TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

11 may 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fanafoanan-ketra (franchise douanière) amin’ny fampidirana fiara fitaterana marary (ambulances) miisa roa, izay hampiasain’ny Fikambanana misehatra amin’ny maha olona Akamasoa.

    Ireo fiara ireo dia fanomezana avy amin’ny Repoblikan’ny Slovénie ka hampiasain’ny Akamasoa any amin’ny CSB II Fianarantsoa sy any amin’ny « maternité » Vangaindrano.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    Nankatoavina ny fametrahana ny vidiny farany ambanin’ny lavanila maitso.

    Ny Filankevitry Nasionaly ny Lavanila, dia tompon'andraikitra amin'ny fanolorana amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny vidin'ny vokatra ho an'ny fivarotana azy eo amin'ny sehatra nasionaly.

    Araka ny tolo-kevitra voaray avy amin'ny Filankevitra Nasionaly ny lavanila (CNV) sy ny Komitim-paritry ny lavanila (CRV) momba ny vidiny hampiharina amin'ity vokatra ity amin'ny taom-pivarotana 2022-2023, dia nametraka ny vidiny farany ambany ho 75.000 MGA/kg ho an’ny taom-pivarotana 2022-2023.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavina ireo Nouveaux Projets Emergents an’ity minisitera ity ho an’ny taona 2022 momba ny fanorenana ny tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera any amin’ny Faritra SOFIA (Mandritsara), Analanjirofo (Maroantsetra), Ihorombe (Ihosy).

    Efatra ambin’ny folo (14) amin’izao fotoana izao ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay natsangana ka napetraka ao: Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa, Toliara, Morondava, Moramanga, Ambatondrazaka, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana, Manakara, Farafangana, Ambovombe Androy, Taolagnaro.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavina ny fampitàna am-bava momba ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESupRES) sy ny Minisiteran’ny fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MDNTDPT) ary ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF), ao anaty ny Tetikasa fanovàna ny « Centre National de Télé-Enseignement de Madagascar » ho « Oniversite nomerika ».

    Roa no tanjona amin’izany :

    - Fametrahana ny fitantanana nomerika eto anivon’ny fampianarana am-pitan-davitra eto anivon’ny Oniversite

    - Fametrahana ny « e-learning »

    Efa vonona ny fitaovana entina hanombohana izany tetikasa izany. Ny AUF no miantsoroka ny lafiny « appui et accompagnement ». Ny MDNTDPT kosa no handrindra izany tetikasa izany mba hifanindran-dalana amin’ny programa « transition numérique » nirosoan’ny Fitondram-panjakana.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Nankatoavina ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny DTI amin’ny fanafarana « Tranformateurs » matanjaka miisa 22 an’ny Orinasa JIRAMA.

    Tafiditra ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny Fikambanana ATEMA sy ny Faritr’i Boeny izao fafarana « transformateurs » izay manana tanjaka 100 hatramin’ny 630 kVA izao, mba ho sitrahan’ny JIRAMA sy ny Faritra Boeny.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny handraisana an-tanana ireo Hetra amin’ny Tsenam-baropanjakana na « Impôts sur les Marchés Publics » (IMP) ao anatin’ny Tetikasa fanatsaràna ireo fitaovana fitantanana ireo fako mivaingana mba hisian’ny tanàna madio eto Antananarivo, izay tohanan’ny « Agence Japonaise de Coopération Internationale » (JICA

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavina ireo Nouveaux Projets d’Emergence an’ity minisitera ity ho an’ny taom-piasàna 2022.

    Ao anaty vinavinan’asan’ny Ministera ny hametraka ny Biraon’ny Fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany isaky ny faritra mba hanomezana lanja ireny vokatra ireny. Hirosoana arak’izany ny fametrahana ny politika ahafahana manodina any an-toerana ihany ireny harena an-kibon’ny tany ireny, sy ny fanaraha-maso izany amin’ny alalan’ny fametrahana sy fampandehanana ny Biraom-paritra amin’ireto toerana manaraka ireto : Ambositra – Maintirano – Ambovombe – Ihorombe – Fenoarivo Atsinanana – Ambilobe – Maevatanàna – Mananjary – Miandrivazo – Ilakaka – Sakaraha – Manakara – Sambava – Vohémar

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fifanarahana fampindramam-bola (accord de prêt), izay mifandraika amin’ny famatsiana vola ny Tetikasa « Connecter Madagascar pour une croissance Inclusive », izay nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Association Internationale de Développement (IDA), ny 18 aprily 2022.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manambara ho tombotsoan’ny daholobe ireo asa fanajariana ireo ampahan-dalana amin’ny Lalam-pirenena faha 13 (RN13) sy ny fakàna ireo ampahan-tany sy/na trano izay voakasiky ny asa amin’ny alalan’ny fifanarahana tsotra na fanoneram-bidy ataon’ny Fanjakana noho tombotsoam-bahoaka.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRY NY ANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ireo teboka sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana 2021-1220 tamin’ny 10 novambra 2021, izay manambara ho tombotsoan’ny daholobe ny fanatanterahana ireo asa fanamboarana ireo fotodrafitrasan’ny fitaterana an-tariby na « Téléphérique » eto Antananarivo, manomboka eny Ambatobe hatreny Anosy.
  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RASOLOHARIMANANA Aimé, ho Tale Jeneralin’ny Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites (ARAI).

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1540 tamin’ny 18 novambra 2020 ary manendry an’Atoa M. MANANJARA Lucien, Préfet d’Antsiranana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIARISON Haingo Harisoa Tantely, ho « Directeur des Etudes, Analyse et Prospective du Fonds de Développement Local » eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-904 tamin’ny 12 aogositra 2020 ary manendry an-dRamatoa ALMINE Isaia, ho Lehiben’ny distrikan’i Beloha Androy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1373 ny 08 desambra 2021 ary manendry an’Atoa. RABEMAMORY Adèle Bienheureux, ho « Chef de la Cellule Stratégique de l’Administration du Territoire et de la Décentralisation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-511 du 24 mai 2020 ary manendry an’Atoa. AMBININTSOA Jean José, ho Préfet an’i Toamasina.

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 661 tamin’ny 24 juin 2020 ary manendry an-dRamatoa MODINARISON Yvette Dominica, ho Tale iraisam-paritry ny Fizahantany ao Betsiboka - Sofia.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1373 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry Atoa. ANDRIANDRAMPIANDRA RAZAFIMAHATRATRA Nirina, ho Tale isam-paritry ny Fizahantany Itasy - Bongolava.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2021-1069 tamin’ny 06 oktobra 2021 ary manendry an’Atoa.MAHAMPANDRO Houssen, ho « Directeur de Partenariats et du Développement (DPaD)» eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1262 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry an’Atoa. RAMADANY Omar Abderman, ho « Directeur de l’Inspection et de la Lutte contre la Corruption (DILC) » eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 713 ny 01 jolay 2020 ary manendry an-dRamatoa HARIJAONA Miangolarimino, ho Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1239 tamin’ny 30 septembra 2020 ary manendry an’Atoa. SENDRADILIFERA Masimbonjy Eluidoni, ho « Chef de l’Unité de Facilitation des Projets » ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMATARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 216 tamin’ny 10 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Volanirina Marie Sarah, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famatarana ny Toetrandro
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana laharana faha 2021-1294 tamin’ny 17 novambra 2021 ary manendry an’Atoa. BEZANDRY Tojonantoavina, ho « Directeur des Projets et du Partenariat » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famatarana ny Toetrandro
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana laharana faha 2021-1132 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa HAVANABY Patricia Vincent, ho « Directeur de la Cellule Anti-Corruption » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famatarana ny Toetrandro.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’ Atoa. RATOVONIAINA Thierry Emmanuel, ho « Responsable de l’Unité de Coordination des Projets et des Partenariats » eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano ny Fanadiovana ary ny Fidiovana
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAKAMAHEFA Andrianirinaholisoa Oyo, ho « Directeur de l’Assainissement » eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano ny Fanadiovana ary ny Fidiovana
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. MANDIMBISOA Kléoni, ho «Directeur Général de l’Assainissement et de l’Hygiène » eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano ny Fanadiovana ary ny Fidiovana

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. MANOVOSOA Hugo, ho Talem-paritry ny Asa Tanana sy ny Haitao ao amin’ny Faritra Androy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa.SOLOFONIAINA Bryan Christian, ho « Directeur de la Valorisation des Métiers » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1126 tamin’ny 09 septambra 2020 ary manendry an’Atoa. ANDRIAMAROZAKA Toky Nindraina, ho « Directeur des Affaires Financières » eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1296 tamin’ny 07 oktobra 2020 ary manendry an’Atoa. RAKOTONDRAZANANY Frank Eugeno, ho « Directeur de l’Innovation et du Développement Numérique » anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1297 tamin’ny 07 oktobra 2020 ary manendry an’Atoa. RAMANANTSOA Herivola Patrick, ho « Directeur de la Planification Stratégique et du Suivi-Evaluation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny fampiofanana arak’Asa
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RANDRIAMANANTENA Hery Mampionona Honoré, ho Talem-paritry ny anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa ao Bongolava
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 282 tamin’ny 10 martsa 2021, ary manendry an-dRamatoa HAJARISOA Aline, ho Talem-paritry ny Minisiteran’ny Fampianaran Teknika sy Fampiofanana arak’Asa ao Itasy.

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2022-166 tamin’ny 02 febroary 2022 nanendry ny « Directeur des Infrastructures » eo anvion’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

Natao ny 11 may 2022,

Ny Fitaleavan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika