FIADIDIANA NY REPOBLIKA

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2021- 597

Fanitarana ny fe-potoana  ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika

 

NY FILOHAM-PIRENENA,

Araka ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andinin’ny faha 61;

Araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana;

Araka ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam-bahoaka;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 sy ny didim-panjakana laharana faha 2020-997 tamin’ny 20 aogositra 2020 manendry ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-390 tamin’ny 03 aprily 2021 manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny  didim-panjakana laharana faha 2021-443  tamin’ny 17 aprily 2021  manambara ampahibemaso ny Fanitarana ny fe- potoana  ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-485 tamin’ny 02 may 2021 manambara ampahibemaso ny  Fanitarana ny fe-potoana ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-528 tamin’ny 16 may 2021 manambara ampahibemaso ny  Fanitarana ny fe-potoana ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika ;

Nandritran’ny Filankevitry ny Minisitra, taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Ny Filohan’ny Antenimieran-doholona sy ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana;

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO:

Andinin’ny  Voalohany :  Mitohy  mandritran’ny  15  andro  manomboka  amin’ny  fotoana  hivoahan’ity  didim- panjakana  ity  noho  ny  fiarovana  ny  fahasalamam-bahoaka,  noho  ny  fisian’ny  toe-javatra  goavana mampisahotaka  ny  fiainam-bahoaka,  mba  hampizotra  ara-dalàna  ny  asan’ireo  fahefam-panjakana,  ny « fahamehana ara-pahasalamana » voalaza ny didim-panjakana laharana faha 2021-390 tamin’ny 03 aprily 2021 manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika,  sy ireo didim- panjakana voalaza etsy ambony manambara ampahibemaso ny fanitarana ny fe-potoana  ny hamehana ara- pahasalamana  manerana ny tanin’ny Repoblika.

Andininy faharoa : Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezan- dalàna mahakasika ny vanim-potoana manokana mametra ny atao hoe fahamehana.

Andininy fahatelo : Ho fampiaharana ny andininy faha 18 ao amin’ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha-maso ny famatsiana  rehetra ary ny fanaraha- maso ny fitaovam-piadiana dia ankinina amin’ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany.

Andininy fahaefatra : Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny  Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny  Minisitry ny Paositra , ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria no miantoka ny fanatanterahina izao didim-panjakana izao.

Andininy fahadimy : Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha 4 sy andininy faha 6 andalana faha 2 amin’ny didy hitsivolana laharana 62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben’ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan’ny samy olona, ity didim-panjakana  ity  dia  manan-kery  avy  hatrany  raha  vantany  vao  havoaka  amin’ny  onjampeo  sy/na  ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin’ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Antananarivo faha 30 May 2021

Ny Filoham-Pirenena
Andry RAJOELINA

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena
Général de Corps d’Armeée Leéon Jean Richard RAKOTONONIRINA

Ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola
Richard RANDRIAMANDRANTO

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka
Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rodellys RANDRIANARISON

Ny Minisitry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra 
Andriamanohisoa RAMAHERIJAONA

Ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena
Général de Corps d’Armée Richard Ravalomanana

Ny Minisitry ny Fitsarana
Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO

Ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana
Tianarivelo RAZAFIMAHEFA

Ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka
Professeur Hanitrala Jean Louis RAKOTOVAO

Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina
Lalatiana ANDRIATONGARIVO RAKOTONDRAZAFY