TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 30 JONA 2021

NOTANTERAHINA  TAO  AMIN’NY  LAPAM-PANJAKANA  IAVOLOHA  NY FILANKEVITRY  NY  MINISITRA  ANDROANY  IZAY  NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA  ANDRY RAJOELINA  ARY  NAHITANA  NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY TOE-KARENA SY NY TETIBOLA

    Hisy ny fandraisana didim-panjakana mikasika ny fivoahan’ny « devises » sy ireo fepetra manokana momba ny famerenana eto Madagasikara ireo vola vahiny na « rapatriement de devises »

    Ny lalàna manan-kery ankehitriny dia tsy namaritra ny fetra farany ambony ny  vola  afaka  entin’ireo  izay mivoaka  any  ivelan’i  Madagasikara.  Izany  dia nahatonga fanararaotana, fanondranam-bola an-tsokosoko, « fuite de capitaux » ary  nampiroborobo  ny  famotsiam-bola.  Hamahana  izany  olana  izany  sy hanatsarana  ny  fiarovana  amin’ny  fanondranam-bola,  ny  Minisiteran’ny  Toe- karena sy ny tetibola dia nasaina hamolavola didy aman-dalàna ahafahana mifehy ny fivoahan’ny vola vahiny sy ahafahana miady amin’ny « fuite de capitaux ». Izany indrindra  no  antony  nisian’ny  vinavina  hanavao ny  « Circulaire  relative  aux allocations de devises n°0755/2018-MFB/SG/DGT/DOF/SFE du 30 août 2018 » izay havadika ho didim-panjakana. Nasaina ihany koa ny Minisiteran’ny toe- karena sy ny tetibola mba hametraka haingana volavolan-kevitra andraisana didy aman-dalàna iray hafa mikasika ny fampodiana vola vahiny. Ny tanjona dia ahafahana manatsara izany fampodiana vola vahiny izany sy haha-mari-pototra ny vola Malagasy na ny Ariary

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fanamboarana ny « Accueil, Triage et Urgence » (ATU) ao amin’ny CHU Tanambao Toliara

    Ny  Politika  ankapoben’ny  Fanjakana  dia  mamaritra  ny  anjara  asan’ny sehatra  ara-pahasalamana  mba  hanatrarana  ny  tanjona  hiantohana  ny fahasalamana ho an’ny rehetra sy ny fampivoarana ny maha olona. Noho izany, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miezaka ny hisiana sy hahazoan’ny mponina  fitsaboana tsara kalitao  sy manara-penitra. Ny  tetikasa  NPE  an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia ahafahana manatanteraka io tanjona io. Ho an’ny CHU Tanambao Toliara, dia hisy ny fametrahana sampana « Accueil, Triage et Urgence » (ATU), mba hoentina hanatsaràna ny kalitaon’ny fitsaboana omena sy ny fandraisana an-tanana ireo marary. 
  • II - FANENDRENA SY FANAFOANANA :

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 0798/21 manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIANDRA  Hasindraibe  Christiane  ho  Directeur  des  Etudes Juridiques eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina  ny  didim-panjakana laharana  faha-0716/21  manendry  an’Atoa. RAZANADRATEFA Zotonokinendry ho talem-paritry ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika ao Melaky.

    MINISITERAN’NY  FAMPIANARANA  AMBONY  SY  NY  FIKAROHANA  ARA- TSIANTIFIKA

    • Noraisina  ny  didim-panjakana laharana  faha-0742/21  manendry  an’Atoa. RAKOTOARIVONY Tsitohaina Stevenson ho Tale miandraikitra ny teknolojian’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiantifika.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 0775/21 manendry an-dRamatoa RAHELINORO Lalanirina Noelle, ho Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

    MINISITERAN’NY   MPONINA,   NY   FIAHIANA   ARA-TSOSIALY   ARY   NY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

    • Noraisina  ny  didim-panjakana  laharana  faha  0774/21  manafoana  ny  didim- panjakana laharana  faha 2020-1628 tamin’ny 02 desambra 2020 izay nanendry ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.

                                 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana
eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
30-06-2021