FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Israely - Madagasikara: mitohy ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta

Nanolotra tamin’Atoa filohan'ny repoblika Andry Rajoelina ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika ny Masoivoho vaovaon'Israely, SEM Lior Keinan, teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha.

Voalohany hiasa eto Madagasikara ity Masoivoho vaovao ity ary nanambara izy fa vonona ny hiara-hiasa amin'ny firenena Malagasy i Israely eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fandriampahalemana. "Ankoatra ireo sehampiaraha-miasa ireo dia manantena ihany koa ny tenako ny hisian'ny fifandraisana eo amin'ireo vahoakan'ny firenena roa tonta mba ho afaka mankany Israely ny malagasy ary ny israelianina kosa mba hahalala an'i Madagasikara. Vonona ihany koa izahay hanome fiofanana ho an'ireo malagasy amin'ny sehatra maromaro" hoy SEM Lior Keinan. Marihana fa tamin'ny taona 1962 no niantomboka ny fifandraisana teo amin'ny firenena roa tonta, nihato izany tamin'ny taona 1973 ary niverina indray tamin'ny taona 1994 ka hatramin'izao ankehitriny izao.

La Direction de la Communication et des Relations Publiques