TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 2 aogositra 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatanterahan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA mivady ny fitsidihana ofisialy any amin’ny Repoblikan’i Rwanda ny 07 sy 08 aogositra 2023 ho avy izao. Izany dia hamaliany ny fanasana ofisialy nataon’ny Filoha rwandais Andriamatoa Paul KAGAMÉ, ho tohin’ny fanasana ofisialy izay nataon’ny Filoha Malagasy azy tamin’ny volana Jona 2019. Hisy mpikambana amin’ny Governemanta vitsivitsy hiara-dia amin’Andriamatoa Filoha, eo koa ny parlemantera vitsivitsy sy solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina. Mandritra ny fitsidihana ofisialy dia hisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny firenena 2 tonta, fa eo koa ny fiaraha-midinik’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny mpandraharaha rwandais sy ny fitsidihana ireo toeram-pandraharahana miroborobo any Kigali, Rwanda. Filamatra eo amin’ny hafainganam-pandehany i Rwanda, izay nahavita nanarina ny fireneny tao anatin’ny fotoana fohy rehefa avy niaina ady an-trano goavana. Ny tanjona dia mba handray ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’i Rwanda i Madagasikara ka ho afaka hanarina sy hanatratra haingana ny fahatarana eo amin’ny fampandrosoana tao anatin’ny 60 taona mahery.

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny Fikaonan-doha iraisam-paritra mikasika ny fiarovana sy ny fandriam-pahalemana andiany voalohany, izay hatao ny 03 sy 04 Aogositra 2023 any Morondava, faritra Menabe. Natao indrindra hanakaikezana ireo tena mpisehatra eo amin’ny lafiny fitandroana ny fandriam-pahalemana any ifotony, ka hihainoana sy hakana ny hevitr’izy ireo ihany koa, hanamafisana sy hanitsiana ny paikady amin’ny fiatrehana izany tsy fisian’ny fandriam-pahalemana izany. Faritra 5 heverina fa tena marefo amin’ny resaka asan-dahalo no tena ho voakasika sy handray anjara mivantana amin’ity fikaonan-doha andiany voalohany ity, dia i Menabe, Bongolava, Vakinankaratra, Melaky ary Amoron’i Mania. Ny foto-kevitra lehibe hijoroana amin’ity hetsika ity dia ny fametrahana fa miara-misalahy amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana avokoa ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena, na sivily aza amin’ny alalan’ny fanamorana ny asan’ny mpitandro filaminana eny an-kianja eny rehefa manenjika dahalo, tahaka ny fanomezam-baovao na koa ny fitorohana ny mpanao ratsy.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana eto Madagasikara ny fivoriana andiany faha-8 ho an’ireo mpiasam-panjakana ambony ao anatin’ny fikaonan-dohan’ny firenena mikambana ao amin’ny « Etats Archipélagiques et Insulaires (AIS) ». Izany dia hotanterahina ny 28 sy 29 Aogositra 2023.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovan’i Madagasikara ny dingana ofisialy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, hamerenana ny volamena milanja 49 kilao, izay naondrana an-tsokosoko ka tratra tatsy amin’ny Nosy Comores. Ny firenena malagasy sy kaomoriana dia manana fiarahamiasa satria samy nankatoa ny Fifanarahana eo anivon’ny Firenena Mikambana mikasika ny heloka bevava atao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (criminalité transnationale) izay nolaniana tamin’ny alalan’ny tsoa-kevitry ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana laharana faha-55/25 tamin’ny 15 Novambra 2000. Raha tsiahivina dia nisy olona 3 tratra tany amin’ny seranam-piaramanidina Moroni Comores, Malagasy 2 sy Kaomoriana 1 tamin’ny 28 Desambra 2021 nitondra volamena 49 kilao, saika ho any Emirats Arabes Unis. Efa tafiditra tamin’ny raharaha fanondrana volamena 73 kilao an-tsokosoko ihany koa ireo olona ireo. Nanao ny dingana ara-pitsarana ny firenena malagasy mba hamerenana ireo mpanao heloka teratany malagasy miisa 2 ireo hamita sazy aty Madagasikara (extradition), ka rehefa nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny firenena 2 tonta dia neken’i Comores ny fampodiana ireo olona ireo hisazy aty Madagasikara. Efa misy koa ny raharaham-pitsarana mandeha mikasika azy ireo, izay hanenjehana azy amin’ny fanondranana volamena tsy ara-dalàna, ny fitazomana, fividianana sy fivarotana harena an-kibon’ny tany tsy nahazoana alalana. Ireo dingana rehetra ireo no nialoha ny fanaovana ity fangatahana ny fampodiana ny volamena 49 kilao ity, ka azo irosoana izany ankehitriny aorian’ity fankatoavana nomen’ny Filan-kevitry ny Minisitra ity. Hanao ny fanetsehana ofisialy (saisine officielle) araka izany ny Minisiteran’ny Fitsarana, ary nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika mba hisian’ny fanarahana akaiky ny dingana rehetra izay hatao ka hatao fanamby mihitsy ny fiverenan’ny volamena rehetra eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fonosan’entana miisa 40 nisy ireo saina kely rehetra nozaraina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina sy nanerana ny Nosy nilaina tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 Jona 2023 lasa teo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirina ireo fitaovana informatika nafaran’ny Sampandraharaham-pirenena miady amin’ny hosoka (Agence Nationale Anti-Fraude) eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fandoavana ny latsakemboka tokony aloan’i Madagasikara eo anivon’ny tambajotra afrikana momba ny tsenam-panjakana (Réseau Africain de la Commande Publique) izay fikambanana iraisam-pirenena natsangana ny 30 Oktobra 2018 tany Lomé Togo. Natao indrindra hampiroboroboana ny sehatry ny tsenam-panjakana ny fikambanana, amin’ny famporisihana ny fiarahamiasa eto amin’ny samy firenena afrikana mpikambana. Ny firenena malagasy dia mpikambana mpanorina, amin’ny alalan’ny Sampam-pahefana mandrindra ny tsenan’asam-panjakana (ARMP). Mitentina 15.000 USD io latsakemboka io ho an’ny taona 2020, 2021 ary 2022.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana tetibola fanampiny ho an’ny Filan-kevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM) mba ahafahany mikarakara ny fifidianana ireo mpikambana vaovao eo anivon’izany rafitra izany.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ny dingana rehetra hanatonana ny Vaomiera Eoropeana hangatahana ny tsy fampiharana ny fepetra izay noraisin’izy ireo mametra ny taha farany ambony azo ekena (limites maximales réglementaires) amin’ny fisian’ny nikotinina ao anaty lavanila. Raha tsiahivina dia tamin’ny alalan’ny fitsipika lf: 2023/377 tamin’ny 15 Febroary 2023 no nametraka an’io famerana ny taha farany ambony azo ekena io ny Vaomiera Eoropeana, momba ny singa sasantsasany ao anaty sakafo, tafiditra tao anatiny ny lavanila. Hita avy amin’ny voka-pitsirihana anefa fa ny 60% ny lavanila malagasy dia ahitana nikotinina mihoatra an’io taha farany ambony napetraky ny Vaomiera Eoropeana io, ka hametraka olana goavana raha mihatra io satria ahiana tsy ho azo aondrana any amin’ny tsena eoropeana intsony ny lavanila malagasy. Ho an’ny Fanjakana Malagasy dia tsy azo ekena velively io fepetra io ka nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika hanaovana ny fomba rehetra tsy hampiharana azy. Ny zavatra tsapa dia tsy nisy fototra ara-tsiansa na ara-teknika mazava ny nandraisana ilay fepetra, ary tsy afaka naneho hevitra akory i Madagasikara tamin’ny alalan’ny solotenantsika eo anivon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Varotra (OMC) talohan’ny nanapahana hevitra. Hisy « task force » avy hatrany hatsangana, ahitana ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny ka hanao ny adisisika mivantana any amin’ny Vaomiera Eoropeana.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandoavana ny anjaran’i Madagasikara taona 2023 amin’ny kitapom-bola iombonana amin’ny GAVI Alliance amin’ny fividianana vaksiny hampiasaina amin’ny zaza eto Madagasikara. Ho an’ity taona 2023 ity dia mitentina 10.553.284 USD ny vaksiny ilaina sy fanao mahazatra amin’ny zaza eto Madagsikara, ka ny 1.409.686 USD no anjara tokony aloan’ny firenena malagasy.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana tetibola fanampiny hahafahana miroso amin’ny tovan’ny fifanarahana tsenan’asam-panjakana (avenant) hamitana ny asa fanamboarana ny Akademiam-pirenen’ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC) etsy Ambohitsorohitra ambany. Raha tsiahivina dia nisy olana teo amin’ny fangatahan’ny orinasa nahazo ny tsenan’asam-panjakana hahazo tetibola fanampiny nidangana satria hoe nisy asa fanampiny tsy maintsy nataon’izy ireo. Koa satria volam-panjakana no ampiasaina, dia sarotiny ny Filohan’ny Repoblika ary tsy nanaiky avy hatrany izany fangatahan’ny orinasa izany, fa nampanao fanadihadiana tamin’ny alalan’ny manam-pahaizana manokana na experts mba hahalalana izay tena marina. Rehefa nivoaka ny valin’ny fanadihadiana dia nampiantso fivoriana manokana ny Filohan’ny Repoblika, niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny orinasa hamahana ny olana. Noho ny haitarika ananan’Andriamatoa Filoham-pirenena, dia nahita fifanarahana ihany ny andaniny sy ny ankilany, tamin’ny saran’ny fandaniana tovana mila atao, ka miverina manohy ny asa ny orinasa rehefa avy niato nandritra ny fotoana lavalava. Ity tetibola fanampiny izay nifaneken’ny 2 tonta ity, dia tsy mihoatra ny 33% ny tetibidin’ilay tsenan’asam-panjakana tany am-piandohana, manaraka ny voalazan’ny lalàna manan-kery.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirina ireo fitaovana hampiasaina amin’ny famantarana ny toetrandro, avy amin’ny toby fitiliana sy famantarana ny toetrandro « Trans-African Hydro-Meteorological Observatory (TAHMO) » ho an’ny Fitaleavana Ankapoben’ny Famantarana ny Toetrandro eo anivon’ny Minisitera.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirina fitaovana tahaka ny fiara miisa 1, motos miisa 90 ary « tablettes » miisa 265 izay ilaina amin’ny fandaharanasa « Développement de filières agricoles inclusives (DEFIS).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirina fiara sy fampitaovana ho an’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (CENRADERU/FOFIFA). Fanomezana avy amin’ny « Fondation OCP » avy amin’ny Fanjakana Marokana ireo fampitaovana ireo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirina fitaovana momba ny haitao ara-kajy mirindra, novidiana tamin’ny alalan’ny foiben’ny Firenena Mikambana « UNOPS » ho an’ny tetikasa fanohanana ny fampandrosoana an’i Menabe sy i Melaky andiany faha-2 (Projet d’Appui au Développement du Menabe et du Melaky (AD2M) – Phase II)

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirina fitaovana ara-teknika ho an’ny tetikasa fampiroboroboana ny vokatra vary (PAPRIZ). Fanomezana avy amin’ny sampandraharaha japoney JICA ireo fitaovana ireo.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Minisitera roa tonta didim-pitondrana iraisana hanamarihana ny fanombohan’ny taom-piotazana lavanila maitso amin’ireo faritra mpamokatra lavanila, dia SAVA, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Vatovavy ary Fitovinany. Ireo daty rehetra manamarika ny fanombohana izany taom-piotazana isam-paritra izany dia nifanarahana nandritra ny fivoriana nifanesisesy niarahan’ireo minisitera tompon’andraikitra tamin’ny Komitim-paritra mahefa (Comités Régionaux d’Observations de Floraisons Elargis - CROF).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitokanana ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN9 eo anelanelan’Analamisampy sy Bevoay, ary Bevoay sy Manja, amin’ny 17 Aogositra 2023 ho avy izao. Homarihana amin’io fotoana io ihany koa ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fanamboarana ny tetezana Mangoky ao anatin’ny lalam-pirenena faha-9 ihany, izay tetezana lava indrindra eto Madagasikara satria mahatratra 878 metatra ny halavany. Tsiahivina fa ny orinasa CRCC no nahazo ny tsenan’asam-panjakana ary efa nahazo ny fankatoavana na “avis de non objection” avy tamin’ny Banky afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) izay mamatsy vola ny fanamboarana ny asa.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy anjara amin’ny ampahany ny saram-pitaterana ny « blocs moteurs » miisa 7 avy atsy amin’ny Nosy Maurice mankaty Madagasikara, ahafahana mametraka ny foibe famokarana angovo HFO hamokatra hatramin’ny 105 MW eny Ambohimanambola. Raha tsiahivina dia ny orinasa « TRIGU Energy » no nahazo ny tsenan’asa hananganana io foibe famokarana angovo io, tamin’ny volana Oktobra 2021. Tafiditra ao anatin’ny fampitaovana ilaina ireo « blocs moteurs » miisa 7 ireo, izay milanja 90 taonina. Efa tonga ao amin’ny Nosy Maurice ireo fitaovana ireo, fa saingy tsy maintsy fiaramanidina no mitatitra azy aty Madagasikara. Hatramin’ny nisian’ny ady any Ukraine anefa dia sarotra ny mahita fiaramanidina mahazaka io vesatra io, niha-nidangana rahateo koa ny saram-pitaterana. Koa araka ny fifanarahana amin’ny tsenan’asam-panjakana eo amin’ny Minisitera sy ny orinasa TRIGU Energy ao amin’ny andininy faha-20.2, raha sendra misy ny antony ivelany tsy ahafaha-manoatra eo amin’ny 2 tonta, dia afaka mangataka fanonerana hizakana ny vesatra ara-toekarena aterak’io antony ivelany tsy ahafahana manoatra io ny orinasa. Io fanonerana io araka izany, dia tanterahina amin’ny alalan’ny fandraisana amin’ny ampahany ny saram-pitaterana amin’ny fiaramanidina ireo « blocs moteurs » ireo. Marihana fa ny fampandehanana io foibe famokarana angovo HFO 105 MW io dia efa vahaolana hamahana ny olan’ny fahatapahan-jiro ihany koa, sady ahafahana manafoana ny fifanarahana amin’ny sasany amin’ireo mpamatsy angovo ny orinasa JIRAMA hatramin’izay, izay hita fa mamono antoka ny firenena iray manontolo mihitsy.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovana “operation coup de poing” ho an’ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tapaka fa hanampy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanomezana solika ahafahan’ireo fiara be mpandroaka fako miodina araka ny tokony ho izy ny Minisitera, ka hahetsika amin’ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana koa ny Governoran’Analamanga. Mba ahafahana manafaingana ny asa hatao dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hikitihana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana (aménagement de credits) ka handefasana ampahany amin’ny fanatanterahana io “operation coup de poing” ho fanampiana ny Kaominina Antananarivo renivohitra io. Omena alalana koa ny Minisitera amin’izay tsenan’asam-panjakana mila hatao ho fanatanterahana ity asa maika ity, mba hampihena ny fe-potoana hanaovana tolo-bidy misokatra ho 15 andro.

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY, ARY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana ny Minisitera hanomboka ny fandaharanasa fiahiana ara-tsosialy « ANKOHONANA MIATRIKA » iarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Ity fandaharanasa ity dia ho vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mitentina 50 tapitrisa USD, ka ahafahana manohana tokantrano tena sahirana miisa 797.694 mitsinjara amin’ny faritra 23, ao anatin’ny 3 volana manomboka ny volana Aogositra ka hatramin’ny Oktobra 2023. Ny 40% an’izy ireo dia mipetraka an-tanàn-dehibe, ary ny 60% dia any ambanivohitra. Hisy fanomezana vola 250.000 ariary isan-tokantrano hanampiana ireo tokantrano ireo amin’ny fampidirana mpianatra sy ny fanjarian-tsakafo. Amin’ity volana Aogositra 2023 ity ihany dia hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa ka any Ambanja, faritra DIANA no hisantarana azy. 

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY Y REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fisarihana ireo izay hisitraka ny trano mora sy ny tany mora efa voajary mba ahafahana manangana trano eo amboniny. Ireto avy izany :

    - trano fonenana mora “duplex” any Amboditononina Toamasina miisa 80 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 4.005

    - trano fonenana mora “duplex” any Tsararivotra Nosy Be miisa 80 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 378

    - trano fonenana mora “duplex” any Vatofotsy Antsirabe miisa 80 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 503

    - trano fonenana mora “duplex” any amin’ny SCAMA Antsiranana miisa 80 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 1.305

    - trano fonenana mora “duplex” any Morondava, Menabe miisa 80 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 265

    - tany efa voajary hananganan’ny tompony trano any Ivohitra Antsirabe miisa 149 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 1.566

    - tany efa voajary hananganan’ny tompony trano eny Tsiafahy Antananarivo, miisa 60 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 765.

    - tany efa voajary hananganan’ny tompony trano any Amparehimahitsy Mahajanga miisa 500 izay nahitana mpisoratra anarana handray anjara amin’ny fisarihana miisa 3.074

     

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ireo fepetra manokana tsy maintsy raisina mba tsy hampikatso ny fampandehanan-draharaha ao anatina sampandraharaham-panjakana (Etablissements publics Nationaux) raha sendra misy olana ny tompon’andraikitra voatendry hitantana azy. Anisan’ny goavana ao anatin’ny didim-panjakana ny tsy maintsy hanendren’ny Tale na Tale Jeneraly tompon’andraikitra mpisolo tena hanao ny fanatanterahana ny fampiasana ny tetibola « ordonnateur délégué » na « ordonnateur secondaire » raha vao mandray ny asany izy, mba tsy hisian’ny fikatsoana raha sendra misy tsy fahafahany manatanteraka ny asany intsony. Izany dia mba hisorohana ny trangana mpiasa tsy mandray karama ohatra na ny tsy fiodinan’ny sampandraharam-panjakana izay fahita matetika rehefa sendra miala amin’ny toerany ny mpitantana ireny rafitra ireny.

    Eo ihany koa ny fanovàna goavana iray hafa, manoloana ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny filankevi-pitantanana ohatra na ny faharavan’ny filankevi-pitantanana mialoha, dia nofaritan’ity didim-panjakana ity ny fahafahana manendry ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanana na mbola misy rafitra tsy mahatonga solotena aza, rehefa feno ny antsasa-manilan’ny mpikambana ary ao anatiny ny solotenan’ireo minisitera mpiahy ara-teknika sy ara-bola. Afaka miasa ary mandray fanapahan-kevitra avy hatrany io filankevi-pitantanana io na mbola tsy feno tanteraka aza ny mpikambana ao anatiny rehefa mahafeno ireo fepetra voalaza eo ambony ireo.

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka ny “fonds de concours” ho an’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana ahafahana mampiroborobo ny sehatry ny fitrandrahana « éthanol » eto Madagasikara mba ahazoana fomba fahandro madio ho an’ny tokantrano malagasy. Raha tsiahivina dia nisy ny fifanarahana teo amin’ny fikambanana « Green Development” avy any Norvège, sy ny Minisitera misahana ny indostria tamin’ny volana Desambra 2018 mikasika io fomba fitrandrahana ny « éthanol » eto Madagasikara io, ka natao handrotsahana vola azo avy amin’ny « Initiative Carbone pour le Développement » mitentina 165.000 USD tokony ampiasain’i Madagasikara teo anelanelan’ny 2019 ka hatramin’ny 2024. Ny Banky iraisam-pirenena no mitantana io vola io ka nandrotsaka azy isan-taona amina banky tsotra tamin’ny anaran’ny Minisitera misahana ny indostria. Ny kaontim-bola amin’ny Banky tsotra nefa dia tsy azo ampiasaina amin’ny fanatanterahana ny fampiasam-bolam-panjakana. Ka mba ho fanarahan-dalàna mikasika ny fampiasana ny volam-panjakana, araka ny andininy faha-25 ao amin’ny lalàna fehizoro mamaritra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LOLF) lf : 2004-007 tamin’ny 26 Jolay 2004, dia ny « fonds de concours » no atsangana mba ahafahana mampiasa vola tsy azo avy amin’ny hetra avy amina fikambanana na rafitra iray ka holaniana amin’ny tombontsoam-bahoaka.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mankatoa ny drafi-pirenena mikasika ny fitsinjaram-pahefana mionga (Plan National de Décentralisation Emergente - PNDE). Izany dia taorian’ny fahavitan’ny fikaonan-doham-pirenena momba izany teny Ivato ny 4 sy 5 Jolay 2023 lasa teo. Raha tsiahivina dia ny volana Febroary 2022 no nanomboka ny famolavolana ity drafi-pirenena ity, teny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana isan-tokony, ny minisitera rehetra ary ny rafitra 23.

    Ny soso-kevitra rehetra voaangona tamin’ireny no nentina nandrafetana ny drafi-pirenena, ka ireto avy ny hevi-dehibe misongadina ao anatiny :

    - Fanovàna ara-drafitra sy araky ny lalàna mba ho fototra iaingan’ny fitsinjaram-pahefana

    - Fanomezana andraikitra ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

    - Fizakan-tenan’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana

    - Famaritana isam-paritra ny politikam-panjakana

    - Fahaiza-mitantana eny ifotony sy isam-paritra

    - Fitarihana, fandrindrana ary fanarahamaso sy tombana ny fanatanterahana ireo teboka teo aloha ireo

    Ny taona 2030 no napetraka ny fetra hahazoana vokatra amin’ireo fanovàna rehetra entin’ny PNDE ka hizara 3 ny fanatanterahana azy,

    - Dingana voalohany : 2023-2024

    - Dingana faharoa : 2025-2027

    - Dingana fahatelo : 2028-2030

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa N’DIAYE Alice, ho Tale eo anivon’ny Sekretera Jeneraly ny Komision'ny ranomasimbe indiana ao amin’ny Repoblikan'i Maurice.

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-232 tamin'ny 26 febroary 2020 ary manendry an-dRamatoa HOLIARIMANANA Farara Andriambololona, ho Talem-paritry ny fanajariana tany sy ny fananan-tany ao Amoron’Imania

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-465 tamin’ny 05 aprily 2022 manendry an’Andriamatoa RAHAINGONJATOVO Vimbina, ho Tale Jeneralin’ny “ Caisse Nationale de Prévoyance Sociale” CNAPS

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-989 tamin'ny 15 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa ZAFINDRAMARO Gabriella, ho "Directeur d’Appui aux Investissements Touristiques"

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1320 tamin'ny 14 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa FANOMEZANTSOA RAMAHEFASON Haingoniriana, ho "Conservateur par intérim de l’Ofisin’ny Rovan’ny Madagasikara" (ORMada).

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa SIO Princesse Rissina, ho Talen’ny Serasera.

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RALAIVAONIRINA Joëlson, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Alaotra Mangoro.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-310 tamin'ny 07 martsa 2019 ary manendry ny Général de Brigade BAMA Marima, ho" Inspecteur à l’Inspection Générale de la Gendarmerie nationale"
  • IV- FANAFOANANA

    GOVERNEMANTA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2010-204 tamin'ny 13 aprily 2010 manendry ny Directeur du Système d'Information ao amin’ny Primatiora.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-065 tamin'ny 12 janoary 2022 nanendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Betsiboka.

 

Natao ny 2 aogositra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO