TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA ALAROBIA 17 MARTSA 2021

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    ADY AMIN’NY FIHANAKY NY VALAN’ARETINA COVID-19  :

    Notapahana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny tetikady manampy ny fepetra efa misy iadiana amin’ny fihanaky ny Covid-19 :

    Ireo toerana mandray ny olona mitondra ny soritr’aretina Covid 19 :

    • Ireo CSB rehetra manerana ny faritra ahitana ny soritr’aretina dia mandray avy hatrany ireo olona manana soritr’aretina ka manome avy hatrany ny fanafody sy ny traitements rehetra ilaina amin’izany, izay tsy maintsy ahitana CVO plus miampy azytromicine sy ireo fanafody mampitombo ny hery fiarovana ao anatin’ny olona.
    • Ireo hopitaly manarapenitra rehetra manerana ny Nosy, ary singanina manokana amin’izany raha ny eto an-drenivohitra ny etsy Andohatapenaka, ny etsy Anosiala, ny etsy amin’ny HJRA, ny etsy amin’ny HJRB, ny etsy Fenoarivo.

    Ireo toerana mandray ny fitiliana :

    • Ho an’Antananarivo dia eny amin’ny HJRA sy ny Village Voara
    • Ireo hopitaly manarapenitra sy CHRD isaky ny renivohi- paritra.

    Ireo fepetra raisina manoloana ny fihanaky ny Covid-19 :

    • Mila hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra mikasika ny elanelana, ny fitondrana aro vava-orona, ny fanasana tanana, ny fanadiovana ny toeram-ponenana, ny fanadiovana sy fanondrahana fanafody ireo fiara fitateram-bahoaka;
    • Raràna ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 200;
    • Ny fifaninanana ara-panatanjahantena rehetra dia tsy azo asiana mpanatrika ankoatra ireo izay mahazo fahazoan-dalana manokana ka tanterahana ankalamanjana;
    • Ferana ny olona afaka mandevina tsy mihoatra ny 10 raha maty vokatry ny Covid-19 ilay maty;
    • Arahana ny fivezivezen’ny mponina anaty fitateram-bahoaka;
    • Fizarana ny CVO tambavy isaky ny fokontany, sy fanapariahana ny CVO Plus ka ny ministera isan-tokony dia omena alalana hividy izany eny amin’ny Pharmalagasy avy hatrany;
    • Hiverina hiasa ny BIS (Bataillon d’Intervention Spéciale) amin’ny fakàna ireo marary, fitsidihana any an-tokantrano ary ny fanarahana ireo marary na amin’ny alalan’ny antso an-tariby na amin’ny alalan’ny fanarahana ny fiombon’ny aretina.
    • Hiverenana hampiasaina ny Plate-forme COVDATA hanarahana sy hamaritana ny toerana hahafahana mandray ireo marary sy ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’izy ireo ary hanarahana ny fipariahan’ny valan’aretina eto Madagasikara;
    • Haverina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitsabo tsy miankina ao anatin’ny Holafitry ny Mpitsabo, amin’ny fanaovana “consultation sy orientation en ligne”, ny fanarahana ny marary mijanona any an- tokantrano ary ny fitsaboana amin’ny alalan’ny antso an-tariby.
    • Tsy mbola misokatra amin’ireo mpizahatany sy ireo olona avy any amin’ny tany atao hoe “pays à risqué” any ivelany i Madagasikara.
    • Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra rehetra napetraka tany aloha izay tsy nasiam-panafoanana manodidina ny fisorohana ny fihanaky ny valanaretina.

    FAHATSIAROVANA NY 29 MARTSA : MANAKARA – AVARATR’AMBOHITSAINA ARY MORAMANGA NO HISY NY FAMETRAHANA FEHEZAM-BONINKAZO:

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  fa  tsy  hisy  ny  famoriam- bahoaka mandritra ny fahatsiarovana ny 29 Martsa fa ireo manam-pahefana isaky ny faritra ihany no mametraka ny fehezam-boninkazo any Manakara, ao Avaratr’Ambohitsaina ary any Moramanga.

    Ny 29 Martsa dia ny solon-tenan’ny fanjakana foibe sy ny manam-pahefana any an-toerana ihany no manao izany any Manakara sy any Moramanga.

    Fametrahana fehezam-boninkazo ara-pomba ofisialy no ataon’ny Filoham- pirenena ny etsy Avaratr’Ambohitsaina ny faha 29 Martsa.

    Hisy kosa ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ny 27 sy 28 Martsa ka hajaina ny elanelana ara-pahasalamana mandritra izany.

    Solontenam-panjakana vitsy ihany no omen-dalana hanatrika ireo.

    HIROSO AMIN’NY FAMARITANA NY TANY HOENTI-MANATANTERAKA NY TETIKASA TANAMASOANDRO NY FANJAKANA:

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  firosoana  amin’ny fandraisana sy filan’ny fanjakana ny tany mirefy 982ha etsy Tsimahabeomby sy ny manodidina hametrahana ny tanàna vaovao TANAMASOANDRO etsy Imeritsiantosika, distrikan’Arivonimamo, faritr’Itasy. Ny velarantany 747ha amin’io dia tanim-panjakana madiodio avokoa. Ny tany mirefy 235ha sisa no hisian’ny fandaminana manokana hakan’ny fanjakana ny tany araka ity didim-panjakana noraisina ity.

  • II – FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA SY DIDIM-PANJAKANA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova ny laha-dinika  atao  mandritra  ny  fivoriana  tsy  ara-potoana  voalohany  ny Antenimiera roa tonta. Ireto ny laha-dinika amin’izany :

    • Fifidianana ny ho solon-tena 2 avy, avy amin’ny Antenimiera 2 tonta ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
    • Fandinihana ny volavolan-dalàna mamaritra ny famatsiam-bola azo avy amin’ny IDA mikasika ny tetikasa PRODIGY,
    • Fandinihana  ny volavolan-dalàna  mamaritra  ny  famatsiam-bola ho entina amin’ny tetikasa PRODUIR
  • III- FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny    Filankevitry    ny    Minisitra    ny    didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola :

    Noraisina ny didim-panjakana nanendrena sy nandrindrana :

    • ireo « Délégués Centraux » ao amin’ny « Contrôle financier » miisa 20
    • ireo « Délégués Régionaux » ao amin’ny « Contrôle financier » miisa 22.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono :

    • Atoa RASATARISOA Mandratovola, dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre d’Appui à la Formation Professionnelle et Agricole » ao Brickaville.
    • Atoa EGOGO Zafy Nantenaina Jean Gabriel, dia voatendry ho Tale misahana  ny  Fitanatana  ara-bola  ao  amin’ny  « Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara » (IFVM).

    Araka   ny   tolo-kevitry   ny   Sekreteram-panjakana   eo   anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny Zandarimaria :

    • Colonel  RANAIVONAMPOIZINA  Harilaza  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny « Organisation et de l’Emploi du Commandement ».
    • Colonel RANDRIANJARA Flobert, dia voatendry ho Tale Teknika ao amin’ny « Direction Générale de la Sécurité Routière ».

                                 

Natao androany faha 17 Martsa 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika