TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 30 Aogositra 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana fanomezan-dalana hampiasa ny tetibola mahakasika ny fanatanterahana ny 29,48%-n’ny asa fanamboarana fonja ao Antsiranana, izay mitentina 2.445.362.273,35 Ar. Io tetibola io dia ahafahana manatanteraka ny asa fananganana ny rihana ambanin’ny biraom-pitantanana ary koa ireo « quartiers » miisa telo (3) amin’ireo folo (10) nokasaina hatsangana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana fanomezan-dalana hampiasa ny tetibola mahakasika ny fanatanterahana ny 25%-n’ny asa fanorenana fonja ao Ambilobe, izay mitentina 982.295.070,75 Ar. Io tetibola io dia ahafahana mamita ny asa fanomanana rehetra, ny fandravonana ny tany, ny asa fanorenana ny fotodrafitrasa natokana hamonjana ireo lehilahy sy zaza tsy ampy taona voampanga, tilikambo fiambenana miisa roa, paositry ny polisy miisa roa ary ampahany amin’ny tamboho.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana ny Fikambanana ara-pivavahana « Fiangonana Pentekotista Mitambatra » hampiasa maimaim-poana ny tany antsoina hoe « Fandresena » TN 960-AU.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ireo sainam-pirenena 16 baoritra, izay nilaina ao anaty ny fanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    Ny SEPT dia orinasa ahitana fandraisana anjara tokan’ny Fanjakana, noforonina tamin'ny taona 1976 ary nomena andraikitra hitantana sy hampiodina ny seranan-tsambon'i Toamasina ao anatin'ny faritra izay omen'ny Fanjakana azy. Tao anatin'ny fanavaozana ny seranan-tsambo tamin'ny 2003, dia nirosoana ny fanafoanana ny SEPT. Araka izany, ny 1 janoary 2008, dia nozaraina roa ny kaontin’ny SEPT, ho an’ny Orinasa SPAT andaniny, ary ho an’ny Orinasa SMMC ankilany. Hatramin'ny 31 desambra 2022, ny tomban’ny orinasa SEPT dia nampiseho fa voavaha ny ankamaroan'ireo teboka niato, na niandry ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra araka izany ny fandravana ny SEPT araka ny fampiharana ny andininy faha-215 amin’ny lalàna laharana faha-2003- 036 tamin’ny 30 janoary 2004 momba ny orinasa ara-barotra izay milaza fa : “Ny fandravana orinasa iray izay tsy ahitana afa-tsy mpiara-miombon'antoka tokana dia mitaky ny fampitana ny fananan'ny orinasa amin'ilay mpiara-miombon'antoka, ary tsy ilàna fanafoanana ».

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanorenana biraom-panjakana ho an’ny Fitaleavam-paritry ny minisitera any amin’ny faritra Vatovavy, sy ny hividianana fiara ao anaty ny « Nouveaux Projets Emergents » an’ny minisitera.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampidirana vokatra vaovao ho fanatanterahana ireo fampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny alalan’ny fandaminana anatiny ny tetibola ho an’ny fampiasam-bolan’ny Minisitera. Ireo vokatra vaovao ireo dia mahakasika ny fanarenana sy/na fanorenana tobim-pahasalamana sy hopitaly, ny fividianana fitaovana ara-teknika sy ny fampandehanana ny tobim-pahasalamana.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany sambo haingam-pandeha miisa roa (02) sy ireo kojakoja (pièces détachées) samihafa, izay tafiditra ao anaty ny fanampiana japone ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitàna am-bava momba ny famatsiana rano fisotro madio any amin’ny Kaominina Andriampotsy, distrika Fenoarivobe, faritra Bongolava.

    Ny mponina any an-toerana dia mampiasa ny rano avy amin’ny renirano izay tsy azo antoka ka mitarika olana ara-pahasalamana miverimberina ho azy ireo izany. Manoloana ny fahasahiranana ateraky ny toe-piainan’ny mponina any amin’ity kaominina ity dia tena laharam-pahamehana ny fanamboarana rafitra famatsian-drano vaovao ho an’ny mponina. Ho fanatanterahana izany dia mikasa ny handefa antso tolo-bidy misokatra manana fe-potoana 15 andro ny minisitera ho an’ity taona 2023 ity. 675 000 000 ariary ny tetibidin’ny tetikasa ary ny fanitsiana anatiny ao amin’ny tetibolan’ny Minisitera no hamatsiana ity tetikasa izay hositrahan’ny olona miisa 4 886 ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitàna am-bava momba ny famatsiana rano fisotro madio any amin’ny Kaominina Morarano Maritampona, distrika Fenoarivobe, faritra Bongolava.

    Ny mponina any an-toerana dia mampiasa ny rano avy amin’ny loharano na lavadrano izay tsy azo antoka ka mitarika olana ara-pahasalamana miverimberina ho azy ireo izany. Mba hamahana izany olana izany dia mikasa ny handefa antso tolo-bidy misokatra manana fe-potoana 15 andro ny minisitera ho an’ity taona 2023 ity. Vinavinaina ho 186 000 000 ariary ny tetibidin’ny tetikasa ary ny fanitsiana anatiny ao amin’ny tetibolan’ny Minisitera no hamatsiana ity tetikasa izay hositrahan’ny olona miisa 8 600 ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitàna am-bava momba ny asa fanamboarana sy fanamafisana ny fotodrafitrasa ho an’ny famatsian-drano fisotro madio. Iaraha-mahalala fa toerana maromaro no mbola manana olana amin’ny fahazoana rano fisotro madio. Mba hamahana izany olana izany sy hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra rano fisotro madio tsaratsara kokoa dia niroso tamin’ny fametrahana rafitra famatsian-drano fisotro madio vaovao sy ny fanamafisana ireo fotodrafitrasa efa misy ny minisitera any anivon’ny faritra maro ka miisa 270 094 ireo misitraka izany.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny sandan'ny volamena (valeur de référence de l'or). Araka ny didim-pitondrana novolavolain'ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny minisiteran’ny harena an-kibon'ny tany, ny kajy hamaritra ny sandan'ny volamena dia hiankina amin'ny fahadiovany araka ny fenitra takian'ny London Bullion Market Association ou LBMA, ireo fandaniana amin'ny fanadiovana sy ny fitaterana ilay volamena (les coûts à déduire en matières d’affinage et de transport) ary ny fandanian'ireo mpandraharaha amin'ny fikirakirana eo anivon’ny banky (charges des opérateurs quant aux commissions bancaires). Io sandan'ny volamena io amin'ny vola ariary isaky ny grama dia hiankina amin'ny sandam-bola eo amin'ny dolara amerikana sy ny ariary 2 andro mialoha ny fametrahana ny antontan-taratasy fanondranana eo amin'ny GUE miampy ny 3% tokony anjaran'ny banky

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasàna ny tetibola PIP tafiditra ao anaty ny tetibolam-panjakana 2023 mitentina 10 197 028 000 Ariary, mba hamitàna sy/na hampandehanana ireo fotodrafitrasa tafiditra ao anaty ny fandaharanasa kolontsaina sy ny fandaharanasa fampandrosoana ireo fotodrafitrasan’ny onjampeo sy ny televizion’ny minisitera.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireo nahazo ny laharana Profesora feno (professeur titulaire) sy talen’ny fikarohana (Directeur de recherches) eo amin'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa

    MINISITERAN'NY FAMPIVOARANA sy FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny sarany ambany indrindra amin'ny fahazoana fahazoan-dàlana vaovao (nouvelle licence), ny fanavaozana ny fahazoan-dàlana (renouvellement de licence), ny tolotra vaovao fanampiny nahazoana alalana (nouveaux services autorisés additionnels) na ny fanavaozana ny tolotra vaovao nahazoana alalana (renouvellement de services autorisés additionnels)

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka ny fifidianana ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny birao nasionaly misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika (OMNIS).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    GOVERNEMANTA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARISOA Lalao, ho Talen’ny Kabinetra Sivilin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-277 tamin'ny 28 martsa 2018 ary manendry an'Andriamatoa RANJAKAMANANA Stephen Weld, ho Lehiben'ny Distrikan'i Soanierana Ivongo
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1965 ary manendry an'Andriamatoa RAVELONANDRO Tsimbazafy Abdon Marie, ho Lehiben'ny Distrikan'i Morombe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-400 tamin'ny 04 may 2016 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARISON Mandimby, ho Lehiben'ny Distrikan'i Tsihombe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2010-906 ary manendry an'Andriamatoa RAKATOARIMANANA David Emmanuel, ho Lehiben'ny Distrikan'Iakora
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SERAMILA Teddy Gervais, ho Governoran'ny Faritra SAVA.

    MINISTERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAJAONARIVONY Tianarivelo, ho "Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire d’Anosiala"
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRASOA Andriamaharo Ralay, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Betsiboka.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-072 tamin'ny 22 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAZANAMPARANY Tsiry Mampiandra, ho Talem-paritry ny asa vaventy ao Betsiboka

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1055 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAOBINANDRASANAMAHAIVONONA Christian, ho Talem-paritry tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao SAVA
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-403 tamin'ny 12 aprily 2023 nanendry ny Talen’ny Fampianarana Ambony.

    MINISTERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1105 tamin'ny 27 jolay 2022 nanendry ny "Directeur des Instituts de Formation des Paramédicaux"

 

Natao ny 23 aogositra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO