FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO
NY ASABOTSY 22 AOGOSITRA 2020

I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

MITOHY NY HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA FA HISY KOSA IREO FEPETRA ISAN-TSOKAJINY HAPETRAKA SY HANDRINDRANA NY FIAINAM-PIRENENA :

Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao androany 22 Aogositra 2020 dia nametraka ny  Filoham-pirenena  ny  tokony  hanohizana  ny  hamehana  ara- pahasalamana hoentina mandrindra ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, ka nandanian’ny Filankevitry ny Minisitra ireo fepetra isan-tsokajiny tokony hapetraka rehetra hoentina miaro ny ain’ny Malagasy ary  koa  iahiana  ihany  koa  ny  fiainana  andavanandron’ny  mponina  sy  ny isambatan’olona.

Noho  izany : mipetraka  eto  amin’ny  tanin’ny  Repoblikan’i  Madagasikara  ny « FAHAMEHANA  ARA-PAHASALAMANA»  (état  d’urgence  sanitaire)  manomboka androany 22 Aogositra 2020 ary mihatra avy hatrany.

Ireo fepetra rehetra sy ny andinidininy mikasika ny lamina sy ny fandrindrana rehetra hoentina miatrika ny 15 andro manaraka dia hohazavain’ny Filoham-pirenena mandritra ny fandaharana manokana hotanterahana rahampitso alahady 23 aogositra 2020 amin’ny 08 ora alina ao amin’ny Televizionina Malagasy.

Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-1020 tamin’ny 22 Aogositra 2020 noraisina:

FIADIDIANA    NY    REPOBLIKA
*********
DIDIM-PANJAKANA    LAHARANA    faha-2020-1020    tamin’ny        22 aogositra    2020
MANAMBARA    AMPAHIBEMASO    NY    FAHAMEHANA    ARA-PAHASALAMANA    MANERANA    
NY TANIN’NY    REPOBLIKA   

NY FILOHAM- PIRENENA,

Araka    ny    lalàmpanorenana,    ao    amin’ny    andininy    faha    61;
Araka      ny      lalàna      faha    91-011      tamin’ny      18      jolay      1991      mahakasika      ny      Vanim-potoana    manokana
Araky     ny     lalàna     laharana     faha  2011-002     tamin’ny  15     jolay  2011     mikasika     ny     fifehezana     ny    fahasalamam-bahoaka ;
Araka     ny     didim-panjakana     laharana     faha     2019-1407     tamin’ny  19     jolay  2019     manendry    ny    Praiminisitra,    lehiben’ny    Governemanta;
Araka     ny    didim-panjakana    laharana    faha-2020-070    tamin’ny  29     janoary 2020    nanendry    ny    mpiakambana    ao    amin’ny    governemanta;    
Araka     ny     didim-panjakana     laharana     faha     2020-359     tamin’ny     21     marsa     2020     milaza     ny        manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika.
Araka     ny     didim-panjakana     laharana faha     2020     – 370     tamin’ny     04     Aprily     2020     milaza     sy    manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-420 tamin’ny    17    Aprily 2020    milaza    sy     manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-457 tamin’ny    02    Mey 2020    milaza    sy    manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-483 tamin’ny    16    Mey 2020    milaza    sy    manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-592 tamin’ny    30    Mey 2020    milaza    sy    manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-610 tamin’ny    13    Jona 2020    milaza    sy    manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika;

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-687 tamin’ny 27    Jona    2020     milaza    sy    manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-748 tamin’ny 11    Jolay    2020        milaza    sy     manambara     ampahibemaso ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika,
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-818 tamin’ny 25    Jolay    2020        milaza    sy     manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny     tanin’ny    repoblika
Araka     ny     didim-panjakana     laharana     faha     faha     2020-890     tamin’ny 08     Aogositra     2020        milaza     sy     manambara     ampahibemaso     ny     fahamehana     ara-pahasalamana     manerana     ny    tanin’ny    repoblika
Nandritra     ny     Filankevitry     ny     Minisitra     taorian’ny     fakankevitra     natao     tamin’ny     Filohan’ny    Antenimieram-pirenena,     ny     filohan’ny     Antenimieran-doholona     ary     ny     Filohan’ny     Fitsarana    avo    momba    ny    lalàmpanorenana ;

DIA    MAMOAKA    IZAO    DIDIM-PANJAKANA    MANARAKA    IZAO :

ANDININY    VOALOHANY.- mitohy    mandritra    ny    15    andro    eto    amin’ny    tanin’ny    Repoblikan’i    Madagasikara,     manomboka     amin’ny     fotoana     hivoahan’ity     didim-panjakana     ity     ny    « Fahamehana     ara-pahasalamana » noho     ny     antony     ara-pahasalamana,     nohon’ny     fisian’ny    toe-javatra     goavana     mampisahotaka     ny     fiainam-bahoaka,     mba     hampizotra     ara-dalàna     ny    asan’ireo    fahefam-panjakana    araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    marsa     2020 sy     laharana     faha2020-370     tamin’ny     04     Aprily     2020 sy     ny     laharana     faha     2020- 420    tamin’ny    17    Aprily    2020, ny    laharana    faha    2020-457    tamin’ny    02    Mey    2020, ny    laharana    faha    2020-483    tamin’ny    16    Mey    2020,    ny    laharana    faha 2020-592    tamin’ny    30    Mey    2020,    ny    laharana     faha 2020-610     tamin’ny     13     Jona     2020,     ny     laharana     faha     2020-687 tamin’ny 27    Jona    2020, ny laharana    faha    2020-748 tamin’ny 11    Jolay    2020,    ny    laharana    faha 2020-818    tamin’ny    25    Jolay    2020    ,    ary    ny    laharana    faha- 2020    -890    tamin’ny    08    Aogositra    2020    voalaza    etsy    ambony.

ANDININY    FAHAROA.- Ity    didim-panjakana    ity    dia    mitarika ny    fampiharana    ireo    fepetra    rehetra    voafaritry    ny    fehezan-dàlana    mahakasika    ny    Vanim-potoana    Manokana    (situation    d’exception) mametra    ny    atao    hoe    Fahamehana.

ANDININY    FAHATELO.- Ho    fampiharana    ny    andininy    faha 18    ao    amin’ny    lalàna    faha 91-011    tamin’ny 18    jolay 1991    mikasika    ny    Vanim-potoana    manokana,    izay    mamaritra    ny    fahefan’ny    Filoham-pirenena     amin’ny     fampiharana     ny     fanaraha-maso ny     fivezivezen’ny     olona     sy     ny    fiara,     ny     fanaraha-maso ny    famatsiana    rehetra     ary    ny     fanaraha-maso ny     fitaovam-piadiana    dia natolotra    ny    Praiminisitra    ny    fanatanterahana    izany.   

ANDININY    FAHA - EFATRA.- Ny    Minisitry    ny    fiarovam-pirenena,    ny    Minisitry    ny    Fitsarana,    ny    Minisitry    ny    toekarena    sy    ny     fitantanam-bola,    ny    Minisitry    ny    ati-tany     sy     ny     fitsinjaram- pahefana,     ny     Minisitry     ny     Fahasalamambahoaka, ny     Minisitry     ny     filaminam-bahoaka, ny    Minisitry     ny     Paositra, ny     fifandraisan-davitra     ary ny     fampiroboroboana     ny     haitao     ara-kajy    mirindra,    ny    Minisitry    ny    Serasera    sy    ny    Kolontsaina,    ny    Seketeram-panjakana    misahana    ny    Zandarimaria     eo     ambany     fiahian’ny     ministeran’ny     fiarovam-pirenena     no     miantoka     ny    fanatanterahana    izao    didim-panjakana    izao.   

ANDININY     FAHA-DIMY.- Noho     ny     hamehana     ary     ho     fampiharana     ny     voalazan'ny     andininy    faha-6     ao     anatin'ny     didy     hitsivolana laharana     faha-62-041     tamin'ny     19     septambra     1962    momba     ny     fepetra     ankapoben'ny     lalàna     anatiny     sy     ny     lalàna     iraisam-pirenena     mifehy     ny    fifandraisana     manokan'ny     samy     olona,     ity     didim-panjakana    ity    dia    manan-kery     avy     hatrany    raha     vantany     vao     havoaka     amin'ny     onjampeo     sy/na     ny     fahitalavitra,     ary     izany     dia     tsy    miankina    amin'ny    famoahana    azy    amin'ny    gazetim-panjakan'ny    Repoblika.

 

Antananarivo faha 22 Aogositra 2020

Ny Filoham-pirenena
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Natao androany faha 22 Aogositra 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika