TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAHADY 15 AOGOSITRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Notanterahina tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny Filankevitry ny Minisitra voalohany nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta vaovao izay vao voatendry ary tarihin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian NTSAY.

    Famakiana sy fampahatsiahivana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana na ny « Politique Générale de l’Etat »

    Nandritra ity fotoana ity no nampahatsiahivana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana na ny « Politique Générale de l’État » ka ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO no namaky izany.

    Raha tsiahivina dia manome ireo tondrozotra sy lalana tokony aleha ahafahana manatratra ireo tanjon’ny « émergence » ny Politika ankapoben’ny fanjakana na ny « Politique générale de l’État », mba ahafahana manangana Firenena matanjaka, miroborobo ary miray hina ho reharehan’ny Malagasy sy hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Ireo Velirano kosa dia mamaritra ireo sehatra laharam-pahamehana sy ireo vokatra andrasan’ny mponina izay tokony tanterahina araka izay haingana.

    Fampahatsiahivana ireo Velirano telo ambinifolo

    Raha tsiahivina dia ireto avy ireo Velirano telo ambinifolo nataon’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA :

       
    • Velirano voalohany : Ny fitoniana sy fahandriam-pahalemana
    • Velirano faharoa : Angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra
    • Velirano fahatelo : Ny ady amin’ny kolikoly sy fitsarana tsy mitanila
    • Velirano fahaefatra : Ny fampianarana ho an’ny rehetra
    • Velirano fahadimy : Ny fahasalamana ho an’ny rehetra
    • Velirano fahaenina : Ny asa mendrika ho an’ny rehetra
    • Velirano fahafito : ny Fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara
    • Velirano fahavalo : ny fampiroboroboana ny fizahantany
    • Velirano fahasivy : Ny fahavitan-tena ara-tsakafo
    • Velirano fahafolo : Ny fitantanana maharitra sy mirindra ho fiarovana ny tontolo iainana
    • Velirano faha iraika ambinifolo : Ny fanorenana toeram-ponenana sy tanàna vaovao
    • Velirano faha roa ambinifolo : Ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana miainga avy any ifotony
    • Velirano faha telo ambinifolo : Ny fanatanjahan-tena hatao hitondra avo ny hambompom-pirenena
    •  

    Fisaorana ny Filoham-pirenena

    Tamin’ny anaran’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Governemanta no nitondran’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Christian NTSAY, ny teny fisaorana ho an’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tamin’izao fivoriana voalohan’ny Governemanta izao. Nanome toky izy fa ho mendrika ny safidy sy ny fitokisana nomena sy napetraky ny Filoham-pirenena taminy sy tamin’ ireto mpiara-miasa aminy vaovao ireto. Koa hanao izay fara heriny ahatontosana tsara sy haingana izany asa aman’andraikitra napetraka tamin’izy ireo izany.

    Toromarika nomen’ny Filoham-pirenena

    Tamin’ity fivoriana voalohany ity ihany koa no nangatahan’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA ny tokony hamakian’ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Governemanta tsara izay rehetra voasoratra ao anatin’io Politika ankapoben’ny Fanjakana io, indrindra izay mifanandrify amin’ny andraikitra sy ny sehatra nankinina amin’izy ireo. Izany moa dia mba hamehezan’izy ireo tsara izany politikam-panjakana izany sy hahafantaran’izy ireo tsara izay rehetra tena andrasana aminy. Ary indrindra hahafahan’izy ireo, izay mpiara-miasa notsongaina tao anatin’ny maro, mametraka drafitra fanatanterahana na « plan de mise en œuvre » an’ireo Velirano nataon’ny Filoham-pirenena.

    Betsaka ireo asa rehetra efa vita, misy ny mbola tsy natao, ary misy ny eo am-panatanterahana azy. Koa dia anjaran’ny Minisitra vaovao tsirairay no mijery izay ahafahana manatanteraka tsara ireo asa sy ireo velirano rehetra.

    Tsy maintsy ovaina ny fomba fiasa na « méthode de travail ». Tsy ny hiasa ao anatin’ny biraony ihany araka ny tenin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA no tokony ataon’ireto mpikambana vaovao ato amin’ny Governemanta ireto fa indrindra tokony hidina ifotony mijery ny zava-misy eny ifotony mba ahafahan’izy ireo mamaly ny hetahetan’ny vahoaka sy mamaly ireo andrasan’ny mponina.

    Teo am-pamaranana dia nampahatsiahivin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA fa manantena fanovana maro sy lehibe amin’ny fitondrampanjakana tokoa ny vahoaka koa dia mila miasa tsara sy haingana ary ampahamendrehana izy ireo manomboka amin’izao fotoana nanendrena azy ireo izao.

                                 

Natao androany faha 15 aogositra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika