TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 13 Septambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany maraina ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany nataon’ny GOVERNEMANTA  IFARIMBONANA (gouvernement collégial) izay misahana ny asan’ny Filoham-panjakana vonjy maika, tarihin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta.

Nialohan’ny nandinihana ny laha-dinika efa voafaritra, dia nanazava Andriamatoa Praiminisitra fa naharay ny fampahafantarana na « notification » izay nalefan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ny Governemanta, mandidy azy hifandrimbona hiantsoroka izay andraikitry ny Filoham-panjakana vonjy maika izay, taorian’ny fametraham-pialan’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA sy ny taratasy nalefan’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona mandà ny tsy handray ny andraikitra maha-Filoha mpisolo toerana noho ny antony manokana.

Manaja ny voalazan’ny lalam-panorenana ny Governemanta ka tsy maintsy manaiky izay fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana izay.

Niarahaba manokana an’Andriamatoa Andry RAJOELINA ihany koa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ifandrimbonana, noho ny fahasahiana ara-politika lehibe izay nananany, ka nametram-pialana tsy nisy rahoraho ho fanajana izay voalazan’ny lalam-panorenana ihany rehefa niverina nilatsaka hofidiana ho Filoham-pirenena indray.

Manomboka izao dia tanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo isaky ny Alarobia maraina, ny Filan-kevitry ny Minisitra, atrehin’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly Lefitra, ary ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Izany dia ialohavan’ny Filan-kevitry ny Governemanta.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY+ MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA+ MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Ho fampiharana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 02 Aogositra 2023, mikasika ny tsy faneken’i Madagasikara ny fitsipika famerana ny fetra farany ambonin’ny tahana “nicotine” ao anatin’ny lavanila (Limites maximales de résidus- LMR) azo amidy eo amin’ny tsenam-barotry ny Vondrona Eoropeana, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny fivoriana niraisan’ireo minisitera voalaza etsy ambony sy ny kaomisera eoropeana misahana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpanjifa nanaovana adisisika nanoherana izany fitsipika vaovao izany. Raha tsiahivina dia nisy io fitsipika vaovao noraisin’ny Vondrona Eoropeana io, laharana faha-2023/377 hanomboka hihatra amin’ny 15 septambra 2023. Amin’ny ankapobeny anefa ny 60% ny lavanila vokarina avy eto Madagasikara dia manana tahan’ny “nicotine” mihoatra lavitr’io fetra farany ambony nofaritan’ny Vondrona Eoropeana io, ka raha mihatra izany dia tsy ho azo aondrana amin’ny tsenam-barotry ny Vondrona Eoropeana intsony ny lavanila Malagasy. Naneho ny tsy fanekeny ny fampiharana io fepetra io araka izany i Madagasikara nandritra io fivoriana niarahana tamin’ny Kaomisera Eoropeana misahana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpanjifa. Ireto avy ny teboka nivoitra tao anatin’ny tatitry ny fivoriana :

    - Tsy hihatra amin’i Madagasikara aloha ilay fitsipika vaovao amin’ny 15 Septambra 2023 fa omena hatramin’ny Janoary 2024 kosa aloha ny firenena Malagasy mba tsy hahatapaka ny fahafahantsika manondrana.

    - Nampahafantatra ny Kaomisera Eoropeana, fa amin’ity volana Septambra 2023 ity dia manana fahafahana manolotra sosokevitra hanovana an’io taha farany ambonin’ny nicotine ao anaty lavanila (LMR) io indray ny firenena tsirairay mpikambana ao anatin’ny Vondrona Eoropeana. Raisin’ny rafim-pahefana ara-pahasalamana eo anivon’ny Vondrona eoropeana (EFSA) ny sosokevitra ka hanaovan’izy ireo fandinihana raha heveriny fa tsy misy ambana ho an’ny fahasalaman’ny mpanjifa eoropeana, dia azo ampiharina. Hankatoavin’ny Parlemanta Eoropeana amin’ny Janoary 2024 izay sosokevitra aroson’ny EFSA.

    - Efa tafatsangana ny “Task Force” eo amin’ireo Minisitera 3 izay manomana ny adisisika lalindalina kokoa izay hatao eo anivon’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Eoropeana izay manana masoivoho eto Madagasikara, tahaka an’i France sy Allemagne sy ny fandrafetana ny drafitr’asa hiatrehana ireo adisisika samihafa tsy maintsy hatao. Manomana ny antontan-taratasy angatahana ilay fepetra hanekena ny lavanila Malagasy manana taha mihoatra ny LMR nofaritan’ny Vondrona Eoropeana, ho afaka hitohy hiditra amin’ny tsenam-barotra eoropeana (demande de tolerance à l’import) ihany koa ny Task-force.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitàna ny sorabola (transferts de crédits) mba ho fanoratana ao anatin’ny tetibolan’ny Vaomiera Mahaleo Tena Misahana ny Fifidianana (CENI) ny vola mitentina 4.500.000.000 Ariary izay famatsiam-bola avy amin’ny firenena Japoney, amin’ny alalan’ny « Fonds de Contre-valeur ». Izany dia hampiasaina amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena 2023.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana hananganana efitrano mangatsiaka ilaina amin’ny fitsaboana na « medical cold room », fanomezana avy amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fonosan’entana ilaina amin’ny fitsaboana (60 modules et 104 kits d’étalonnage) hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny hopitalim-panjakana sy tobim-pahasalamam-bahoaka, ary mbola fanomezana avy amin’ny UNICEF ihany.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fiara « camionnette TOYOTA» miisa 2. Izany dia fanomezana avy amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana hampiasain’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana kojakoja ara-haitao ara-kajy mirindra (power bank) miisa 265 izay novidian’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, tamin’ny alalan’ny tobim-pividianana (centrale d’achat) an’ny Firenena Mikambana. Ireo fitaovana ireo dia hampiasaina amin’ny “Fandaharanasa fampandrosoana ny sehatry ny fambolena” (DEFIS) any amin’ireo toerana mitoka-monina tsy misy herinaratra.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO+ MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY + MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana didim-pitondrana iraisan’ny Minisitera hanomezana alalana ny orinasa CGHV mba hampiasa tany ho fanatanterahana ny tetikasa fanamboarana tobim-pamokarana angovo amin’ny rano sy herinaratra (centrale hydroélectrique) VOLOBE AMONT, manana tanjaka 120 Mw. Mirefy 2.000 hektara ny fitambaran’ny velaran-tany voakasiky ny tetikasa ka misy ampahany izay tanim-panjakana hanomezana alalana ny orinasa hampiasa azy mandritra 5 taona faharetan’ny asa fanamboarana. Misy ampahany ihany koa izay tany efa manan-tompo tafiditra ao anatin’ny tetikasa ka miato aloha ny fahafahan’ny tompon’ny tany mivarotra ny tany mandritra izay 5 taona izay. Mazava kosa nefa ny toromarika nomen’Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta  Ifarimbonana, tsy misy ny fanesorana ny tompony eo amin’ny taniny, fa mijanona ho fananan’izy ireo tanteraka ny taniny tafiditra ao anatin’ny tetikasa.

 

Natao ny 13 Septambra 2023

Ny Mpitondra tenin’ny Governemanta Ifarimbonana

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina