TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 23 Aogositra 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaoanana « BRICS-Africa outreach » sy « BRICS Plus » izay hotanterahina ao Afrika Atsimo ny 24 aogositra 2023 ho avy izao, izay mifanindran-dalana rahateo amin’ny fihaonana an-tampon’ny BRICS : Brésil, Russie, Inde, Chine, Afrique du Sud.

    Ity fihaonana ity no sehatra hifanakalozan’i Afrika sy ireo firenena mandrafitra ny BRICS ary hifantoka amin’ny lohahevitra hoe : « Les BRICS et l'Afrique, Partenariat pour une croissance mutuellement accélérée, un Développement durable et un multilatéralisme inclusif ». Fotoana iray izao fihaonana izao ho an’ny delegasiona malagasy hifandraisana amin’ireo solontenan’ireo firenena mpiray ombon’antoka tahak’izao mba hahafahana mifampidinika izay mety ho fanamafisan’ny fiaraha-miasa amin’izy ireo sy hifanakalozana amin’ireo tranga ara-toekarena sy politika maneran-tany ankehitriny.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana alalana hividianana sy hampiasa fiara « type cellulaire » miisa 7 sy fiara « minibus » miisa 7 ho an’ireo « établissements pénitentiaires » vaovao, ary fiara tsy mataho-dalana miisa 2 ho an’ny Direction Centrale de la Direction Générale.

    Mila fiara « cellulaire » ireo « Maisons de force » ao Toamasina, Imerintsiatosika, Ikelivondraka-Ihosy sy ireo « Maisons centrales » ao Fénérive-Est, Belo sur Tsiribihina, Ambositra, ary ny ao Antananarivo Avaradrano mba hahatomombana ny fampandehanan-draharaha. Torak’izany koa ireo « Maisons de force » ao Toamasina, Imerintsiatosika, Ikelivondraka-Ihosy sy ireo « Maisons centrales » ao Fénérive-Est, Belo sur Tsiribihina, Volamena-Fianarantsoa, ary Antananarivo Avaradrano izay mila fiara « minibus ».

    Ankoatra izay, nomena fiara tsy mataho-dalana ny « Direction Générale de l'Administration Pénitentiaire » sy ny « Direction de la Promotion de la Productivité des Camps Pénaux » mba hahafahan’izy ireo mandroso amin’ny fananterahana ny velirano voalohany momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana ny anjaran’ny Fanjakana Malagasy ho setrin’ireo Projets d’Investissements Publics izay vatsian’ireo « bailleurs de fonds » amin’ny ampahany betsaka mahakasika ny fametrahana ny « Fly-over Anosizato » eo amin’ny sampanan’ny RN1 sy ny RN58A.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana asa maika ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo renivohitra, ankoatra ireo asa efa manomboka, sy ihany koa asa fanamboarana ataon’ny Ministeran’ny asa vaventy mivantana.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ireo fahazoan-dalana manafatra « lubrifiants » nomena ny orinasa Vima Oil et Gas (VOG). Taorian’ny fampahafantarana nataon’ny OMH momba ny fandoavana ireo « droit d’octroi de licence » mifanaraka amin’izany, dia nametraka taratasy fampitsaharana fanafarana « lubrifiants » ity orinasa ity ny 06 desambra 2022 satria mifampiankina tanteraka amin’ireo fahafahana mitrandraka hafa izay mbola eo an-dalam-pangatahana fahazoan-dalana ny fahatomombanana sy ny fahombiazan’ity orinasa ity. Toy ny fahazoan-dalana manafatra akoran’afo, fahazoan-dalana mitatitra akoran’afo, ny fahazoan-dalana mitsinjara « produits aviation » ary ny fahazoan-dalana mitsinjara « carburant/combustibles ».

    MINISITERAN’NY RANO NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Ny Programme de Gestion Intégrée des Déchets d'Antananarivo - Phase II (PIAA2) izay hiarahan’ny AFD sy ny Vondrona Eoropeana ary ny Fanjakana malagasy mamatsy vola dia mikendry ny fanatsarana ny fiahiana sy ny fari-piainan’ny ny mponin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina azy mba hiatrehana ny fivoaran’ny toeram-ponenana izay tsizarizary. Taorian’ny fifanarahana fanomezana tetibola tamin’ny alalan’ny lalàna laharana 2023-001 izay nanome fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola PIAA2, tamin’ny 8 desambra 2022 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny AFD izay mamatsy vola ny fampandehanan-draharahan’ny sampana fitantanana ny tetikasa fanadiovana (CGPA) ka nahatonga ny fiatombohan’ny Tetikasa, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanetsehana ny tetibola mifandraika amin’ny « primes de fonctionnement » mitentina 23000 euros na 115.000.000 Ar, ilaina amin’ny enim-bolana faharoan’ny taona voalohan’ny tetikasa izay anjaran’ny Fanjakana Malagasy.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Ministra ny fampitana am-bava momba ny fanokafana ny « Guichet Unique d’Exportation d’Or et d’autres métaux précieux, de pierres précieuses et de pierres fines ».

    Ny fanavaozana ny « Régime de l'or » araka ny didim-panjakana laharana faha 2023-334 tamin’ny 31 martsa 2023 no nahafoana ny fampiatoana ny fanondranana volamena ho an’i Madagasikara. Ny « Code minier » vaovao izay vao navoaka rahateo dia fitaovana nameno sy nanamafy entina mifehy sy mandamina ny « chaine de valeur » an’ny volamena sy ireo harena an-kibon’ny tany.

    Ireo didy roa ireo arak’izany dia milaza ny fanokafana ny « Guichet Unique d’Exportation » (GUE) izay natao mba hametrahana ireo dingana samihafa hahafahana manondrana sy mivarotra, tsy ny volamena ihany fa koa ireo vy sy vato sarobidy. Izany Guichet Unique izany dia hampivondrona ireo sampandraharaha rehetra voakasik’izany fanondranana izany, toy izao manaraka izao : Administration des Mines, Administration des Impôts, Administration des Douanes, le Trésor Public, Laboratoire des Mines de Madagascar, Agence Nationale de la filière Or, Police Nationale, Gendarmerie Nationale.

    Raha ny tena marina, tsy fanokafana fa fanavaozana ny « Guichet Unique d’Exportation » an’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ity voalaza entoana ity.

    Ity rafitra vaovao ity, noho izy apetraka manakaiky ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato, dia sady hahafahana manondrana ny akora voalaza no manamora sy manafaingana ireo dingana rehetra tokony ataon’ireo mpisehatra amin’izany ary indrindra miaro azy ireo.

    Noho izany, ny fametrahana izao GUE izao dia mameno ireo dingana enti-manondrana volamena sy ireo vy sarobidy hafa, ireo vato sarobidy sy manify eto Madagasikara ao anatin’ny fanaraha-mason’ny fivezivezen’ny akora voakasik’izany, manamora ny fahafahana mampody ireo vola vahiny noho ireo fifanakalozana ataon’ny mpandraharaha sy mpisehatra ao anatin’izany.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetibola mitentina 17 500 645 058,75 Ar naroson’ny orinasa nahazo ny tolobidy amin’ny fanamboarana lalana tara ho an’ny tanàna vaovao Tanamasoandro

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana mankatoa ny fifanarahana fampindramam-bola laharana faha L340 eo amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny orinasa Jiro sy Rano Malagasy ary mametraka ireo fepetra sy pitsopitsony amin’ny famoahana ireo “bons du trésor speciaux” ho an’ny orinasa JIRAMA antsoina hoe “BTS-JIRAMA-4”

    MINISITERANA NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Noraisina ny didim-panjakana manome alalana ny Fanjakana Malagasy handray anjara amin’ny renivolan’ny orinasa « Société d’Exploitation du Train Urbain » (SETU) izay misahana ny fitantanana sy ny fampandehanana ny “Train Urbain”. Mitentina 100.000.000 ariary ny renivolan’ity orinasa vao natsangana ity ka 75% an’ny Fanjakana Malagasy ary ny 25% an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny fepetra sasantsasany amin’ny didim-panjakana n°2019-700 tamin’ny 10 aprily 2019 ary manendry ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS). Voatendry ho mpikambana ao amin'ny OMNIS :

    - avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika:

    Ramatoa DELMOTTE Stephanie

    - Avy amin’ny Primatiora :

    Andriamatoa KALO Narcissus

    - Avy amin’ny Minisitera miandraikitra ny “pétrole amont”:

    Andriamatoa RAJOBSON Johary Hoela

    Andriamatoa RAMBOASALAMA Fanomezana

    - Avy amin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny Fitantanam-bola :

    Andriamatoa RAHARIJAONA NDRIANARILALA Rado Haja Ezekiela

    Avy an'ny OMNIS, solontenan'ny mpiasa :

    Andriamatoa ANDRIAMANOHY Henri Hector

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABEMANANTSOA Michel Marie Jocelyn, ho Directeur Général de l’Office National de l’Environnement
  • IV- FANAFOANANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Araka ny fampitam-baovao tamin’ny 14 aogositra 2023, dia noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-190 tamin’ny 01 martsa 2023 nanendry ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena sady Talen’ny Serasera ary ny Fifandraisana amin’ny Daholobe no hisahana ny andraikitry ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika mpisolo toerana (Directeur de Cabinet par interim)

 

Natao ny 23 aogositra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO