FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPAHAFANTARANA

Efa ho hateloana izao no nandinihana lalina sy amin'ny antsipirihany eo anivon'ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna hitsivolana mifehy ny teti-bola nasiam-panintsiana ho amin'ny taona 2019. Jerena sy dinihina amin'ny antsipirihany isan'andininy sy isan’andalany avokoa ireo volavolam-pandaniam-bola voasoratra isaky ny ministera tsirairay avy, mba hametrahana ny fanjakana tsara tantana sy fanarenana ary ny tena fampandrosoana marina miantraika mivantana amin'ny vahoaka, araka ny velirano sy fampanantenana nataon'ny Filohampirenena hanatrarana ny fahatarana an-taonany maro.

Aorian'ny fandinihana sy fandalinana dia hiroso amin'ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity ny Filankevitry ny Minisitra, ka hamoaka ny didy hitsivolana ny Filoham-pirenena. Aorian'izany dia handefa izany any amin'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana hijeren'ity farany raha mifanaraka amin'ny lalàna fototra ny zava-boalaza rehetra ao amin'ny rijan-teny mandrafitra io volavolan-dalàna io. Vita izay dia hivoaka ary azo ampiharina ny teti-bolampanjakana taona 2019. Marihina fa ny lalàm-panorenana no manome fahefana ny Filohampirenena hamoaka lalàna sy handray hitsivolana hitondrana ny tany sy ny firenena araka ny andininy faha 104 noho ny fanomezam-pahefana nomen'ny Antenimiera azy.

Natao androany 10 May 2019.

Sampan-draharaha misahana ny serasera sy ny fifandraisana.