TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 08 mey 2024

 

Notanterahina tamin’ny alalan’ny fampitan-davitra ny Filan-kevitry ny Minisitra androany Alarobia 08 mey 2024, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izay voaasa manokana mandray anjara amin’ny kongresy AIM any Abu Dhabi. Natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony izany Filan-kevitry ny Minisitra nampitain-davitra izany

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FOLOALINDAHY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana entina hikojakojana sy hanatsarana ny tanjak’ireo fiaramanidin’ny Tafika malagasy. Voakasik’izany ny angidimby H130, ny angidimby AS350 B2 sy ny fiaramanidina CESSNA.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ara informatika ho fanamasifana ny fahaiza-manao ho an’ireo sekoly miaramila sy ireo fitaleavana ary sampan-draharaha eo anivon’ny minisitera.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tari-dalana sy ny politikam-pampiasam-bolan’ny Fonds Souverain Malagasy (FSM).

    Araka ny lalàna mamaritra ny fananganana ny FSM dia misy vina sy tari-dalana entin'ny filankevi-pitantanana hitondrana izany rafitra izany dia fametrahana azy ho fanoitra ho an'ny fampandrosoana an'i Madagasikara, ny fahafahany manangana tahirim-bola ho an'ny taranaka fara mandimby, ny fahafahany mameno ny banga eo amin’ny renivola ampiasaina amin'ireo tetikasam-pampandrosoana laharam-pahamehana izay tena mipàka mivantana amin’ny vahoaka malagasy. Tanjona napetraky ny FSM araka izany ny fanaovana fampiasam-bola mitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an'ny vahoaka, ny fametrahana rafi-pitantanana mangarahara manaraka ny fenitra mitovy amin’ny maneran-tany ary ny fampitomboana ny fandraisana anjara amin'ireo tetikasam-panjakana laharam-pahamehana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany fa tsy maintsy mifanaraka amin'ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ireo tetikasa ireo ary ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany no mamaritra ny programa sy asa hampiasam-bola eo anivon’ny FSM.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Mba ho fanatrarana ny tanjon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana sy fampanarahana fenitra ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara dia maro ny fiaraha-miasa misy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsokajiny indrindra ny avy any ivelany. Izany no votoatin’ireto fankatoavana manaraka ireto.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo entana miisa 52, fanomezana avy amin’ny UNICEF, ahitana fanafody sy fitaovana entina hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fandrindram-piterahana TRICLOFEM sy SYRINGUES, fanomezana avy amin’ny UNFPA.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ANALYZER ULTRAMAK avy amin’ny Unité de Coordination des Projets (UCP)

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Efa mandroso tokoa ny asa fametrahana ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika momba ny fitaterana an-dalamby an-drenivohitra na “Train Urbain” eto Antananarivo. Araka izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakojan’ny lalam-by.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka ny fandrefesana ny tahirim-bola arafitra ho an’ny taranaka any aoriana avy amin’ny Fonds Souverain Malagasy S.A.

    Araka ny voalazan’ny andininy faha-6 amin’ny lalàna 2021-024 tamin’ny 29 septambra 2021 mifehy ny Fonds Souverain Malagasy S.A dia tafiditra ao anatin’ny sori-dàlana tsy maintsy tanterahina ny fananganana tahirim-bola ho an’ny taranaka fara mandimby. Io tahirim-bola io dia nankatoavina fa ho 15% ny vokatry ny taom-pikatrohana ary apetraka ao amina kaonty manokana ao amin’ny Banky Foibe. Tsy azon’ny Fanjakana atao ny mampiasa io tahirim-bola io mandritra ny 10 taona voalohany hipetrahany ao amin’ny kaonty io. Aorian’io vanim-potoana io kosa dia azon’ny Fanjakana atao ny mampiasa azy raha misy hamehana tsy maintsy ilana izany. Tsy tokony hihoatra ny 15%-ny tahirim-bola voaangona kosa anefa no azon’ny fanjakana ampiasaina amin’izay fotoana izay.

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Tamin’ny fidinana ifotony izay notanterahin’ny Filohan’ny Repoblika tany amin’ny Faritra Analanjirofo herinandro vitsy lasa izay dia nanome toky ny vahoaka tany an-toerana ny Filoha Andry RAJOELINA fa hanao ny fandalinana rehetra amin’ny alalan’ny Minisitera amin’ny ahafahana mamaly ny fangatahan’izy ireo hanova ny laharan’ny Kaominina Soanierana Ivongo.

    Araka izany dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra didim-panjakana manitsy ny tovana faharoa amin’ny didim-panjakana laharana faha 2015-592 tamin’ny 01 avrily 2015 manova ny filaharan’ny kaominina Soanierana Ivongo, Distrikan’i Soanierana Ivongo, Faritra Analanjirofo ho kaominina ambonivohitra.

    Efa mahafeno ny fepetra rehetra ho kaominina ambonivohitra sokajy faharoa i Soanierana Ivongo eo amin’ny lafiny velaran-tany sy ny isan’ny mponina ao aminy ary ny loharanon-karena ao aminy toy ny jono, ny fiompiana sy ny varotra. Ampy ihany koa ny loharanon-ketra tokony hampiaina ity kaominina ity. Ny fampiakarana ny kaominin’i Soanierana Ivongo ho kaominina ambonivohitra dia hanatsara ny fitantanana ao antoerana sy ny tolotra omena ny mponina ary koa hanintona ireo mpampiasa vola ka hampiroborobo ny toekarena ary hamorona asa.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-560 tamin'ny 20 avrily 2022 manendry ny Commissaire de Police RAWILLY Michel, Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Melaky.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-597 tamin'ny 27 avrily 2022 manendry ny Contrôleur Général de Police N’DIAYE Jean Meambly Tidahy, ho « Directeur de la Police Judiciaire».

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIAMARONONY RAZANAKA Jean Laurent, ho Talem-paritry ny fizahantany sy asa tanana Amoron’i Mania.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1130 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOZAFIMANANTSOA Tovoherindrainy Nomenjanahary ho Talem-paritry ny fizahantany sy asa tanana Menabe.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-683 tamin'ny 15 avrily 2015 ary manendry an'Andriamatoa VANOMARO Tombo Elson Joëlinet, ho Sekretera Mpanatanteraka mpisolo toerana ny “Agence de Développement de l’Electrification Rurale” (ADER).

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-853 tamin’ny 05 Jolay 2023 ary manendry an'Andriamatoa HERINDRAINY Audiat Miller, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana Atsimo Andrefana.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1048 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAONISON Ria, ho Talem-paritry ny harena an-kibon'ny tany Atsimo Andrefana.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1255 tamin'ny 6 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAMAMONJISOA Mbola Tina Nantenaina, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Itasy.
  • III - FANAFOANANA

    Misy amin’ireo kandidà nilatsaka ho fidina solombavam-bahoakan’i Madagasikara no mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Ho fanarahana ny lalàna mifehy ny fifidianana anefa dia nametra-pialana izy ireo taorian’ny namoahan’ny CENI ny lisitr’ireo kandidà rehetra voatana nahafeno ny fepetra notakiana. Araka izany dia miara-ankatoavina eto amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo fametra-pialana voaray teny anivon’ny minisitera tsirairay avy.

    MINISTERAN'NY FITSARANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 366 tamin'ny 31 marsa 2021 nanendry ny Sekretera Jeneraly.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-426 tamin’ny 19 avrily 2023 nanendry ny Kaonsily Jeneralin’i Madagasikara ao la Réunion

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-602 tamin'ny 13 marsa 2024 nanendry ny « Directeur des Études du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes » (BNGRC).

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-563 tamin’ny 20 avrily 2022 nanendry ny Filohan’ny oniversiten’i Toliara.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1498 tamin'ny 02 novambra 2022 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Alaotra Mangoro.

    MINISITERAN'NY MPONINA SY NY FIRAISAN-KINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2024-210 tamin'ny 07 febroary 2024 nanendry ny “Directeur des Ressources Humaines”
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-733 tamin’ny 19 avrily 2019 nanendry ny Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Analamanga
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-615 tamin’ny 01 avrily 2015 nanendry ny Talem-paritry ny mponina sy ny firaisan-kina Melaky

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1002 tamin’ny 06 jolay 2022 nanendry ny Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Analamanga
  •  

 

Natao ny faha 08 mey 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika