TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »

24 MARTSA 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY  KA  TANY  AMIN’NY  TOERAM-PIASANY  AVOKOA  IREO  MINISITRA  NO NANATRIKA TAMIN’NY ALALAN’NY FAHITALAVITRA  SY ANTSO ANTARIBY MIARAKA LAMINA ARA-TEKNIKA NY FIVORIANA NATAO ANDROANY FAHA 24 MARTSA 2021 NOTARIHIN’NY  FILOHAM-PIRENENA  ANDRY  RAJOELINA  ARY  NAHITANA  NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY : 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    NOHAMAFISINA      IREO      FEPETRA      HIADIANA      AMIN’NY VALANARETINA COVID-19

    Nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fepetra rehetra noraisina ary ny paika sy ny drafitra hoentina miatrika ny ady amin’ny fihanahan’ny valanaretina COVID-19 izay hihatra manomboka ny alatsinainy izao :

    AMPITOMBOINA  IREO  TOERANA  MANDRAY  MARARY  SY  IREO FITAOVANA FIAROVANA IADIANA AMIN’ NY VALANARETINA :

    Hiatrehana izay mety ho fitombon’ny olona mety hiomboan’ny aretina dia  ampitomboana  ny  toerana  handraisana  ireo  marary  raha  eto  an- drenivohitra no resahana. Ivato, toerana nametrahana ny CCO, no handray ireo marary hanampy ny hopitaly sy ny Village Voara izay efa mandray ireo marary misy fahasarotana.
    Ampitomboana ary aparitaka manerana ireo faritra ianjadian’ny valanaretina ireo fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana mandray mivantana ny mararin’ny COVID-19. Hampitomboana ny test atao isaky ireo toerana ahiana hiakaran’ny valanaretina, homem-pitaovana ireo toerana rehetra mandray marary, hamafisina ny fizarana fanafody hoenti-mitsabo maimaimpoana ny aretina COVID-19 eny amin’ireo CSB sy toerana madray marary rehetra isaky ny faritra.

    HANOMBOKA RAHAMPITSO NY FIZARANA NY CVO PLUS HO AN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA

    Hanomboka  rahampitso  ny  fizarana  ireo  CVO  plus  natolotra  ireo mpitandro ny filaminana noho izy ireo miatrika mivantana ity valanaretina amin’ny fampiharana  ireo  fepetra  isan-tsokajiny  raisin’ny  fitondram- panjakana. Ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra miatrika ny COVID-19 dia mahazo izany ihany koa, ary ireo sokajin’olona mandray olona dia tsy maintsy mampitombo  ny  hery  fiarovana  ao  anatin’izy  ireo  amin’ny  alalan’ny fandraisana ny CVO Plus.

    FIZARANA   NY   KARINEM-POKONTANY   VAOVAO   MANERANA AN’ANTANANARIVO RENIVOHITRA :

    Hifarana afaka 25 andro ny fitsinjarana ireo karinem-pokontany ato anatin’ny tananan’Antananarivo Renivohitra. Efa miroso ny asa fandrindrana izany miaraka amin’ny tanànan’Antananarivo sy ireo distrika mandrafitra azy,  ary  hiitatra  makany  amin’ny  faritra  izany  rehefa  vita  ny  eto  an- drenivohitra.

    FANAMPIANA AVY ANY AMIN’NY FIRENENA SINOA:

    Nampahafantarina    nandritra    ny    Filankevitry    ny    Minisitra    ary
    nankatoavina  ny  fanampiana  azo  avy  amin’ny  fitondrana  sinoa  ho  an’i Madagasikara hoentina matanteraka tetikasa maro manerana ny Nosy.

  • II – FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA SY DIDIM-PANJAKANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :

    • Noraisina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  androany  ny  didim- panjakana  mamarana  ny  fivoriana  tsy  ara-potoanan’ny  Antenimiera roa tonta.
  • III- FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Repoblika :

    • Atoa RAJAONARISON Mamitiana, dia voatendry ho Tale jeneralin’ny SAMIFIN.

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny    ati-tany  sy  ny  fitsinjaram- pahefana :

    • Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Mirana Miarimanana, dia voatendry ho Tale Jeneraly lefitra ao amin’ny BNGRC. 

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Atoa. RAFEFIMANANA Sambilason Richard, dia voatendry ho Tale misahana ny « Patrimoine Foncier et des Infrastructures. »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro:

    • Ramatoa RANDRIANARIVO Iravaka Helitiana, dia voatendry ho Tale misahana ny fitaterana antanety.
    • Atoa RAKOTONDRAVOHITRA Danielina Nisa, dia voatendry ho Tale misahana ny « Etudes, des Recherches et de la Formation »
  • IV - FANAFOANANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny  didim-panjakana laharana  2019-1243 tamin’ny 06 jona 2019 nanendrena ny Tale misahana ny « Infrastructures Techniques ao amin’ny ORTM.

                                 

Natao androany faha 24 Martsa 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika