TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 29 SEPTAMBRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fangatahana ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haban-tseranana sy ny hetra manokana amin’ny fampidirana fitaovana andiany fahatelo sy kojakoja samihafa entina hanamboarana efitrano fandidiana fo (Bloc de chirurgie cardiaque) eny amin’ny hopitaly Soavinandriana (CENHOSOA).

    Ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 21 jolay 2021 lasa teo dia nanome alalana amin’ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haban-tseranana sy ny hetra manokana amin’ny fampidirana indray fitaovana sy kojakoja samihafa entina hanamboarana trano fandidiana fo (Bloc de chirurgie cardiaque) eny amin’ny hopitaly Soavinandriana (CENHOSOA). Nozaraina telo (03) ny fampidirana fitaovana sy kojakoja samihafa ka ny fampidirana andiany fahatelo dia niainga ny 30 aogositra 2021, ary efa an-dalana amin’izao fotoana izao.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavina ny fangatahan’ny filankevitra ambonin’ny Fitsarana ny hanaovana fivoriana any Mahajanga ny 29 sy 30 ny volana Septambra 2021

    Ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara dia rafitra manaraka ny lalam-panorenana miantoka ny fahaleovantenan’ny Fitsarana sy ny mpitsara, ny fanajana ny « code d’éthique » sy ny « code de déontologie » ary ny fitantanan’asan’ny mpitsara. Ho fampiharana ny andininy faha-9 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana 2007-039 tamin’ny 14 janoary 2008 momba ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara izay milaza fa tokony hivory farafahakeliny isaky ny roa volana ny filankevitra, koa mikasa ity filankevitra ity ny hanatanteraka fivoriana atao any amin’ny faritra, dia any Mahajanga ny 29 sy 30 Septambra ary ny 1 Oktobra 2021.

    Mba ho fanamafisana sy fanamoràna ny fifandraisana eo amin’ny samy mpitsara am-perinasa manerana an’i Madagasikara no anton’izao fihaonan’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara any Mahajanga izao, ary mikasa ny mba hisian’izany matetika eo amin’ireo mpitsara. Henoina mandritra io fihaonana karakarain’ny Minisitry ny Fitsarana io ny hetahetan’ireo mpitsara sy ny olana atrehan’izy ireo. Hampatsiahivana azy ireo ihany koa ireo fitsipi-pitondran-tena mifehy azy sy ny asany mba hanatsarany ny fomba fiasany ka hahafahan’ny vahoaka mamerina indray ny fitokisany amin’ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny Fitsarana.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy NY FITANTANAM-BOLA

    Nahazo famatsiam-bola tsy averina mitentina 332 tapitrisa dolara i Madagasikara tamin’ny herinandro lasa teo, nandritry ny dian’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tany Washington. Mitovy amin’ny 95,8% n’ny « quote-part » an’i Madagasikara eo anivon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na FMI io vola io. Azo lazaina fa tena goavana tokoa io vola fanomezana azon’i Madagasikara io raha ampitahaina amin’ny azon’ireo firenena vitsivitsy ato anatin’ny ranomasimbe indiana sy Afrika. Raha tsy hilaza afatsy i Seychelles izay nahazo 21 tapitrisa DTS, Comores 17 tapitrisa DTS, Maurice 136 tapitrisa DTS, Togo 14 tapitrisa DTS, Mali 178 tapitrisa DTS, ary Niger 126 tapitrisa DTS.

    Io vola io dia natokana indrindra amin’ny asa hiatrehana sy hanarenana ny lafiny ara-toekaren’ny firenena manoloana ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid 19. Nandritry ny fihaonanan’ny Tale jeneralin’ny FMI sy ny Filoham-pirenena malagasy Andry RAJOELINA, ny 23 septambra 2021 lasa teo dia tapaka fa hampiasaina amin’ireo tetikasa mitondra fandrosoana ka isan’izany ireo mifandraika amin’ny fotodrafitrasa, ny rano, ny fambolena, ny fiahiana ara-tsosialy, ny fahatomombanana ara-tsakafo (PPN et Nutrition dans le Sud) ary ho an’ny angovo azo havaozina (Parcs solaires)

    Tsy natao hampiasaina amin’ny fampandehanan-draharaha toy ny karama sy ny tambin-karama io vola io. Efa voarotsaka ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara io vola 332 tapitrisa dolara io amin’izao fotoana izao.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavina ny fandraisana anjaran'i Madagasikara amin'ny « 26ème conférence des parties » (Cop26) amin'ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro (CCNUCC) izay hanomboka ny 31 oktobra hatramin'ny 12 novambra 2021, any Glasgow (Ecosse).

    I Madagasikara dia nanao sonia ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, ny « Protocole de Kyoto » ary ny « Accord de Paris » tamin'ny 1998, 2003 sy 2016. Izany dia maneho ny fahavononan'ny Firenena Malagasy hiatrika ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fandraisany anjara amin'ny ezaka maneran-tany hamerana ny fiakaran'ny maripana ho 2°C alohan’ny taona 2100, arahin’ ezaka mba hahatratrarana hatramin'ny 1,5°C. Nanomboka ny taona 1994 dia nihaona isan-taona ireo mpandray anjara amin’ny CCNUCC nidinika momba ny fametrahana ny fifanarahana sy ny fampiharana izany. Noho izany antony izany, i Madagasikara dia mandray anjara mavitrika amin’ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny toetr'andro mandritra ny « Conférences des parties » mba hiarovana ny toerany sy ny tombotsoany.

    Ho an'ity taona 2021 ity, hatao ao Glasgow (Ecosse) manomboka ny 31 oktobra hatramin'ny 12 novambra 2021 ny fotoam-pivorian’ny CCNUCC faha-26. Hisy « sessions de négociation » miisa dimy hafa ihany koa hifanindran-dalana amin’izany. Ankoatra ireo « sessions de négociation » ireo, i Madagasikara dia handray anjara amin'ny hetsika mifanindran-dalana isan-karazany na ny « side-events » sy fampirantiana mandritra io fotoana io.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny fangatahana fandraisan’ny Fanjakana an-tànana, ny Hetra sy ny haban-tseranana (DTI) alohan’ny hametrahana ny « commande d’intrants WASH » an’ny UNICEF ahafahana mamaly ny hamehana any amin’ny Distrikan’Ambovombe, Faritra Androy sy ny Distrikan’ Amboasary, Faritra Anosy.

    Mba hafahana mampitombo ny famatsian-drano amin’izao fotoana izao ao amin’ny Distrikan'Ambovombe sy Amboasary, ny UNICEF dia hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanafarana « intrants WASH ».

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny fangatahana fanafoanana hetra sy haban-tseranana mifandraika amin’ny fanafarana ombivavy be ronono miisa 165

    Nankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 11 Aogositra 2021 lasa teo ny fanafarana omby vavy be ronono miisa 165 avy any Frantsa mba ho fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara

    Tsiahivina fa ho fampitomboana ny ronono vokarina eto amin’ny firenena izay tsy mbola maharaka ny filàn’ny mponina no tanjon’izao fanafarana omby vavy be ronono tsara karazana izao. Nankatoavina araka izany ny fanafoanana ny hetra sy haban-tseranana rehetra mifandraika amin’ny fanafarana ireo ombivavy be ronono ireo ary indrindra mba hanafainganana sy hampirindra ny fandraisana izany eny amin’ny fadin-tseranana.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavina ny didim-panjakana mikasika ny fananganana, ny firafitra, ny fandaminana ary ny fampandehanana ny « Agence de recouvrement des avoirs illicites »

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny paikady nasionaly iadiana amin’ny kolikoly, Madagasikara dia manana lamina entina hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly na eo amin’ny lafiny lalàna izany na eo amin’ny rafitra.

    Na dia eo aza anefa ny fisian’ny lalàna sy ny rafitra dia tsapa fa raha mijanona eo amin’ny fanenjehana sy ny famaizana ireo mpandika lalàna fotsiny ihany ny ezaka atao dia mbola afaka hanohy ny asa ratsiny ihany izy ireo raha tsy misy ny fangejàna ny fananany.

    Noho izany, mba hampahomby ny fanamelohana avoakan’ny fitsarana, ny paikady apetraka dia ny hanagejàna ny fananan’ireo mpandika lalàna sy ny hamerenan’izy ireo izay azo tamin’ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny. Manamafy izany ny voalazan’ny andininy faha-27 ao amin’ny didy hitsivolana laharana faha 2019-015 tamin’ny 15 jolay 2019 momba ny « recouvrement des avoirs illicites ».

    Ny fametrahana izany rafitra izany dia anisan’ny singa fototra no sady singa farany mameno sy manampy ireo singa efatra efa mijoro iadiana amin’ny kolikoly dia ny « Comité pour la Sauvegarde de l'lntégrite (CSl), ny « Bureau lndépendant Anticorruption » (BIANCO), ny « Service de Renseignements Financiers » (SAMIFIN) ary ny Pôles Anti-corruption (PAC).

    Izao volavolan-didim-pitondrana izao dia mikasika ny fametrahana, ny fandrafetana, ny fomba fandaminana sy ny fomba fiasan’ny rafitra famerenana sy fangejàna ny fananana tsy ara-dalàna. Ny ARAI dia eo ambany fiahianan’ny Fiadidiana ny Repoblika

    Ny andraikitra lehibe iantsorohan’ny ARAI dia ny mitàna an-tsoratra, ny mitahiry, ny mitantana ary ny firaketana ny tombam-bidin’ny fananana voageja. Hahafahana miantoka ny fahaleovan-tena sy ny fahombiazan’ny rafitra ARAI dia ny Filohan’ny Repoblika no manendry ao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Tale Jeneraly izay iray amin’ireo olona miisa telo (03) atolotry ny « comité ad-hoc » izay ahitàna ny CSI. 5 taona tsy azo havaozina ny fotoam-piasany.

    Ny ARAI dia miara-miasa akaiky amin’ireo rafi-panjakana rehetra misy, isorohana sy iadiana amin’ny kolikoly. Mitàna boky firaiketana ireo fangejàna izy mba hiantohana ny fangaraharana. Ho fanajàna ny fampiharana ny tamberin’andraikitra, ny rafitra dia mandefa isan-taona ny tatitry ny asa amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ny Minisitry ny Fitsarana ary ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola ary mamoaka izany ampahibemaso.

    MINISITERAN’NY KOLONTSAINA SY NY SERASERA

    Nankatoavina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fanavaozana ny kolontsaina afrikanina.

    Nosoniavina sy nankatoavin’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny didy hitsivolana laharana 76-038 ny 10 novambra 1976 ny « charte culturelle de l'Afrique » lany nandritra ny fivoriana ara-potoana faha-13 an’ny « Organisation de l’Unité Africaine » tao Port-Louis Maorisy tamin’ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay 1976. Io fifanarahana io dia niainga tamin’ny fahavononan’ireo firenena afrikana hiala amin’ireo endrika fahababoana ara-kolontsaina samihafa mihatra amin’ny kaontinanta afrikana ary indrindra ny hanamafy ny maha-izy azy ara-kolontsaina an’i Afrika.

    Nandritra ny fivoriana ara-potoana faha-34n’ny Fivondronambe Afrikanina tao Addis-Abeba Etiopia ny 6 sy 7 febroary 2021 lasa no nanentanan’ny Kaonferansa ireo mpikambana mba hanafainganana ny fandaniana izany « Charte de la renaissance culturelle » izany ary izao nahazoana fankatoavana teo anivon’ny Filankevitry ny Ministra androany izao.

  • III- FANENDRENA SY FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-214 tamin’ny 27 febroary 2019, ary manendry ny Général de Brigade Aérienne RANDRIANIRINA Jean José Désiré, ho « Directeur Central du Commissariat des Armées de l’Etat-Major des Armées »
    •  

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-644 tamin’ny 24 jona 2020, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANAIVO Tefy Ny Aina ho « Premier Président de la Cour d’Appel de Toliara »
    •  

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1093 tamin’ny 29 aogositra 2018, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIATSALAMA Albert ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHARIMBOLA Jocelyn ho Governoran’ny Faritra Anôsy.
    •  

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1153 tamin’ny 06 septambra 2018, ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAKOTO Lisiniaina ho « Directeur Général ad intérim » eo anivon’ny EDBM na ny « Economic Development Board of Madagascar ».

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1305 tamin’ny 07 oktobra 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAMANANARIVO Andriamampiandra Heriniaina ho « Secrétaire Général » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-584 tamin’ny 27 martsa 2019, ary manendry an’Andriamatoa RAMINDO Gaëtan ho « Directeur Général de l’Industrialisation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-423 tamin’ny 14 aprily 2021, ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIVONONA Njivatiana ho « Directeur de l’Emergence Industrielle » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1752 tamin’ny 11 septambra 2019, ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMANEHO Irène Hanitriniala ho « Directeur de la Promotion de l’Entreprenariat » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàn
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2044 tamin’ny 30 oktobra 2019, ary manendry an-dRamatoa RAHARILALA Faraniaina ho « Directeur des Infrastructures et de l’Innovation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-437 tamin’ny 20 martsa 2019, ary manendry an-dRamatoa RAMALANJAONA Irina Sandrine ho « Directeur de la Veille Economique et de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2231 tamin’ny 11 desambra 2019, ary manendry an-dRamatoa TAMOHA Zafisolo Adriannie Iavitsara ho « Directeur des Partenariats et des Projets » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1504 tamin’ny 07 aogositra 2019, ary manendry an-dRamatoa RASOAMANARIVO Malalatiana Sandrina ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-439 tamin’ny 20 martsa 2019, ary manendry an’Andriamatoa RAJAONARIVELO Maminiaina Andry Tahiana ho « Directeur des Systèmes d’Information » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-438 tamin’ny 20 martsa 2019, ary manendry an-dRamatoa RANOELIMANANA Vahinisoa Seheno ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna
    •  

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-134 tamin’ny 12 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISON Clark ho « Directeur des Systèmes d’Information » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-554 tamin’ny 10 may 2021, ary manendry an-dRamatoa RALIHARISOA Hermine ho « Directeur du Bureau de Traitement des Doléances » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-136 tamin’ny 12 febroary 2020, ary manendry an-dRamatoa ANDRIANAHARINOSY Mireille Natacha ho « Directeur des Etudes et de l’Evaluation Environnementale » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-293 tamin’ny 04 martsa 2020, ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAMAMBA Ianjanoro ho « Directeur de l’Audit Interne » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-130 tamin’ny 12 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAHARO Laza Andriamanjato ho « Directeur des Domaines et de la Propriété Foncière » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-132 tamin’ny 12 febroary 2020, ary manendry an-dRamatoa OLISOA Felana Raharisoa ho « Directeur du Développement Urbain Durable » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RATAVILAHY Harilala Andriniaina ho « Directeur de la Logistique et du Patrimoine » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany.
    •  

    MINISITERAN’NY FIZAHAN-TANY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-234 tamin’ny 27 febroary 2019, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANOHERA Tsitohaina Hery Setra ho « Directeur Général du Tourisme » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1749 tamin’ny 11 septambra 2019, ary manendry an’Andriamatoa RASAMOELINA Rija Soloniony ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-703 tamin’ny 01 jolay 2020, ary manendry an-dRamatoa RAMANAMBE Cécile Nathalie ho « Directeur des Systèmes d’Information et de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-506 tamin’ny 05 may 2021, ary manendry an’Andriamatoa BEANTIDAHY Johan Rodolphe ho « Directeur de la Valorisation des Produits Touristiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-506 tamin’ny 05 may 2021, ary manendry an’Andriamatoa BEANTIDAHY Johan Rodolphe ho « Directeur de la Valorisation des Produits Touristiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-333 tamin’ny 24 martsa 2021, ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAVOHITRA Danielina Nisa ho « Directeur des Normes, des Etudes et de la Formation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahan-tany.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISOA Daniel ho « Directeur de l’Ecole de Génie Rural et Eau » ao amin’ny Institut Supérieur de Technologie Ambositra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-874 tamin’ny 20 may 2015, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANDRATONDRAKOTONIRINA Hacynicolas Finoana Arizo ho « Directeur d’Ecole de Génie en Agronomie et Environnement » ao amin’ny Institut Supérieur de Technologie Ambositra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-875 tamin’ny 20 may 2015, ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIVELO Malalaniaina Miora ho « Directeur d’Ecole de Génie en Management de Projet et Communication » ao amin’ny Institut Supérieur de Technologie Ambositra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1575 tamin’ny 25 novambra 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAJAONARIVELO Rollin Brysola ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières » (DAAF) eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.
    •  

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1749 tamin’ny 11 septambra 2019, ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Lalanirina ho « Directeur des Affaires Financières » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.
    •  

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-092 tamin’ny 27 janoary 2021, ary manendry an-dRamatoa RAMAHATRA Sahondra Hanitriniaina ho « Directeur de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    •  

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MASO Bruno Michel ho « Directeur des Analyses et Prospectives » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa PHILIPPSON Aina Guy ho « Directeur de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-119 tamin’ny 12 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Hajaniana ho « Directeur Général des Travaux Publics » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-120 tamin’ny 12 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa SAMBISOLO Emile Joseph ho « Coordonnateur de la Cellule de Coordination des Projets » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.
    •  

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-178 tamin’ny 19 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAMIANDRASOA Sambatra ho « Directeur Général de l’Energie et des Hydrocarbures » eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-179 tamin’ny 19 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAHOLISON Sambatra ho « Directeur des Finances, de la Logistique et du Patrimoine » eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
    •  

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOSOA Rado Aimé ho « Directeur Général de l’Economie Bleue » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJERISON
      Gallego Richard ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières » eo
      anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARISON Narindra Helinoro Sylviane ho « Directeur des Affaires Juridiques et des Contentieux » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANASOLO Tojo Christian ho « Directeur de la Communication, de la Planification et du Suivi Evaluation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIMANANA José Victor ho « Directeur d’Appui à la Gestion et à la Planification Spatiale » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABARY Andriantsilavo Jean Michel ho « Directeur de la Promotion de l’Economie Bleue » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1129 tamin’ny 09 septambra 2020, ary manendry an’Andriamatoa RATSIMANARISOA Njaka ho « Directeur de la Pêche » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1475 tamin’ny 07 aogositra 2019, ary manendry an-dRamatoa RASOAMANANJARA Hantanirina ho « Directeur de l’Aquaculture » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2012-1126 tamin’ny 06 desambra 2012, ary manendry an-dRamatoa RAKOTONJANAHARY Vola ho « Directeur Exécutif de l’Observatoire Economique de la Pêche et de l’Aquaculture » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono
      sy ny Toekarena Manga.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-176 tamin’ny 20 febroary 2019, ary manendry an’Andriamatoa RASOANAIVO Andry ho « Secrétaire Général » an’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-565 tamin’ny 19 may 2021, ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIMANANA Olinah Hanjarisoa ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1308 tamin’ny 07 oktobra 2020, ary manendry an-dRamatoa FENO Armandine ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1973 tamin’ny 16 oktobra 2019, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIATSARAFARA Solofo Dera Fanantenana ho « Directeur Général des Opérations et de la Vulgarisation des NTICs » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-564 tamin’ny 27 may 2020, ary manendry an-dRamatoa ANDRIANAIVO Rojo Marià ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-589 tamin’ny 27 martsa 2019, ary manendry an’Andriamatoa RABENANDRASANA Thierry Arnolphe ho « Directeur de la Logistique et du Patrimoine » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
    •  

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-183 tamin’ny 17 febroary 2021, ary manendry an’Andriamatoa MANAKANY Thierry Ivan ho « Directeur Général des Nouvelles Villes et de l’Habitat » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-182 tamin’ny 17 febroary 2021, ary manendry an-dRamatoa RAMAHERY Hanitsoa Ravo ho « Directeur du Développement des Nouvelles Villes » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-549 tamin’ny 27 may 2020, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMBOLOLONTSIAROVANA Hajanirina ho « Directeur de Promotion du Logement » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAMPIANINA Andriandafy Heriniaina ho « Directeur de l’Amélioration de l’Habitat » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIANAIVO Hery Lalao Rabenandrasana Jean Claude ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMIHARISOA ANDRIAMANANJARA Nambinina Mauricia ho « Directeur de Programmation et Suivi-Evaluation » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOSON TSIVO Salohy Fihavana ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Sekretariam-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    •  
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY sy ny FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1503 tamin’ny 07 aogositra 2019 nanendry ny « Directeur de la Statistique, de la Planification et du Suivi » teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1256 tamin’ny 30 septambra 2020 nanendry ny « Directeur Régional de la Communication et de la Culture » teo anivon’ny Faritra Analamanga

                                 

Natao androany faha alarobia 29 septambra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika