TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 06 OKTOBRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fandraisan'anjaran'ny Fanjakana Malagasy amin'ny fampiakarana ankapobeny, fanim-pitony ny renivolan’ny Banky Afrikanina ho an'ny fampandrosoana na BAD

    Ny Fanjakana Malagasy dia mpikambana ao amin'ny Banky Afrikanina ho an'ny fampandrosoana (BAD) ary mitazona ny 0,643% amin’ny renivolan’ny Banky. Araka ny fifanarahana tamin'ny 31 Oktobra 2019, ny renivolan’ny Banky nahazoana alalana dia nitentina 69.472.550.000 UC (Unité de compte) ary nitombo ho lasa 153.131.360.000 UC tamin'ny alalan'ny famoronana petrabola vaovao miisa 8 371 881. Ireo « petrabola vaovao » noforonina ireo dia hatolotra ho an'ireo firenena isam-paritra sy ireo firenena tsy isam-paritra eo am-pidirana ho mpikambana mba hahatonga ny vondrona isam-paritra hitazona 60% ary ny vondrona tsy isam-paritra hitazona 40% amin'ny renivolan'ny Banky.

    I Madagasikara dia afaka mampiasa petrabola vaovo miisa 53 826, ka ny 3.230 amin’izany dia « actions à libérer » ary ny 50.596 kosa dia « actions sujettes à appel ». Mitentina 44 238 076 USD ireo « actions à libérer » miisa 3 230 ireo. Hizara 12 ny fandoavana izany ka aloha isan-taona mandritry ny 12 taona.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny hanaovana ny lanonana hanomezana anarana ny toby fialofan’ny sekoly ambony ny polisim-pirenena na ny « Ecole Nationale supérieure de police » ny zoma 15 oktobra 2021 ao Ivato, sy ny Sekolim-pirenena manofana « Inspecteurs de police » sy « Agents de police » ny Zoma 29 oktobra 2021 ho avy izao any Antsirabe.

    Araka izany, ny toby fialofan’ny Sekoly ambonin’ny polisim-pirenena ao Ivato dia hampitondraina ny anarana « Inspecteur Général de police AMADY Augustin », izay efa nisahana indroa miantoana ny andraikitra Minisitry ny polisim-pirenena teo aloha. Tamin’ny fotoanandro niasany no niorenan’ity sekoly ity.

    Ny toby fialofan’ny Sekolim-pirenena manofana « Inspecteurs de police » sy « Agents de police » ao Antsirabe dia hampitondraina ny anarana « Contrôleur Général de police NDIAYE Amadou », izay efa Talen’ny Sekolin’ny Polisim-pirenena ary efa nitàna ny andraikitra Tale Jeneralin’ ny Polisim-pirenena.

    Ankoatra izay, ny batemin’ny toby dia hialohavan’ny fanolorana ny fanevan’ireo mpiofana andiany vaovao izay miisa 1250 ka mitsinjara toy izao : 20 mpianatra ho kaomisera, 30 mpianatra ho manamboninahitra polisy, 200 mpianatra ho « inspecteurs » ary 1000 mpianatra ho polisy. Ny lanonana fanolorana ny faneva no manamarika ny fifaranan’ny dingana voalohan’ny fiofanana ary koa fampidirana ny fiofanana ara-pedakojika.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fametrahana ny Ivontoerana Famindràna Voa (Centre de Transplantation Rénale) eo Andohatapenaka

    Noho ny fandrosoan’ny fahaiza-manao sy ny fivoaran’ny fitsaboana dia miara-manaiky ireo manampahaizana manerana izao tontolo izao fa azo sorohina amin’ny alalan’ny famindràna taova ny fahafatesana sy ireo olana ara-pahasalamana goavana ateraky ny fahasimbana taova.

    Ao anatin’ny vinan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanomezana alalana ny famindrana sy fanaovana grefy taova eo anivon’ireo CHU an’ny fanjakana izay manana ny fitaovana ilaina sy takiana ahafahana manatanteraka izany ao anatin’ny fanajàna tanteraka ny fenitra. Nirosoan’ny Minisitera izany vina izany mba ahafahana mamaly ny fitomboan’ny filàna sy hanitarany ireo tolo-pitsaboana afaka omen’ny sampan-draharam-panjakana.

    Ho an’i Madagasikara, fandaniana mihoa-papana ny fandefasana olona hitsabo tena any ivelany mba hanatanteraka famindràna voa. Izay antony izay etsy andaniny no namporisika ny fanjakàna hametraka izao ivon-toerana voatokana izao. Etsy an-kilany kosa ny fanaovana volavolan-dalàna mikasika ny famindràna sy fanaovana grefy taova hafa ankoatran’ ny voa. Efa nirosoana kosa ireo dingana rehetra ahazoana ireo fitaovana sy “matériels de dialyse” ampiasaina ao amin’ny ivon-toerana. Ny fandefasana manam-pahaizana manokana hampiofana momba ny famindrana taova kosa mbola eo an-dalam-pifanarahana.

    Maro ny olona mila io fandidiana na « opération rénale » io no voatery tsy maintsy mandeha mankany Inde, koa izany indrindra no nametrahana azy eto Madagasikara. Tsara ny hamporisihana ny fahatongavan’ny mpitsabo avy any ivelany tonga eto Madagasikara mba hanatanteraka izany asa fandidiana izany ary hampita ny fahaizana mikasika izany. Tsara trandrahina bebe kokoa ihany koa araka izany ny « coopération bilatérale » na fiaraha-miasa mikasika ity sehatra ity miaraka amin’ny firenena indiana izay soloin’ny masoivoho indiana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny velirano izay miresaka ihany koa mikasika ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka izao fametrahana ity ivotoerana ity

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny hanaovana tolo-bidy hanamboarana ny pipeline na fantsona mitondra ny rano avy ao amin’ny renirano Efaho mankany amin’ny faritra Androy.

    Hirefy 69 Km ny fantsona voalohany hitondra ny rano miala ao amin’ny renirano Efaho ka hamatsy rano any amin’ny faritra Androy. Vinavinaina amin’ny 13 Oktobra ho avy izao no hivoaka ny « appel d’offre ». Hisy aorian’izany ny fisafidianana izay orinasa hanatanteraka ny asa. Marihina fa aharitra 12 volana eo ny « phase 1 » amin’ny fametrahana ity tetikasa goavana ity ka hiompana amin’ny fanondrahana velaran-tany mirefy 2000 ha, hamatsy rano tanàna madinika 60, hisy ihany koa fisotroan’ny biby fiompy madinika 120 ny dingana voalohany izany.

     

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavina ny volavolan-didim-panjakana mikasika ny fanavaozan-drafitra eo anivon’ny Sekoly Ambony Manofana ny Mpandraharahan’ny Fonja na ENAP

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana, dia resy lahatra ny Minisiteran’ny Fitsarana fa ilaina ny fanatsarana ny kalitaon’ny mpiasa ao aminy. Ny ENAP dia toeram-panofanana ho amin’ny fandraharahana ny fonja. Ny didim-panjakana mifehy ny fandaminana sy ny fomba fiasan’ny sekoly anefa dia efa nivoaka tamin’ny 02 desambra 2003 ary dia mila fanavaozana indray ny lamina misy eo amin’io sekoly io.

    Anisan’ny fanovàna nentina ohatra ny fandraiketana ny ENAP ho fitaleavana jeneraly eo anivon’ny Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Minisiteran’ny fitsaràna. Ny “conseil scientifique” na filankevitra siantifika kosa no handrafitra ny programam-pampianarana hampiarina eo anivon’ity sekoly ity. Ny fampidirana sy fandraisana ireo mpampiofana maharitra eo anivon’ny sekoly kosa dia handalo “appel à candidature”.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavina ny volavolan-didim-panjakana mikasika ny fampiasan’ny Fanjakana ireo « réserves d’emprise des installations ou équipements prévus » ao amin’ny Drafitra fanajariana ny tanàn-dehibe ho an’ny tanànan’ Ambalavao na « Plan d’Urbanisme Directeur de la ville d’ Ambalavao ».

    Noho ny fiaraha-miasa eo amin'ny MATSF sy ny « Organisation Internationale pour les Migrations (OIM) » ho fampidirana ireo olan’ny fifindra-monina ao anatin’ny drafitra fandrindrana ny tanàn-dehibe sy hitantanana tsara ny tanàn-dehibe dia tapaka fa hirosoana ny famolavolana ny Drafitra fanajariana ny tanan-dehibe ho an’ny tanànan’Ambalavao na « Plan d’Urbanisme Directeur (PUDi) de la ville d’Ambalavao ».

    Ny famolavolana ny PUDi ho an’ny tanànan’ Ambalavao dia ampahany amin'ny fampiharana ny Politika Nasionalin'ny Fampandrosoana maharitra na « Politique Nationale du Dévelopement Durable (PNDD) », ary ilain’ny tanan-dehibe rehetra eto Madagasikara izany famolavolana ity Drafitra ity. Mba hampahomby ny fanatanterahana ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra na ODD « Objectifs du développement durable », mifandraika amin'ny fifindra-monina ary, ny PUDI ho an’ny tanànan’ Ambalavao dia manasongadina ireo olan'ny fifindra-monina ary manome toro-làlana hiadiana amin’izany.

  • III- FANENDRENA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny andininy vitsivitsy ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2020-108 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry ny Jeneraly RAZAFITSOTRA Lucien Laurel, ho « Governoran’ny Faritra Fitovinany ».
    • Noraisina ny didm-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIARISON Maurice Lucien ho « Governoran’ny Faritra Vatovavy ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMIHITSAKISA Timothée Roger, ho « Préfet » an’i Mananjary.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA ny INDOSTRIA, ny VAROTRA ary ny FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2019-1751 tamin’ny 11 septambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa JOROMANANTSOA Haniela, ho « Directeur de la Programmation et Suivi-Evaluation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana
    •  

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, ny ASAM-PANJAKANA ary ny LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMPENO Bazoly Handrianina Ranavalona, ho « Directeur Régional du Travail, de l’Emploi, de la Fonction Publique et des Lois Sociales » ao amin’ny Faritra Boeny.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-184 tamin’ny 19 Febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa SALAVA Julien, ho « Secrétaire Général » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa

    MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-235 tamin’ny 27 febroary 2019 ary manendry an-dRamatoa RAHOLIJAO Nirivololona ho « Directeur Général de la Météorologie » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-320 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIATSILAVINA Napoke Jean Luc ho « Directeur de la Planification et du Suivi-Evaluation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1167 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAHARIVOLOLONA Maminirina Estel ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-659 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an-dRamatoa RALALARISOA Emilie Saholitiana ho « Directeur du Transport Aérien » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-703 tamin’ny 01 jolay 2020 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAMAVO Nalisoa Sombiniaina ho « Directeur de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.
    •  

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0405 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMIZARASOA Fidelis Adolphe ho « Directeur des Etudes, de la Planification et du Système d’Information » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0411 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RAVELOMAMPIANINA Hoby Sitraka ho « Directeur de l’Agence de Médicament de Madagascar » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    •  

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RALAITAFIKA Farasoa Maholy ho « Directeur de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIJAONA Hasina Solofoson Eric ho « Directeur Interrégional de l’Energie et des Hydrocarbures d’Antananarivo » eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo
    •  

    MINISITERAN’ NY RANO, ny FANADIOVANA ary ny FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-139 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa MANDIMBISOA Kléoni, ho « Secrétaire Général » eo anivon’ny Ministeran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-554 tamin’ny 27 mey 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANOMENJANAHARY Hajatiana Eric, ho « Directeur de la Communication et du Partenariat» eo anivon’ny Ministeran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-553 tamin’ny 27 mey 2020 ary manendry an-Dramatoa RAVOLOLONIRINA Monjaniaina, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Ministeran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-559 tamin’ny 19 mey 2021 ary manendry an-dRamatoa SIJA MALALANIRINA Donaldine, ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny « Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement » (ANDEA).
    •  

    MINISITERAN’NY JONO sy ny TOEKARENA MANGA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIATSIMBARISON Lila Anica, ho « Chef de l’Unité de Coordination des Organismes Rattachés et des Projets » eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA sy FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1125 tamin’ny 09 septambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ho « Secrétaire Général » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa
    •  

    MINISITERAN’NY ASA TANANA sy ny HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MANDRANO Christian, ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NIRY Nancy Vanina, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy haitao
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHIZIANAO Anhaclinh, ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-424 tamin’ny 14 aprily 2021 ary manendry an’Andriamatoa RABETANY Andriatsilavo Helisoa Jackob, ho « Directeur de la Professionnalisation de l’Artisanat » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ROCHE Francillah, ho « Directeur des Normes et de la Qualité » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didm-panjakana laharana faha 2019-874 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAOELISON Rainiketaka Franck, ho « Directeur du Développement des Filières » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RADEBASON Michel, ho « Directeur Régional de l’Artisanat et des Métiers » amin’ny faritra Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLOFENOTSARANIAINA Zaharia Fleurida, ho « Directeur Régional de l’Artisanat et des Métiers » ao amin’ny Faritra Matsiatra ambony.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RALAIVELO Jean Michel Raphaël, ho « Directeur Régional de l’Artisanat et des Métiers » ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
    •  

    MINISITERAN’NY TANORA sy ny FANATANJAHANTENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didm-panjakana laharana faha 2019-982 tamin’ny 03 mey 2019 ary manendry an-dRamatoa ZAFERA Victoria Andréas, ho « Directeur de Partenariats et du Développement (DPaD) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    •  

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIANDRAIKITRA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA eo anivon’ny FIADIDIANA ny REPOBLIKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVOAVINOROSOA Léa ho « Secrétaire Général auprès du Secrétariat d’Etat en charge des Nouvelles Villes et de l’Habitat » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    •  

                                 

Natao androany faha alarobia 6 oktobra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika