TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 19 Jolay 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

Nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra dia manameloka amin’ny hery rehetra ny fivoahan’ny laza adina tantara sy jeografia (histoire-géographie) tamin’ny fanadinana baccalauréat (sokajy A1, A2, C ary D) mialoha ny Filohan’ny Repoblika sy ny Governemanta iray manontolo. Tsy azo ekena ny tranga nisy satria niteraka fanakorontanana, ary tsy filaminan-tsaina ho an’ny mpianatra, ary midika ho fanaovana takalon’aina mihitsy ireo mpianatra ireo izay nisedra olana tanteraka nandritra ny fiatrehana ny fanadinana ny tolakandron’ny Alarobia.

Manoloana izany dia nanome toromarika hentitra ny Filohan’ny Repoblika mba hanaovana ny fomba rehetra hanatrarana ireo rehetra tompon’antoka tamin’ny fivoahan’ny laza adina mialoha ary tsy hisy ny fandeferana satria ny ho avin’ny zaza Malagasy mihitsy no tadiavina hopotehina. Efa nihetsika avy hatrany moa ny mpitandro filaminana nanomboka tamin’ny ora nivoahan’ny laza adina teny amin’ny tambajotra ara-tsosialy, ny atoandron’ny Alarobia ka efa nisy olona ampolony amin’izao fotoana izao no efa tratra ary mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana. Tsy maintsy faizina mafy izay rehetra tompon’antoka satria tsapa fa misy fikasana fanakorontanana iniana mihitsy atao eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Nomena toromarika ihany koa ny Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mba hamerina ny adina tantara sy jeografia ho an’ny sokajy A1, A2, C ary D amin’ny Zoma maraina ho avy izao, ka ny laza adina fiandry faharoa izay efa voaomana mialoha no hampiasaina, fa tsy ny laza adina tany am-piandohana sy ilay laza adina fiandry nanaovana ny adina androany tolakandro. Manana safidy anefa ny mpiadina na hamerina izany adina taranja tantara sy jeografia izany na tsia, raha mihevitra izy ireo fa efa nety taminy ny adina natao androany dia afaka tsy mamerina intsony izy ireo. Ho an’ireo izay te hamerina kosa dia malalaka tanteraka ny hanao izany, ka ho an’ireo izay manapa-kevitra ny hamerina ny adina dia izay naoty tsara amin’ireo taratasim-panadinana roa no horaisina. Hisy kosa ny naoty fanampiny (bonus) izay omena ny mpiadina rehetra amin’ny sokajy A1, A2, C ary D amin’ny adina tantara sy jeografia manerana ny Nosy.

Marihana fa nisy ireo foibem-panadinana izay tsy nisy herinaratra no tsy maintsy nampiasa labozia, fa ny foibem-panadinana nisy herinaratra kosa dia tsy nanana olana tamin’ny ankapobeny afatsy toerana vitsivitsy izay nahitana olana ara-teknika tamin’ny famatsiana herinaratra, izay nezahina novahana faran’izay haingana avokoa.

Mankahery ny mpianatra manao fanadinana sy ny raiamandrenin’ny mpianatra rehetra ny fitondram-panjakana ary miantso ny rehetra mba hamela ny mpiadina hamita ny fanadinana hatramin’ny farany ao anatin’ny fitoniana tanteraka.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana ny “Fonds Souverain Malagasy” na FSM hampiasa ny rihana miisa 3 (rihana faha-8, faha-9 ary faha-10) eo amin’ny trano « Immeuble SOLIMA » eo Antaninarenina, ho birao fiasany.

    Mandalo eto Madagasikara ankehitriny ny manam-pahaizana manokana avy amin’ny ESAAMLAG hijery ny dingana vitan’ny firenena Malagasy mikasika ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana ny fandaniana mandritra ny fivahinianan’izy ireo eto, araka ny fangatahan’ny SAMIFIN.

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALÀNA SOSIALY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-informatika avy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Avy amin’ny fitaleavana misahana ny toekarena, asa, fampananana asa ary firaisankina (direction de l’emploi, du travail, et des solidarités) atsy amin’ny Nosy La Réunion ireo fitaovana ara-informatika ireo, ary hatolotra ny Sampandraharaha fanarahamaso ny Asa (Inspection du Travail) eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Ao anatin’ny ady amin’ny aretina SIDA, tiberkilaozy, ary tazomoka eto Madagasikara dia misitraka famatsiam-bola mitentina 125,710,028 USD avy amin’ny tahirim-bola maneran-tany (Fonds Mondial) ny firenena Malagasy, hampiasaina amin’ny taona 2024 ka hatramin’ny 2026. Izany dia tafiditra ao anatin’ny andian’ny famatsiana faha-7 (cycle de subvention CS7). Araka ny fifanarahana famatsiam-bola dia misy ampahana fandraisana anjara hiantohan’ny fanjakana malagasy, ka amin’ity fe-potoana 2024-2026 ity dia mitentina 6,978,838 USD izany fandraisana anjara izany. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny tetibola eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handoavana izany, mifanaraka amin’ny drafi-pampiasana azy izay nokendrena mba tena hiantraika mivantana amin’ny vahoaka malagasy amin’ny fanatsarana ny fisitrahany ny fitsaboana manaraka ny fenitra tokony ho izy.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Ho fantanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra nifanesisesy mikasika ny fanamboarana ny lalam-pirenena, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasàna ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, hanamboarana ny lalam-pirenena miisa 2 :

    - RNS 5, mandalo eo antampon-tanànan’i Mananara Avaratra, manoloana ny biraon’ny asa vaventy, fokontany Andrôkarôka rond-point Mananara Centre, izay mirefy 900 metatra ary manana sakany 7 metatra.

    - RNS 41 eo anelanelan’Ikelikampona sy Fandriana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ireo asa ireo ho asa maika, ka hampiasàna dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny tsenan’asam-panjakana, mikasika azy ireo. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa.

    Ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra natao manokana mikasika ny fanamboarana ny lalam-pirenena, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny tsenan’asam-panjakana, mikasika ny fanamboarana ny lalam-pirenena miisa 2 :

    - Ampahany amin’ny RNP 4 araka ny efa tapaky ny Filan-kevitry ny Minisitra, manampy ireo efa asiam-panamboarana amin’izao fotoana izao.

    - Ampahany amin’ny RNP 7 dia ny mandalo eo antampon-tananan’Antsirabe (route d’Ambositra) mivoaka Mandaniresaka, sy ny PK258 hatramin’ny PK 311.

    Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Ho famahana ny olan’ny tsy fahampian-drano ao antampon-tanànan’Antsiranana, faritra DIANA, dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana tany an-toerana tamin’ny faran’ny volana Jona teo. Nivoaka tamin’izany fa misy asa maika tsy maintsy hatao, ampahany voalohany hanatsarana ny toby fikirakirana rano (station de traitement) PK7 mba ahafahana mampiakatra ny fahefa-mikirakira (capacité de traitement) izay 200m3 isan’ora ho 750m3 isan’ora. Eo koa ny fahitana olana manokana amin’ny Fokontany Mangarivotra, Tanambao Tsena, Tanambao Nord ary Maromagniry izay mila asa maika mila hatao ihany koa. Araka izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana izany asa izany, amin’ny tetibolan’ny Minisitera tompon’andraikitra ihany. Nankatoavina koa ny fanomezana alalana hanao dingana manokana amin’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana, ka hampihenana ny fe-potoana hanaovana tolo-bidy misokatra ho 15 andro, mba ahafahana miroso maika amin’ny asa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana dingana manokana amin’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana, ka hampihenana ny fe-potoana hanaovana tolo-bidy misokatra ho 15 andro, mba ahafahana miroso maika amin’ny asa famatsiana rano fisotro madio ao antampon-tanànan’i Mandritsara. Izany dia mba ahafahana mamaha ny olan’ny tsy fahampian-drano any an-toerana indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny main-tany izao. Efa misy ny tetibola natokana ho an’izany eo anivon’ny Minisitera tompon’andraikitra. Mponina miisa hatrany amin’ny 31.014 no hisitraka an’io famatsiana rano fisotro madio io.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fonosan’entana miisa 12, misy ireo kojakoja fitiliana rano (kits d’analyse d’eau) fanomezana avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny zaza (UNICEF). Izany dia natao hampiasaina amin’ny fanadiovana ny rano fisotro any amin’ny tontolo ambanivohitra, mba ho ara-pahasalamana.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA ARA-HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana ny rafi-panjakana hisahana ny fiarovana amin’ny haitao ara-kajy mirindra (cybersécurité) eto Madagasikara. Efa 4 taona izay no niroso tsikelikely tamin’ny fanovàna ara-haitao ara-kajy mirindra ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny tetikasa PRODIGY. Noho izany dia tsy maintsy mametraka drafi-piarovana matipaika koa ny firenena satria be loatra ny ambana eo amin’io sehatra io, tahaka ny efa hita mihanaka be maneran-tany. Manoloana izany indrindra dia nankatoavina ny hametrahana ny “Computer Incidence Response Team” na CIRT, rafitra nasionaly hisahana izay “cybersécurité” izay. Hisy dingana 2 ao anatin’ny fametrahana ny CIRT, aty am-piandohana aloha dia mbola rafitra vonjimaika sy tetezamita ihany aloha no hapetraka, mandra-pahalany ny paikadim-pirenena mikasika ny “cybersécurité” (stratégie nationale de cybersécurité), ka eo anivon’ny sampandraharahan’ny fitantanana ara-haitao ara-kajy mirindra (UGD) no hametrahana azy. Aorian’ny fahavitan’ny paikadim-pirenena, ka hananan’ny firenena Malagasy drafitra stratejika momba ny haitao ara-jaky mirindra (Plan Stratégique du Numérique) izay vao hapetraka ny rafitra CIRT tena izy.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanombohana ny tetikasa “ceinture verte » mba entina hiadiana amin’ny fahavitsian’ny ala, ny hain-tany ary hampiroboroboana ny fahefa-miatrika ara-toetrandro (résilience climatique). Ny 24 Jolay 2023 ho avy izao no hatomboka amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa any amin’ny kaominina ambanivohitra Belalanda, distrika Toliara II faritra Atsimo Andrefana. Hanaraka aorian’izay ny any Anosy sy any Androy. Marihina fa nahazo famatsiam-bola mitentina 25 tapitrisa USD hampiasaina mandritra ny 4 taona avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny fanjakana Malagasy ho an’ny tetikasa “ceinture verte” izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny drafitra “Plan Emergence Sud”.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA + MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny lalaon’ny tany mampiasa sy miteny ny teny frantsay, andiany faha-9 manomboka ny 28 Jolay ka hatramin’ny 06 Aogositra 2023 izay hatao any Kinshasa, Repoblika demokratikan’i Congo. Mpanao fanatanjahan-tena miisa 34, mpanakanto miisa 22 izay efa vita sivana mialoha daholo, mpanaraka teknika ho an’ny fanatanjahan-tena miisa 14, mpanaraka teknika miisa 2 ho an’ny kolontsaina, ary tompon’andraikitra ara-panjakana miisa 6 no ho ao anatin’ny delegasiona malagasy. Ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no handray an-tanana ny fandaniana handefasana ny delegasiona Malagasy hisolotena an’i Madagasikara

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hanambaràna ho tombontsoam-bahoaka ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina Nosy Be. Ary mifanaraka amin’izany ao anatin’ity didim-panjakana ity ihany koa ny fanomezandalana hahafahana maka ny ampahana tany antsoina hoe “NON LIQUET” TN° 370- BO izay voakasiky ny asa na amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny tompon’ny tany ka ahafahana mividy izany tany izany (acquisition par voie amiable), na amin’ny alalan’ny fanalana ireo olona voakasika noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique).

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA ARA-HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ny mpikambana ao anatin’ny Filankevi-pitantanan’ny « Unité de Gouvernance Digitale (UGD) ».

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 309 tamin'ny 17 martsa 2021 ary manendry ireo "Délégués Centraux et des Délégués Régionaux du Contrôle Financier".

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1181 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAMAROSON Heridja Patrick, ho "Directeur de la Formation et du Perfectionnement des Agents de l’Etat"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2012- 869 tamin'ny 03 oktobra 2012 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA Née RASOAFALIMANANA Mbolarinosy, ho Tale Siantifikan'ny FOFIFA

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TOERAM-PONENANA SY NY TANANA VAOVAO EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1022 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAHARIMINA Gabriel, ho Directeur de Promotion du Logement
  • II- FANAFOANANA

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TOERAM-PONENANA SY NY TANANA VAOVAO EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 156 tamin'ny 20 febroary 2019 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Agence Nationale d’Appui au Logement et à l’Habitat (ANALOGH).

 

Natao ny 12 Jolay 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO