TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 27 Septambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina tao amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny Filan-kevitry ny Minisitra androany Alarobia 27 Septambra 2023, nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Andriamatoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ifarimbonana no nitarika izany, niaraka tamin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Sekretera Jeneraly lefitra, ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra andiany faha-23 an’ny firenena mpikambana ao anatin’ny IORA na ny Fikambanan’ireo firenena manamorona ny Ranomasimbe Indiana, ny 11 oktobra 2023 ho avy izao any Colombo, Sri Lanka. Izany dia ialohavan’ny fivorian’ny mpiasam-panjakana ambony (CSO) eo anivon’ny IORA ihany, ny 9 ka hatramin’ny 11 Oktobra 2023. Ny lohahevitra hitondrana ny fivoriana dia ny hoe « renforcer l’architecture régionale : renforcer l’identité de l’Océan Indien ». Ny firenena sri-lankais no namaritra azy satria izy ireo no miadidy ny fitantanana ny Fikambanana ankehitriny. Natao indrindra handinihana ny hoavin’ity Fikambanam-paritra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana ity ireo fivoriana in-droa miantoana ireo, miainga amin’ny raki-kevitra « Vision de l’IORA pour 2030 et au-delà ». Izany hoe ny vinan’ny Fikambanana ho an’ny taona 2030 sy ny aorian’izay.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Fiadidiana ny Praiminisitra hikitika ny tetibolany anatiny, ka handefa ampahany mankany amin’ny fandaharanasa natao hanohanana ny fampandrosoana (Projet 116 : projet d’appui au développement, programme 827 : appui au développement). Izany dia mba ahafahana mamita ireto asa fanamboarana sy fanarenana ireto :

    - Tsena manara-penitra Vohémar

    - Biraon’ny Kaominina Ambonivohitr’i Andapa

    - Fanamboarana EPP vaovao any Andriry Betroka,

    - Fanamboarana Lycée misy efitrano fianarana 24 any Ambilobe

    - Fanamboarana tsena manara-penitra any Andilamena

    - Fanamboarana trano fandrahoana sakafo amin’ny toeram-ponenan’ireo mpitsabo any Anivorano Antsiranana II

    - Fanarenana ny fefin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo manamorona ny farihy sy ny Trano Kintana

    - Fanajariana ny tokotany ho an’ny toeram-ponenan’ireo mpitsabo amin’ny CSB II Anivorano Antsiranana II

    - Fikojakojana ny Lapa sy ny Biraon’ny BNLTEH

    - Fividianana fiara 2 entina miasa ho an’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Praiminisitra

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-pamatsiam-bola mikasika ny fanamboarana ny tetikasa « Fly Over Maki » miaraka amin’ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (BADEA). Ny 9 ka hatramin’ny 15 Oktobra 2023 izao no hotanterahina any Marrakech Maroc ny fivoriam-be isan-taona fanaon’ny governoran’ireo vondrona ao anatin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, ka ao anatin’izany no hanaovana ny sonia fifanaraham-pamatsiam-bola. Mitentina 31 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny tetikasa, izay hahitana ny fanamboarana ny lalana mihantona (fly over) hampifandraisana ny lalan’ny Frankofonia sy ny lalan’i Eoropa eo amin’ny Rond-point Maki, ny tetezana eo ambonin’ny reniranon’Ikopa ary ny ampahan-dalana VROT (Voie Rapide Ouest Antananarivo). Ny 28 tapitrisa dolara amin’ny famatsiam-bola dia hovatsian’ny BADEA ary ny 3 tapitrisa dolara kosa dia hovatsian’ny Fanjakana Malagasy. Marihana fa hampifandray an’Antananarivo sy ny tanàna vaovao Tanamasoandro ihany koa io lalana io amin’ny famakivakiana ny reniranon’Ikopa mivadika aty amin’ny ilany ankavia amin’ny fefiloha.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny tetibola mitentina 2 lavitrisa Ariary, izay efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2023, hiantohana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka mandritra ny vanim-potoana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Natao handoavana ny tambi-karaman’ireo mpitandro filaminana rehetra miasa ao anatin’izay vanim-potoanan’ny fifidianana izay io tetibola io. Hanao didim-pitondrana avy hatrany ny Minisitera misahana ny tetibola, ahafahana mandefa ny vola any amin’ny Paositra Malagasy. Ka amin’ny alalan’ny “e-poketra” no handoavana ny tambi-karaman’ireo mpitandro filaminana voakasika.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanalavana ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa SEMLEX Group mikasika ny fanamboarana ny pasipaoro malagasy. Mifarana amin’ity volana Septambra ity mantsy ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny roa tonta. Mila fotoana ny fanatanterahana ny pitsopitsony ara-panjakana tsy maintsy atao amin’ny maha-tolobidy iraisam-pirenena azy, ka mba tsy haha-tapaka ny fanamboarana ny pasipaoro dia hitarina 12 volana izany fifanaraham-piarahamiasa amin’ny SEMLEX izany, izany hoe hatramin’ny volana Septambra 2024. Ny fepetra rehetra nofaritan’ny fifanarahana teo aloha dia mitoetra avokoa ao anatin’izay vanim-potoana fanalavana izay.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny vokatry ny fanadihadiana sy ny fitiliana izay nataon’ny Sampandraharaha APMF (Agence Portuaire, Maritime et Fluviale) mikasika ny fividianana fitaovana hanadiovana ny lakandranon’i Pangalana (drague fluviale). Raha tsiahivina dia nisy ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 30 Novambra 2022, hiroso amin’ny fanadiovana an’io Lakandranon’i Pangalana io, mba hanafainganana ny fisokafan’ny ampahany mampitohy an’i Mananjary sy Farafangana, mirefy 205 km. Misy asa fanajariana fanao mahazatra koa hatao amin’ny ampahany mampitohy an’i Toamasina amin’i Mananjary, izay mirefy 432 km. Tao anatin’izay fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra izay no nanomezana andraikitra ny APMF hiroso tamin’izay fanadihadiana izay, ka efa nahazoana vokatra izany ankehitriny izay naroso hodinihan’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany. Orinasa 6 no nanaovana tolo-bidy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka raha jerena ny tetibola eo am-pelatanan’ny APMF, dia ny orinasa « Bell Dredging Equipment» no mahavaly ny tinady na eo amin’ny lafiny teknika na eo amin’ny lafiny ara-bola, amin’ilay modely « BCD 250 ». Fitaovana « drague fluviale » roa no hovidiana, araka izay mifanaraka amin’ny tetibola izay ka tombanana hahavita manadio sy manajary ny lakandrano, amina asa miaty 4.104.595 m3. Aorian’ny fanaovan-tsonia ny fiarahamiasa amin’ity orinasa voafidy ity, dia eo amin’ny 6 volana ny fe-potoana hahatongavan’ny fitaovana aty Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY NY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana ny Minisitera 2 tonta hanao ny dingana samihafa hidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao anatin’ny Fifanarahan’ny Vondrona Afrikana mikasika ny filaminana an’habaka (cybercriminalité) sy ny fiarovana ny torohay mikasika ny olona tsirairay avy (données personnelles), fifanarahana tany Malabo Guinée Equatoriale tamin’ny 27 Jona 2014. Ny antony fifanarahana dia mba hijerena ny fifandanjana eo amin’ny fiarovana ny fahalalahana fototry ny tsirairay, ny fampiroboroboana sy ny fampiasana ny teknolojia vaovaon’ny torohay sy ny fifandraisana, ary ny tombontsoan’ny besinimaro, na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana. Fanaovana sonia ny fidirantsika ho mpikambana aloha no dingana hatao, ary aorian’izay dia tsy maintsy avadika lalàna holaniana eny anivon’ny Parlemanta ny fankatoavana azy, amin’ny maha-fifanarahana iraisam-pirenena azy.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanombohana ny tetikasa « One title, One Housing (OTOH) » izay Fokontany vaovao hananganan’ny tompon-tany ao anatiny trano. Any amin’ny Fokontany Ambohimahavelona, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrika Avaradrano, Faritra Analamanga, no hatomboka ity tetikasa ity, amin’ny tany antsoina hoe “Herin’ny Masoandro” TF n° 11.821 BAV ao Antanimainty. An’ny Fanjakana Malagasy io tany io, izay mirefy 40 Ha 58 A 79 Ca. Ho fanajariana ny tany, dia anjaran’ny Fanjakana Malagasy no manao ny lalana sy ny rafi-panadiovana ny toerana, miaraka amin’ny fananganana fotodrafitrasam-panjakana ilaina amin’ny famelomana ny tetikasa.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana nentina namenoana ny vola miditra sy ny vola mivoaka eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola taona 2023, izay mitentina 30.240.000 Ariary. Izany vola izany dia nampiasaina amin’ny tetikasa vatsian’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Frankofonia (OIF).

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana tetibola efa voasoratra ho an’ny taona 2023 any amin’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI), izay mitentina 4.500.000.000 Ariary, tafiditra ao anatin’ny « Fonds de contre-valeur » amin’ny famatsiambola avy amin’ny firenena Japoney.

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana tetibola avy amin’ny Fiadidiana ny Praiminisitra, natao hampandehanan-draharaha eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny Fanjarian-tsakafo (ONN) izay mitentina 1.682.931.091 Ariary, ao anatin’ny tetibola taona 2023.

 

Natao ny 27 Septambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY