Ry Malagasy havako, manerana ny Nosy sy hatrany am-pitan-dranomasina !

Tompokolahy sy tompokovavy !

Fo sy saina feno fitiavana sy fanajana no hitsidihako ny tokantranontsika tsirairay avy anio ry Malagasy mpiray tanindrazana sy ireo mieli-patrana manerana izao tontolo izao, ary isika mpiara-monina eto amin’ity Nosy Madagasikara malalantsika ity.

Amin’izao fihafaran’ny taona 2018 izao, ny voalohan-teny dia ny fisaorana an’Andriamanitra Andriananahary, niahy sy nitantana ny dia, ka nahafahantsika namakivaky ity taona hivalona afaka ora vitsy ity. Arahaba e ! tsy maty fo aman’aina.

Mandia tany tokoa isika ka mety solafaka, miloloha lanitra ka mety ho lena. Ifandimbiasan’ny tantely sy vahona ny fiainantsika olombelona. Ny fiainana an-tany dia voamaintilany, indraindray mazava, nefa indraindray maloka.

Tao ireo izay nidonam-pahoriana. Nisy ny nianjadian’ny tsy fahasalamana, ary mety misy ireo ao anatin’ny fitsaboana amin’izao ora itenenana izao. Mirary ny fahasitranana malaky ihany koa ny tenako. Tao ireo izay niharan’ny herisetra ara-batana, ara-tsaina, tao ireo niaina ny fiangarana, tsy mba nahita ny rariny, tsy nifanojo tamin’ny hitsiny.

Koa mankahery indrindra ireo izay nizaka ny mangidy sy nibaby ny mavesatra tao anatin’izay herintaona izay. Misosa tahaka ny reniranon’Ikopa ny andro sy ny volana ka misoka tsy hiverina hatrany am-parahantsana, ka ho lasan’ny riaka anie ireo sedra sy rofirofy rehetra.

Ry Ray aman-dreny, ry Zoky, ry Zandry, ry Zanaka,

Tompokolahy sy Tompoko Ampela

Zava-niseho tsy takona afenina ireo, tsy afa-misaraka amin’ny maha-olombelona, kanefa izany no hisaorantsika an’ilay Nahary nanome tombon’andro antsika hifampiarahaba sy hifampirary ny soa sy ny tsara.

Koa amin’ny maha Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara misolo toerana ny tenako, ny fiarahabana atolotro anareo amin’izao faran’ny taona 2018 izao ry vahoaka Malagasy, dia ataoko toy ny fiarahaban’ny masoandro ka mandefa taratra ho an’ny isam-baravarana, mizara hazavana sy hafanana ho an’ny isam-batan’olona; ataoko toy ny fiarahaban’ny volam-penomanana ka sady mandefa tsiky no mandoko ny hatsarana, ataoko toy ny fiarahaban’ny kintana ka mamiratra lalandava, midika ho fahatsaran’ny toetr’andro.

Izaho sy ny fianakaviako dia mirary antsika vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka : ho tojo ny tanjon-kotratrarina, hahatanteraka izay ho kinasa, ny hiompy hahavanona, ny hamboly hahavokatra, ny hiasa hioty voka-tsoa, ny mpianatra ho tafita soa, ny ankizy hitombo fahendrena lalandava; ary isika rehetra dia samy hiaina ao anatin’ny fahasalama feno sy fandriam-pahalemana azo antoka.

Ny maso mandova hita, ny sofina mandova re, hoy ny fahendren-drazana! Ho raiketin’ny tantara tokoa ny fihetsika feno fahasahiana , feno fahendrena, sy fitiavan-tanindrazana nasehon’ny Mpitondra sy ny vahoaka Malagasy!

Mangetaheta fifidianana madio sy mangarahara ny Malagasy. Tinadin’ny vahoaka ny hanatrarana voka-pifidianana mampifanojo ny maro an’isa ara-tsosialy amin’ny maro an’isa ara-politika. Izany koa no miantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana, ary ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna.

Na izany aza anefa, mila mahay mandresy sy mahay resy koa isika !

Mila miverina any amin’ny kolontsain-drazana izay mitaiza amin’ny hoe » ny mandresy tsy hobiana, ary ny resy tsy akoraina ! »

Ny fifidianana mantsy, fototra irain ‘ny demokrasia, hanendren’ny vahoaka izay omeny ny fahefana hitantana ny firenena mandritra ny fe-potoana voafetra !

Miantoka ny maha fitondrana Repoblikana ny Firenena iray izany ! Ka ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka, na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona, dia fitsipahana ny safidy repoblikana ! Tsy mendrika ny Malagasy mpiray tanindrazana intsony izany.

Misaotra anao aho ry vahoaka Malagasy, ny tompon’andraikitra,ireo mpiara-miombon’antoka rehetra nampiseho fahendrena sy fahaiza-manao nandritr’izany zotram-pifidianana izany, Ankehitriny dia inoako fa hiandry am-pitoniana sy am-pilaminana izay ho vokatra ofisialy isika rehetra.

Nahatafita iny taona iny koa ny firenentsika satria teo ny ezaky ny isam-batan’olona, betsaka ny vokatra ara ekonomika , ara-sosialy, ara-mpiaraha-monina vita sy nahamafisina tamin’ity taona 2018 ity ka mbola ho avy ny fampiarabana hitanisantsika ireo ezaka ireo.

Ny kilonga sy ny tanora nilofo tamin’ny fianarana, ny ray aman-dreny tsy nikely soroka namokatra sy nihary, ny reny nikolokolo, tsy nitarai-tana-mihepaka manoloana izay mety ho fahasahiranana. Tsy adinoina koa ny vitriky ny sehatra tsy miankina sy ireo mpandraharaha izay nitondra ny anjara birikiny. Nanan-danja avokoa izany rehetra izany teo amin’ny fikatsahana fanarenana sy fivoarana, manamafy ny faniriantsika hanana firenena vanona sy mandroso

Tompokolahy sy tompokovavy,

Filoham-pirenena vaovao sy dingana vaovao ary no hisantarantsika ity taona mitsidika 2019 ity. Isika rehetra dia samy mametraka fanantenana feno ho amin’ny fitohizan’ny asa fampandrosoana sy ny fitsinjovana ny tombotsoa ambonin’ny firenena ary ny vahoaka malagasy tsy vaky volo. Mirary tokoa raha mirary ny haha to izany, ary maniry ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahambonin-tsaina ary ny fahendrena, hibaiko ny mpitantana izay hampindramintsika ny fahefana.

Enga anie izay fitondrana vaovao hijoro eo hamaly tokoa ny hetahetam-pihatsaram-piainana izay andrandrain’ny isam-batan’olona, ho lavitry ny tombo sy hala, ka hiaina tokoa ao anatin’ny tena fihavanana sy ny filaminana ny Malagasy. Koa mirary soa sahady ho an’izay filoham-pirenena hitarika antsika ho amin’izany.

Tsy ho alina foana akory ny andro, fa tsy maintsy ho avy ny maraina ; tsy ho fiakàrana foana akory ny làlan-kodiàviana, fa ao aloha ao ny fidinana setriny.

Dia izany indrindra no irariako ho anao ry Malagasy havako, handraisanao ny taona vaovao 2019, izay ho avy afaka ora vitsy ! Ho taom-baovao androm-pifaliana, hitondra fahombiazana amin’izay kasaina atao anie, ka ny tanety hitafy maitso, ny lohasaha hanjary volory. Ho toy ny voarabe eny an-dohasaha anie ny tokantrano malagasy tsirairay, ka sady ho rado manjelatra endriky ny saha, no ho loharano fanala hetahetan’ny mpivahiny.

Ho tojo taon-jina tsy ho zohian’antambo ; ho ambinim-bavaka, hiano-tso-drano amin’izay rehetra atao anie isika mianakavy !

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ry vahoaka Malagasy,

Ny taona no hivalona afaka ora vitsivitsy, fa isika rehetra kosa dia indreto eto ihany. Mirary fifaliana feno sy tanteraka amim-pahamendrehana ho antsika, ny hoe fahamendrehana dia sady mahay mampifaly ny tena no mahay manaja ny hafa.

An-karavoana tanteraka no hiandrasantsika ny figadonan’ny taona 2019.

Ho taom-pamafazana,

Ho taom-piotazana,

Ho taom-pahombiazana,

Ho an’ny Tanindrazana.

Sambasamba Andriamanitra Andriananahary, tratry ny asaramanitra, dia samy ho tratry ny arivo taona mitsingeringerina !

Ho ela velona anie I Madagasikara ! Masina ny Tanindrazana!

Samia tahian’Andrimanitra tompoko !