TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 23 JONA 2021

NOTANTERAHINA  TAO  AMIN’NY  LAPAM-PANJAKANA  IAVOLOHA  NY FILANKEVITRY  NY  MINISITRA  ANDROANY  IZAY  NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA  ANDRY RAJOELINA  ARY  NAHITANA  NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fangatahana ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny haban- tseranana sy ny hetra manokana amin’ny fampidirana voalohany ireo fitaovana sy kojakoja samihafa entina hanamboarana trano fandidiana fo (Bloc de chirurgie cardiaque) eny amin’ny hopitaly Soavinandriana (CENHOSOA)

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fahatsiarovana ny faha 73 taona nitifirana ireo Maherifon'ny Firenena  ny 19 Jolay 1948 tao Ampitifirana/Ankatso.

    Toy ny isan-taona, ny andron'ny 19 Jolay dia daty ahatsiarovana manokana ny nitifirana ireto Maherifon'ny Firenena ireto:

    -   Lietnà Randriamaromanana Albert
    -   Rakotondrabe Samüel,
    -   Ratsizafy Samüel,
    -   Lezoma,
    -   Bekamisy

    Notifirin'ny mpanjanaka izy ireo noho ny fandraisany anjara tamin'ny Tolom- panafahana ny taona 1947. Nohon’ny   fanajana  ny hamehana  ara-pahasalamana  izay  mbola  manan-kery eto amin'ny tany sy ny Firenena Malagasy dia hotsorina ny fanamarihana izany daty izany amin'ity taona 2021 ity. lzany hoe tsy hisy ny hetsika  fametrahana  fehezam-boninkazo  izay  fanao  eny  amin'ny  tsangam- baton'ireo  Maherifon'ny  Firenena  ao  Ampitifirana  Ankatso. Saingy      eo   anatrehan'izany   kosa   dia hisy  ny   fampahafantarana   ny tantaran'izy  ireo  amin'ny  alalan'ny   haino aman-jery izay  hotontosaina ny andron'ny 19 jolay ho avy izao.

    MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny Fangatahana fampiasam-bola amin’ireo tetikasam-pampandrosoana vaovao ho an’ny taona 2021

    Araky  ny  volavolam-pandaniana  ara-bola  amin’ny  taona  2021  sy hanatanterahana ny velirano faha-4 « L’Éducation pour tous», ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia manoso-kevitra sy mametraka ho laharam-pahamehana ny  fampiasana  ny  kaonty manokana mikasika  ireo tetikasa  vaovao  goavana. « Misitraka rafi-panabeazana mahomby izay mifanaraka amin'ny filàna sy fenitra iraisam-pirenena », izany no tanjona manokana ka mifototra amin’ny  harena maha-olona izay tondrozotra arahin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

    Ny fampiasam-bola amin’ireo tetikasam-pampandrosoana vaovao ho an’ny taona 2021 dia heverin’ny Ministera hahatonga amin’ny fitantanana mahomby ny fandaniana. Izany dia mifanindry an-dalana amin’ireto paikady lehibe miisa telo ireto : ny voalohany amin’izany dia ny fampiroboroboana rafi-pampianarana ho an’ny rehetra « inclusif et équitable », ny faharoa dia ny fanatsarana ny kalitaom- pampianarana ary ny fahatelo farany dia ny fanatsaràna ny fitantanana.

    Amin’ity taona ity dia hanao “blocs de 4 salles” ny Ministera ary apetraka any amin’ny toerana izay tsy mbola misy sekoly izany. Ireo sekoly manarapenitra vita tamin’ny taona 2019 sy 2021 ihany koa dia hampitaovana. Isan’izany ohatra ny fividianana « tables bancs » ka eny anivon’ireo orinasa any amin’ny faritra izay orinasa manaja ny tontolo iainana sy manena araka ny tokony ho izy ny isan’ny hazo ampiasaina no hanaovana izany. Hisy ihany koa ny fametrahana kilasy mano kana mampiaty na "classe inclusive" ho an'ireo ankizy manana fahasembanana eny anivon'ireo sekoly manara- penitra sy fametrahana ivon- toerana fanofanana mpampianatra  na  “centre  de  formation  pédagogique”. Hitohy  ihany  koa  ny fividianana sy fizarana kapa na « sandales » sy  aron’akanjo na « tabliers » ary “tablettes” amin’ity taona ity. Hojerena manokana ihany koa ny mikasika ny fametrahana toerana fanasan-tanana ho an’ny ankizy mpianatra eo anivon’ireo sekoly ahorina

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA, NY FIOMPIANA ARY NY JONO

    Nankatoavina ny fanekena ny fanalavana ireo tetikasa  momba ny « Projet d’Appui à la Production Agricole à Madagascar (PAPAM) taorian’ny fanalavàna ny fe-potoan’ny fifanarahan’ny famatsiam-bolan’ny « Agence Française de Développement » (AFD), fanomezana n°CMG 1287-01W

    Ny  tetikasa  PAPAM,  izay  vatsian’ny  fanomezana  avy  amin’ny  « Agence Française de Développement » (AFD) vola, dia mampiroborobo ny « technologie de l’agroécologie ». Izany tetikasa izany dia manampy betsaka ireo tantsaha mpamboly manoloana ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Noho ny fiaraha- miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono dia faritra efatra  eto  Madagasikara  no  misitraka  ny  tetikasa  PAPAM :  Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Alaotra Mangoro.

    Novinavinaina ho tapitra ny volana septambra 2020 lasa teo ity tetikasa ity saingy kosa taorian’ny fanaraha-mason’ny AFD sy MAEP dia mitohy amin’ity taona 2021 ity. Ny tetikasa PAPAM dia vinavinaina hifarana ny taona 2022.

    Misy « composantes » telo lehibe ny asa atao ao anatin’ny fanalavana ity tetikasa ity. Ka ny voalohany amin’izany dia mikasika ny fanohanana ny FDA na ny « Fonds de développement agricole ». Ny faharoa dia mikasika ny fanapariahana ny teknolojia. Ary ny fahatelo kosa dia mikasika ny fanohanana ny ministera izany hoe ny fandrindrana ny asa.  Ny fanalavana ny fanatanterahana ireo asa telo ireo dia natao mba hampandehanana ny asa mandritra ny fotoam-pambolena ary hahafahana manampy tokantrano miisa 1440 ao anatin’ny faritra Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Alaotra Mangoro.

  • II - FANENDRENA :

    PRIMATIORA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-634 tamin’ny 24 jona 2020 sy manendry an’ Atoa TSABOTO Roger, ho Talen’ny Kabinetra sivilin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakan laharana faha 2018-709 tamin’ny 12 jolay 2018 sy manendry ny Général de Brigade ZAFISAMBO RUPHIN Fortunat Dimbisoa ho talen’ny kabinetra miaramilan’ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta

    MINISTERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-674 tamin’ny 15 aprily 2015 sy manendry an’Atoa. RAHARISON Tsiriaina Miarana, ho Préfet an’Antsirabe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-972  tamin’ny 20  jolay  2016 sy manendry  an’Atoa. ANDRIASY  Vonjy Maminjanahary, ho Chef de district an’Ambatolampy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1054  tamin’ny  01  jolay 2015,  sy manendry  an’Andriamatoa RAKOTONJANAHARY Jean Iajasoa, ho Chef de district an’Antsirabe II.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1524  tamin’ny 25  septambra 2014 sy manendry  an-dRamatoa RAZAFINDRANAIVO Harikanto Donnie Alexia, ho Chef de district an’i Faratsiho

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0842  tamin’ny 24  aprily 2019  sy  manendry  an’Andriamatoa RAZAKAMAHEFA  Andriamaholisoa  Luc,  ho  Talem-paritry  ny  Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka ao Itasy

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA ary ny JONO

    • Noraisina  ny  didim-panjakana manendry  an’Atoa.  RANDRIANARISON Nandrasanamahery E., ho mpandrindra na Coordonnateur de l’Unité de Gestion du Projet Swiofish2 (UGP/Swiofish2).

    MINISTERAN’NY HARENA ANKIBON’NY TANY sy ny HARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1574 tamin’ny 14  aogositra 2019  sy  manendry  an’Andriamatoa RASETRAHARISON  Mihantaharimanana  Tojonirina,  ho  Talem- paritr’Analamanga  eo  anivon’ny  Ministeran’ny  harena  ankibon’ny  tany  sy  ny harena stratejika
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MANDA Andrianarison, ho Talem-paritra ao Amoron’i Mania eo anivon’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny sy ny harena stratejika

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY sy FIKAROHANA ARA- TSIANTIFIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. SOANDRO ROBERSON Daniel, ho Directeur des Ressources Humaines eo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika

    MINISTERAN’NY INDOSTRIA sy ny VAROTRA ary ny ASA TANANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-880 tamin’ny 24 aprily 2019 sy manendry an’ Atoa. RAZAFINIMARO Jocelin Richard, ho talem-paritry ny Ministeran’ny Indostria, ny varotra ary ny asa tanana ao Ihorombe.

    MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANANA sy ny FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1138 tamin’ny 09 septambra 2020 sy manendry an’Atoa RAJAONARIVELO Andriamihaingo Lalao, ho talem-paritry Diana eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy
  • III - FANAFOANANA:

    MINISTERAN’NY FITATERANA sy ny FIZAHAN-TANY ary ny FAMANTARANA ny TOETRANDRO

    • Nofoanana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1490 tamin’ny 30 aogositra 2019 izay nanendrena ny Tale jeneralin’ny ACM na Aviation Civile de Madagascar eo anivon’ny Ministeran’ny Fitaterana, sy ny fizahantany ary ny Famantarana ny toetrandro

                                 

Natao androany faha 23 Jona 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika