FIADIDIANA NY REPOBLIKA

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA faha-2021 –390 tamin’ny 03 Aprily 2021

MANAMBARA AMPAHIBEMASO NY FAMEHANA ARA-PAHASALAMANA

MANERANA NY TANIN’NY REPOBLIKA NY FILOHAM-PIRENENA,

Araka ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andininy faha 61;
Araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana
Araky ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam-bahoaka ;
Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta;
Araka ny didim-panjakana laharana faha-2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020; sy ny didim-panjakana laharana faha-2020-997 tamin’ny 20 aogositra 2020 nanendry ny mpikambana ao amin’ny governemanta

Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimieran-doholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana;

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO:

ANDININY VOALOHANY.- mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny?« Fahamehana ara-pahasalamana » mandritra ny 15 andro noho ny antony ara- pahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam- bahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana.

ANDININY FAHAROA.- Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra voafaritry ny fehezan-dalàna mahakasika ny vanim-potoana manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe famehana.

ANDININY FAHATELO.- Ho fampiharana ny andininy faha 18 ao amin’ny lalàna faha 91- 011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny Vanim-potoana Manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha-maso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana dia ankinina amin’ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany.

ANDININY FAHA - EFATRA.- Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no miantoka ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao.

ANDININY FAHA-DIMY.- Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan'ny andininy faha-6 ao anatin'ny didy hitsivolana laharana faha-62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben'ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan'ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin'ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin'ny famoahana azy amin'ny gazetim-panjakan'ny Repoblika. 

Antananarivo faha 03 aprily 2021

Ny Filoham-Pirenena
Andry RAJOELINA

Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena
Général de Corps d’Armeée Leéon Jean Richard RAKOTONONIRINA

Ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola
Richard RANDRIAMANDRANTO

Ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka
Contrôleur Général de Police Fanomezantsoa Rodellys RANDRIANARISON

Ny Minisitry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra 
Andriamanohisoa RAMAHERIJAONA

Ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena
Général de Corps d’Armée Richard Ravalomanana

Ny Minisitry ny Fitsarana
Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO

Ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana
Tianarivelo RAZAFIMAHEFA

Ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka
Professeur Hanitrala Jean Louis RAKOTOVAO

Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina
Lalatiana ANDRIATONGARIVO RAKOTONDRAZAFY