TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 9 Aogositra 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

 

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Tena mbola olana lehibe ho an’i Madagasikara ny fisian’ny jono an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna, noho isika manana toerana ara-jeografika stratejika, eo anelanelan’ny lalana an-dranomasina roa lehibe. Sambo mpanjono manodidina ny 500 ka hatramin’ny 700 no mandalo amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara isan’andro. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fandinihana ny fifanaraham-piarahamiasa amina fikambanana iraisam-pirenena antsoina hoe « Sea Shepherd » na « Berger de la Mer » mba hametrahana fanarahamaso ny fari-dranomasintsika mirefy 1.141.000 km2.

    Nanome toro-marika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanafainganana ny fandinihana izay tolo-kevitra mirakitra ny fifanaraham-piarahamiasa izay. Rehefa vita ny fandinihana ka azo irosoana ny fifanaraham-piarahamiasa dia ny Filan-kevitry ny Minisitra indray no hanome ny alalana hirosoana amin’ny fanasoniavana azy. Ny fikambanana « Sea Shepherd » no hanome sambo hampiasaina amin’ny fanarahamaso sy ny solika hampiodinana azy, ny anjarantsika Malagasy kosa dia ny mpiara-miasa avy eo anivon’ny « tafika an-dranomasina » sy ny « inspecteurs de pêche » hiasa amin’ny fanarahamaso, ary ny « Yamatec Ltd » kosa no hanao ny fampiofanana ireo teknisiana rehetra hiasa ao anatin’ity fifanaraham-piarahamiasa ity. Ny vola rehetra azo amin’ny sazy homena ireo sambo tratra manao jono tsy ara-dalàna amin’ny fari-dranomasintsika dia hirotsaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana malagasy. Fikambanana na ONG manana ny maha-izy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny « Sea Shepherd », fanaovana fanangonam-bola na « crowd funding » ao amin’ireo firenena any ivelany no tena mampiodina azy. Efa manana ity fiaraha-miasa amin’ny « Sea Shepherd » ity ireo firenena afrikana maro hafa toa an’i Gabon, Gambie, Libéria, Bénin, Tanzanie ary Sao Tomé et Principe.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny tetibola efa voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2023 hanombohana ny asa fanamboarana ny fonja manarapenitra ao Sainte-Marie. Hatramin’izay dia tsy mbola manana toeram-pamonjana ny any Sainte-Marie, fa tsy maintsy alefa any Fenoarivo Atsinanana na amin’ny fonja hafa ireo olona misazy. Mbola asa fananganana vaovao mihitsy no hatao, izany hoe ankoatra ny toeram-pitazonana ireo olona manefa sazy dia hisy ihany koa ny fananganana birao, toeram-pitsaboana ary toeram-pivavahana tahaka ny fahita amin’ny fonja manarapenitra hafa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hikitihana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny fitsarana ka handefasana ny ampahany amin’ny fividianana fitaovam-pitaterana « motocross » miisa 5 ho an’ireo tompon’andraikitra « camps pénaux pilotes » izay naverina novelomina ary efa trandrahana amin’izao fotoana izao, dia any Andalohasy Antsiranana, Ambato Boeny, Tsaratanàna Vatomandry, Ihadilalana Ambositra, ary Ambodivato Moramanga. Ny tanjona dia ny hiadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo any amin’ny fonja, ka hametrahana toeram-pambolena amin’ireo « camps pénaux » izay voalaza ireo mba ho afaka hamokatra izay sakafo hohaniny ihany ireo voafonja.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana tetibola ny Masoivoho Malagasy any France mba handoavana ny hetra TVA tamin’ny fiara Mercedes Benz novidian’ny Masoivoho. Eo koa ny fanamboarana ny « ascenseur » izay misy fahasimbana amin’izao fotoana izao.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandoavana ny latsakemboka ara-tsosialy eo anivon’ny CNaPS, izay tsy voaloa ho an’ireo mpiasa nisotro ronono ao amin’ny orinasa SECREN Antsiranana. Raha tsiahivina dia nisy ny fifanarahana nataon’ny Fanjakana Malagasy sy ny SECREN ary ny CNaPS tamin’ny 10 May 2019, mba handaminana io zo tokony hositrahan’ny mpiasa misotro ronono eo anivon’ny SECREN io. Noho ny tsy fandoavan’ny SECREN ny latsakemboka teo anivon’ny CNaPS anefa dia tsy voaefa ny fisotroan-dronono ho an’ireo mpiasa. Mitondra fanampiana ho an’ny SECREN araka izany ny Fanjakana Malagasy ka aloany aloha izay vola ilaina teo anelanelan’ny volana Jona 2019 ka hatramin’ny Aprily 2022, mba hahafahan’ny SECREN mandoa ny latsakemboka any amin’ny CNaPS ary handoavan’ity farany ny fisotroan-drononon’ireo mpiasa voakasika. Haverin’ny SECREN amin’ny Fanjakana Malagasy kosa io vola io araka ny fifanarahana eo amin’ny 2 tonta.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanalefahana ny dingana ara-panjakana arahina amin’ny fanaovana tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana, sy ny famoahana avy ao amin’ny fadin-tseranana an’ireo fitaovana ilain’ny CENI amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny faran’ity taona 2023 ity. Ireto sehatra ao anatin’ny tetibola miisa 3 ireto ihany no hanomezana izay fanalefahana manokana izay, dia ny fitaterana sy ny iraka ataon’ireo mpikatroka ao anatin’ny CENI (transports et missions), ny fanontana ireo antsoina hoe « imprimés sensibles », ary ny vata fandatsaham-bato. Ny fanalefahana dia miompana amin’ny fanaovana fampitahana tombam-bidy miisa 3 ka miainga amin’izay ny safidin’ny CENI.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fiara fitaterana marary (ambulance) izay fanomezana avy amin’ny fikambanan’ny mpamonjy haitrano any Saint-Louis La Réunion (La casse de la source) ho an’ny Kaominina Ambonivohitra Nosy-be. Efa tonga any Antsiranana io fiara fitaterana marary io amin’izao fotoana izao.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny tetibolan’ny Minisitera ao amin’ny kaonty lf : 6232 mikasika ny saran-dalana mankany ivelany, mba hamerenana ny saran-dalana ho an’ireo mpianatra malagasy miisa 21 ao anatin’ny andiany nahazo mari-pahaizana baccalauréat « Sangany 2021 » izay noraisin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ka nampanantenaina fa hiantohan’ny Fitondram-panjakana ny saran-dalan’izy ireo amin’ny fianarany any ivelany. 

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 05 Jolay 2023 nanaovana ny fikitihana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, mba hisy ampahany alefa amin’ny fividianana fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana haparitaka amin’ny hopitalim-panjakana amin’ity taona 2023 ity, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana ny fampidirana sora-bola mifandraika amin’izany amin’io tetibola nasiam-pikitihana io (intégration du nouveau produit). Raha tsiahivina dia vehivavy sy renim-pianakaviana miisa 3.496.701 izay efa manao fandrindram-piterahana no hisitraka an’ireo fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana ireo, ary hiampy mpisitraka vaovao miisa 1.700.000 manerana ny Nosy. Marihana fa fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana UNFPA ity fandaharanasa fanabeazana aizana eto Madagasikara ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hampiasa tetibola ho fampidirana herinaratra amin’ireo foibe fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo (Centres de Récupération nutritionnelle et Médicale – CRNM) miisa 05 dia Amboasary, Beloha, Tsihombe, Ambovombe ary Ampanihy. Araka ny toro-marika avy amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro no hampidirina ho an’Ambovombe, Ampanihy ary Beloha, ary herinaratra mahazatra iarahana amin’ny orinasa JIRAMA kosa no ho an’i Tsihombe sy Amboasary.

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra mikasika ny fikitihana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, mba hisy ampahany alefa amin’ny fividianana ireo vata fampangatsiahana ho an’ireo foibe fakana rà miisa 23 manerana an’i Madagasikara, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana ny fampidirana sora-bola mifandraika amin’izany amin’io teti-bola nasiam-pikitihana io (intégration du nouveau produit).

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana « freeze tag » entina miady amin’ny valan’aretina COVID 19 izay fanampiana tsy averina avy amin’ny Banky iraisam-pirenena.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fanafody sy kojakoja ilaina amin’ny fitsaboana (consommables) izay fanomezana avy amin’ny UNICEF ho an’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana handoavana ny vidin-jiro sy rano lany teo anivon’ny foibe fitsaboana ny Covid 19 na CTC teo amin’ny Village Voara Andohatapenaka, alaina avy amin’ny tahirim-bola « fonds COVID 19 ».

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, amin’ny fampidirana ireo milina fitiliana ny homamiadan’ny nono (mammographies) miisa 02 izay fampanantenana nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra teo aloha izay manambara ny maha-asa maika ny fanamboarana ny lalan’Antananarivo, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetibola hanamboarana ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena RN 58 mandalo eo Ankadimbahoaka, Fasan’ny Karana ka mipaka eo amin’ny tobin-tsolika JOVENNA Anosizato, izay mitentina 2.031.156.012 Ariary. Hanomboka avy hatrany ny asa aorian’ny fankatoavana ity tetibola ity.

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra teo aloha izay manambara ny maha-asa maika ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’Antsirabe, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetibola hanamboarana ny ampahan-dalana amin’ny lalam-pirenena RN 7 izay antsoina mahazatra hoe « route d’Ambositra » miainga eo amin’ny « Serrure » ka mipaka hatrany Mandaniresaka. Mitentina 4.400.000.000 Ariary. Hanomboka avy hatrany ny asa aorian’ny fankatoavana ity tetibola ity.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny tetibola hanaovana ny asa fikojakojana ny lalana ao amin’ny tanànan’i Mananara Avaratra, eo anoloan’ny « subdivision » ny asa vaventy hatrany amin’ny Fokontany Andrôkarôka Rond Point Mananara Centre izay mirefy 900 ml (mètre linéaire) ny halavany, 7 metatra ny sakany ary 1 metatra ny sisin-dalana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny tetibola hanaovana ny asa fanarenana sy fanamboarana lalambe ao an-tampon-tanànan’i Maroantsetra. Ampahan-dalana miisa 3 izay mitotaly 1.390 ml ny halavany, ary 2x4,60 ml ny sakany, no voakasika amin’izany :

    - Ampahan-dalana voalohany : miainga eo amin’ny birao distrika mihazo ny tribonaly,

    - Ampahan-dalana faharoa : miainga amin’ny Hôtel Manga Beach mihazo ny Biraon’ny Kaominina (Rond-point),

    - Ampahan-dalana fahatelo : miainga amin’ny Biraon’ny Distrika mihazo ny CEG Maroantsetra.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hikitihana ny tetibola anatin’ireo minisitera 2, minisiteran’ny Asa vaventy sy ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro sy ny hampiasana ny ampahany amin’izany, ho amin’ny fanamboarana sy ny famerenana indray ny fihodinan’ireo toby fandanjana fiara eny amin’ireo lalam-pirenena samihafa eto Madagasikara. Ny olana goavana mamotika ny lalam-pirenena dia ny fanaovan’ireo fiara lehibe taingim-be amin’ny entana ka mihoatra be ny lanjany, izany no manamarina ny fanapahan-kevitra hamerenana haingana ny fampihodinana ireo tobim-pandanjana ireo.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana ny fidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao anatin’ny tambajotra fikaonan-doha eo amin’ny firenena Sinoa sy ny faritry ny ranomasimbe indiana (Réseau du Forum Chine-Région de l’Océan Indien) mikasika ny fampandrosoana sy ny fiarahamiasa amin’ny fisorohana ny loza an-dranomasina. Izany dia tohin’ny fivoriana natao tany Kunming Chine, tamin’ny volana Novambra 2022 ka nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN’NY TOAKERANA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana mikasika ny fampidirana ireo fitaovana hananganana foibe famokarana, fitaterana ary fitsinjarana herinaratra, ao anatin’ny tetikasa fampidirana herinaratra any ambanivohitra amin’ny alalana angovo azo havaozina (électrification rurale par énergie renouvelable – ERER) any amin’ny faritra SAVA. Izany dia fanampiana tsy averina avy amin’ny Governemanta alemana ary ny sampandraharaha misahana ny fampiroboroboana ny fanomezana herinaratra any ambanivohitra (ADER). Fanajariana herinaratra goavana miisa 2 no ao anatin’ny tetikasa, ny voalohany dia manana tanjaka 500 Kw, miainga amina fampitaovana angovo azo amin’ny masoandro 2MW hapetraka any Andraimanjavona, ka hositrahan’ny fokontany sy tanàna miisa 40 avy amin’ny Kaominina ambanivohitra Tsarabaria, Ambodisambalahy, Ampanefena ary Antsirabe Avaratra ao amin’ny distrikan’I Vohémar. Izay mihoatra amin’ny famokarana dia hanampiana ny tambajotran’ny orinasa JIRAMA. Ny faharoa dia ny ao Belaoko Lohoko manana tanjaka 8 MW, izay hositrahan’ny fokontany sy tanàna miisa hatrany amin’ny 135 ka hanampiana ny tambajotran’ny orinasa JIRAMA koa.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1321 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade NARIVONY José Marcellin, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité d’Ankarafantsika (Nord-Ouest)"Mahajanga
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2019-949 tamin'ny 03 may 2019 ary manendry ny Lieutenant-colonel NDRAMANORO Hobindraza Donacien, ho Kaomandin'ny Sekoly Miaramilam-Pirenena

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa NDEHA Sylvain, ho Lehiben'ny Distrikan'Andapa
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 168 tamin'ny 19 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa BOTOMANIRISOA Fortunat, ho Lehiben'ny Distrikan'i Betioky Atsimo

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 601 tamin'ny 10 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RATOVOHERY Mirambololona, ho Tale Jeneralin'ny Agence des Transports Terrestres (ATT).
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 728 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHARINOSY Solofo Volatiana, ho "Directeur de la Planification et du Suivi Evaluation".
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RATOVOHERITIANA José ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro ao Amoron’i Mani

    MINISITERAN'NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ARY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1136 tamin'ny 20 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RASOLONJATOVO Patricia Bodosoa Olihène, ho "Directeur en Gender Mainstreaming"

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 563 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Andriamalala Jean Christian, ho "Directeur des Ressources Humaines"

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANÀNA VAOVAO EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa MIARAMANANA Miora Olivia, ho Talen’ny Serasera.

 

Natao ny 9 aogositra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO