FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA - ALAROBIA 13 NOVAMBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Nomena alalana vonjy maika mandritra ny 3 volana ny fividianana solika anivon’ny Jirama handefa hoan’ireo toeram-pamokarana Jiro

    Araky ny fangatahan’ny ministeran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo dia nomen’ny Filankevitry ny Minisitra alalana manokana ny Jirama ho afaka mividy solika tsy mandalo ny tsenam-barotra mandritra ny 03 volana hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2020, mandrapitsangan’ilay orinasa State Procurement of Madagascar, S.A hanafatra solika mivantana. Ireo solika ireo dia tsy tokony hihoatra ny 63.603m3 ho an’ny Fuel ary 21.487 m3 ho an’ny Gasoil mandritra ireo fe-potoana voalaza ireo.

    Voaresaka manokana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny mikasika ny Jirama sy ny vahaolana hoentin’ny fitondram-panjakana hitsinjovana ny mpanjifa izay noho ny fivoaran’ny toetrandro dia manjifa mihoatra noho ny tanjaky ny herinaratra zakan’ny fitaovana misy izay efa tena antitra tokoa ankehitriny. Hisy ny laharana maintso ahafahana mamonjy ny mpanjifa sy mifampizara vaovao raha toa ka misy ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra iray ahafahana mijery sy manamboatra ireo toerana misy fahatapahana.

    Hojerena manokana ny mikasika ny rano izay tsy ampy intsony noho ny fahamaroan’ny fitombon’ny mponina ka hisy ny fanapahan-kevitra entitra sy mahavonjy ny rehetra.

    Miisa 5 ireo solon-tenan’ny fitondrana Malagasy hiatrika ny fifampidinihana amin’ny Frantsay mikasika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny ranomasimbe indiana

    Hodinihana amin’ny alatsinainy 18 Novembra etsy amin’ny lapa etsy Andafiavaratra, miaraka amin’ny solotenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy aty amin’ny ranomasimbe indiana ka olona 05 no hisolontena ny fitondram-panjakana Malagasy. Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona, izay ahitana an’ireto olona manaraka ireto : Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny akademia malagasy izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany, Le Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, Capitaine de Vaisseau Jean Edmond Randrianantenaina, tale Jeneralin’ny APMF, Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikana any amin’ny Oniversite ny Suisse, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika. Fotoana izao hanehoana ny firaisam-pirenena fa adidy iaraha-manana no famerenana amintsika ireo Nosy Malagasy ato amin’ny ranomasimbe indiana.

  • II- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy :

    • Ramatoa Raparson Sarah Lila Ida, dia voatendry ho mpitantana vonjy maika ny Secrétariat Exécutif ny Fonds Routier mandra-pivalin’ny tolotrasa nalefa amin’ny handraisana izay hisahana ny andraikitry ny Secrétaire Exécutif du Fonds Routiers.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    • Atoa Jean Baptiste Olivier, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny OMH

     

Natao androany 13 novambra 2019,

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana