TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 20 Septambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany maraina ny Filan-kevitry ny Minisitra nataon’ny GOVERNEMANTA IFARIMBONANA (gouvernement collégial) izay misahana ny asan’ny Filoham-panjakana vonjimaika, tarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    GOVERNEMENTA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampahatsiahivana sy fanamafisana ireo fitsipika mifehy ny fitantanana ny fananam-panjakana. Notsipihan’Andriamatoa Praiminisitra manokana tamin’izany ny fitantanana ny tanim-panjakana. Nohamafisina ary fa tsy azo atao ny mivarotra ny tanim-panjakana sy ny tanin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, raha tsy nahazoana alàlana mialoha teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Adidin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ny mampitsahatra ny paik’ady rehetra momba ny fivarotana tanim-panjakana na tanin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana raha sanatria misy ny tsy fanajana izany fitsipika izany.

    Izao fampahatsiahivana izao no natao dia ho fitandroana ny fikajiana ireo tanim-panjakana sy ho fiarovana amin’izay mety ho endrika fanararaotana rehetra.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana ho Mpiasam-panjakana raikitra ireo Mpiasa ao anaty sokajy « EFA » miasa eny anivon’ny Minisitera sy ireo Andrim-panjakana samihafa. Araka ny fandaminana, dia tsy hatao indray mandeha, fa hisy andiany maromaro izany fampidirana ho mpiasam-panjakana raikitra izany. Misy ihany koa ireo fepetra takian’ny lalàna mba ahafahana manao izany, ka amin’ity andiany voalohany ity ary, dia ireto avy ny sokajin’ny mpiasa ampidirina ho mpiasam-panjakana raikitra :

    - ireo izay niasa mandritry ny 10 taona no ho miakatra;

    - ireo izay nahafeno fepetra nefa nahatratra na efa tena akaiky ny taona fisotroan-dronono tamin’ny fotoana niatoan’ny fampidirana ho mpiasa raikitra;

    - ireo izay feno 55 taona no ho miakatra ka nahafeno fepetra;

    Mitotaly 17.736 ireto mpiasa nahafeno ireo fepetra voatanisa etsy ambony ireto, manerana ny nosy, ka ampidirina ho mpiasam-panjakana raikitra amin’izao andiany voalohany izao. Ho an’ireo mpiasa hafa izay efa nametraka antontan-taratasy fangatahana kosa, dia miandry ny andiany manaraka araka ny fandaminana voatsiahy etsy ambony.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo kojakoja antsoina hoe VOLTAGE STABILIZER. Ireto kojakoja ireto, izay natao hikolokoloana ny fitaovana “GeneXpert”, dia fanomezana avy amin’ny Famatsiambolan’ny Firenena Mikambana misahana ny Ankizy na ny UNICEF ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alàlana ny Minisiteran’ny Asa Vaventy hiroso amin’ny fandoavana ny ampahany voalohany amin’ny asa fanamboarana ny lalam-be migodàna izay mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Noho ny hamafin’ny rotsak’orana tamin’ny taona 2022 sy tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 teo dia nisy ireo faharavàna fefiloha teny amin’ny reniranon’i Sisaony. Vokatr’izany dia tanimbary mirefy 600ha eo ho eo no dibo-drano eny amin’ny kartien’Antsahadinta Androhibe, Kaominina Ambanivohitra Androhibe sy Antanetikely Ambohijoky ary eny amin’ny Distrikan’Atsimondrano, Faritra Analamanga.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ary ny fanomezana alàlana ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana hirosoany amin’ny famindrana sorabola ao anatin’ny fandaharan’asany na “aménagement de crédit » mba ahafahany manatanteraka ny asa fanamboarana sy fanarenana ireo fefiloha ireo.

    Kendrena ny hahavitan’ny asa mialohan’ny fahatongavan’ny fotoam-pahavaratra manaraka.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana sy kojakoja hanaovana fitiliana sy fitsirihana ho an’ny « Laboratoire National de Diagnostic Vétérinaire (LNDV) ».

    Ny “Agence Internationale de l’Energie Atomique » (AIEA) dia manampy ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny alàlan’ny tetik’asa “MAG 5028: Developping food safety laboratory capabilities”. Tafiditra ao anatin’izany tetikasa izany indrindra ity fanafarana fitaovana ity izay ahafahana mitily izay mety ho fisiana akora na singa simika any anaty sakafo.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Mba ahafahana manamafy ny fanaraha-maso ny jono eto Madagasikara, ary indrindra, hiadivana amin’ny fanjonoana tsy ara-dalàna, ny governemanta Japoney dia nanolotra sambo haingam-pandeha ho an’ny “Centre de Surveillance de la Pêche” na CSP. Ankoatra ireo sambo miisa roa izay efa natolotra teo aloha, dia misy ny fanomezana fahatelo izay efa ho tonga tsy ho ela.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ary ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny sambo haingam-pandeha iray sy ireo kojakoja nampiarahina aminy.

    Ireto fanomezana izay voatanisa etsy ambony ireto moa dia tafiditra ao anatin’ny Fanampian’ny Governementa Japoney ho an’ny Fandaharan’asa ho an’ny fampandrosoana amin’ny lafiny ekonomika sy ara-tsosialy.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana fiara tsy mataho-dalana miisa telo (03) izay hampiasaina ao anatin’ny tetik’asa Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar (PRIRTEM), izay vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana amin’ny alàlan’ny famatsiam-bola antsoina hoe « Facilité d’Appui à la Transition (FAT). »

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana, amin’ny alàlan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo, ny fandoavana ny fandaniana rehetra amin’ny fividianana sy fametrahana ny Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro na “centrales solaires” izay manana tanjaka 50 mégawatts, ho an’ny Faritra maro manerana ny Nosy.

    Ny fametrahana an’ireto tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ireto dia fanamby lehibe napetraky ny Filohan’ny Repoblika raha vao nandray ny Fitondrana izy, mba hanatsarana ny famokarana ny herinaratra eto Madagasikara. Anisan’ny miteraka fandaniana goavana eo anivon’ny orinasa JIRAMA ny fividianana solika ho an’ireo milina mpihary herinaratra na “groupes électrogènes” izay ampiasaina ankehitriny. Ny fametrahana an’ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ireo, dia hampihena be dia be an’izany fandaniana izany satria ny orinasa JIRAMA dia hiroso amin’ny fampiarahana ny famokarana herinaratra na “hybridation”.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo kojakoja sy fitaovana fanadiovana rano sy fidiovana izay avy amin’ny Famatsiam-bolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy na ny UNICEF.

 

Natao ny 20 Septambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY