram-bola sy ny fizarana ny kojakoja ahazoana jiro avy amin’ny herin’ny masoandro na “kits solaires” no tena laharam-pahamehana. Ao anatin’ny 6 volana manaraka dia vinavinaina ho “parcs solaires” miisa 37 no hatsangana, efa amboarina mialoha any ivelany daholo ny kojakoja ilaina rehetra ka fanambarana izany sisa no hatao rehefa tonga eto Madagasikara. Tokantrano miisa 250.000 no hisitraka “branchement mora”, ka ny ampahany voalohany amin’ireo dia ny JIRAMA no hisahana azy, ary ny ampahany faharoa dia ny tsy miankina, amin’ny alalan’ny fomba fiasa EPC (Engineering Procurement and Construction) no hanatanteraka azy. Tokantrano miisa 1.000.000 kosa no kendrena hisitraka “kits solaires” hitsinjara amin’ireo distrika 119.

  • IV- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-441 tamin’ny 30 martsa 2022 ary manendry an’ Andriamatoa FANOHIZA Claude, ho Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 502 tamin'ny 27 martsa 2019 ary manendry ny Général de Brigade RAOILISON Robert, ho "Directeur du Service National et de la Gestion des Réserves".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha tamin'ny 2019-204 du 27 febroary 2019 ary manendry Général de Brigade RAJAONARISON Volamanana Mamiarivelo, ho "Directeur Général de la Planification Stratégique".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 213 tamin'ny 27 febroary 2019 ary manendry ny Médecin Général de Brigade RATOVONDRAINY Willy, ho Tale Jeneralin'ny Centre Hospitalier de Soavinandriana.

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa SOLOMAMPIONONA Harivelonirina Josia Ismaëlle, ho "Directeur de la Logistique et du Patrimoine"

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2020-1431 tamin'ny 4 novambra 2020 ary manendry an'Atoa. MANDIMBILAZA Noeriko SYLVAIN ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Sofia

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAKOTOARIVONJY Mandimbisoa, ho Talen’ny Depêche Informative Taratra.
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY sy ny LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1577 du 14 août 2019 nanendry ny Talem-paritry ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ao Vakinankaratra
  • VI- SAMIHAFA

    Ho fanajana ny mangarahara, na dia ivelan’ny fanapahan-kevitra raisina ao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra aza, dia nampahafantarina ireto fanendrena eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ireto, izay nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA:

    • Andriamatoa Patrick RAJOELINA, ho mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika misahana ny diplomasia sy ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany.
    • Ramatoa RAHARINIRINA Baomiavotse Vahinala, mpanolotsaina manokana misahana ny raharaha ara-toekarena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina
    • Andriamatoa Tianarivelo RAZAFIMAHEFA, ho mpanolotsaina manokana misahana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony.
    • Ramatoa Espérance PELANDROY ARNAUD, izay Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha kosa dia voatendry ho mpanolotsaina any amin’ny masoivohon’i Madagasikara any Paris, France eo anivon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny.

 

Natao ny 09 martsa 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO