TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE » NY 23 JOLAY 2020

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY FAHA 23 JOLAY 2020 NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Fitantanan-draharaham-panjakana

    Hotanterahina ny 13 aogositra 2020 ny Dinika politika iarahana amin’ny Vondrona Eoropeana, isan’ny zava-dehibe hiaraha-midinika amin’izany ny fomba fanatsarana ny fiaraha-miasa izay tokony hametrahana ny tena filan’i Madagasikara marina ao anatin’izany  fiaraha-miasa  izany.  Miankina  indrindra  amin’ny  fivoaran’ny  toe- draharaha  ara-pahasalamana  eto  amintsika  ny  fomba  sy  endrika  entina manatanteraka izany Dinika politika miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana izany.

    Nomena fanalefahan-ketra manokana ny fanafarana sy fampidirana entana ho enti- miady amin’ny covid-19 nataon’ny orinasa Alpha Ocean Resurces Berhad iarahany amin’ny fanjakana.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny

    Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    Nekena ny didim-panjakana manome alalana manokana ny fifanaraham-piaraha- miasa eo amin’ny Société Générale sy ny SPM amin’ny fanafarana vary 16.000 taonina hamatsiana ny eto an-toerana izay mitentina 5,3 tapitrisa dolara ka nahafahana nividy vary mora 345$ ny taonina avy any ivelany. 

  • III – FANENDRENA

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana ireto

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Raharaham-bahiny :

    • Ramatoa RAZANADRASOA épouse SANOU Marie Léontine, dia voatendry ho Tale misahana ny « Promotion du Partenariat pour le Développement »
    • Ramatoa RABOZAKANDRAINA Nirina Angela, dia voatendry ho Tale misahana « Relations Bilatérales »
    • Atoa SETILAHY Ludovic Richard, dia voatendry ho tale misahana ny « Relations Multilatérales »
    • Atoa BEMAKA Jules Ricardo, dia voatendry ho Tale misahana ny « Système d’Informations »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa Dr Marcellin Randriamanantena, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Analanjirofo
    • Atoa Daodo Arona Marisiky, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Diana
    • Atoa Andriatomanga Mokhtar, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Boeny.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana :

    • Ramatoa FATIMA Olga Abrahim, voatendry ho Tale misahana ny « Cellule de Bonne Gouvernance ».
    • Atoa RAKOTONIRINA Fanantenana, voatendry ho Tale misahana ny « Cellule de la Recherche et du Développement »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana

    • Atoa TOVONDRAINY Ramananandro, dia voatendry ho Tale misahana ny « Emergence Industrielle »

Natao androany faha 23 Jolay 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika