TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 18 AOGOSITRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MINISTERAN’NY JONO sy ny TOEKARENA MANGA

    Mikasika ny fangatahana fankatoavana ny fampitomboana ny vola ampiasain’ny “Autorité Sanitaire Halieutique” na ASH

    Hita fa tena ilaina tokoa ny ahitana vahaolana hampandehanana ny asa eo anivon’ny ASH. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny lafiny toekarena, aratsosialy, ny olana misy ankehitriny. Tapaka fa

    1- Hapetraka ny Komity Vonjimaika na « Comité Ad Hoc » hitadiavana vaha olana mba andraisana ireo fepetra hanatsarana ny fomba fiasan’ny ASH sy ny fampandehanana io rafitra io araka ny tokony ho izy. Izany dia atao ao anatin’ny fanajana ny fitantanana mahomby sy mangarahara ny volampanjakana.

    2- Hisy ny fanaraha-maso ataon’ny « Inspection Générale de l’Etat », entina hanamarinana ny fampiasana ireo tetibola natokana ho fampandehanana sy ho fampiasam-bolan’ny ASH.

    3- Hamafisina ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin’ny fanampiana ny « Autorité Sanitaire halieutique » eo amin’ny fanatanterahana ireo asa aman’andraikiny ary koa hanome azy ny fitaovana rehetra izay ahafahany manatanteraka izany.

     

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA

    MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny volavolan-dalàna manangana ny « Brigades d’infanterie » miisa valo (08) sy « Brigade d’Appui Spécialisée » miisa iray (01) izay eo ambany fibaikoan’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety mivantana.

    Nanomboka tamin'ny taona 2020, i Madagasikara dia nirotsaka tamin’ny fanavaozana ny Tafika Malagasy mba hampifanaraka ny rafitra mipetraka amin’ ireo karazana fanohitohinana ny fiarovana sy ny fiandrianam-pirenena. Izany no ahafahana miantoka ny fampandrosoana miantraika amin'ny vahoaka.

    Noho izany, ny laharam-pahamehana izay mitondra ho amin’ny fanavaozana indray ny Tafika Malagasy dia ny fametrahana rafitra roa samihafa : rafitra « Opérationnel » sy rafitra « Organique » manana tanjona roa hampivoatra ny fahombiazana eny an-tsehatra sy ny fitantanana tsara kokoa ireo loharanompitaovana.

    Ho an'ny Rafitra « Opérationnel » dia natsangana ny « Zones de Défense et de Sécurité » miisa 10 eo ambanin’ny fibaikon’ny Etamazaoro mivantana (EMA), izay mpanatanteraka fotsiny ihany mba hampirindra kokoa ny fifandraisana amin’ireo mpiantsehatra sivily, ireo asa fiarovana sy fandaminana eny antsehatra.

    Ho an'ny Rafitra « Organique » kosa dia miaraka amin'ny fananganana ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety (EMAT) izay manambatra ireo « Commandements de Forces » ahitana ny « Commandement des Forces de Développement » (COFOD) sy ny « Commandement des Forces d'intervention de l'Armée » (COFIA) teo aloha. Ireo andian-tafika an-tanety rehetra miparitaka manerana ny faritra dia tsy maintsy voarafitra ho « BRIGADES » sy « BATAILLONS » na « CORPS ».

    Mba hanatsarana ny fiomanana amin'ny asa sy hampivoarana ny fitantanana ireo vondrona ao anatin’ny « Bataillons » na « Corps », ity didimpanjakana ity dia manambara ny fananganana « Brigades d’Infanterie » miisa valo (08) sy « Brigade d’Appui Spécialisée » iray (01) izay eo ambany fibaikoan’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety mivantana.

    Ny tanjon'ireo rafitra vaovao ireo dia ny:

    - fiantohana ny fametrahana ny fibaikoana ireo « Zones de Défense et de Sécurité », ireo vondrona naorina, hary fitaovana, voahofana ary vonona amin'ireo andraikitra ankinina amin'izy ireo avy, amin'ny fampivoarana ireo fitaovana nomena.

    - fanamafisana ny fampivoarana ny fitantanana sy fanaraha-maso ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fitaovana ao amin'ireo vondrona eo ambany fiahian'izy ireo.

    MINISTERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny didim-panjakana mameno ireo teboka vitsivitsy voalaza tao anatin’ny didim-panjakana laharana faha 2019-1866 tamin’ny 25 septambra 2019 mikasika ny Governora. Isan’izany ireto manaraka ireto :

    - Ny fanomezana andraikitra ny Governora amin’ny famaritana sy ny fanatanterahana ireo asa izay mifandray amin’ny fampandrosoana ny faritra. Ny Governora dia mandray anjara amin’ny fantanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana. 

    - Ny Governora dia mandray anjara amin’ny fanarahana ny fanatanterahana ireo « projets d’investissements publics » sy ireo politika aratoekarena sy ara-tsosialy ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana. Manao tatitra any amin’ny Filohan’ny Repoblika, Praiministra ary ireo Minisitra rehetra voakasika. 

    - Ny faritra dia manana andraikitra mifototra indrindra amin’ny aratoekarena sy ara-tsosialy, ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina. Ny faritra ihany koa dia mitarika, manome aina sy mandrindra ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekaren’ireo toerana rehetra iandraiketany.

    - Mikasika ireo asa fampandrosoana ataon’ny Faritra sy ireo asa lehibe ankinin’ny Governemanta aminy dia miara-miasa amin’izy ireo, ireo sampandraharaham-panjakana na « Services Déconcentrés de l’Etat ».

    - Ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha 54 ao amin’ny lalàna laharana faha 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, ireo sampan-draharampanjakana dia maka hevitra amin’ny Governora momba ireo tetikasa sy asa fampandrosoana hotanterahina eo anivon’ny Faritra iadidiany sy manome azy ny dika mitovy amin’ny tatitry ny asa etsy ankilany.

    - Ao anatin’ny fanatanterahina ny andraikitra maha mpandrindra ireo asa ara-toekarena sy ara-tsosialy azy, ny Governora dia mampivory ara-potoana ireo tompon’andraikitry ny sampan-draharaham-panjakana any ifotony.

    - Tokony mampivory ara-potoana ireo vondrom-bahoaka itsinjarampahefana ny Governora mba handrindrana ireo asa fampandrosoana aratoekarena sy ara-tsosialy ao anatin’ny fari-piadidiany ;

    - Ankoatra ireo asa efa nankinin’ny Fanjakana tamin’izy ireo dia nanamafy ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA fa tokony omena andraikitra bebe kokoa ireo Governora amin’ny fanaraha-maso ireo asa sy tetikasa tanterahina any amin’ny Faritra, amin’ny fampivondronana sy fampivoriana ireo tompon’andraikitra rehetra any amin’ny Faritra.

    - Ilaina araka ny tenin’ny Filoha ny fisian’ny tompon’andraikitra anankiray mandrindra ireo asa maro eny ifotony. Araka izany dia tokony raisina ho mpiaramiasa, hanara-maso ny asa ny Governora. 

     

  • III- FANENDRENA

     MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA:

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2021-211 tamin’ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Vice-Amiral ASSANY Bemarivo Jeannot ho « Major Général des Armées » eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika
    •  
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2021-085 tamin’ny 27 janoary 2021 ary manendry ny Général de Brigade ANDRIAMASIMANANA William Michel ho « Sous-chef d’EtatMajor en charge des opérations de l’Etat-Major des Armées»
    •  

     MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA:

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2019-296 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Général de Division RAKOTOBE Christian ho « Coordonnateur Général des Actions Stratégiques eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena
    •  
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2018-294 tamin’ny 04 aprily 2018 ary manendry ny Général de Division RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara Andriamitovy ho « Commandant de la Gendarmerie Nationale »
    •  
  • IV- FANAFOANANA

    FIADIDIANA ny REPOBLIKA

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2019-033 tamin’ny 24 janoary 2019 izay nanendry ny Tale Jeneraly misahana ny raharaha Politika sy mpitondra teny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika na « Directeur Général en charge des Affaires Politiques et Porte-Parole de la Présidence de la République ».
    •  

    MINISTERAN’NY TOE-KARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2019-2217 tamin’ny 11 desambra 2019 izay nanendry ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola na « Directeur Général du Trésor auprès du Ministère de l’Economie et des Finances ».
    •  

    Samihafa :

    • Mihato ny fandoavam-bola rehetra eo anivon’ny « Trésor public » ankoatra ny karama mandram-panendry ny talen’ny « Trésor public » vaovao.
    •  

                                 

Natao androany faha 18 aogositra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika