TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 12 Jolay 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovam-pitsaboana sy fanafody, fanomezana avy amin’ny UNICEF (Supply Division Oceanvej 10-12 Nordhavn, Copenhague, Danemark). Hatolotra ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny ambana sy ny loza (BNGRC) ireo fanomezana ireo, hatokana ho fanampiana taorian’ny rivo-doza Freddy araka ny drafi-pirenena nentina niatrehana ny vokatry ny rivo-doza (plan national de réponse) ary koa ho an’ny tsy fanjariana ara-tsakafo any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara. Ny vehivavy sy ny ankizy no ho laharam-pahamehana amin’ny fisitrahana ireo fanampiana ireo.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny fampiroboroboana ara-indostria an’i Madagasikara, sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka nametrahana ny fandaharanasan’ny Filoham-pirenena « One District, One factory » na hoe Distrika iray, orinasa iray, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisitera amin’ity taona 2023 ity, mba hividianana fitaovana teknika sy fampitaovana ara-indostria mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary, sy orinasa mpanao savony. Amparafaravola sy Marovoay no hisitraka ny fananganana ireo orinasa fitotoam-bary, ary Antananarivo sy ny manodidina kosa no hananganana ireo orinasa mpanao savony.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana ilaina amin’ny fampianarana (kits pédagogiques) tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB) mba ho fanatsarana ny fahombiazan’ny ankizy mpianatra any an-tsekoly.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-pitsaboana tahaka ny vata fampagatsiahana ampiasaina amin’ny Laboratoara fitiliana rà, fitaovam-panadiovana, ary fitaovam-pandanjana avy amin’ny UNICEF.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fitaterana vaksiny izay fanomezana avy amin’ny UNICEF ka hatolotra hampiasain’ny Minisiteran’ny fahasalamana amin’ny fanatanterahana ny politikan’ny fanaovana vaksiny manerana an’i Madagasikara.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fahafahan’ny Minisiteran’ny fahasalamana mampiasa ny ampahany amin’ny tetibolany hamatsiana akora ara-pahasalamana (intrants de santé) sy vata fampangatsiahana hitehirizana fanafody an’ireo hopitalim-panjakana samihafa manerana ny Nosy. Ny foibe fividianana fanafody SALAMA no miantsoroka ny fitsinjarana ireo akora ara-pahasalamana ireo.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana tetibola fanampiny ho an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hividianana fitaovana teknika, informatika ary fitaovana fampiasa ao anaty birao mba hahafahany miroso amin’ny fampitaovana ireo fotodrafitrasa vita fanamboarana kanefa mbola tsy afaka misokatra, tahaka ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Tolagnaro, Toliara, Ambositra, Manakara ary Ambovombe, ny Akademiam-pirenena misahana ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC), ny HAVORIA (Mozean’ny hainoamanjery sy « auditorium » lehibe) eto Antananarivo sy ny sisa. Aorian’ny fahazoana ny fampitaovana dia azo irosoana ny fitokanana ireo fotodrafitrasa samihafa ireo.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana natao tamin’ny herinandro lasa, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny tsenan’asam-panjakana, mikasika ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa.

    Ireto ireo ampahan-dalana voakasik’izany dingana maika izany :

    1. Fihaonan-dalana Antaninandro- Andravoahangy fivavahana

    2. Ampahan-dalana BOA Ampandrana - Bel’air Antsakaviro - Ankorahotra - rond-point Ambanidia (Paositra Malagasy)

    3. Fihaonan-dalana Mahazoarivo - Ambohimiandra - Mandrosez a- Rond-point Alasora

    4. Ampahan-dalana Ankadimbahoaka - Androndra - fihaonan-dalana Mahazoarivo - fihaonan-dalana Mandroseza- Ambohimiandra- Rond-point Ambanidia

    5. Ampahan-dalana zaridaina Antanimena- Ankadifotsy- Ambatomitsangana-tetezana Behoririka – trois métis Antaninandro

    6. Ampahan-dalana Anosy- Andavamamba- CENAM – Jovena Ampasika

    7. Ampahan-dalana mampitohy ny Magro Behoririka (Fohin/ Notre Dame) – fihaonan-dalana Antanimena

    8. Ampahan-dalana rond-point Ambanidia- Ankazotokana- SCORE- Tunelle Ambanidia

    9. Ampahan-dalana CNELA- sampanan-dalana Tsiadana

    10. Ampahan-dalana Ankatso- Antanimora- Mausolée- Ampasampito

    11. Ampahan-dalana rond-point Raokady- Jovenna double Amoronakona- Rond point Ambohimanambola sy Lalamby By Pass- Gastro Ambohijanaka

    12. Ampahan-dalana Ankasina - 67Ha

    13. Ampahan-dalana 67 ha Sud (arrêt 30) - Jovenna - INSCAE - poste 67 Ha - pont Andranomanalina

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny hampiasana ny dingana maika (procédure d’urgence) amin’ny fanohizana ny fanamboarana ny ampahan-dalana ao anatin’ny lalam-pirenena faha-2, mbola araka ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana natao tamin’ny herinandro ihany. Raha tsiahivina dia ny ampahan-dalana PK 11+000 ka hatrany amin’ny PK 78+100, ny lalana mandalo ny tampon-tanànan’i Moramanga, ary ny PK 218+000 ka hatrany amin’ny PK 250+000 eo anelanelan’Antsampanana ka hatrany Brickaville no ho voakasik’io fanamboarana io, ary hiampy koa ny ampahan-dalana eo anelanelan’ny PK 78+000 sy PK 110+000, lalana mandalo an’Andasibe, ary ny eo anelanelan’ny PK 250+000 ka hatramin’ny PK 345+000. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery, ny didim-panjakana lf : 2022-800 tamin’ny 01 Jona 2022 ao amin’ny andininy faha-5, izay milaza fa fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika na ny Governemanta no manasokajy ny maha-maika ny asa.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

    Ho famitàna ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « train urbain », izay natao hanamaivanana ny olan’ny fitaterana eto Antananarivo sy ny manodidina, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny tetibola efa voatokana ho amin’izany, eo anivon’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Fampidirana herinaratra amin’ireo gara lehibe miisa 4 sy toeram-piantsonana kelikely miisa 4 eo anelanelan’i Soarano sy Amoronakona, no tena hiompanan’ny asa tsy maintsy irosoana izao. Raha vantany vao tonga eto Antananarivo ireo lamasinina efa miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia ho afaka hanomboka hiasa ity zotran-dalamby eto an-drenivohitra ity, hirosoana tsy ho ela koa araka izany ny fitokanana azy

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisiteran’ny Angovo sy Akoron’afo handraisany didim-pitondrana ho fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Ofisy Malagasin’ny Akoran’afo (OMH). Efa tapitra tamin’ny volana Aprily 2023 lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny Filan-kevi-pitantanana teo aloha, ka mba ahafahan’ny OMH miodina ara-dalàna dia ilaina ny fanendrena ny mpikambana vaovao.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny Minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ho afaka hampihena ho 15 andro ny fe-potoana hanaovana tolo-bidy misokatra amin’ny tsenan’asam-panjakana hanaovana ny asa ampahany voalohany ho famatsiana rano fisotro madio ny tanànan’i Maroantsetra. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny fikitihana ny tetibola anatin’ny Minisitera mba hisy ampahany hatokana amin’ny fanatanterahana ireo asa ireo.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ampahany faha-14 ka hatramin’ny faha-24, hananganana ny andrimby lehibe (pylônes) eo anelanelan’Anosy sy Soarano, amin’ny zotra volom-boasary Anosy-Ambatobe, ao anatin’ny tetikasa teleferika (TPC).

 

Natao ny 12 Jolay 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO