TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia faha-11 Avrily 2024, Lapam-panjakana Iavoloha

 

Androany, Alarobia faha 17 Avrily 2024, notanterahina teto amin’ny Grande Résidence, Tanamakoa Toamasina ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nanatrika ny Filan-kevitra Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra sasan-tsasany izay manana asa maika aty Toamasina.

Ny Filan-kevitry ny minisitra voalohany natao ivelan’Antananarivo izay tanterahina eto Toamasina, dia mikatsaka ny fijerevana ifotony ireo olana sedrain’ny vahoaka ary mitrandraka vahaolana ao anatin’ny Faritra iray. Hijery antsipiriany araka izany ireo zavatra mampikaikaika ny vahoaka, ireo zavatra tokony ho vitaina, fa indrindra ireo fampandrosoana tokony hapetraka eto Toamasina ny Governemanta.

Ny olana voalohany izay fantatra fa mampikaikaika ny vahoaka ka nanomezan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika toromarika mazava dia ny mahakasika ny fanadiovana ny tanàna indrindra eo amin’ny lafiny fandehanan-drano. Eo ihany koa nefa ny famatsiana herinaratra sy ny fanamboarana ny lalana eto an-tanàna. Hodinihina manokana ihany koa ny mikasika ny fitantanana ny fotodrafitrasa MIAMI mba ho matihanina tanteraka eo amin’ny fikolokoloana ny toerana.

Vahaolana maharitra, mipaka tanteraka any amin’ny vahoaka, azo tsapain-tanana ary maika no tsy maintsy apetraka.

Drafitra maty paika manaraka fe-potoana mazava no takiana amin’ireo minisitra isan-tsokajiny hoy ny Filohan’ny Repoblika.

Nasaina tonga manatrika izao Filan-kevitry ny Minisitra izao ny solontenam-panjakana miadidy ny tanàna sy ireo solontenan’ny andrim-panjakana ety an-toerana.

Foto-drafitrasa maro no hotokanana sy ho tsidihin’ny Governemanta tarihin’ny Filohan’ny Repoblika mandritra izao fidinana ifotony aty amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo izao.

Nampahafantatra ihany ko any Filohan’ny Repoblika fa hitety ny renivohi-paritany ny fanaovana Filan-kevitry ny Minisitra toy izao mba hahafahana manakaiky vahoaka sy mijery ny fampandrosoana tokony hatao ifotony. Ny fandaharam-potoana manaraka dia hianavaratra ho any Antsiranana sy Mahajanga, izay vao hihanatsimo any Toliara sy Fianarantsoa.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanetsehana ireo vola tamberina na “ristournes” sy fanomezana fahefana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana ny fitantanana ireo tetikasa amin’ny alalan’ny Fonds de développement local.

    Tamin'ny fe-potoam-piasany voalohany dia efa nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika amin'ny fametrahana vahaolana matotra amin'ny fomba fampiasana ny vola tamberina avy amin’ny tetikasa Ambatovy. Tsy nampiasaina tany amin’ny tetikasa tena isitrahan’ny vahoaka ny tamberim-bola azo, hany ka tsy nisy fiantraikany nivantana tany amin’ny fampandrosoana ireo Kaominina mpisitraka mihitsy. Naato araka izany aloha ny fampiasana ilay tamberim-bola, mandram-pahita izay vahaolana mahomby izay. Hatsangana ny komity hanao ny tombana sy ny fandinihana ireo tetikasa arakaraka izay heverina fa laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny Kaominina sy mifanaraka amin'ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Hisy ihany koa ny tombana amin’ny fandaniam-bola (mercuriale des prix) mba tsy hisy ny fandaniam-bola midangana mihoatra ny tokony ho izy ary tsy maintsy mipàka mivantana amin’ny mponina any amin’ireo Kaominina mpisitraka ny fampiasam-bola rehetra izay hatao.

    Ny mahakasika an’i Toamasina manokana, olana telo no ilana vahaolana farany izay haingana :

    - Ny fanajariana ny lalana eto an-tampon-tanàna izay mampikaikaika ny vahoaka indrindra rehefa misy rotsak'orana. Araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraiki-panjakana eto an-toerana dia ireto no mila anaovana asa maika indrindra :

    • Ny lalana Jovenna - Aeroport Ambalamanasy - sampanana Fiangonana Md Paoly Mangarivotra carrefour eglise izay mirefy 4km
    • Ny lalana Andromadio - biraon'ny prefektiora mirefy 1km 800
    • Ny lalana Chateau d'eau Ambolomadinika - Verrerie Morarano
    • Ny lalana miala eo amin’ny château d’eau hatramin’ny rond point Jovenna Manangareza
    • Ny rond point Jovena Manangareza - Galana raffinerie hatrany amin’ny seranantsambo

    Eo ihany koa ny fiakaran'ny rano rehefa misy rotsak'orana noho ireo lakan-drano tsentsina noho ny fako. Mila fanavaozana ihany koa ireo fanarian-drano izay tsy maharaka ny fitomboan'ny mponina.

    Mila fanavaozana ihany koa ny Bazarikely izay tena mampiavaka an'i Toamasina nefa potika tanteraka izany ankehitriny.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany ho an’ny fividianana “tablettes” miisa 62 enti-manatanteraka ny fanadiadiana “MICS-7 Madagascar” izay azon’ny INSTAT avy amin’ny UNICEF hoentina hanatanterahana fanadihadiana mikasika ny “pauvreté infantile”.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ireo hetra sy haban-tseranana ho an’ireo fitaovana fanomezana ho an’ny Eklesia Episkopaly Malagasy.

    MINISITERAN’NY ATITANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana « abris communautaire à usage multiples » ao amin’ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Velaran-tany mirefy 2000m² eo Mangarano eo akaikin'ny kianja Barikadimy no hananganana izany.

    Io toerana io dia natao handraisana ireo tra-boina rehefa sendra ny loza voa-janahary ary rehefa andavanandro kosa dia hovatsiana fitaovana “pliable” mora aorona afaka ampiasaina hanaovana fampiofanana tanora maro amin’ny alalan’ny programan’asan’ny fitondram-panjakana ho fampitomboana traikefa ny Malagasy.

    Hisy ihany koa kidoro fatoriana hapetraka ao anatin’ny foto-drafitrasa mba ahafahan’ny toerana mandray ireny zaikabe ireny raha misy ilana izany.

    Ho toerana afaka ampiasaina mandavan-taona, hanampy amin’ny fanalana fahasahirana ny vahoaka ny tanjon’izao foto-drafitrasa izao.

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany ho an’ny fividianana ireo milina fanontana sy ny kojakoja ilaina amin’ny fanamboarana “passeports électroniques” Malagasy.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany ho an’ireo fitaovana mifandraika amin’ny Tsenan’ny famatsiana sy fanaterana ireo toby famokarana angovo azo avy amin’ny masoandro izay manana tanjaka 50 Megawatts ho an’ny “hybridation” ireo tobim-paritry ny JIRAMA antsoina hoe Tetikasa “Parcs solaires” izay mahakasika ny fandefasana faha-13 ka hatramin’ny faha-17.

    Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika fa mikasika manokana ny tetikasa MIAMI dia ahaleo tena tanteraka ara-angovo ny foto-drafitrasa satria dia asiana toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin'ny masoandro ahafahana mampandeha ny jiro, ny jets d’eau sy izay rehetra mety ilana herinaratra eo amin’ny toerana.

    Noresahina manokana ihany ko any olan’ny famatsiana herinaratra teto Toamasina nandritra izay herinandro vitsy lasa izay ka hentitra ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy mitady ny fomba rehetra mba hampaharitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpamatsy solika ny orinasa JIRAMA ary hanelanelana ho amin’izany ny fitondram-panjakana. Tsy maintsy hatao ihany ko any fanavaozana ny “reseau de distribution d’életricité” eto Toamasina izay efa ela dia ela tokoa.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa fanamboarana ireo lalana ao anatin’ny tetikasa “Projet de Développement Durable du secteur Routier” (PDDR) eto Madagasiakara. Tanjon’ity tetikasa ity ny fitondrana fikojakojana mahomby mba hampaharitra ny ireo asa fanamboarana atao amin’ireo lalam-pirenena lehibe izay mampitohy ireo renivohi-paritany amin’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara.

    Raha ny mikasika ny lalam-pirenena faharoa manokana dia efa tafiditra ao anatin’ny famatsiana andiany voalohany: Moramanga - Toamasina mirefy 82km ; ary andiany faharoa: Moramanga – Antananarivo.

    Tafiditra anatin’ny tetikasa ihany koa ny ampahany 200km amin'ny RN4, 56km ao amin’ny RN5 mampitohy an’i Foulpointe sy Toamasina, ny RN7 Antananarivo – Antsirabe – Ambositra – Ambohimahasoa – Sakaraha. Ary tsy diso anjara ihany koa ny RN3A, ny RNS5A ary ny RN34. Tokony mitady ny fomba rehetra ampadehanana aingana ny fanatanterahana ny asa indrindra eo amin’ny lafiny fikirakirana taratasy.

    Ny fanamboarana ny lalana nefa dia zava-poana ihany raha tsy mazava ny fenitra fikojakojana sy fanaraha-maso ny fampiasana ny lalam-pirenena.

    Araka izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana hampandeha indray ireo toby fandajana ireo fiara vaventy (na station de pesage) maika indrindra ety amin’ny RN2.

    Nisy didi hitsivolana noraisin’ny Minisiteran’ny asa vaventy izay tsy maintsy ovaina ankehitriny izay manome alalana fiara milana hatramin’ny 44T mandeha eny amin’ny lalam-pirenena izay hita fa tsy tokony hizaka lanja ambonin’ny 28T. Mihoatra noho izay, hita fa nisy tsy fikarakarana izay tena heverina ho miendrika fanimbana teny amin’ireo station de pesaga manerana ny Nosy. Ho hentitra ny fanaraha-maso izany hoy Andriamatoa Filohan’ny Repoblika satria goavana ny asa tanterahina eny amin’ireny lalam-pirenena ireny ka mahonena raha tombotsoan’olom-bitsy no manapotika ny lalan-drà mampifandray ny fiainan’ny vahoaka maro an’isa. Ny sehatra tsy miankina rahateo, raha nihaona tamin’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny herinandro dia naneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa ho fikojakojana ny fananam-bahoaka.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny firosoan’ny asa fanamboarana ny boulevard Ratsimilaho (ampahany mampitohy ny seranam-piaramanidina sy ny RN5).

    Efa an-dalam-panatanterahana ny asa ankehitriny izay ny orinasa SMATP sy COLAS no miandraikitra azy. Nampitomboana ny habehan'ny lalana mba hanome endrika ny tanànan’i Toamasina ny fahavitany ary alohan’ny fetim-pirenena amin’ny volana jona ho avy izao dia tsy maintsy vita ny ampahany voalohany amin’io boulevard io. Ireo tompon’andraiki-panjakana eto an-toerana dia mankasitraka tokoa ny fampitana izany asa izany.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny famotsorana haba (dédouanement) ireo fitaovana sy kojakoja ary ny famindrana tsy maharitra ireo milina mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo asa fanamboarana ny lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (Phase I).

    Nanome baiko sahady ny Filohan’ny Repoblika ny anarahana maso tsara ny fanatanterahana ny asa eo amin’ny Autoroute mba tsy hisy fahatarana ny fanatanterahana izany fa handeha arak any fifanarahana natao hatramin’ny voalohany. Manainga ny tompon’andraikitra ho hentitra hatrany ny Filoha.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany ho an’ireo fonosona miisa 05 misy ireo kojakojan’ny “dataloggers” ho an’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava mamaritra iero famatsiam-bola mikasika ny asa atao eo amin’ny fampananan-drano sy fanadiovana eo anivon’ny tanànan’ny Toamasina avy amin’ny AFD / PADEV 2, PIC 3, JICA sy ny Vondrona Eoropeana.

    Izany dia mikasika ny fananganana “chateau d’eau” sy “unite de traitement d’eau potable », famatsian-drano ny tanàna mbola manana fahasahiranana ary fampiakarana ny fahefana mamokatra ao Ivoloina ahatratra hatramin’ny 15.000m3. Mitentina 72 tapitrisa dolara ny famatsiana an’ireo tetikasa rehetra ireo ary mbola misy drafitrasa iarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena ihany koa hanampy izany. Ny tanjona dia ny hampivoatra tanteraka ny famatsian-drano sy hanampy ny fanadiovana eo Toamasina mba tena hipaka tanteraka any amin’ny isan-tokatrano ny vokatry ny asa rehetra izay tanterahin’ny fitondram-panjakana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny asa fanadiovana ny lakandron’ny Pangalana.

    Mahonena ny mahita ny tanana dibo-drano rehefa sendra rotsak’orana elaela. Hita nefa rehefa natao ny fanadihadiana fa feno fako manorina sy manentsina ny lakandranon’ny Pangalana izay ivaran’ny rano avy ao an-tanàna.

    Misy ihany koa ireo manao fanorenana trano tsy ara-dalàna izay manentsina izany.

    Mila beazina ny vahoaka amin’ny fitandrovana ny fahadiovana ary tompon'andraikitra voalohany amin'izany ny mpitantana ny tanàna. Efa an-dalam-panatanterahana ny fanajariana ny tanàna amin’ny alalan’ny tetikasa PADEV fa ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny fanadiovana ny lakan-dranon'ny Pangalana amin’ny alalan'ny asa HIMO amin'ny ampahany mirefy 20km izay hampiarahana ihany koa amin’ny fampiasana ireo millina lehibe hanaovana “dragage”. Hijery manokana izany asa izany ny Filohan’ny repoblika sy ny Governemanta mandritra ity fitsidihana ifotony ity.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    SEKRETERAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANÀNA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Efa tomombona ara-dalàna ny foto-drafitrasa ao MIAMI ka ho firosoana amin’ny fanokafana tanteraka ny toerana dia nolanin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome alalana ny Fitondram-panjakana hamorona ny orinasa « Société d’exploitation, de gestion et de maintenance MIAMI S.A »

    Io orinasa io dia hifarimbonan’ny Fanjakana Malagasy sy ny Fiadidina ny Tananan’i Toamasina ary ny orinasa SPAT ary tsy maintsy hanolotra drafi-pitantanana matotra tsara ahafahan’ny orinasal miodina ara-dalana. Hisokatra ho an’ireo mpanofa matihanina amin’ny sehatra maro ny ao MIAMI, na eo amin’ny fanaovana sakafo, na varotra sy fampirantiana isan-karazany. Ny fandaniana ao amin’ny orinasa mikasika ny fikarakarana ny zaridaina, ny fandokoana, ny jiro sy rano sns dia tsy maintsy ho sahanin’ny « Société d’exploitation, de gestion et de maintenance MIAMI S.A » tanteraka.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-735 tamin'ny 14 jona 2023 ary manendry ny Général de Brigade ANDRIANTAOLO Tsilavonjatovo Honoré, ho Kaomandin'ny "Zone de Défense et de Sécurité Tsiribihina"(Ouest) Morondava eo anivon’ny Etamazaorin'ireoTafika
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-025 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry ny Général de Brigade AUGUSTE Bruno, ho "Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-607 tamin'ny 24 may 2023 ary manendry ny Général de Brigade RAKOTOARISOA Herinjanahary, ho "Directeur du Bureau Planification des Opérations de l’Etat-Major"

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-989 tamin'ny 6 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAZAFITSALAMA Seheno Miora, ho “Directeur des Ressources Humaines”.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMILANTO Florent, ho "Directeur des Concours Financiers de l’Etat"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Tiavina, ho "Directeur des Systèmes d’Information"

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-461 tamin'ny 26 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Patrick Naivoharinjaka, ho "Directeur de la Formation et de la Coordination des Réformes"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RIVOMANANTSOA John Georgio, ho "Directeur de la Comptabilité Nationale et de la Modélisation auprès de l’Institut Nationale de la Statistique"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    Noho ny fiovan’anaran’ny Minisitera dia tsy maintsy nisy tompon’andraiki-panjakana nandalo fanendrena indray, nisy kosa ireo fanendrena vaovao

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHERIARISATA Fenotojosoa Tsiriandrianary Salama, ho Préfet an'i Tsiroanomandidy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANANKIRAHINA Faly Hery, ho Prefet an'i Miarinarivo - renomination.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BENANDRASANA Cyrille, ho Préfet an'i Toamasina. – nouvelle nomination.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHANTAMALALA Béatrice Hortense, ho Préfet an'i Manakara.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Eddie Mandimby, ho Lehiben'ny Distrikan'i Fenoarivo Be. - renomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Hubert, Lehiben'ny Distrikan'i Mandoto.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANANKEVITRA Huberto Dellaris, ho Lehiben'ny Distrikan'i Antsiranana II
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANAMAHAFAHAY Malaza, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambanja.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANANA Barthélemy Samuel, ho Lehiben'ny Distrikan'i Bealanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Bruno, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambato Boeny.- renomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa PRUVOT Victorien Odilon, ho Lehiben'ny Distrikan'i Befandriana Avaratra. - renomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMAROZATOVO Christian Jimson Edouard Lehiben’ny Distrikan'i Mitsinjo. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANANTENAINA Onja Harivony Davy Clarck, ho Lehiben'ny Distrikan'i Kandreho. - renomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOMANANKIAFARANA Tsimihonoraibe Joël, ho Lehiben'ny Distrikan'i Tsihombe. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABENANDRASANA Nicolas, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mahabo. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANGA Falinirina Manoela, ho Lehiben'ny Distrikan'i Belo sur Tsiribihina. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MAMPITOMBO Zafisoamiaraka Ellyan, ho Lehiben'ny Distrikan'Ampanihy Andrefana. - nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATIARISON Rostand Patrick, ho Lehiben'ny Distrikan'i Manandriana. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TOMBOZARA Alida, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vangaindrano. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJAONARISON Andrianotahina Samuel, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vohibato. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHAVOTRA Antoine Marie Zacharie, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vondrozo. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TESAKA Désiré Philippe, ho Lehiben'ny Distrikan'i Midongy Atsimo. – nouvelle nomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BELAHY Théophile, ho Lehiben'ny Distrikan'i Vohipeno. – renomination
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOLONDRAZANA Jacquino, ho Lehiben'ny Distrikan'Antanambao Manampotsy. )- nouvelle nomination

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Noho ny fiovan’ny rafi-pitantanana eo anivon’ny Minisitera dia tsy maintsy naverina notendrena ho mari-pototra ireto tomponandraiki-panjakana manaraka ireto:.

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-447 tamin'ny 30 marsa 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RANJATOARISOA Andriamiadana Mamitiana, ho "Directeur des Services des Renseignements".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-596 tamin'ny 27 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police ANDRIAMASY Ainarivonjy Olivier, ho "Directeur de la Lutte contre la Corruption et de la Discipline".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-763 tamin'ny 16 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RASOAMIARAMANANA Gilberte, ho Tale misahana ny raharaha ara-bola.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-598 tamin'ny 27 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RATSIMBA Andrianina Brice, ho "Directeur de l’Ecole Nationale Supérieure de Police"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1288 tamin'ny 07 septambra 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RABEARIVONY Maurice Joël, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Diana
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1289 tamin'ny 07 septambra 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police GERVERIN Raelison, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Sava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1590 tamin'ny 30 novambra 2022 ary manendry ny Commissaire de Police de Première Classe RAKOTOVAO Jean Christian, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsinanana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1118 tamin'ny 09 septambra 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police MORATAMBY Roger, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Sofia.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-837 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Contrôleur Général de Police ANDRIAMANANTSOA Zakatiana Pierre Donatien, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Anosy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-360 tamin'ny 05 avrily 2023 ary manendry ny Commissaire de Police RALAHINIRINA Patrick Chrétien, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Androy.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1405 tamin'ny 05 oktobra 2022 ary manendry an-dRamatoa JAORIZIKY Patricia, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Itasy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOLOFONJATOVO Hasina Hobitiana, ho "Directeur des Affaires Juridiques"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-361 tamin'ny 05 avrily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFITSITAIRANA Jean Harlain, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Anosy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1413 tamin'ny 05 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAJAOMANODIARIVELO Fredis Reynaldinoh, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra Sofia.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1482 tamin'ny 14 desambra 2015 ary manendry an-dRamatoa RANDRIARIMANGA Niry Freddie, ho Tale Jeneralin'ny "Fonds de Développement Agricole" (FDA)
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1184 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRANAIVO Tolojanahary Lovaniaina, ho "Directeur d’Appui à la Production Végétale" (DAPV)
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOZANANY Miandrisoa Tokiniaina, ho "Directeur de la Planification et du Suivi Evaluation (DPSE)"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RARIVOARIMANANA Anjaratiana Malala, ho "Directeur de l’Unité d’Appui à la Conception et la Coordination des Projets" (UACCP)
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAROZATOVO Ninah, ho "Directeur de l’Unité de Partenariat et de l’Agrégation Agricole"(UPAA)
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOMAINTY Haintsoa Nirina, ho "Directeur de l’Unité de Supervision et de Coordination des actions sur l’Agriculture Biologique" (USCAB)

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2008-797 tamin'ny 31 jolay 2008 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAKOTO Fanoina Ny Riana, ho Tale Jeneralin'ny "Centre National de Recherche Appliquée au Développement Rural" – CENRADERU/FOFIFA

     

  • IV - FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-172 tamin'ny 22 febroary 2023 nanendry ny Tale Jeneralin'ny de l’Institut National de la Statistique

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Goverinoran’ny Faritra Bongolava, ny Goverinoran’ny Faritra Ihorombe ary ny Goverinoran’ny Faritra Atsinanana

 

Natao ny faha-17 Avril 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika