FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 11 MARTSA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    TOERANA FIKARAKARANA NY BE ANTITRA HO AN’IREO MAHERIFON’NY FIRENENA:

    Hatsangana ao Moramanga anatina velaran-tany mirefy 6700m² ny toerana fikarakarana ireo be antitra « anciens combattants nationalistes », araka ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena ho azy ireo, tany izay an’ny Minisitera isan-tokony ka nafindra ho tantanan’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena.

    FAMPIAKARANA NY HABA TAKIANA AMIN’IREO MPITRANDRAKA MPANDRAHARAHA MIKASIKA NY HARENA AN-KIBON’NY TANY AM-PERINASA :

    Ferana isan-taona amin’ny alalan’ny didim-pitondrana, ny haba takiana amin’ireo mpitrandraka mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany am-perinasa, araka ny voafaritry ny sata mifehy ny fitrandrahana voafaritry ny andininy faha 4 ao amin’ny didimpanjakana laharana 2010-023 tamin’ny 25 janoary 2010. Tsy hisy ny fanomezana fahazoandàlana vaovao, fa ny haba takiana amin’ireo efa miasa sy efa nahazo ny taratasy hatrizay no hakarina sy hotanterahana araka ny voafaritr’io didim-panjakana voalaza io.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLANDALANA:

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fiarovam-pirenena:

    Noraisin’ny Filoham-pirenena ny didim-panjakana mametraka ny lamina vaovao eo anivon’ny Tafika Malagasy ka:

    • Napetraka ny EMA (Etat Major des Armées) izay manana rafim-piadidiana 2,
    • Napetraka ihany koa ny Etamazaoron’ny tafika an’habakabaka izay mamolavola sy mitantana ny tafika an’habakabaka,
    • Napetraka ihany koa ny Etamazaoron’ny Tafika An-dranomasina Malagasy izay hitantana sy handrindra ny asan’ny tafika an-dranomasina,
    • Ary najoro ihany koa ny Etamazaoron’ny Tafika An-tanety izay natao hiaro ny vahoaka sy ny firenena araka izay ilaina azy ary hanampy ireo sampana hafa ao anatin’ny tafika.

    Fepetra mikasika ny “coronavirus”:

    Ampahafantarina ny rehetra fa hotanterahana ny fanadiovana sy fandrarahana fanafody ireo mpandeha fiaramanidina rehetra avy any amin’ireo firenena rehetra ahitana ny valan’aretina Coronavirus. Toy izany ihany koa ireo entana sy sambo avy any amin’ireo faritra sy firenena ahitana ity valan’aretina ity.

    Raha sanatria ka misy ny fahatongavan’ny valan’aretina dia raisin’ny fanjakana an-tanana ny fitsaboana sy ny fikarakarana rehetra. Efa mivonona ny fitondram-panjakana amin’izay tranga rehetra na fisorohana na fitsaboana na ny fandrindrana ny sehatry ny famatsiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana eto Madagasikara.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry toe-karena sy ny fitantanam-bola

    Noraisina ny didim-panjakana namaritra ny fampiasana sy ny famoahana ny ampahany voalohany amin’ny vola nomen’ny Banky iraisam-pirenena mitentina 54,46 miliara ariary, ho entina manao ireo asa fanarenana haingana vokatry ny loza voajanahary izay alefa ao amin’ny sora-bolan’ny BNGRC ary hampidirina ao amin’ny volavolan-dàlana ho asiam-panintsiana mifehy ny teti-bola 2020.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy :

    Noraisina ny didim-panjakana mamaritra ny filan’ny fanjakana ireo toerana voafaritra ao anaty PUDI ho an’ny toerana manodidina an’Antananarivo Renivohitra ahitana kaominina miisa 38. Izany dia efa niarahana nidinika tamin’ireo ben’ny tanana rehetra voakasik’izany ka ireo toerana voafaritra ao anatin’izany dia tsy azo hanorenana na hampiasana raha tsy ny fanjakana irery ihany na nahazo alalana manokana avy amin’ny fanjakana.

  • III- FANENDRENA:

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    • Atoa RABEHARISOA Rija, dia voatendry ho « Directeur de l’Audit Interne ».
    • Atoa RAMIANDRISOA Tiarinisaina Olivier, dia voatendry ho «Directeur Général de l’Économie et du Plan ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fanofanana ara-teknika ary fanofanana ara-kasa:

    • M. RABEHAVANA Van Aldo, dia voatendry ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo sy ny akoranafo:

    • Ramatoa DIEUDONNE Virginia Dalia Soatsara, dia voatendry ho « Directeur de la Coopération et du Partenariat ».
    • Atoa RABENJA SAFIDINOFY Serge, dia voatendry ho « Directeur de la Promotion de l’Ethanol et de la Bioénergie ».
    • Atoa ANDRIANASOLO Michel, dia voatendry ho « Directeur des Affaires Juridiques ».
    • Atoa RAMANANTSOA ANDRIAMPANIRY Tovoniaina, dia voatendry ho « Directeur des Infrastructures et Support »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika:

    • Ramatoa RAKOTONIRINA Felana, dia voatendry ho « Responsable de l’Unité Audit Interne. »
    • Colonel BOTOTSARA Nathanaël James, dia voatendry ho « Directeur de la Police des Mines »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika:

    • Atoa BENJA ANDRIANTSIZEHANA Daniel Herbin, dia voatendry ho Talen’ny Fandraharahana sy ny fitantanana ara-bola

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

    • Atoa RALAMBOSON Emilio Michel, dia voatendry ho « Directeur Administratif et Financier du Ministère de l’Environnement et du Développement Durable. »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina, fiahiana ara-tsosialy sy ny fampivoarana ny vehivavy :

    • Atoa RANDRIAMANANJARA Andrianiaina, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Fiahiana ny Mponina.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina:

    • Ramatoa MARA Hanitriniala Eliane, dia voatendry ho Talen’ny Fampiroboroboana ny « Volontariat et de l’Animation Communautaire »
    • Atoa RAKOTONDRASOAVA Andrinirina Mamimbahoaka Fetraniaina, dia voatendry ho « Directeur de la Régulation des Médias. »
    • Atoa RAONISON Andrianjaka Hasina Maminirina, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara.
    • Ramatoa RAZAFIMANANTSOA Tina Lalaina, dia voatendry ho « Directeur du Patrimoine. »
  • IV- FANAFOANANA:

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra

    • Foana ny didim-panjakana laharana 2019-734 ny 17 aprily 2019 nanendry ny Tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny minisitera.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana laharana 2019-715 ny 11 aprily 2019 nanendry ny « Coordonnatrice Nationale de la Cellule Promotion Volontariat ».

Natao androany faha 11 Martsa 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana