FIADIDIANA NY REPOBLIKA

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2021-848

Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika

NY FILOHAM-PIRENENA,

Araka ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andinin’ny faha 61 ;

Araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana ; Araka ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam- bahoaka ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 sy ny didim-panjakana laharana  faha  2020-997  tamin’ny  20  aogositra  2020  manendry  ny  mpikambana  ao  amin’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-390 tamin’ny 03 aprily 2021 manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny  didim-panjakana laharana faha 2021-443  tamin’ny 17 aprily 2021  manambara ampahibemaso ny Fanitarana ny fe- potoanan' ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-485 tamin’ny 02 may 2021 manambara ampahibemaso ny  fanitarana ny fe-potoanan' ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-528 tamin’ny 16 may 2021 manambara ampahibemaso ny  fanitarana ny fe-potoanan' ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-597 tamin’ny 30 may 2021 manambara ampahibemaso ny fanitarana ny fe-potoanan' ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-625 tamin’ny 13 jona  2021 manambara ampahibemaso ny fanitarana ny fe-potoanan' ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-685 tamin’ny 27 jona 2021 manambara ampahibemaso ny Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-718 tamin’ny 11 jolay 2021 manambara ampahibemaso ny Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-795 tamin’ny 08 août 2021 manambara ampahibemaso ny Fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Nandritran’ny Filankevitry ny Minisitra, taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram- pirenena,  ny  Filohan’ny  Antenimieran-doholona  sy  ny  Filohan’ny  Fitsarana  Avo  momba  ny Lalàmpanorenana;

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO:

Andininy Voalohany : Mitohy mandritry ny 15 andro manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didimpanjakana ity, nohon’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana, ny « hamehana ara-pahasalamana » voalazan’ny didim-panjakana laharana faha 2021-390 tamin’ny 03 aprily 2021 manambara ampahibemaso ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika, sy ireo didim-panjakana voalaza etsy ambony manambara ampahibemaso ny fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika.

Andininy faharoa :  Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezan-dalàna mahakasika ny vanim-potoana manokana mametra ny atao hoe hamehana.

Andininy fahatelo : Ho fampiaharana ny andininy faha 18 ao amin’ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha-maso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana dia ankinina amin’ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany

Andininy fahaefatra : Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Minisitry ny fampiroboroboana sy fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny fifandraisan-davitra, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria no miantoka ny fanatanterahina izao didim-panjakana izao.

Andininy fahadimy : Nohon’ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha 4 sy andininy faha 6 andalana faha 2 amin’ny didy hitsivolana laharana 62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben’ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan’ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin’ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin’ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Antananarivo faha 22 Aogositra 2021

Ny Filoham-Pirenena

Andry RAJOELINA

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena
Général de Corps d’Armeée Leéon Jean Richard RAKOTONONIRINA

Ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola
Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka
Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rodellys RANDRIANARISON

Ny Minisitry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra 
Tahina Michel RAZAFINDRAMALO

Ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena
Général de Division Serge GELLE

Ny Minisitry ny Fitsarana
IMBIKI Herilaza

Ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana
Pierre Houlder RAMAHOLIMASY

Ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka
Professeur Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY

Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina
Lalatiana ANDRIATONGARIVO RAKOTONDRAZAFY