TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 07 OKTOBRA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    FAMERENANA  NY  VOLAMENA  NAONDRANA  AN-TSOKOSOKO  TANY MAURICE:
    Atomboka ny dinika ara-diplaomatika miaraka amin’ny Nosy Maurice mikasika ny famerenana aty Madagasikara ho ao amin’ny Banky Foibe ny volamena  milanja  25,5kg  naondrana  an-tsokosoko  nakany  Maurice  ny fiandohan’ny  taona  2019.  Efa  nisy  ny  didim-pitsarana  nivoaka  teto Madagasikara ny tokony hamerenana ireo entana ireo aty amintsika sy ny lamandy ary ny sazy mihatra amin’ireo izany nanao izany fanondranana an- tsokosoko izany. Hifandrimbona ny ministera 4 tonta amin’ny fanaovana ny dinika rehetra ahafahana mamerina ireo entana ireo.

    Marihana fa tapaky ny Filankevitry ny Minisitra ny 30 Septambra  lasa teo fa atao avy hatrany ho fananam-pirenena ary hapetraka avy hatrany any amin’ny  Banky  Foiben'i  Madagasikara ireo  volamena  sy  harem-pirenena tratra sy aondrana an-tsokosoko miainga eto Madagasikara.

    FANAMBOARANA NY « Route des Œufs »:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny « admission temporaire » an’ireo entana ampiasain’ny Orinasa ZHONGMEI GROUP izay manatanteraka ny asa fanamboaran-dalana mirefy 12 km any Mahitsy na ilay antsoina hoe « Route des œufs ». Ny taona 2017 no natao ny sonia nanaovana azy ity, niaraka tamin’ny governemanta Sinoa ka nametrahana tamin’izany fotoana izany fa anjaran’ny Malagasy ny manome fanomezan-dalana ahafahana manafatra ireo entana ilaina tsisy haba miditra eto an-toerana ho entina manatanteraka ilay asa fanamboarana.

    FANARENANA IREO DIGUES ANY AMIN’IREO SOMPITR’I MADAGASIKARA:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanarenana ireo Digues izay ahafahana manondraka ireto lemaka any amin’ireo sompitr’i Madagasikara. Anjara andraikitry ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono no mamaritra sy mijery ny fandaniam-bola sy fanatanterahana ny asa mialoha ny fotoana fiavian’ny orana .

    FAMARITANA NY PLATEAU CONTINENTAL N’I MADAGASIKARA

    Hotanterahana ny fanaovana ny famaritana ny « Travaux de levés sismiques marins » mba hahafahana mamaritra ny faridranomasin’i Madagasikara aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana araky ny tapaky ny Filankevitry ny Minisitra androany. Ny vaomieran’ny Firenena mikambana mamaritra ny Plateau Continental (CLCP) dia nametraka fa mialoha ny faran’ny taona no tokony hametrahantsika ny famaritana izany mba handinihana indray ny antontan- taratasy mikasika an’i Madagasikara sy ny faridranomasiny (Plateau Continental de Madagascar).

    ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO ANY ATSIMO :

    Hapetraka manomboka izao ny lamina maharitra iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo ary hisy ny tetikasa fohy ezaka, antenantenan’ezaka ary lavitr’ezaka ho entina manatanteraka izany. Ilaina ny fanaovana cartographie an’ireo olona sy faritra tena voakasiky ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo rehetra.

    Ao anatin’ny tetikasa fohy ezaka ny fametrahana Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale izay tokony hipetraka ny faha 22 ny volana Oktobra izao: Ambovombe, Tsihombe, Ampanihy, Beloha, Amboasary Atsimo. « Banque alimentaire », dokotera mpitsabo, fanomezana sakafo ara- pahasalamana, fanafody fitsaboana hanarenana ara-tsakafo. Ny 22 Oktobra izao no tsy maintsy mipetraka ireo toerana fandraisana ireo mponina iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.

    Tetikasa antenanten’ezaka ny famaritana ny toerana hamindrana ireo mponina sy hametrahana ireo tetikasa rehetra, ny fametrahana toerana fanofanana amin’ny fambolena sy fiompiana, ny fametrahana sekoly ho an’ireo zaza, ary ny fametrahana toeram-pitsaboana CSB2 any amin’ireo faritra voalaza ireo hanara-maso ny fahasalaman’ireo mponina nahavita ny fanarenana ara-tsakafo eny anivon’ireo toby fanarenana ara-tsakafo sy fitsaboana.

    Tetikasa lavitr’ezaka ny fametrahana ozinina mpamokatra rano fisotro ho an’ny mponina, sy ozinina mpamokatra sakafo azo ahodina (Vovo-katsaka, Raketa mena, Aloès,…), fametrahana toeram-pambolena voatokana hamokarana vokatra anaty serre ho an’ireo mponina hampanatonina ny faritra manakaiky ireo renirano (Relocalisation et Serre), fanapariahana ireo fiompiana osy, fametrahana sy fanatsarana ireo fantsona mitondra rano fisotro madio sy rano azo hambolena hoan’ny mponina, fanentanana sy fikarakarana ny olona amin’ny fandrindram-piterahana.

  • II – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Filaminam-Bahoaka :

    • Commissaire Principal de Police RABARY Hary Jaona, dia voatendry ho Tale misahana ny « Renseignements et du Contrôles de l’Immigration et de l’Emigration ».
    • Commissaire Divisionnaire de Police N’DIAYE Jean Meambly Tidahy, dia voatendry ho Tale misahana ny « Opérations de Sécurité ».
    • Contrôleur Général de Police RAZAFINDRAVONONA Georges Evariste, dia voatendry ho tale misahana ny « Police Economique ».
    • Commissaire Principal de Police RAKOTOARIJAONA Faly, dia voatendry ho Talem-paritra ao Alaotra Mangoro.
    • Commissaire Principal de Police LEKIRA Rasolofomanana Liva Stéphane, dia voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa:

    • Atoa RAKOTONDRAZANANY Frank Eugeno, dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Information ».
    • Atoa ANDRIATIANA Hery, dia voatendry ho Tale misahana ny « Planification et Suivi-Evaluation »
    • Atoa RANDRIANANDRIANINA Jean Jacques, dia voatendry ho Tale misahana ny « Formation Professionnelle Qualifiante ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

    • Atoa ANDRIANJAKA RAZAFINARIVO Isaie, dia voatendry ho Tale misahana ny « Agence de Contrôle de la Sécurité sanitaire et de Qualité des Denrées Alimentaires »
    • Atoa ANDRIANOMENJANAHARINIRINA Mampianinarisoa Jacques, dia voatendry ho tale misahana ny Hopitaly eny anivon’ny Faritra sy ny Distrika.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo :

    • Atoa ANDRIANTSOA Ny Solofo Thierry, dia voatendry ho Tale misahana ny « Systèmes d’Information »
    • Atoa AH-LONE Léon, dia voatendry ho Tale misahana ny Akoranafo.
    • Atoa CHADLY Wander Assany, dia voatendry ho Tale iraisam-paritra ao Toamasina.
    • Général de Brigade AUGUSTE Bruno, dia voatendry ho Tale iraisam- paritra ao Toliara.
    • Atoa FITSARANA Hyacint Hubert, dia voatendry ho Tale iraisam- paritra ao Antsiranana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny asa-tànana :

    • Atoa RAMANANARIVO Andriamampiandra Heriniaina, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly.
    • Atoa TODIMANA Ronald Herbert, dia voatendry ho Talem-paritra ao Vatovavy Fitovinany.
    • Atoa BEMANANJARY Fahandriana Lidorice, dia voatendry ho Talem- paritra ao Sava.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra:

    • Atoa JOHNSON Simon Delphin, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny fitananam-bola.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Atoa RAZAFINDRAKOTO Zakanaivo Radoniaina, dia voatendry ho Talem-paritra ao Bongolava.
    • Ramatoa RABIAZA Reyna Marcelle dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny Serasera.

Natao androany faha 07 Oktobra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika