FIADIDIANA NY REPOBLIKA

*******

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY 03 MAY 2019

  • FAMPAHAFANTARANA:

    Fiadidiana ny Repoblika : Asa mendrika ho an’ny rehetra sy fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara

    Notapahan’ny filan-kevitry ny minisitra fa omena telo volana ny CNAPS hanohy ny fanentanana mba hidiran’ireo mpiasa rehetra ho mpikambana ao aminy, ary raha dila izay fe-potoana izay dia tsy maintsy manao ny fanambarana ireo mpiasa rehetra ny mpampiasa mba hisian’ny fiahiana ara-tsosialy hoan’ireo mpiasa ao amin’izy ireo.

    Omena andraikitra manokana koa ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, miaraka amin’ny CNAPS mba hanao fanadihadiana momba ny fiahiana ara-tsosialy tokony ho an’ireo mpiasa mahaleo tena tahaka ny mpamboly, mpanjono, mpivarotra ary mpanao asa tanana. Tokony hivoaka mialohan’ny faran’ity taona ity izay valin’ny fanadihadiana hataon’izy ireo.

    Aorian’izay, tokony horaisina ireo fepetra rehetra amin’ny fiantohana ny fiahiana ireo mpiasa raha sendra marary, tokony hihatra miandalana manomboka ny 2020 ny fanamorana ny hahazoana fisotroan-dronono ary tokony hanavaozina hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny ny didy aman-dalàna momba ny fiahiana sy ny fiarovana ara-tsosialy ny mpiasa.

    Araka ny tarehimarika ofisialy avy amin’ny CNAPS mantsy dia miisa 363.531 ireo mpiasa voasoratra anarana ao anivon’ity sampan-draharaha ity ny taona 2018, ary ny 338.203 amin’ireo no mpandoa latsakemboka ankapobeny, 25.328 kosa mpandoa latsakemboka eo amin’ny sehatry ny fambolena. Mbola maro ny mpiasa tsy mba mandoa latsakembona sy mpikambana ao amin’ny CNAPS tsy mbola manara-penitra ny fepetran’ny asa eto Madagasikara.

    Araka ny famaritana nataon’ny OIT, ny atao hoe asa mendrika dia asa mahafeno ireto fepetra ireto : asa ahafahana mamokatra sy ahazoana karama ara-drariny, asa misy fiarovana eny anivon’ny toeram-piasana ary misy fiahiana ara-tsosialy ho an’ny fianakavian’ny mpiasa, asa ahafahana mivoatra sy manamora ny fidirana ao anaty fiaraha-monina, asa manome fahalalahana ny mpiasa haneho izay mety ho fitakiany, hivondrona sy handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra mety hisy fiantraikany amin’ny fiainany arak’asa, ary indrindra asa miantoka ny fitovian’ny erijika sy ny fikarakarana, na lahy na vavy.

    Ny tanjona laharana faha-8 ao anatin’ny paik’ady fampandrosoana maharitra napetraky ny firenena mikambana dia mamaritra ny « fampiroboroboana ny harin-karena maharitra sy voatsinjara, hisian’ny asa mamokatra sy mendrika » ary isan’ny nampifandraika izany ny vinan’ny IEM izay navadika ho Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Tafiditra amin’izany ny famoronana asa sy ny fanatrarana ho 7% farafahakeliny ny fitombon’ny harin-karena faobe hahatanteraka ny tena fampandrosoana marina ny firenena.

    Izany rehetra izany no isan’ny nametrahan’ny fitondram-panjakana tontolo mahasarika sy mametraka ny fitsipiky ny asa mendrika, iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy nankatoavan’i Madagasikara fifanarahana miisa 42 avy amin’ny OIT izay hoampifandrindrana amin’ireo lalàna mifehy ny asa eto amin’ny firenena. Isan’izany ny fampiharana ny PPTD na « Programme Pays pour le Travail Décent » (Fandaharan’asan’ny firenena ho an’ny asa mendrika) izay hamaritra ny paikady sy ny fepetra samihafa ho raisina. Vonona tanteraka hampanaja ny didy aman-dalàna misy eo amin’ny sehatry ny asa ny fitondram-panjakana, ary manasazy izay tsy manaja sy mampihatra izany, amin’ny maha-fanjakana mpiaro ny zon’ny mpiasa azy.

    Efa nisy ireo fepetra noraisina mifanaraka amin‘ireo tanjona ireo :

    • Fampiakarana ho 200.000 Ar ny karama farany ambany amin’ny fampidirana miasa (Salaire minimum d’embauche) izay notapahana ny 30 aprily 2019 lasa teo, araka ny fiaraha-midinika tamin’ny sehatra tsy miankina sy nysindikan’ny mpiasa, mba ahafahana mampiakatra ny fahefa-mividin’ireo mpiasa ary hanomezana azy karama sahaza ka hisian’ny asa mahasarika eto Madagasikara.
    • Fanombohana ny tetikasa « Fihariana » izay natao hampiroborobo ny fandraharahana ara-toekarena amin’ny alalan’ny fanohanana ny fanorenana orinasa sy asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy.
    • Fanombohana ireo tetikasa vaventy maro fananganana fotodrafitrasam-panjakana izay ahafahana mandray mpiasa maro ka hanamora ny fanavaozam-piezahana eo amin’ny lafiny toekarena.

    Minisiteran’ny asa, ny fampanana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy : ireo fepetra hampanarahana ny fampiakarana karama

    Taorian’ny fahitana marimaritra iraisana teo amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ny sendikan’ny mpiasa manodidina ny fampiakarana ny karama farany ambany (salaire minimum d’embauche) dia nisy fepetra miisa telo nifanarahana fa hoapetraky ny governemanta. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fametrahana izany :

    • Ny fampakarana ho 350.000 Ar ny fetra-karama hakana ny hetra (IRSA)
    • Ny tsy fitataovan-ketra ny 20 ora voalohany amin’ny totalin’ny ora hanaovana asa fanampiny (heures supplémentaires).
    • Ny fahafahan’ny ora fiasana miovaova araka izay ilaina azy isam-bolana eny anivon’ireo orinasa mpamokatra na mpanodina lamba sy ny « call center ».
  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araka ny volavolan-kevitry avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika dia nofoanana ny didim-panjakana laharana faha 2019-790 tamin’ny 19 aprily 2019 miantso ny mpifidy handray anjara amin’ny fitsapankevi-bahoaka entina manova ny andininy sasantsasany amin’ny lalam-panorenan’ny Repoblika fahaefatra, sy ny didim-panjakana lf° 2019-791 tamin’ny 19 aprily 2019 mamaritra ny rijan-teny nentina nanova ny lalam-panorenana sy ny rijan-panontaniana hapetraka amin’ny mpifidy amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 27 mey 2019.
  • FANENDRENA:

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fiarovampirenena :

    • Général de Division RAZAFINDRAKOTO Lantoarinjaka, voatendry ho Inspecteur Général eo anivon’ny «Inspection Générale de l’Armée Malagasy ».
    • Général de Division RAZAFIMAHATRATRA Jean Jacques, voatendry ho talen’ny raharaha miaramila eo anivon’ny « Secrétariat Permanent à la Défense et à la Sécurité Nationale auprès du Haut Conseil de la Défense Nationale ».
    • Général de Brigade RAMASY Razafindratovo Heritiana, voatendry ho « Haut Responsable du Service Civique ».
    • Colonel RAFALIARISON Fidimalala Norbert, voatendry ho tale jeneralin’ny « Office des Transmission Militaires de l’Etat ».
    • Général de Brigade RAZAFINTSALAMA Laza Tianarivelo, voatendry ho « Coordonnateur Général des Projets ».
    • Lieutenant-Colonel RAMANAMPAMONJY Bernard Rodin Basile, voatendry ho talen’ny « Planification et de l’Anticipation Stratégique ».
    • Colonel ANDRIAMASINORO Fanjanirina voatendry ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny « Centre Hospitalier de Soavinandriana ».
    • Général de Division Aérienne ANDRIAMAHAZOARIVO Alex Patrick, voatendry ho lefitra voalohan’ny lehiben’ny Etamajaoro jeneralin’ny tafika Malagasy.
    • Contre Amiral RANDRIANARISOA Marosoa Nonenana, voatendry ho lefitra faharoan’ny lehiben’ny Etamajaoro jeneralin’ny tafika Malagasy.
    • Général de Brigade SAHIVELO Lala Monja Delphin voatendry ho « Chef d’Etat-Major » eo anivon’ny Etamajaoro jeneralin’ny tafika Malagasy.
    • Général de Brigade RAKOTONIAINA Jean Aimé, voatendry ho « Commandant des Forces de Développement ».
    • Colonel RAKOTOSON Jocelyn, voatendry ho « Commandant des Forces d’Intervention de l’Armée »
    • Contre Amiral VAOHAVY Andriambelonarivo Andasy, voatendry ho « Commandant des Forces Navales ».
    • Général de Division Aérienne RAMASITERA Niriniaina, voatendry ho « Commandant des Forces Aériennes ».
    • Général de Brigade RABENAIVOARIVELO Jean Claude, voatendry ho « Commandant de la Région Militaire Numéro Un ».
    • Général de Brigade MAROTIA René, voatendry ho « Commandant de la Région Militaire Numéro Deux ».
    • Général de Brigade RAKOTONIAINA Jeannot Justin, voatendry ho « Commandant de la Région Militaire Numéro Trois ».
    • Colonel RAKOTONANDRASANA René Bruno, voatendry ho « Commandant de la Région Militaire Numéro Quatre ».
    • Général de Brigade DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo, voatendry ho « Commandant de la Région Militaire Numéro Cinq ».
    • Général de Brigade RASOLOFOMANANA Hiary Lala, voatendry ho « Commandant de la Région Militaire Numéro sept ».
    • Colonel RAFIDISON Alain Bernardin, voatendry hokaomandin’ny Sekoly Miaramila-Pirenena.
    • Colonel RATSARAHEVITRA Andriamisetra, voatendry ho « Commandant de l’Ecole Nationale des Sous-Officiers de l’Armée »

    Araky ny tolokevitry ny MINISITRY NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Rtoa RAJAORISON Colette Nirina, voatendry ho talen’ny « Coordination et du Suivi-Evaluation des Programmes ».
    • Atoa RAOBISON Michaël Alberteau, voatendry ho talen’ny «Planification ».

    Araky ny tolokevitry MINISITRY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA :

    • Atoa RASOLONDRAIBENY Alain, voatendry ho talen’ny « Appui à la Gestion de l’Ordre et de la Sécurité Publics ».
    • Atoa M. RABETALY NIRHY-LANTO Fanja, voatendry ho talen’ny « Appui aux Collectivités Territoriales Décentralisées ».

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :

    • Rtoa RASOARIMALALANARIVO Sylviane, voatendry ho talen’ny « Promotion des Logements et des Equipements ».
    • Atoa RAKOTONDRAPANANA Lucien, voatendry ho talen’ny « Planification Territoriale ».
    • Général de Brigade RARIVOMANANA Tahirimamy André Pascal, voatendry ho talen’ny « Audit et Inspection ».
    • Rtoa RAVAOARISOA Emma Fideline, voatendry ho talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy any amin’ny faritra DIANA.
    • Atoa ANDRIANJATOVO Harinaivo Livasoa, voatendry ho talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy any amin’ny faritra Atsinanana.
    • Atoa RAKOTOMALALA Jean Armand, voatendry ho talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy any amin’ny faritra Itasy.
    • Atoa RAKOTONIRINA Vivian José, voatendry ho talem-paritry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy any amin’ny faritra Haute Matsiatra.

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny fahasalambahoaka :

    • Atoa RAKOTOZAFY Germain, voatendry ho talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany.
    • Rtoa RASAMOELINA Fanjambololoniaina Dominique, voatendry ho talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
    • Rtoa ROBINSON Noromampionona Lydia, voatendry ho talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny faritra Anosy.
    • Atoa RAKOTOARIMANANA Raymond Geshlin Clarence, voatendry ho talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny faritra Atsinanana.

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny jono

    • Atoa RAKOTOMALALA Holiarison William, voatendry ho talen’ny FIFAMANOR (FIOMPIANA FAMBOLENA MALAGASY NORVEZIANA).
    • Rtoa RAZAFIMPAMOA Hanitra Nirinalinoro Lucile, voatendry ho talen’ny « Appui à la Production Animale ».
    • Atoa RAJAONARISOA Andry Mahefa, voatendry ho talen’ny « Autorité Sanitaire Halieutique (ASH) ».
    • Atoa RAMAMONJISOA Maherizaka, voatendry ho « Directeur Administratif et Financier ».

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    • Rtoa DELMOTTE Stéphanie, voatendry ho filohan’ny Fila-kevi-pitantanan’ny « Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS) ».
    • Atoa LOVASOA Arison André, voatendry ho tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny « Bureau du Cadastre Minier de Madagascar ».

    Araky ny tolokevitry ny MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Atoa RAVELONARIVOELISON Benjamin, voatendry ho « Directeur Administratif et Financier et de la Gestion du Patrimoine ».

    Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa :

    • Atoa RAKOTOARISON Jean Jacques, voatendry ho talen’ny « Centre National de Télé-Enseignement de Madagascar (CNTEMAD) ».
    • Voatendry ho eo amin’ny laharana « Professeur Titulaire de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique » an’Atoa sy Rtoa isany :
      1. ANDRIAMAMPIANINA Hanitra Sylvia
      2. RABESIAKA Mihasina Manitr’Ala Jean
      3. RAFALIMANANA Halitiana Joséa
      4. RAKOTOARIMANANA Vonjison
      5. RAKOTONIAINA Solofoarisoa
      6. RAMASIARINORO Voahanginirina Jeanine
      7. RAZARANAINA Jean Claude

    Araky ny tolokevitry ny MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY :

    • Atoa MAMITIANA Andriamanjato, voatendry ho talen’ny « Mécanisme de Financement Durable et des Paiements des Services Ecologique (DMFD-PSE) ».
    • Rtoa HAINGOSOA Hortençia Antoinésie, voatendry ho tale iraisam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana-Androy-Anosy.

    Araky ny tolokevitry ny MINISITRY NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ARY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY :

    • Atoa MANANTSAOTSY Alexis, voatendry ho talem-paritry ny mponina, ny faihiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy any amin’ny faritra Androy.

    Araky ny tolokevitry ny MINISITRY NY TANORA SY NY FANATAJAHAN-TENA :

    • Lieutenant-Colonel RAHERINJANAHARY Pierre Raymond, voatendry ho « Coordonnateur Général des Projets (CGP) ».
    • Atoa RANDRIANIRINA Erinesa, voatendry ho mpandrindra nasionalin’ny « Education Physique de Qualité » (CN-EPQ).
    • Rtoa RAKOTOSEHENO Noro Haingo, voatendry ho talen’ny « Santé de la Reproduction et de la Protection de la Jeunesse » (DSRPJ).
    • Atoa TSIEBO Mahaleo Richard Victor, voatendry ho talen’ny « Partenariats et Développement » (DPaD).

    Araky ny tolokevitry ny SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA :

    • Colonel BOTOTSARA Nathanaël James, voatendry ho talen’ny « Police Judiciaire » eo anivon’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena.
    • Colonel ANTOINE, voatendry ho talen’ny « Quartier Général » eo anivon’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena.
  • FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireo didimpanjakana :

    Araka ny tolokevitry ny MINISITRY NY PAOSITRA, FIFANDRAISAN-DAVITRA ARY FAMPANDROSOANA NY HAIKAJY MIRINDRA :

    • Foana ny didim-panjakana nanendrena ny Talen’ny « Gouvernance Numérique » sy ny talen’ny « Ecosystème et Intégration Numérique ».