TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 27 OKTOBRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY FITATERANA

    Nankatoavina ny fanalavana ny “Convention de concession de service public pour l’exploitation de terminal à conteneur” ao amin’ny Seranan-tsambon’ny Toamasina.

    Taorian’ny tolo-bidy iraisam-pirenena na « appel d’offre international » nataon’ny Governemanta Malagasy, ny ICSTI no nahazo ny “concession de service public” amin’ny famolavolana sy ny fanamboarana Terminal à conteneurs ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Araka izany, nisy ny “Convention de concession” izay nosoniavina ny 16 jona 2005, fifanarahana izay maharitra 20 taona.

    Araka ny voalaza ao anatin’ity “Convention de concession” ity, ny Orinasa “MICTSL na Madagascar International Container Terminal Services, Ltd », izay rantsan’ny ICSTI, no nanatanteraka ny Concession, ary dia tonga eo amin’ny taona faha 16 nitantanany ny Terminal à conteneurs ankehitriny.

    Noho ny fahitana ny habe sy havesatry ny fampiasam-bola na “investissements” fanampiny izay mbola hotanterahina ao amin’ny Terminal à conteneurs, izay mihoatra amin’ilay fifanarahana teny amboalohan’ny concession, sy ny hamehan’ny fanatanterahana ireo asa, dia nanapa-kevitra ny SPAT sy ny MICTSL fa handrafitra izay fomba ahafahana manitatra ny fiaraha-miasa sy hametraka ireo fepetra rehetra hampivelarana izany.

    Izany no antony naneken’ny SPAT, izay rafitra miandraikitra ny seranan-tsambo, ny hanalavana 15 taona vaovao indray ny “Convention de concession” manomboka amin’ny fotoana fahataperan’ny fifanarahana, izany hoe manomboka amin’ny 16 aogositra 2025 ka hifarana amin’ny 15 oktobra 2040. Ary ny MICTSL dia hanohy ny maha Concessionnaire azy miaraka amin’ireo “droits sy obligations” mifanaraka amin’izany. Koa dia nifanaraka hametraka “Avenant” mamaritra izany fanalavana fotoam-piasana izany ny roa tonta.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavina ny tetikasa fanarenana ny lalam-pirenena faha 13 na RN13, ampahany eo anelanelan’ny sampanan-dalana RN7 Ikalamainty sy ny fivoahana eo Betroka izay mirefy 118 km

    Tanjona ao anatin’ity tetikasa ity ny hanarenana ny toekaren’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara amin’ny ezaka fanatsarana ny sehatry ny fitaterana, mba hisian’ny fifanakalozana ara-toekarena sy hanamorana ny fivezivezen’ny mponina amin’ireo tanàna voakasika, hanokafana sy hanomezan-danja ireo fari-pambolena midadasika ary ireo vokatra mampatanjaka ny faritra nefa tsy mbola voatrandraka, hampihenana ny saran'ny fitaterana sy ny faharetan’ny dia.

    Ankoatra izay, ny fanarenana ity lalam-pirenena ity dia hiteraka fitomboan’ny fampiasana ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Fort Dauphin mandritry ny taona maro. Mizara telo ny tetikasa:

    - Ny asa fanarenana ny ampahany miainga avy ao Ambovombe mihazo an’i Fort Dauphin, mirefy 114 km, izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny BEI vola.

    - Ny ampahany eo anelanelan’i Betroka sy Ambovombe, mirefy 263 km, dia mbola hatao fanadihadiana ara-teknika sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana mba hahafahana manolotra ny fangatahana famatsiam-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka

    - Ny ampahany mirefy 118 km, izay anton’ny nanaovana ity fampitam-baovao ity, dia mampitohy ny sampanan-dalana RN 7 lkalamainty amin’ny tanànan’i Betroka.

    Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana Malagasy fa hamatsy vola ny asa fanarenana amin’iny faritra iny amin’ny alalan’ny « Ressources Propres Internes (RPl) ». Efa natomboka tamin'ny 13 Oktobra 2021 ny fiantsoana tolo-bidy ho an’ity tetikasa ity hahafahana mahita ireo mpanome tolotra afaka hanatanteraka ireo asa.

    MINISITERAN’NY JONO sy ny TOEKARENA MANGA

    Nankatoavina ny fangatahana fampitomboana ny vola ampiasain’ny “Autorité Sanitaire Halieutique” na ASH.

    Noho ny hamehan’ny fampanarahana ny fenitra eo amin’ny sehatry ny jono, izay asan’ny ASH ary mba ahafahany manatanteraka ny andraikiny sy mampihatra ny fahefana nomen’ny fanjakana Malagasy azy amin’ny maha mpanara-maso sy tompon’andraikitra mahatapaka azy dia nankatoavina ny fangatahan’ny ASH tetimbola fanampiny. Misy kosa ny fijerena manokana ireo fandaniana vao halefa io tetibola fanampiny io.

    Mitohy ny fifampiresahana na ny “négociation” hatongavana amin’ny fomba fijery mitovy eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana mikasika ny fifanaraham-piaraha-miasa antsoina hoe « Accord de Partenariat de Pêche Durable (APPD) » eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana

    Taorian’ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra ny 26 may 2021, dia niroso ny fifampidinihina teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny Vondrona Eoropeana mikasika « Accord de Partenariat de Pêche Durable (APPD). Nandritra ireo dinika no nahafahan’ny fanjakana Malagasy naneho ny zavatra andrasan’ny Governemanta mikasika ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenentsika, any amin’ireo ranomasina eo ambany fahefan’i Madagasikara, ny fampandrosoana ny « chaîne de valeur pêche », ny fanitsiana ny saram-panjonoana araka ny “grille” vaovao ary ny famerana ny isan'ny sambo mpanjono.

    Nomena toromarika ny Minisitry ny Jono hanohy ny fifampidinihana ka mba hisy fanatsarana ny haba izay azo amin’ny jono izay atao amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

    MINISTERAN’NY FAMPANDROSOANA NOMERIKA, NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Momba ny « Digitalisation » ny fandoavana vola eo anivon’ny sampan-drahaharaham-panjakana sy ny fahazoana ireo karatra e-poketra miisa 250.000

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny fanavaozana ny fitantanana, indrindra amin’ny alalan’ny nomerika, indrindra ny sampan-draharaham-panjakana, ny minisiteran’ny Fampandrosoana nomerika, ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, izay tompon'andraikitra amin'ny famolavolana sy fanatanterahana ny paikady fampiharana ity politika ity, dia mitarika sy mandrindra tetikasa maromaro ary ao anatin'izany ny fametrahana rafitra nomerika hamantarana ireo mpiasam- panjakana sy mpisehatra hafa amin’izany ary ny fandoavam-bola nomerika ny karaman’izy ireo. Ny rafitra nomerika ankehitriny ampiasaina amin’izany dia mifototra amin’ny fanomezana azy ireo karatra fandraisam-bola e-Poketra.

    Ampiasain’ny fanjakana foibe amin’ny fandoavana karama, tambi-karama sy vola samihafa ho an’ireo mpiasa ao aminy na koa amin’ny fandoavana ireo volan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo sy ireo mpandray fisotroan-dronono ny karatra e-Poketra.

    - Ireo mpianatry ny oniversite no nisantatra izany,

    - narahin’ireo mpampianatra FRAM. 

    Ireto manaraka ireto ny departemanta hafa hampiasa ity fandoavam-bola amin’ny alalan’ny nomerika ity

    - ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola amin’ny alalan’ireo mpisotro ronono mikambana ao amin’ny « Caisse de Retraite Civile et Militaire » sy ny CNAPS.

    - ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria

    - ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka

    - ary ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.

    Mifanindry an-dalana amin’izany dia hisy ny andiany faharoa ho an’ireo mpampianatra FRAM sy ireo mpianatry ny Oniversite izay hahazo izany karatra ePoketra izany amin’ity taona ity ihany

    Araka ny fifampidinihana teo amin’ny Minisitera misahana ny haitao ara-kajy mirindra niaraka tamin’ireo sampana samihafa ireo dia tokony ho eo am-pelatanan’ny fanjakana ny karatra e-Poketra miisa manodidina ny 250.000 eo, izay vinavinaina ho 34.000ar ny sandan’ny fahazoan’ny mpisitraka azy, ka tafiditra amin’ny tetibolam-panjakana 2021.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Mikasika ny Tetibolam-panjakana 2022

    Nisy ny fanazavana ny andinindininy mikasika izany nataon’ny Minisitra tompon’andraikitra dia ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta mikasika ity tetibola taona 2022 ity. Misy roa moa ny hevi-dehibe iompanan’ity tetibolam-panjakana ity.

    Koa ny voalohany amin’izany dia mikasika ny fanamafisana ny fampandehanana indray ny toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ny fifaranan’ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fanokafana indray ny habakabak’i Madagasikara mba ahafahana manafaingana ny asa. Eo ihany koa ny fampiasam-bola na ny « investissements » mba hametrahana « écosystème infrastructurel » ahafahana manohana ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ny fanamboarana sy fanavaozana ireo làlana ahafahana manohana ireo toerana mpamokatra. Ny fampivelarana ny « parc énergétique » mba hanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fisitrahana herinaratra. Ny fanajariana ireo « bassins agricoles » mba ahafahana manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

    Ny hevi-dehibe faharoa kosa dia mifandraika amin’ny fanamafisana ireo asa fampandrosoana eo amin’ny sehatra ara-tsosialy indrindra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Ao anatin’izany eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanamboarana CSB sy hopitaly, ny fampitomboana ny isan’ireo mpiasan’ny fahasalamana. Eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fanamboarana sekoly sy ny fandraisana mpampianatra. Mikasika ny fahefa_mividy : fanaraha_maso ny tsena sy ny famatsiana PPN. Eo amin’ny sehatry ny fandriam-pahalemana, hisy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-pitaovana ireo tafika sy mpitandro ny filaminana.

    Ary farany mikasika ny famatsiana rano fisotro madio, dia eo ny fanamboarana ireo Pipelines any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, sy ireo tetikasa fampidiran-drano any amin’ny tanan-dehibe. Hisy ny ezaka lehibe atao amin’ny fampidirana vola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’ny TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa TSARAFARA Christian Yvon ho « Directeur des Affaires Financières et de Logistique » eo anivon’ny Direction Générale du Contrôle Financier.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAMBOARIMANANA Hervé Jeannot Victorien ho « Directeur de la Dette Publique » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOMALALA Hary Andriakaja, ho « Directeur de la Législation Fiscale et du Contentieux » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-521 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Pascal, ho « Directeur Technique » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1123 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa RASAMOELINA Wickliff Joël, ho « Directeur de la Formation Professionnelle » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-322 tamin’ny 11 martsa 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAHARIJAONA Tolotra Christian, ho « Directeur de l’Audit Interne » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-522 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa ABRAHAM Lantoniaina Félicité, ho « Directeur de la Coordination et du Suivi des Reformes » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    •  

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1428 tamin’ny 04 novambra 2020 ary manendry an-dRamatoa ANJARANIRINA Lahasa Chrystoline, ho « Directeur Régional de l’Education Nationale de Fitovinany ».
    •  

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0852 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa BATH-SCHEBA Benjamina Juliette, ho « Directeur Régional de la Santé Publique » ao amin’ny Faritra Analanjirofo
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa LAHIMASY Emihangy, ho « Directeur Régional de la Santé Publique » ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana
    •  

    MINISITERAN’ny ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa IRINDAZA Felambao Joeliarimalala, ho « Directeur des Systèmes d’Informations » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

    MINISITERAN’ny FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-415 tamin’ny 20 martsa 2019 sy ny didim-panjakana laharana faha 2019- 416 tamin’ny 20 martsa 2019, ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIAINA Herisoa Marinà, ho « Directeur d’Appui à l’Organisation des Producteurs et à l’Agrobusiness » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-694 tamin’ny 10 aprily 2019, ary manendry an’Andriamatoa RATIAMBOLOLONIAINA Alain Harivony, ho « Directeur de la Formation et des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-768 tamin’ny 17 aprily 2019, ary manendry an-dRamatoa RAMANANJANAHARY Harivony Blandine, ho « Directeur d’Appui à la Production Végétale » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-696 tamin’ny 10 aprily 2019, ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARINOME Vincent Michel, ho « Directeur des Services Vétérinaires » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    •  

    MINISITERAN’ny ASA TANANA sy ny HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MAHAMBY Romain, ho « Directeur Régional » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao ao amin’ny Faritra Melaky.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHOLIFIDISON Tiana Nancy, ho « Directeur Régional » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao ao amin’ny Faritra Betsiboka.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMIARIJAONA Landy Tahiana, ho « Directeur Régional » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao ao amin’ny Faritra Bongolava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMITA Joela Harilanto, ho « Directeur Régional » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao ao amin’ny Faritra Itasy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ERNEST Johanesa, ho « Directeur Régional » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao ao amin’ny Faritra Menabe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHASIMANINA Eddy Dunhill Yvon, ho « Directeur Régional » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao ao amin’ny Faritra Analanjirofo
    •  

    MINISITERAN’ny FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, ny PAOSITRA sy ny FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJAOKARIVONY Frédéric ho « Directeur Général du Développement Numérique » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
    •  

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-225 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade BOTO Lucien Maurice ho « Directeur Général Adjoint de la Sécurité Routière ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-301 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Kolonely RANEDSON Gélin ho « Directeur des Opérations Routières auprès de la Direction Générale de la Sécurité Routière ».
    •  
  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-215 tamin’ny 24 febroary 2021, izay nanendry ny « Commandant de Zone de Défense et de Sécurité de Tsiribihina (Ouest) Morondava auprès de l’Etat-Major des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-214 tamin’ny 24 febroary 2021 izay nanendry ny « Commandant de Zone de Défense et de Sécurité d’Ankarafantsika (Nord-Ouest) Mahajanga auprès de l’Etat-Major des Armées ».
    •  

    MINISITERAN’ny ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2013-293 tamin’ny 24 aprily 2013, sy laharana faha 2013-291 tamin’ny 24 aprily 2013 ary laharana faha 2005-486 tamin’ny 13 jolay 2005, izay nanendry ny « Secrétaire Général de la Région Betsiboka », ny « Directeur du Développement Régional » ary ny « Directeur de l’Administration Générale et Territoriale de la Région Betsiboka ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manala ny Prefet an’i Morondava.
    •  

    MINISTERAN’NY JONO sy ny TOEKARENA MANGA

    • Ahato amin’ny asany ny Tale misahana ny ASH na ny « Autorité Sanitaire Halieutique ». Ary hisy ny fanendrena tompon’andraikitra vonjimaika hisahana ny fitantanana ity rafitra ity
    •  

                                 

Natao androany faha alarobia 27 oktobra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika