TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 30 SEPTAMBRA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    HATSARAINA  NY  “LOGICIEL  AUGURE”  AMIN’NY  FITANTANANA  NY MPIASAM-PANJAKANA :
    Hiroso amin’ny fanatsarana ny logiciel AUGURE isika ka :

    • 1)  Hampidirina  ao  avokoa  tsy  ho ela  ny  mpiasam-panjakana  rehetra  tsy ankavanaka toy ny miaramila, ny zandary, ny mpiasan’ny antenimiera, ny mpiasan’ny  « Etablissements  publics »  sy  ny  mpiasa  any  amin’ireo ratsamangaikan’ny fitondrana isam-paritra.
    • 2) Hisy ihany koa ny fanomezana “carte biométrique” ireo mpiasam-panjakana rehetra ary ny fametrahana ny norme ISO ho an’ny fikirakirana informatika.
    • 3) Hisy ny fampidirana ireo “avancement d’échelon”, fiovan’ny fandoavam-bola, ny  fikajiana  ny  fialan-tsasatra,  ny  fanavaozana   ireo   fifanarahana,   ny fampiantoana ny karama, sns,…

    Mikasika ny fampiatoana ny karama dia hisy ny fampiatoana ny karaman’ireo izay mpiasam-panjakana tsy hita hoe mankaiza ary ireo olona nandray vola nefa tsy miasa na tsy voaisa ho mpiasam-panjakana ara-dalàna fa nandray volam- panjakana dia tsy maintsy mamerina izany avokoa, miampy ny fanesorana azy ireo anaty lisitra ary koa ny fanasaziana. Miisa 7547 izy ireo ary mbola eo am- panamarinana ny momba azy ireo ny ao amin’ny fitantanam-bola ankehitriny.

    MPAMPIANATRA FRAM AO AMIN’NY LYCEE: FANAMPIANA TAORIAN’NY COVID-19:

    Manoloana ny fiantraikan’ny valan’aretina covid-19 dia nisy ny fanampiana nomen’ny tetikasa PAEB ho an’ireo mpampianatra FRAM eny anivon’ireo sekoly garabola, ny ambaratonga voalohany ary ambaratonga faharoa. Ny fanjakana kosa no handray an-tanana ny fanampiana ireo mpampianatra FRAM eny anivon’ny Lycée mba hampitovy lenta ny fitantanana ireo mpampianatra rehetra miasa  eny  anivon’ny  sekolim-panjakana manoloana  ny  fiantraikan’ny valan’aretina.

    ADY AMIN’NY FIHANAHAN’NY COVID-19 :

    Nomena  fanalefahan-ketra  ny  Centre  d’Infectiologie  Charles  Merieux  eny Ankatso  izay  nanafatra  fitaovana  ilaina  amin’ny  laboratoara  fitiliana  sy fitaovam-piarovana hoentina miady amin’ny valan’aretina.

    ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO :

    11 amin’ireo 18 kaominina iharan’ny Kere  any  atsimon’ny  Nosy  izay  any amin’ireo toerana tena saro-dàlana no tena sahirana ankehitriny ka hitondrana fanampiana sy vonjy aina avy hatrany. Efa nisy ny fidinana ifotony saingy mbola hamafisina  izany  ary  ny  Filoham-pirenena  no  hidina  any  hitondra  ny fanampiana  entin’ny  fanjakana  ary  koa  ny  hanamafy  sy  handamina  ireo tetikasa maharitra sy fotodrafitrasa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimo.

  • II – FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    Nankatoavina ny volavolan-dalàna mialoha mikasika ny “Loi de Règlement” ho an’ny taona 2017 izay halefa hodinihan’ny antenimiera roa tonta amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka taorian’ny tsirihana nataon’ny “Cours des comptes” manoloana ny fandaniam-bolam-panjakana tamin’izany taona 2017 izany.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola sy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka :

    Nankatoavina  ny  volavolan-dalàna  mahakasika ny  fampindramam-bola  ho an’ny tetikasa PARN iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena mitentina 38,47 miliara ariary natao sonia ny 24 jona 2020.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ny filan’ny fanjakana ireo toerana voafaritry ny drafitra fanorenana tanàna ao amin’ny tanànan’Ambositra.

    Araka    ny    tolo-kevitry    ny    Sekreteram-panjakana    misahana    ny zandarimariam-pirenena eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena:

    Noraisina ny didim-panjakana nampitombo ny fe-potoana nahazoana laharam- boninahitra ho an’ny Lieutenant RATSIMBAZAFY Nirintsoa Patrick (bonification d’ancienneté de port de garde d’un officier de carrière de la Gendarmerie nationale).

  • III – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • M. RAMAMONJISOA Noelson Berthin, dia voatendry ho Directeur Régional de l’Administration Pénitentiaire d’Analamanga.
    • Atoa RAKOTONANAHARY Njaranaina Hugues, dia voatendry ho Talem- paritra misahana ny fonja ao Bongolava
    • Atoa RALOA Pierre Auguste, dia voatendry ho Talem-paritra misahana ny fonja ao Diana.
    • Atoa RAMBELOSON Tony, dia voatendry ho Talem-paritra misahana ny fonja ao Sava.
    • Atoa RAZAFINDRAHANA Philémon Doré, dia voatendry ho Talem- paritra misahana ny fonja ao Boeny.
    • Atoa BENOARISON SOLOTIANA Jasmin Dominique, dia voatendry ho Talem-paritra misahana ny fonja ao Betsiboka.
    • Atoa RAKOTO Jaonandrasana Daniel Toussaint, dia voatendry ho Talem-paritra misahana ny fonja ao Ihorombe.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Filaminam-Bahoaka :

    • Commissaire Principal de Police RABARIJAONA Holimahefa Eric, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanana ny mpiasa.
    • Commissaire Principal de Police TOMBO Jacky, dia voatendry ho Talem-paritra ao Ihorombe.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena :

    • Atoa RALAINIRINA Razokiny Eric, dia voatenrdy ho Tale Jeneraly misahana ny Etablissements Scolaires.
    • Ratoa RATSIMISETRA Felamboahangy, dia voatendry ho Chef d’Unité de Facilitation des Projets
    • Atoa RATAVILAHY Harilala Andriniaina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Patrimoine Foncier et des Infrastructures ».
    • Atoa RASAMISON Jullino Serge, dia voatendry ho Tale misahana ny « Planification de l’Education »
    • Ratoa RAVELOSON Julie Anna, dia voatendry ho Tale misahana ny « Formation Pédagogique »
    • Ratoa RAKOTONDRAMANANA Sylvia, dia voatendry ho « Chef d’Unité de Contrôle et d’Audit ».
    • Atoa ANDRIANIRIANA Feno Soja Richard, dia voatendry ho Tale misahana ny Système d’Information.
    • Ratoa RABEMANANTSOA Adrienne Irma Rabe, dia voatendry ho Chef d’Unité de Communication.
    • Atoa RAKOTONANDRASANA Jeannot Aimé, dia voatendry ho Tale misahana ny « Education Non Formelle »
    • Ramatoa RAKOTOVOLOLONA Helikanto Tsimandefitra, dia voatendry ho Tale misahana ny « Curricula et des Recherches Pédagogiques ».
    • Atoa RAKOTONIRINA Justin, dia voatendry ho Tale misahana ny « Education de Masse et du Civisme ».
    • Atoa ANDRIANILANONA Jery, dia voatendry ho Tale misahana ny « Education Fondamentale et de la Petite Enfance ».
    • Atoa ANDRIANARISON Tinaina Edinah, dia voatendry ho Tale misahana ny « Examens et de la Certification ».
    • Atoa RAKOTONIAINA Roger, dia voatendry ho Tale misahana ny « Encadrement Scolaire et de l’Inspection Pédagogique ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa :

    • Atoa TSIRAHAMBA dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny fampianarana Teknika sy ny fanofanana arakasa.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena :

    • Ramatoa RAVOLOLONARIVO Domoinaniaina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et Techniques (DET) ».
    • Ramatoa RAKOTOMALALA Judickaêl Yvanna, dia voatendry ho Tale misahana ny « Infrastructures et de la Logistique (DIL) ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Atoa RASOLOMALALA Heri-Lanto Luciano dia voatendry ho Talem- paritra Analamanga.
  • III – FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nandray ny didy manafoanana ireto didim- panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ireo Tale Foibe rehetra tao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana arak’asa teo aloha.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, Varotra ary Asa-tanana :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-879 tamin’ny 24 aprily 2019 nanendrena ny Talem-paritra ao Analanjirofo.

Natao androany faha 30 Septambra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika