TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 30 Aogositra 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny « Herinandro avo lentan’ny Fivoriambe ara-potoan’ny Firenena Mikambana andiany faha 78, ny 19 hatramin’ny 26 septambra 2023 any New York, Etazonia.

    Io fivoriambe io dia hifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Manangana indray ny fifampitokisana sy mamelona indray ny firaisankina maneran-tany : Manafaingana ny hetsika momba ny Fandaharanasa 2023 sy ireo Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) ho an’ny Fandriampahalemana, ny fanambinana, ny fivoarana ary ny faharetana ho an’ny rehetra ». ( Reconstruire la confiance et raviver la solidarité mondiale : Accélérer l'action sur le Programme 2030 et ses ODD vers la paix, la prospérité, le progrès et la durabilité pour tous)

    Ny lehibe hitarika ny delegasiona malagasy dia handray fitenenana mandritra ny adihevitra ankapobeny izay hanomboka ny 19 septambra 2023 ary hifarana ny 26 septambra 2023. Hitondra ny fomba fijerin’ny Governemanta malagasy mahakasika ireo lohahevitra ireo izy amin’izany

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampony momba ireo Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD) mandritra ny « forum Politique de Haut Niveau » (FPHN), eo ambany fiahian’ny Fivoriambe ny 18 sy 19 septambra 2023 any New York.

    Io fihaonambe io dia manome fahafahana lehibe hamantarana ireo fanovana ilaina amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa 2023. Hanome fahafahana hamantatra ny fivoarana sy ny fanamby mitondra fampandrosoana ihany koa izy io mba hanoritana tari-dalana ara-politika avo lenta ho an’ny fandaharanasa 2030 sy hanatanterahana hetsika vaovao manoloana ny zava-misy ankehitriny izay mety hanohintohina ny fanatanterahana azy : krizy mitohitohy sy mifampiankina, toy ny aretina ateraky ny Coronavirus, ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny ady. Ilaina, noho izany, ny fanaovana hetsika maika sy feno fahasahiana mba hiantohana ny fampivoarana sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny olombelona sy ny planeta hatramin’ny taona 2030.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ireo holograma misy fiarovana avo lenta ilaina amin’ny famokarana taratasin-ketra sy firaiketana omby.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny tetibolan’ny « centre régional d’assistance technique en Afrique Australe » (Afritac Sud-AFS).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny hanomezana tetibola fanampiny harotsaka ao amin’ny kaonty 6131 « solika sy menaka » ho an’ny Antenimieram-pirenena.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny saran’ny fitahirizana ireo “lampes ultraviollettes” miisa 200 izay nafarana ao anatin’ny tetikasa “Fanamafisana ny fizotran’ny fifidianana sy ny demokrasia eto Madagasikara (RPEDEM)” / PNUD amin’ny anaran’ny CENI Madagasikara.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny handoavana ny latsakembok’i Madagasikara izay mbola tsy voaloa ho an’ny filan-kevitry ny minisitra afrikana misahana ny rano (AMCOW). Io latsakemboka io dia voarakitra ao anatin’ny Tetibolam-panjakana 2023, ao amin’ny tetibola natokana ho an’ny Minsiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nisy ny fanavaozana natao hanarenana izay lesoka hita sy hamerenana amin’ny laoniny ny fahadiovan’ny sehatry ny volamena. Ny Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina ny 30 martsa 2023 dia nankatoa ny fanafoanana ny fepetra fampiantoana ny fanondranana volamena ary nandany ny didim-panjakana momba ny fitantanana ny volamena. Io fanafoanana io dia nohamafisin’ny didim-pitondrana iraisan’ny minisitera lf 15078/2023 tamin’ny 20 aprily 2023. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fandraisana fepetra, tahaka ny fametrahana ny « Guichet unique » misahana ny fanondranana sy ny fametrahana fomba fikajiana ny sandan’ny volamena (valeur de référence de l’or).

    Orinasa mpanondrana manodidina ny 15 isa no maniry hahazo ny fahazoan-dalana antsoina hoe « agrément de comptoir de l'or ». 9 amin’izy ireo no efa nametraka antotan-taratasy fangatahana teny anivon’ny « Agence Nationale de la filière Or » (ANOR) izay efa nokirakiraina mifanaraka amin’ny voalazan’ny didim-panjakana momba ny fitantanana ny volamena.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao mifandraika amin’ny « comptoir de l’or », amin’ny alalan’ny didim-pitondrana, mifanaraka amin’ireo fepetra vaovao. Izany dia dingana lehibe ho an’ny fametrahana rafitra ara-dalàna sy ny fanarenana mahomby ny sehatry ny volamena eto Madagasikara.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manaiky ny fisiana ara-dalàn’ireo fiangonana miisa telo, dia ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara na FPVM, ny Eglise Orthodoxe de Madagascar, ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara na FBBM. Ny Didy hitsivolana lf 62-117 tamin’ny 01 oktobra 1962 momba ny fitondrana ara-pivavahana dia manome alalana ny fikambanana ara-pivavahana izay mahafeno ny fepetra takiana, hangataka amin’ny Minisitera misahana ny atitany ny satan’ny Fiangonana.Vaomiera izay ahitana ny Minisitry ny Atitany na ny solontenany, ny solontenan’ny Minisitry ny Fitsarana, ny Tale misahana ny raharaha ara-tany sy ny solontena iray avy amin’ny sampandraharahan’ny hetra no misahana ny fandinihana ireo taratasy fangatahana.

    Taorian’ny fikirakirana sy fandinihana ny fangatahana ary araka ny fepetra ara-dalàna sy ny fahavononan’ny fikambanam-pinoana handray anjara amin’ny fanasoavana ny Malagasy sy ny fanajana ireo fomba amam-panao tsara, ny filaminana sy ny fandriampahalemana ; dia neken’ireo mpikambana ao amin’ny vaomiera ny fangatahana nataon’ireo fikambanana ara-pivavahana miisa telo, dia ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara na FPVM, ny Eglise Orthodoxe de Madagascar, ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara na FBBM

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka ny fepetra ara teknika mihatra amin’ny “reserves d’emprise” ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina sy ny fampiasana ny tany

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ny fepetra sasany amin’ny didim-panjakana n°2023-098 tamin’ny 1 febroary 2023 novana sy nampiana tamin’ny didim-panjakana n°2023-583 tamin’ny 17 may 2023 manendry mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), ary manendry ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de brigade Rasolondraibe Jean Yves, ho Talen’ny Kabinetra

    GOVERNEMANTA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAHERIZO Jean Ruffin, ho "Directeur du Système d'Information" ny Primatiora.

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 527 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry ny Colonel RAFIDISON Alain Bernardin, Talen'ny Sekolin'ny Etamazaoro
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-531 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry ny Colonel COMPOGE Jojo, ho "Directeur du Centre de Perfectionnement des Officiers"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 784 tamin'ny 04 aogositra 2021 ary manendry ny Colonel RATSARAHEVITRA Andriamisetra ho Kaomandin'ny Akademia Miaramilam-Pirenena (ACMIL)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 950 tamin'ny 03 may 2019 ary manendry ny Colonel RAZAFITOMBO Leva Naina, ho Kaomandin'ny Sekoly Nasionalin'ny Manamboninahitra Lefitra (ENSOA).

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-269 tamin'ny 15 martsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RASOAHANTA Elysée, ho "Chef du Ministère Public près la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-Corruption d’Antananarivo".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-270 tamin'ny 15 martsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RAMBELO Volatsinana Sahoby, ho "Chef du Siège de la Juridiction de Second Degré du Pôle Anti-Corruption d’Antananarivo."
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1228 tamin'ny 26 aogositra 2015 ary manendry an-dRamatoa LIVAHARISOA Rakotomanga Liliane, ho Premier Président de la Cour d’Appel d’Antananarivo

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana mendry an’Andriamatoa TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Andry Solofonirina Oliva, ho Masoivohon’i Madagasikara any Suisse

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BOTO SAPHAR Jean Martial, ho Tale Iraisam-paritry ny INSTAT Mahajanga
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANIRINA BENOVELO Eddy Michel, ho Tale Iraisam-paritry ny INSTAT Antananarivo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANASOLO Rivosoa, ho Tale Iraisam-paritry ny INSTAT Toamasina.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RASAMIMANANA Minosoa Oliva, Tale Iraisam-paritry ny INSTAT Fianarantsoa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONJANAHARY Malala Ny Aina, ho Tale Iraisam-paritry ny INSTAT Antsiranana.

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 037 tamin'ny 12 janoary 2022 nanendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Solofotahina Lalaina, ho Préfet an'i Maintirano.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 379 tamin'ny 20 martsa 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Nomenjanahary Fanambinantsoa Solofo, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo II.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 304 tamin'ny 09 martsa 2022 ary manendry an'Andriamatoa NAJARHOUSSEN Michel, ho Lehiben'ny Distrikan'i Soavinandriana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana fa 2021 – 984 ary manendry an- dRamatoa RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary, ho Governoran’ny Faritra Anosy vaovao

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1248 tamin'ny 16 septambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa FIANGOA Manapoke Judith, ho "Directeur de l’Education de Masse et du Civisme".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1248 tamin'ny 16 septambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa FIANGOA Manapoke Judith, ho "Directeur de l’Education de Masse et du Civisme".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1241 tamin'ny 30 septambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOSOA Solo Mandimbihery, ho "Directeur de la Planification de l’Education".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 456 tamin'ny 02 juin 2021 ary manendry ny an'Andriamatoa JEAN Emile, ho "Directeur de l’Office National de l’Enseignement Privé"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1493 tamin'ny 11 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAVELONOMENJANAHARY Dieu Donné, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Menabe
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1438 tamin'ny 04 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa VOLA Manolozato Clémentine, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Androy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1491 tamin'ny 11 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa HERIMALALA Anjarasoa, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Vakinankaratra.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1492 tamin'ny 11 novambra 2020 ary manendry an-dRamatoa RANOSY Eliane, ho "Directeur du Centre National de Production de Matériels Didactiques" (CNAPMAD)

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABENANDRASANA Joliharisoa Norotiana, ho "Directeur des Instituts de Formations des Paramédicaux"

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVOHITRA Harinaly, ho "Directeur des Opérations Financière et Sociales des projets de l’Agence Routière."

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1339 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RASOARIMBOLA Henintsoa, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana eto Analamanga.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMADY Rondromalala, ho "Directeur de la Formation du Machinisme, de la Mécanisation et des Techniciens Supérieurs en Génie Rural du Centre de Fabrication, de Formation et d’Application du Machinisme et de la Mécanisation Agricole"(CFFAMMA).
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIATSALAMA Davida, ho Directeur Administratif et Financier du Centre de Fabrication, de Formation et d’Application du Machinisme et de la Mécanisation Agricole (CFFAMMA).
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 1038 tamin'ny 08 novambra 2017 ary manendry an'Andriamatoa TOMBOTSARA, "Directeur Administratif et Financier du Fonds de l’Elevage" (FEL).

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Laurent Richard, ho Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny Autorité de Régulation des Technologies de Communication (ARTEC).

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1214 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMAHAVONJY Aristide Témis, ho Talem-paritry tanora sy ny fanatanjahantena ao Anosy
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1224 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAZAFY Tokiniaina Jean Colombe, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena ao Boeny.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 769 tamin'ny 16 jolay 2020 ary manendry an'Andriamatoa TOHIZARA Boris, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena ao Diana

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 309 tamin'ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Colonel RAJAONA ANDRIAMAHASOANAVALONA Tiana, ho "Inspecteur à l’Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale".

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMANANTSOA Maherinarindra Tahirinavalona, ho Tale Jeneraly mpisolo toerana ny Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat (ANALOGH).
  • IV- FANAFOANANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2019- 034 tamin'ny 24 janoary 2019, laharana faha 2019-035 tamin'ny 24 janoary 2019, laharana faha 2019-047 tamin'ny 31 janoary 2019, laharana faha 2019-048 tamin'ny 31 janoary 2019, laharana faha 2019-103 tamin'ny 13 febroary 2019, laharana faha 2019-500 tamin'ny 27 martsa 2019, laharana faha 2021-1286 tamin'ny 17 novambra 2021, laharana faha 2021-1287 tamin'ny 17 novambra 2021, laharana faha 2021- 1288 tamin'ny 17 novambra 2021, laharana faha 2021-1289 tamin'ny 17 novambra 2021 ary laharana faha 2022-460 tamin'ny 05 aprily 2022 nanendry ireo Tale sasantsasany eo anivon’ny Fiadidana ny Repoblika.

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1242 tamin'ny 30 septambra 2020 nanendry ny "Directeur de la Formation Pédagogique"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1104 tamin'ny 27 jolay 2022 ary nanendry ny "Directeur du Centre Régional de Formation pour l’Océan Indien".

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 340 tamin'ny 11 martsa 2020 nanendry ny "Directeur du Patrimoine".

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 086 tamin'ny 27 janoary 2021 nanendry ny "Directeur des Opérations de l’Agence Routière".

    Taorian'ireo lahadinika rehetra efa voafaritra tao anatin'ny Filan-kevitry ny Minisitra, dia nisaotra manokana ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta sy ireo Minisitra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nankasitraka azy ireo ny tenany noho ireo ezaka nataon'izy ireo amin'ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana ny firenena araka ny vina izay napetrany. Marihina fa ity Filan-kevitry ny Minisitra notanterahina androany ity no farany amin’ny fe-potoam-piasan'Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

 

Natao ny 8 septambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Kabinetra Mpisolo Toerana

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO