TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia faha-11 Avrily 2024, Lapam-panjakana Iavoloha

 

Androany, Alakamisy faha-11 Avrily 2024, notanterahina teto amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Ho fanatrarana ny tanjona apetraky ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana eo amin’ny fanatsarana sy fanafainganana ny asam-panjakana (na Bonne Gouvernance) dia nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo fanatsarana natao mahakasika ny fitantanam-bolan’ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola avy any ivelany.

    Araka ny dinika efa natao teny anivon’ny filan-kevitry ny governemanta sy ny fivoriana isan-tokony niarahana tamin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany dia nisy fanatsarana ny fitantanana eo amin’ny famoaham-bola mikasika ireo tetikasa vatsin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena.

    Anatin’izany no nametrahana fa ny fifanarahana ara-pamatsiana na “accord de financement” no fenitra voalohany tokony arahina mikasika ny famoaham-bola eo amin’ireny tetikasam-panjakana ireny. Araka izany dia nomena lanja ny andraikitra lehibe izay sahanin’ny Minisitera tompon’andraikitra eo amin’ny tetikasa sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Hatao mangarahara tanteraka eny anivon’ny banky ny famoaham-bola rehetra ary misy fetra andro mazava (5 andro) anaovan’ny “Direction de la Dette Publique” ny fangatahana famoaham-bola na “décaissement”.

    Entanina ny fametrahana “Manuel de Procédures » mazava tsara isaky ny tetikasa sy amin’ireo agences d’exécution. Hisy ihany koa « Comité de Pilotage sy Comité d’orientation et de suivi » ifarimbonan’ny Minisitera tompon’andraikitra sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola hanara-maso ny fanatanterahana ny tetikasa. Tsy maintsy hanao tatitra mazava amin’io comité de pilotage io ny « agences d’exécution » rehetra. Ka raha misy fandaniam-bola tsy nahazo fankatoavana dia ho tompon’andraikitra feno amin’izany izy ireo.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana malagasy an-tanana ny fandoavana ny anjarany amin'ireo vaksiny "antigènes" izay hiaraha-miasa amin’ny GAVI sy ny UNICEF, izay tafiditra ao anatin’ny fandanian'ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Izany dia mikasika ny vaksiny ampiasaina amin’ity taona 2024 ity ka vaksiny 8 no voakasik’izany.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY ATITANY + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hametrahana didim-pitondrana mahakasika ny fandaminana ankapoben’ny fanangonana sy fivarotana ny akotry sy ny vary eto Madagasikara. Anisan’ny asa laharam-pahamehan'ny Governemanta ny fanadiovana sy fandrindrana ity sehatra ity, mba hahamarin-toerana ny vidim-bary etsy ankilany, sy mba hiantohana ny fifaninanana madio sy ara-drariny eto amin’ny tsena anatiny. Ity didim-pitondrana ity dia hamaritra ireo fepetra mifehy ny asan'ireo mpanangona akotry sy vary eto an-toerana, hamaritra ihany koa ny faritra hitsinjarana sy hivezivezen'ny vokatra ary koa natao hitazomana ny mangarahara eo amin’ny fifampiraharahana ara-barotra mifandraika amin'izany. Hatsangana ihany koa ny komity mpanara-maso ny vary eny amin'ireo Faritra mpamokatra izany.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Ho fiomanana amin’ireo loza voajanahary mateti-pahazo iny Faritra iny, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana ny ampahany mirefy 20 ara amin’ny tany mitondra ny anarana “Hopitaly Emokala”, titre n°2651-AG, any Manakara, ho an'ny CPGU/Primatiora ho fananganana ny "Abri Communautaire à usage multiple (ACUM).

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany momba ireo entana miisa sivy (09) misy ireo fampitaovana ho an'ny hopitaly fanomezana avy amin'ny UNICEF

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany momba ireo entana miisa fito (07) misy ireo "micronutriment" na fanampin-tsakafo ho an’ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, fanomezana avy amin'ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany miisa 19 misy ireo kojakojam-pahasalamana (consommables médicaux) Tarpaulin – Glucose - Cefixime, fanomezana avy amin'ny UNICEF: fanafody antibiotiques fitsaboana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiarakodia miisa telo (03) fanomezana avy amin'ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana motos miisa 18 nafaran'ny Unité de Coordination des Projets (UCP/PPSB).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana motos miisa 202 nafaran’ny Unité de Coordination des Projets entina hanamafisana ny rafi-pahasalamana ho an'ireo distrika rehetra manerana an'i Madagasikara

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiarakodia iray (1) nafaran'ny Unité de Coordination des Projets.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiarakodia miisa 22 nafaran'ny Unité de Coordination des Projets.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny "Forum de la Mobilité pour le Grand Antananarivo" ny 24 hatramin’ny 25 avrily 2024.

    Ity fihaonambe ity dia sehatra natao hifanakalozan-kevitra, hifampizaràna fahaiza-manao ary hanomezam-bahaolana mahomby entina hampiroboroboana ny politikan'ny fivezivezena an-drenivohitra. Io ihany koa no fotoana iray hampivondronana ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny fitaterana, ireo tompon'andraiki-panjakana avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena, ireo mpamatsy vola, ireo vondron'orinasa sy ny maro hafa; mba hamaritana miaraka ny tondrozotran'ireo asa hiatrehana ireo fanamby rehetra mifandray amin'ny fivezivezena mifanindran-dalana amin'ny fandrindrana ny tanan-dehibe sy ny fitaterana.

    Hatao eo ambany fiahian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara izany hetsika izany.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanitsiana ny tetibolan’ny minisitera sy ireo tetikasa PIP, mba hampiharana ireo fepetra noraisina manoloana ny fikorontanan’ny famatsiana rano eto amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina azy, ary ho an'ny faritra hafa manana olana amin'ny rano.

    Misy foana ary mitarika fikorontanana lalina eo amin’ny famatsiana ny olana ara-pitantanana misy ao amin’ny orinasa JIRAMA satria ho fiadiana amin’ny kolikoly isan’ambaratonga dia tsy azo atao intsony ny mamoaka vola mivantana tsy manaraka fepetra mazava. Noho izany dia hametraka fitaovana fikojakojana ilaina matetika ny eo anivon’ny minisitera ho fitsinjovana izay olana maika mety hitranga. Ao anatin’izany ireo fantson-drano isan-karazany (accessoires hydrauliques), ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra ary ireo fitaovana hahafahana manao ireo kojakoja vonjy maika mba hahafahana mamaly haingana ny filana maika sy hisorohana ny fahatapahan’ny famatsian-drano.

    Noho ny hamehana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hampihenana tolo-bidy ho 15 andro mba hahafahan’ny minisitera mandray andraikitra haingana sy mahomby manoloana izao toe-javatra maika izao.

    Nanao fanamarihana ihany koa ny minisitra fa vahaolana maharitra sy mitondra fanovana tanteraka no efa eo am-pandinihina ka haroso eto amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra manaraka hisorohana ny fahatapahan-drano izay tena mampahory ny vahoaka. Karazana teknolojia tsy mbola fahita sy fanavaozana izay efa misy ary fanafainganana ny tetikasa efa manomboka toy ny PAEP, sy ny Tana Water Free no tsy maintsy haroso aingana indrindra.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan'ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny saran'ny fitahirizana ireo sambo haingam-pandeha eo anivon’ny SMMC ka hanao fifanarahana araka izany amin’ny SMMC ny Fitondram-panjakana. Ireo sambo ireo dia fanomezana avy amin'ny Governemanta Japoney ho fanamafisana ny fanaraha-maso ireo asa jono isan-karazany sy entina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna tsy nanaovana fampahafantarana sady tsy voafehin’ny lalàna (pêche illicite, non déclarée et non règlementée).

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Noho ny filan’ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny asa fanotofana eo amin’ny sakany mirefy 5 m eo ho eo amin’ny tany mitondra anarana hoe “CASA AVENIR II” TN° 73 350A sy “MALAGA AVENIR” TN° 71 222A, eo amin’ny halavirana 180m miala amin’ny tany voakasiky ny didim-panjakana manambara izany ho an'ny tombontsoan'ny daholobe, sy eo amin'ny tany tsy miankina mirefy 420 m mahery an’ny orinasa TCM, ho an’ny asan’ny làlam-panorenana ny pylone 35 any Ivandry sy fikojakojana ny fitaterana an-tariby. Fanotofana tany 1200m³ amina velaran-tany 3445m² no asa atao amin'izany.

    Araka ny tolo-kevitry ny APIPA dia hisy ny fametrahana buse mirefy 1000mm mialohan'ireo asa ireo mba hisorohana ny fiakaran'ny rano amin'ny faritra manodidina ny asa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny tetikasa fitaterana an-tariby zotra volomboasary Antananarivo mampitohy an'i Soarano sy Ambatobe (fandefasana laharana faha 22, 24, 30, 31, 32, 33, 34, 35 ary 37) sy ireo vondrona mpihary herinaratra ary ny "Admission Temporaire Spéciale " ho an'ireo fitaovana fanaovana "déroulage".

    Nankatoavina ihany koa fa eo amin’ny faritra aorinan’ny Coliseum no hametrahana ireo conteneurs ireo mandritra ny fanatanterahana ny asa mba tsy hamoahana “couts de stockage” sy hiteraka fahatarana eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Tsy hanelingelina ny fampiasana ny Coliseum nefa izany

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana ho entina andrindrana ny fitantanana ny Institut National de Formation Pédagogique. Efa nandalo famakiana in-2 ary efa nisy fanitsiana teo anivon’ny Governemanta ity fanovana ity.

    Marihina fa ny INFP dia “organisme rattaché” efa nisy an-taonany maro teo anivon’ny Minisitera, tsy maintsy irosoana nefa izao fanovana izao mba hifanojo tanteraka amin’ny fepetra takian’ny maha-EPA azy sy ho fanamorana ny asa izay tanterahina ny eo anivon’ny INFP. Anisan’izany ohatra ny famerenana indray ny fanofanana ireo “inspecteurs de l’education nationale” amin’ izao ary anisan’ny fanovana atao dia ny fanarahana ny fampiofanana azy ireo

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1136 tamin'ny 03 aogositra 2022 ary manendry ny Colonel RAKOTONANDRASANA Ambinintsoa, ho "Directeur du Bureau des Ressources Humaines de l’Etat-Major des Armées".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-453 tamin'ny 26 avrily 2023 ary manendry ny Colonel RAMAROSANDRATANA Junior Fils, ho "Directeur du Bureau Finance et Budget de l’Etat-Major des Armées".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry ny Colonel RABENJAMINA Thierry, ho "Directeur du Bureau de Pilotage des Restructurations de l’Etat-Major des Armées".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-742 tamin'ny 17 avrily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAGOSY Domoinalalaina Adrianna, ho "Directeur des Affaires Juridiques" eo anivon’ny Ministeran’ny Foloalindahy
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-023 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Général de Brigade RASOLONIAINA Henintsoa Gabriel, ho "Directeur des Affaires Militaires au Secrétariat Permanent à la Défense et à la Sécurité Nationale du Haut Conseil de la Défense Nationale."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-532 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry ny Colonel RANDRIAMANANTSOA Jean de Dieu, ho "Directeur du Bureau Soutien et Logistique de l’Etat-Major des Armées."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1362 tamin'ny 28 septambra 2022 ary manendry ny Capitaine de Vaisseau ANDRIANIRINA HERY Léonide, ho "Sous-Chef d’Etat-Major Administration de l’Etat-Major de la Marine Nationale".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-380 tamin'ny 04 avrily 2020 ary manendry ny Général de brigade SAMSE ASSIMO Andriamialy, ho "Sous-Chef d’Etat-Major Administration de l’Etat-Major de l’Armée de Terre".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-903 tamin'ny 15 jona 2022 ary manendry ny Colonel MARINJARA Alain Carlo, ho "Sous-Chef d’Etat-Major Administration de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1410 tamin'ny 18 oktobra 2023 ary manendry ny Colonel RAZAFINDRAKOTO Andrianjaka Tefinirina Lucien, ho "Major Général de l’Armée de l’Air de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-377 tamin'ny 04 avrily 2020 ary manendry ny Colonel ANDRIAMAHANDRY Rija Serge, ho "Sous-Chef d’Etat-Major Emploi de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-806 tamin'ny 01 jona 2022 ary manendry ny Général de Division RASOLOMAMPIONONA Marcel Soldat, ho "Inspecteur Général Adjoint auprès de l’Inspection Générale des Armées."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-808 tamin'ny 01 jona 2022 ary manendry ny Général de Brigade MONTROUGE John Fitzgerald, ho "Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-354 tamin'ny 05 avrily 2023 ary manendry ny Général de Brigade Aérienne JAONASY Autrick, Directeur de la Défense du Ministère des Forces Armées.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-210 tamin'ny 27 febroary 2019 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTONDRAMANANA Jimmy Clark, ho "Directeur des Reformes du Ministère des Forces Armées."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-503 tamin'ny 27 marsa 2019 ary manendry ny Général de Division MANANTSOA Yves, ho "Directeur Central du Service de Santé Militaire"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-218 tamin'ny 09 marsa 2023 ary manendry ny Général de Division RAOILISON Robert, ho "Directeur du Service National et de la Gestion des Réserves du Ministère des Forces Armées."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1320 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RAHARIJAONA Faly Michel, ho "Directeur de l’Office National Malagasy des Anciens Combattants et Victimes de Guerre".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1479 tamin'ny 08 novambra 2023 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOMANANA Jean Patrick, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Ikopa (Centre)" Antananarivo.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-213 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Colonel JAOTIANA Ferdinand, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Ankarana (Nord)" Antsiranana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-219 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade NASINTO Herilala Jean Christian, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité Pangalana (Est)" Toamasina.

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANANA Onitiana Amintsoa, ho Talen’ny Serasera.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATIARISON Candice Marlène Tantely, ho "Directeur des Affaires Juridiques et Contentieux"

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANAIVOJAONA Ralambosoa Jean Roussel, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Itasy"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2215 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RAHARIDIMBY Anjaratiavina Nandah, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Vakinakaratra."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2216 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRINA Eric Herman, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Vatovavy "
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHANITRANIRINA Anita Sylvie Pascale, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Fitovinany"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    Marihina fa noho ny fiovan-drafitra teo anivon’ny Governemanta ka nampisaraka ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia maro ireo tompon’andraiki-panjakana izay tsy maintsy mandalo fanendrena indray ahafahany manohy ny asany toy ny andavanandro. Nisy kosa ireo vao notendrena ka handray ny andraikiny avy hatrany.

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1414 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAFIDISON Fidèle, ho Prefet an'i Morondava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2033 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMITSIRY José, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo VI
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-428 tamin'ny 19 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa BELAMY Mamitiana Ramamonjiarisoa Claude, ho Lehiben'ny Distrikan'Andranamasina.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-900 tamin'ny 12 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Rojo Harimanana, ho Lehiben'ny Distrikan'Arivonimamo.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-531 tamin'ny 27 marsa 2019 ary manendry an'Andriamatoa HERITIANA Charles Olivier, ho Lehiben'ny Distrikan'Antalaha.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-908 tamin'ny 15 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa ZARA Amélie, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambatofinandrahana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-651 tamin'ny 31 may 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMIHITSAKISA Thimotée Roger, ho Préfet an'Ambovombe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-150 tamin'ny 20 febroary 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAJAONARISON Sitrakiniavo Njaratiana Herizo, ho Lehiben'ny Distrikan'i Manjakandriana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-052 tamin'ny 18 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAFENOLAZA Jean Jacques, ho Lehiben'ny Distrikan'i Lalangina.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1360 tamin'ny 21 oktobra 2020 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Randriatahina Oniniaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Ikalamavony.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-990 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RASOLOFOMANANA Barijohn Johny Patrick, ho Préfet de Police Sainte Marie.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-300 tamin'ny 09 marsa 2022 ary manendry an-dRamatoa RAMBOASOLO Haingo Monia, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo I
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1105 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Solofotahina Lalaina, ho Préfet an'i Maintirano.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1428 tamin'ny 24 octobre 2015 ary manendry an'Andriamatoa RAMIANDRISOA Mahefandrainibe Haritiana, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo Avaradrano.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-521 tamin'ny 10 mai 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARIVONY Nomenjanahary Bruno, ho Lehiben'ny Distrikan'i Marolambo.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1979 tamin'ny 16 oktobra 2019 ary manendry an'Andriamatoa PIERRE Djaosera, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vavatenina.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-047 tamin'ny 13 janoary 2021 ary manendry an'Andriamatoa TSIRY Nohary Andrianina Harimanana Lalaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Amparafaravola.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-903 tamin'ny 12 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa IBRAMIDJEE Bruno, ho Lehiben'ny Distrikan'i Manja.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-674 tamin'ny 11 may 2022 ary manendry an-dRamatoa ALMINE Isaia, ho Lehiben'ny Distrikan'i Beloha Androy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-303 tamin'ny 09 marsa 2022 ary manendry an'Andriamatoa BEZOKINY Iris Jacky, ho Lehiben'ny Distrikan'i Besalampy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1739 tamin'ny 23 desambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa SOLONANTENAINA Therass Jacquard, ho Lehiben'ny Distrikan'Amboasary Atsimo.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa NDRENIHAVANA Harimanga Vololona Annick Pasca, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Sambava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-378 tamin'ny 05 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa FANOMEZANTSOA Jean Baptiste, ho Prefet an'Ihosy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RADANIELINA Andriamihaja Jaona, ho Lehiben'ny Distrikan'Ankazobe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1365 tamin'ny 28 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAMIALISOA Néné Eulalie, ho Lehiben'ny Distrikan'i Soalala.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1448 tamin'ny 05 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRATSIMBA Masiaritovo Antoni, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo IV.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-041 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANOROSON Soloniaina Laurent, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vatomandry.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1220 tamin'ny 17 aogositra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISON Ralijaona Dimbiniaina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mahajanga II
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-219 tamin'ny 26 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa MANDEHATSARA Georget, ho Préfet an'i Taolagnaro.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-942 tamin'ny 22 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMIARAMANANA Lalasoa, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vohemar.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-977 tamin'ny 20 jolay 2016 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOVAO Andriamihaja Henri Robert Nantenaina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Brickaville.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1520 tamin'ny 25 septambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANDAZA Derason Vincent, ho Lehiben'ny Distrikan'i Befotaka Atsimo.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-040 tamin'ny 21 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARIMANGA Solofoarimanana, ho Lehiben'ny Distrikan'i Ambohimahasoa.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-676 tamin'ny 20 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAPOLY Oméga Tovontsoanananahary, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo III.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-676 tamin'ny 20 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa RAMASY Solondady Pierrot, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mampikony.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-219 tamin'ny 26 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa HERMAN Reminantenaina, ho Préfet an'i Farafangana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-667 tamin'ny 20 marsa 2024 ary manendry an'Andriamatoa TILAHIZANDRY Niaina Angelo, ho Préfet an'i Nosy-Be.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-382 tamin'ny 20 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RAJAOBELINA Marie Lucie, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambalavao.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1119 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAHERINJATOVO Mamy Nirina, ho "Directeur Administratif et Financier"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1095 tamin'ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAIARIZAKA Soanambinina Espérée, ho "Directeur Administratif et Financier".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1183 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Everaldo Dos Santos, ho "Directeur des Ressources Humaines"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala, ho Tale Jeneralin'ny Fikarohana ara-tsiansa.

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1569 tamin'ny 25 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa TSIRINIAINA Cinna, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Amoron’i Mania.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANILANONAJERY Nomenjanahary Aimé Désiré, ho "Directeur des Enseignements Obligatoires"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIANARISAONA Herilalatiana, ho "Coordonnateur de la Cellule d’Engagement Civique et Environnementale"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-371 tamin'ny 31 marsa 2021 ary manendry an'Andriamatoa PANOHANY Benjamin, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa Alaotra Mangoro.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAVELONANTENAINA Solondraibe Armand Odylon, ho Talem-paritry fahasalamam-bahoaka Anosy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1372 tamin'ny 28 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAZANANY Harolalaina, ho "Directeur de Lutte contre les Maladies Non Transmissibles".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-188 tamin'ny 17 febroary 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAMILIJAONA Andriatiana Julio, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Boeny.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAFALY Harinjato Désiré Richard, ho « Directeur du Contrôle Interne et de la Lutte contre la Corruption. »
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa DALILAH KOUBESSY, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Sava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMAMPIANINA Marie Harimbonana, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Diana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANIRINA Hantamalala Alexis Françisca, ho Talem-paritry ny mponina sy ny Firaisan-kina Fitovinany.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa FANJARISOA Annie Doriane, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Betsiboka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANIRINA RAKETAMANGA Ignace Olga, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Boeny.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ERNEST Johanesa, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Menabe
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa JOSOA RAHASARIVELO Achelle Huberte, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Amoron’i Mania.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1483 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAROSOLO Rivo Harifetra, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Vakinankaratra.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-537 tamin'ny 13 avrily 2022 ary manendry an'Andriamatoa ABDALLAH Mohamed Narcisse, ho Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Sofia.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1061 tamin'ny 06 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RABARIJOHN Olinirina Velonandrianina, ho Directeur des Ressources Humaines.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-213 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANJAFY Hervé, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Matsiatra Ambony.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1131 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa VOAHANGINIRINA Leoninie Marcelline ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Vatovavy.

    MINISITERAN'NY NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-689 tamin'ny 07 jona 2023 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANIRINA Enintsoa, ho "Directeur des Projets".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-875 tamin'ny 08 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARIVELO Tsiry, ho Tale Iraisam-paritry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Antananarivo.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-218 tamin'ny 10 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa SANTATRINIAINA Ravaka Léa, ho "Directeur du Bureau des Enquêtes Accidents et Incident de l’Aviation Civile – Bureau de Réclamation de l’Aviation Civile".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa DECOPERTINO Anthonissen, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Atsimo Atsinanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BENOMENY Andriamiadana Honoré Emmanuel, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Fitovinany

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-265 tamin'ny 15 marsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RABEZANDRY Lantosoa Haingo, ho "Directeur de la Promotion de l’Hygiène".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASOAMANJAKA Sidonic, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana Sofia.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-470 tamin'ny 26 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RANIRINARIVAO Rindraniaina Sergio Ken, ho Talem-paritry ny harena ankibon'ny tany Vakinankaratra.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1575 tamin'ny 14 aogositra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANIRAKA Clément Richard, ho Talem-paritry ny harena ankibon'ny tany Atsinanana

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-091 tamin'ny 01 febroary 2023 ary manendry an'dRamatoa RANDRIANINDRINA Ravaka Lantoarinjaka, ho Talen’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM) eo anivon’ny "Office de la Radio et de la Télévision publique de Madagascar" (ORTM).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-694 tamin'ny 30 jona 2021 ary manendry an'Andriamatoa NOMENJANAHARY Jean Aimé, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Amoron’i Mania.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVOLOLONARIVO Domoinaniaina, ho "Directeur des Patrimoines, des Infrastructures et de la Logistique"

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-790 tamin'ny 25 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RATOVO Olitina, ho "Coordonnateur Général de l’Organe de Coordination des actions stratégiques de la Diplomatie Verte et des Organismes Rattachés"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-854 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMANANA Rila Albani, ho "Directeur de la gestion des Pollutions, des Déchets et de l’Intégration de la Dimension Environnementale"
  • IV - FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-862 tamin'ny 24 avrily 2019 nanendry ny Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Analanjirofo.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1302 tamin'ny 07 oktobra 2020 nanendry ny Tale Iraisam-paritry ny angovo sy ny akoran'afo Toamasina
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-523 tamin'ny 10 mai 2023 nanendry ny "Directeur des Finances, Logistique et Patrimoine"
  • V - SAMIHAFA

    Teo am-pamaranana dia nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny repoblika fa any Toamasina no hanaovana ny Filan-kevitry ny Minisitra amin’ny herinandro ho avy izao ka hanatrika izany ireo minisitra isan-tsokajiny manatanteraka asa any an-toerana. Ny alarobia hatao ny Filan-kevitry ny Minisitra ary ny alakamisy kosa dia hanao fitsidihana ifotony ny fandrosoan’ny asa any an-toerana ny Filoha sy ny Praiminisitra ary ny Governemanta. Hitohy any Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo ny dia ny zoma sy asabotsy. Miomana araka izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny Governemanta sy ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana.

 

Natao ny faha-11 Avril 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika