TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia faha-03 Avrily 2024, Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-03 Avrily 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Taty amin’ny fiantombohan’ny Filan-kevitry ny Minisitra dia nodinihina manokana ny mikasika ny fandalovan’ny rivo-doza GAMANE tamin’ny faritra maro tany avaratry ny Nosy ary samy nanao ny tatitra tandrify azy ny minisitra. Raha ny tatitra farany navoakan’ny BNGRC dia efa mahatratra 89.465 ny isan’ireo traboina. Maro be ireo fotodrafitrasam-panjakana simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny sekoly sy ny tranom-panjakana isan-karazany. An-jatona hektara maro koa ny tanimbary tototry ny rano. Feno araka izany ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena (sinistre national) ka nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izany. Efa maro koa moa ireo firenena izay manolo-tanana hanampy an’i Madagasikara hiatrika izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana amintsika izao.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Mitohy ny fanehoana ny tatitry ny asa vitan’ny Minisitera tsirairay avy tao anatin’ny 100 andro, amin’ny alalan’ny horonantsary. Ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ary ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no nampahafantatra izay jeritodiky ny asa vitany. Mifarana izao ny 100 andro voalohany nitantanan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA amin’ity fe-potoam-piasany faharoa ity, ka manomboka amin’izay no handefasana ireo horonantsary ireo amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy ireo haino aman-jery tsy miankina samihafa, mba ho tatitra ho an’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana iraka manokana ho any Maroc, ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana malagasy hanokafana masoivoho malagasy any Rabat Maroc. Hijery ny toerana hatao foiben’ny masoivoho sy hanomboka ny dingana ara-panjakana sy ara-diplomatika no anton’izany dian’ny delegasiona manokana ho any Maroc izany; mba ahafahana manao ny fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta amin’ny fametrahana ny masoivoho malagasy (convention d’établissement). Ny 13 ka hatramin’ny 20 Avrily 2024 ho avy izao no hotanterahina io iraka manokana any Maroc io.

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hametrahana paikady faobe hiarovana ny tanin’ny Minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana samihafa. Ao anatin’izany dia ny disitrikan’i Morondava no nosafidiana hanaovana andrana manokana (district pilote) izay manana drafi-pananan-tany azo antoka (Plan local d’occupation foncière-PLOF) sy anton-taratasy mazava mikasika ny drafitra fanajariana ny tany (document de planification territoriale) ary ahitana tanina minisitera maro miparitaka, na efa misy na mbola tsy misy fotodrafitrasa mitsangana. Izany dia mba ahafahana mamaritra mazava ny velaran-tanim-panjakana tokony arovana, ary hamoahana antontan-taratasy iray, izay mirakitra ny satan’ireo tanim-panjakana sy ny hampiasana azy. Tapaka araka izany fa hofantarina tsirairay izany ny tanim-panjakana ao anatin’ny disitrikan’i Morondava, hasiana faritra (bornage) vaovao indray, hasiana marika hahafantarana ny minisitera tompon’ny tany ihany koa, ary hamoahana taratasim-pananan-tany ireo izay mbola tsy manana. Ny tanjona ankapobeny dia ny mba hamerenana ny tany amin’ny Fanjakana Malagasy satria maro be ny tanim-panjakana na tanin’ny minisitera samihafa misy mibodo noho ny tsy fahavitan’ny taratasim-pananan-tany mazava. Nanome toromarika mazava Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanakanana ny fangalarana ny tanim-panjakana ary hamerenana ireo tany efa nisy nangalatra amin’ireo minisitera na sampan-draharaham-panjakana tompony.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    Manoloana ny toromariky ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 27 Marsa 2024 lasa teo, mikasika ny fisian’ny vola latsakemboky ny mpiasam-panjakana maro tsy voaloa eo anivon’ny CNaPS, sy ireo hetra avy amin’ny karama (IRSA) dia nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, ary ny CNaPS hitadiavana ny fomba mahomby indrindra hamahana ny olana.

    Tranga roa no misy :

    - Ho an’ireo sampan-draharaham-panjakana (EPN) tsy mahazo vola fanampiana avy amin’ny Ministera mpiahy azy:

    Tapaka fa tsy maintsy hita sorabola ao anatin’ny tetibola lasitr’ireo sampan-draharaham-panjakana ireo any am-piandohan’ny taona ny fandoavana ny latsakemboka CNaPS sy IRSA, ary tsy azo ankatoavina izany tetibola lasitra izany raha vao tsy misy ireo sorabola ireo.

    Tsy azon’ny “agents comptables” aloa koa ny karaman’ny mpiasa (mandatement) raha tsy aloa miaraka amin’izay ko any latsakemboka CNaPS sy ny hetra IRSA.

    Ho an’ity taona ity, raha ohatra ka efa nankatoavina ny tetibolan’ireo sampan-draharaham-panjakana EPN ireo amin’ity taona 2024 ity, ka tsy mbola misy sorabola handoavana ny CNaPS sy IRSA dia tsy mahazo mandoa karama aloha ny “agents comptables” ary tsy maintsy atao avy hatrany ny fanitsiana tetibola.

    - Ho an’ny sampan-draharaha (EPN, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na CTD, orinasa misy fampiasam-bolan’ny Fanjakana) izay misitraka vola fanampiana:

    Miainga aty amin’ny Minisitera foibe, vao mandeha ny dingana ara-panjakana handefasana ny vola mankany amin’ireo sampan-draharaha ireo dia tsy maintsy sarahina ny :

    • Fandefasana vola (engagements budgétaires) mikasika ny karaman’ireo mpiasa
    • Fandefasana vola mikasika ny fandoavana latsakemboka sosialy alefa amin’ny CNaPS sy ny tahirim-bola fisotroan-dronono
    • Fandefasana vola mikasika ny fandoavana ny hetra IRSA.

    Hatreto manko dia mbola mitambatra amin’ny kaontim-bola (PCOP) tokana ireo vola fanampiana na subventions andoavana karama sy ny pitsopitsony mifandraika amin’izany, ka noho izany dia mila asiana fanitsiana amin’ny alalan’ny fikitihana tetibola anatiny mba hanavahana ny sorabola handoavana ny latsakemboka sosialy sy ny hetra IRSA.

    Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hitohizan’ny fifanatonana amin’ny CNaPS hiantohana ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra ireo.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA + MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny orinasa Ambatovy hivarotra « Sulfate d’Ammonium (SA) » eto amin’ny tsena anatiny mihoatra ilay 10% faritan’ny lalàna 2005-022 tamin’ny 17 Oktobra 2005 ( Loi sur les Grands Investissements Miniers-LGIM) tany am-piandohana.

    Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo kokoa hatrany ny fambolena sy famokarana eo anivon’ny tontolo ambanivohitra. Noho izany indrindra dia misy ny filàna an’io akora io hamokarana zezika nampitain’ny Governemanta Malagasy tamin’ny orinasa Ambatovy, mba hanaparitahana azy eto amin’ny tsena anatiny ho fitsinjovana ny tantsaha malagasy izay mikaikaika amin’ny vidin’ny zezi-bazaha afarana avy any ivelany ankehitriny. Raha jerena ny andininy faha-65 ao anatin’ny LGIM dia mipetraka io fetra 10% io raha ny orinasa no manao ny fangatahana, fa raha ny Governemanta kosa no manao ny fangatahana ary noho ny antony hitandroana ny tombontsoam-bahoaka amin’ny ankapobeny, dia tsy mipetraka izay fetra 10% izay. Noho izany, mba ahafahana miroso amin’ny fananganana ny orinasa hanao ny fampifangaroana ny zezika SA eto Madagasikara ihany, izay efa notapahan’ny Filan-kevitry ny Minisitra tany aloha dia hirosoana ny fanaovana fifanarahana eo amin’ny telo tonta (protocole tripartite) dia ny Governemanta, ny orinasa Ambatovy ary ireo mpivarotra ny zezika hamaritra ny fomba hanomezana ny Fanjakana Malagasy ampahany amin’ny akora zezika SA, sy hivarotana azy eto amin’ny tsena anatiny.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana « Service Opérationnel d’Activité » (SOA) vaovao ho an’ny disitrika vaovao Antanimora Atsimo any amin’ny faritra Androy. Izany dia mba ahafahana mampiasa tetibola PIP (Projets d'Investissement Public) eo anivon’ny Minisitera hananganana ny trano ho birao fiasan’ny lehiben’ny disitrika any Antanimora Atsimo.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin’ny tsenan’asam-panjakana entina hamatsiana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro manana tanjaka 50 megawatts, ao anatin ‘ny tetikasa « projets parcs solaires » hiarahana amin’ny JIRAMA amin’ireo toerana efa nofaritana hametrahana izany. Fahatongavana entana andiany faha-9 ka hatramin’ny faha-12 indray no voakasik’ity fepetra ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana teknika afaran’ny orinasa JIRAMA ho an’i Mananara sy Sainte Marie. Fanampiana ara-bola avy amin’ny firenena Belge izy ity, ao anatin’ny tetikasa FINEXPO

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana fepetra maika hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN5A sy ny RN6 taorian’ny rivodoza GAMANE.

    - Tetezana Mahavavy (RN6 : PK 567+933):

    Vahaolana vonjy maika : koa satria tsy ny tetezana no tapaka fa ny tany tao ambany no lasan’ny rano, dia tsy maintsy manao fanotofana haingana amin’ny alalan’ny fampiasana vato (remblayage d’accès par enrochement). Tsy maintsy mametraka fiarovana amin’ny alalan’ny vato aloha sy aorian’ny tetezana ihany koa mba hiarovana amin’ny rano mandeha ary farany dia tsy maintsy mametraka fiarovana amin’ny alalan’ny fambolena bozaka na “engazonnement”. Hanomboka amin’ny zoma 05 Avrily 2024 izao ny asa, aorian’ny fanetsehana ny famatsiam-bola noho ny hamehana avy amin’ny banky BEI.

    Vahaolana maharitra : tsy maintsy hisy ny fananganana tetezana vaovao izay hifampiraharahana amin’ny BEI ihany koa ny famatsiam-bola ny asa.

    - Tetezana Ifasy II (RN6 : PK 537+327):

    Vahaolana vonjy maika: Goavana ny fahavoazana satria ny tetezana mihitsy no lasan’ny rano. Noho izany dia tsy maintsy fametrahana “BAC” mahazaka vesatra 15 taonina no vahaolana maika indrindra, ary hanomboka ny Alakamisy 04 Avrily 2024 ny asa.

    Vahaolana maharitra: fananganana tetezana vaovao azo ifanenana (à double voie) izay hifampiraharahana amin’ny BEI koa ny famatsiam-bola ny asa.

    - Tetezana Ifasy I (RN6 : PK 537+109):

    Vahaolana vonjy maika: Mila fametrahana « passage à gué » manomboka ny 04 Avrily 2024 izay asa hataon’ny orinasa COLAS ary famatsiam-bola noho ny hamehana avy amin’ny BEI.

    Vahaolana maharitra: fananganana tetezana vaovao azo ifanenana (à double voie) izay hifampiraharahana amin’ny BEI ko any famatsiam-bola ny asa.

    - Tetezana Manankolana RNS5A (PK 99+000), tetezana Tenanimadiro (PK 67+700), tetezana Manambery (PK 537+327):

    Efa nanaiky handray an-tanana ny fanamboarana ny tetezana ny orinasa CRBC ary hanao fanotofana ny tany manodidina ireo tetezana (remblayage d’accès) mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Efa nanomboka ny 31 Marsa 2024 ny asa, eo amin’ny tetezana Manankolana.

    Marihina moa fa nisy ezaka manokana nataon’ny Minisitera izay efa nampiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana, sy Vohémar sy Sambava amin’izao fotoana izao.

  • II - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa Désiré RAKOTOMANDIMBY, ho Governoran’ny Faritra Amoron’i Mania
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1095 tamin'ny 27 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANTSOA Andriamahafaly Rado, ho Tale Jeneralin'ny "Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaines d’Atananarivo"(A.P.I.P.A).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAZANANY Norohanta Emilda, ho "Directeur des Opérations et de l’Expropriation"

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1536 tamin'ny 18 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIA Herbert Gilles, ho Chef de Commission Régionale des Marchés Menabe

    MINISITERAN’NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-674 tamin’ny 20 marsa 2024 ary manendry an’Andriamatoa AUBIN THIERRY Ratovelo, ho Prefet an’i Toliara

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-373 tamin'ny 05 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMBELONIAINA Zizy Alfa, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa Betsiboka.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-429 tamin'ny 20 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa INGY Ange Simonia, ho "Directeur Général de la Promotion de l’Emploi".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1492 tamin'ny 07 aogositra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONANAHARY Andrianavomanana Tsitohaina Stéphan, ho « Directeur des Ressources Humaines de l’Etat »
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-664 tamin'ny 24 jona 2020 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMIHARIMANANA Clara Mireille, ho "Directeur de l’Evaluation et de la Promotion de l’Ethique et de la Déontologie"

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-732 tamin'ny 12 jolay 2018 ary manendry an-dRamatoa NOMENJANAHARY Limbisoa Ernestine, ho Talem-paritry ny harena ankibon'ny tany Menabe

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1258 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAHARISON Mika André, Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Sofia.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1257 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa BOTRATOMBO Christian, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Sava
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1253 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa TIGNONY Fabio, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Diana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-716 tamin'ny 10 avrily 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANARIVELO Andrianampoina Hajaina, ho Tale Jeneralin'ny "Office de la Radio et de la Télévision publique de Madagascar" (ORTM)

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-226 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade RICKA Chan Kan, ho Talen'ny "Office chargé de la Lutte contre le Terrorisme, les Stupéfiants et la Criminalité Transnationale Organisée".

     

 

Natao ny faha-03 Avril 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika