TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 24 avrily 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 24 avrily 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Manoloana ny fiaraha-miasa maharitra izay misy eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblika entim-bahoaka an’i Sina dia nanome safidy malalaka an’i Madagasikara izy ireo mikasika ny trano izay misy ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana.

    Anisan'ireo firenena nosinganin'ny firenena sinoa hahazo toerana hananganana masoivoho ao amin’ny faritra ara-diplomatika faha-efatra (4ème quartier diplomatique) hatsangana ao Beijing i Madagasikara ka afaka mividy tany sy manorina trano ao, na koa manofa amin’ny firenena sinoa.

    Azon’i Madagasikara atao koa nefa ny misafidy hijanona eo amin’ny toerana efa misy ny Masoivohon'i Madagasikara amin'izao fotoana izao ao amin'ny faritra ara-diplaomatika ao Sanlitun ao amin’ny Distrikan'i Chaoyang. Noho izany, nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fitazonana ny toerana misy ny Masoivohon'i Madagasikara amin'izao fotoana izao.

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny dian'ireo iraky ny Fanjakana Malagasy tany Rabat, Maroc ny faha 13 hatramin’ny faha 20 avrily 2024 lasa teo ho fanomanana ny fametrahana ny Masoivohon'i Madagasikara any an-toerana. Toarian'ny fihaonan'ny delegasiona malagasy, izay nahitana solon-tena avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, tamin'ny Tale Jeneralin'ny "Agence Marocaine de la Coopération internationale (AMCI), dia nanambara ity farany fa ny Fanjakana Marokana dia vonona ny hamatsy vola ny fametrahana ity Masoivohon'i Madagasikara ao Rabat ity. Tafiditra ao anatin’izany famatsiam-bola izany ny hofan'ny trano sy ny fampandehanana izany masoivoho izany ary ny fampitaovana azy. Ny dingana manaraka andrasana amin’ny Fanjakana Malagasy araka izany dia fandefasana naoty milaza ny toerana nosafidiana hametrahana ilay Masoivoho sy ny fanendrena ny Ambasadaoron’i Madagasikara any an-toerana.

    Nanararoatra ny dia, nanao jery todika ireo fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa ireto iraky ny Fanjakana Malagasy ireto nandritra ny dian'izy ireo tany Maroc. Fantatra araka izany fa miomana hanao fitsidihana ofisialy eto Madagasikara ny mpanjakan’i Maroc ary mandritra izany fitsidihana izany no hanaovan-tsonia ireo fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny firenena roa tonta.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY + MINISITERAN'NY ATITANY + MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamindrana ny tany TN° 1113-I, mirefy 50A-25Ca ao amin’ny Fokontany Moramanga Ambony, Kaominina Ambony Ambonivohitry Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, ho an'ny Minisiteran’ny Foloalindahy. Io tany io, izay nananganana ny trano handraisana an-tanana ireo beantitra sy ireo mpiady tia Tanindrazana tamin'ny 1947 dia misy ampahany misoratra amin’ny Minisitera ny Atitany sy amin’ny Minisiteran'ny Asa vaventy. Koa mba hampanara-dalàna ny taratasin-tany no ilana izao famindrana izao. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia hisy fitsaboana sy fitsirihana ara-pahasalamana maimaim-poana matetika ao ho an’ny beantitra.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana lavanty misy fepetra ireo fiara tsy nahazoana famotsorana haba mipetraka ao amin’ny seranantsambon'i Toamasina.

    Miisa 300 eo ireo fiara miangona ao an-toerana izay manohitohina ny fivezivezena eo anivon’izany seranantsambo izany. Ny ankamaroany dia fiara eo an-kavanana ny familiana na nipetraka tao an-taonany maro. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandravana sy fanapahana ireo fiara ireo ao amin’ny seranantsambon'i Toamasina ihany, ary ny hanaovana izany lavanty misy fepetra.

    Mba hialana amin'ny mety hanambarana indray ireo kojakoja noravana ireo (pièces détachées) dia ho tapaha ny "chassis" misy laharana hamantarana azy, esorina ny takelaky ny nanamboatra ny fiara (plaques constructeurs). Ny nahazo ny lavanty no mandray an-tanana ny saran'ny fandravana sy fanapahana izay atao eo ambany fanaraha-mason’ny sampan-draharahan'ny fandintseranana sy ireo sampan-draharaha teknika voakasika ary koa ny DGSR. Misy lalàna mazava mifehy ary komity manokana mikarakara io lavanty io, anatin’izany indrindra ny fampahafantarana amin’ny daholobe amin’ny alalan’ny haino vaky jery isan-tsokajiny mba tsy hisian’ny kitrano-antrano fa afaka handray anjara malalaka izay te-hanao izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny aterineto sy radio ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), fanomezan'ny norveziana izay mitentina 8646,10 Euro. Marihina fa fanafoanana no nangatahan’izy ireo fa kosa fandraisan’ny Fanjakana an-tanana no azo atao.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haba amin’ny fanafarana milina fitrohana fako ho an'ny tetikasa fanitarana ny Périmètre Bas Mangoky (PEPBM). Tsara ny mampatsiahy fa ny fanitarana ny faritr’i Bas Mangoky dia anisan’ny tetikasa goavana hoentin’ny fitondram-panjakana hanampy betsaka ireo tantsaha amin’ny famokarana vary ary hitondra an’i Madagasikara amin’ny lalana makany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Anisan’ny vaindohan-draharaha araka izany ny fahatongavan’io milina io ao Toamasina ankehitriny.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohan'ny hetsika "grand rattrapage des enfants zéro dose et sous vaccinés".

    Miisa 1,2 tapitrisa ankehitriny ny zaza 12 hatramin’ny 59 volana no tsy nanao vaksiny mihitsy na "zéro dose" eto Madagasikara. Anisan'ny fanamby napetraky ny Paikady nasionaly momba ny fanaovam-baksiny 2023-2027 na “Stratégie Nationale de Vaccination 2023-2027” ny hanaovana vaksiny ny 80% ireo zaza ireo hatramin’ny taona 2025. Ity hetsika ity moa dia efa nahazo fanohanan'ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola indrindra fa ny GAVI izay handray an-tanana ny famatsiana ireo vaksiny.

    Ity hetsika ity moa dia mifanindran-dalana amin'ny tarigetra napetraky ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA, izay reny mpiahy ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara, ny hanaovana ny taona 2024 ho taonan'ny fanaovam-baksiny. Hatomboka amin’ny fomba ofisialy ao Antanimenabe ny hetsika "Grand Rattrapage" ny 26 avrily 2024 miaraka amin’ny fanamarihana ny faha dimampolo taonan'ny Herinandro Afrikana ho an'ny fanaovam-baksiny (Semaine Africaine de la Vaccination - SAV). Hiantomboka amin'io fotoana io ihany koa ny fandalovan'ny "Activité de Vaccination Intensive Intégrée" ho an'ity taona ity, izay haharitra dimy andro manerana ireo distrika ara-pahasalamana 114.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana Levonorgestrel, ho an’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka avy amin'ny UNFPA, ao anatin’ny fanatanterahana ny programam-panjakana mikasika ny fandrindram-piterahana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiara vonjy aina na ambulances miisa 20 azo avy amin’ny famatsiam-bolan'ny BADEA izay nafaran'ny "l’Unité de Coordination des Projets"

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiara tsy mataho-dalana ho an'ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, nafaran'ny Unité de Coordination des Projets

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fiara vaventy miisa roa ho an'ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka nafaran'ny "Unité de Coordination des Projets".

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo «Fridge TAG» avy amin'ny l’UNICEF, hampiasain’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fitaterana sy fitahirizana ny vaksiny.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny famerenana ny fifamezivezena eo amin’ny lalam-pirenena faha-enina sy faha-dimy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza GAMANE farany teo izay nanimba fotodrafitrasam-pifandraisana maro.

    EO AMIN’NY LALAM-PIRENENA FAHA ENINA (RN6)

    - EO IFASY I, IFASY Il ary MAHAVAVY:

    Misy fivilian-dalana na “déviation » napetraka eo anelanelan’ny PK 537+109 hatramin’ny PK 537+327 izay hisokatra vantany vao vita.

    Hisy “passages à gué” izay hatao ho fiviliana maharitra eo IFASY Il sy MAHAVAVY (PK 568+000, OA 47Bis) ao anatin’ny roa volana sy tapany.

    Efa nanomboka ny asa fanamboarana izay ny orinasa Colas no miandraikitra azy. Nangataka kosa ny orinasa ny mba hanohanan’ny Governemanta ny famatsiana solika eo Ankify amin’ny alalan’ny Logistique Pétrolière - LPSA.

    Mba hamerenana vonjy maika ny fifamezivezena nefa dia hametrahana ireo Bacs eo IFASY II sy MAHAVAVY

    - Eo IFASY Il sy MAHAVAVY

    Lalana miisa telo amin’ireo sivy tapaka no efa azo hivezivezena ankehitriny, indrindra eo amin’ny:

    PK 541 + 630, OH 184 ; sy PK 541 +751,OA 41; ary PK 544 + 650, OH 193. Ny enina ambony dia efa an-dalam-panamboarana.

    Efa niverina azo ampiasan’ny fiara rehetra kosa eo anelanelan’Ambondromamy PK 00 hatrany IFASY PK 37+109 sy eo anelanelan’Ambilobe sy Antsiranana.

    EO AMIN’NY LALAM-PIRENENA FAHA-DIMY (RN5A)

    - Eo Ambilobe sy Vohémar

    Ankoatra ny fihotsahan’ny tany sy ny fahavakisan’ny arabe dia nisy fahatapahana telo lehibe no voamarika dia ny :

    - PK 99+000, ny tetezan’i Manankolana izay nametrahana pont modulaire ary efa niasa tamin’ny 10 avrily 2024.

    - PK 79+900, tetezana Befarafara, izay nasiana fanampenana teo amin’ny antsasaky ny lalana

    - Teo amin’ny PK 67+700, tetezan’i Tenanimadiro izay nametrahana pont modulaire amin’ny ilany Ambilobe sy fanotofana tany amin’ny ilany fivoahana Vohemar.

    Nanaiky ny hanarina tanteraka ireo simba amin’iny ampahany Ambilobe Vohemar ny orinasa CRBC araka ny toromarika efa nomen’Andriamatoa Praiminisitra nandritra ny fivoriana natao tany Ambilobe.

    - Eo Vohemar sy Sambava

    Sakana lehibe telo (3) voamarika teo amin’ity ampahan-dalana ity, indrindra amin'ny:

    - PK 173+000 - Tetezan'i Manambery: efa miroso ankehitriny ny dingana hitaterana milina lehibe. Mandra-piandry izany dia noferana ho 5 taonina ny lanjan’ireo fiara mahazo mandalo amin’ity tetezana ity. Tsy afaka ny hijanona amin’izay famerana izay nefa fa efa eo am-pitadiavana mpiara-miasa ny fitaovana (grue) ahafahana mibata ny tetezana voakisaka ny Minisitera. Tena mampanano sarotra ny fitaterana solika tokoa mantsy izao famerana izao.

    - PK 172+800, ao amin’ny fokontany Manambery izay nametrahana fivilian-dalana vonjy maika

    - PK 207+500- Tetezana Ampasimbelo: asa fiarovana sy fanotofana natao teo amin’ny fidirana amin’ny Tetezana.

    Efa vita ny 14 avrily teo ireo asa fanamafisan-dalana eo amin’ireo lalana ireo mba hahafahan’ny fivilian-dalana sy ny tetezana mahazaka ireo fiara rehetra na fiara vaventy aza.

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny asa fanajariana ny Boulevard Ratsimilaho eo anelanelan'ny PK 0+000 hatramin'ny PK 1+600 ao amin’ny kaominina Ambonivohitry Toamasina. Marihina fa tsenam-baro-panjakana nisokatra ary tokony nifarana tamin’ny taona 2021 izy ity fa nikatso ny asa ary izao indray ny Minisitera vao hamerina hanohy ny asa taorian’ny Filan-kevitry ny Minisitra natao farany teo tany Toamasina.

    Nisy araka izany ny fifanarahana (négociation) natao tamin’ny orinasal SMATP mba tsy hampitomboana ny tetibola izay efa nifanekena tamin’ny taona 2021 na dia efa misy fahasimbana ary ny asa izay efa natomboka fa tsy vita.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra hanaovana asa fampidirana rano maika ao amin’ny kaominina ambanivohitra Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Tsy maharaka intsony ny filàn'ny mponina ny famatsian-drano ao amin'ity kaominina ity noho ny fahanteran'ny fantson-dranon'ny JIRAMA sy ny fahaverezan'ny rano. Apetraka ao an-toerana araka izany ny fampidirana rano fisotro madio (AEP). Hisy ihany koa ny tetikasa izay hahafahana mamatsy rano mponina miisa hatramin’ny 61 300 sy hanondraka tanimbary 320 Ha izay ho tanterahin'ny minisitera. Noho ny hamehana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny hanaovana tolo-bidy misokatra ao anatin'ny 15 andro.

    Manoloana ny olana mikasika ny rano izay sedrain’ny vahoaka ankehitriny – indrindra amin’ny tanàna sasany eto an-drenivohitra dia nasaina manokana hanatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Teknisianina eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, izay mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara eo amin’ny tetikasa mikasika ny rano.

    Nanamarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy ahitana vahaolana vonjimaika aingana ary vahaolana maharitra indrindra ny toe-draharaha.

    Araka izany dia mila mametraka mazava tsara ny politikan’ny rano manerana an’i Madagasikara ny Minisitera.

    Ny mikasika ny eto Antananarivo Renivohitra dia miankina tanteraka amin’ny famokarana eo Mandroseza ankehitriny ary tsy maintsy hampiana izany satria tena hita fa tsy maharaka. Etsy an-daniny koa nefa ny orinasa JIRAMA dia mbola ahitana fahasimbana (panne) matetika.

    Ny teknisianina manokan’ny Banky iraisam-pirenena mikasika ny rano dia nanazava ireo “études” izay efa natao mikasika ny rano (eaux de surface et eaux souterainnes) ka misy asa afaka atomboka dieny izao tahaka ny fanamboarana ireo « surpresseurs » mba hisian’ny « pompes de secours », na koa ny fampitomboana ny fahafahana manangon-drano eny Faralaza sy Vontovorona. Ny fantsona fanaparitahana ny rano ihany koa dia mila fanamboarana sy fanaraha-maso akaiky. Farany, misy “station de captage” vaovao izay tsy maintsy ho aorina ao anatin’ny tetikasa PAEP izay iarahana miasa amin’ny Banky iraisam-pirenena.

    Hitohy ny fifanakalozana eo amin’ny minisitera sy ny teknisianina isan-tsokajiny ary hanatanteraka fivoriana manokana mikasika ny rano amin’ny herinandro ahafahana mandray izay fanapahan-kevitra tokony raisina.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisana ny Africa Cup Fiba basket-ball 3x3 eto Antananarivo, ny 29 novambra hatramin'ny 1 desambra 2024 ao amin’ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanekena ara-bola ho fanarenana ireo tambin-karaman'ny BAREA A.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana manokana hanitsiana ny famindram-bola mifanaraka amin'ny fandraisan’anjaran'i Madagasikara amin'ireo fifaninana sy lalao iraisam-pirenena sy ny fandraisana an-tanana ireo hetsika laharam-pahamehana ho an'ny tanora. Anisan'izany ny Tsenaben'ny Tanora, fanofanana ireo mpanentana sy mpampiofana ao amin’ireo "ecoles sportives" mba hahafahana mampiasa ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena manara-penitra sy ho fanomanana ireo taniketsan'ny fanatanjahantena ao Betafo, Morondava, Mahajanga I sy Toamasina I. Eo ihany koa ny fanamafisana ny traikefan'ireo tanora tantsaha mpitarika 850 eo amin’ny lafiny fandraharahana sy ara teknika. Izany no atao mba hanehoana fa tena vonona hatrany hanampy ny atleta sy ny tanora ny fitondram-panjakana ka tokony arahina maso tsara ireny tetikasa sy fanampiana isan-tsokajiny ireny mba tena hipaka tokoa any amin’izy ireo.

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitra Delege miadidy ny Zandarimariam-pirenena tao amin’ny Distrikan'Anjozorobe sy Ankazobe niaraka tamin’ny Praiministra izay lehiben’ny OMC nasionaly. Namafisina ny tetikasa HARATO 2, nisy ny fanamafisana ihany koa ny andrimasom-pokonolona.

  • II - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONDRASOA Annie Franckline, ho Governora mpisolo toerana Faritra Ihorombe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa BEMAHEFA Gervais, ho Governora mpisolo toerana Faritra Atsinanana.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-529 tamin'ny 27 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RASITEFANOELINA Haingotiana, ho "Directeur d’Appui au Système d’Etat Civil"

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-559 tamin'ny 20 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RABENANDRASANA Jean Marcel, ho "Directeur de la Police Economique"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-599 tamin'ny 27 avrily 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police BEN HOUSSEN Evariste, ho "Directeur de la Programmation, du Suivi et de l’Evaluation".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-088 tamin'ny 01 febroary 2023 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Simon, ho "Directeur des Enquêtes Internes"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1367 tamin'ny 11 oktobra 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police TOMBO Jacky, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Fitovinany.

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-338 tamin'ny 07 marsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAMANANA Sylvia, ho "Secrétaire Général de la Commission Nationale Malgache pour l’UNESCO".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1436 tamin'ny 04 novambra 2020 an'Andriamatoa RAKOTONIAINA Roger, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana Alaotra Mangoro.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-478 tamin'ny 28 avrily 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOSOA Solo Mandimbihery, ho “Directeur par intérim de l’Unité d’Evaluation des Acquis Scolaires” (UEAS).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1113 tamin'ny 08 septambra 2023 ary manendry an'Andriamatoa FIANGOA Manapoke Judith, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana Menabe.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ZAFINDRAVOLONY Gasparin Martial, ho Talem-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Vatovavy

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA SY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1177 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOVAO Vonjinirina Todisoa, "Directeur du Travail et de la Promotion des Droits Fondamentaux"

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-303 tamin'ny 07 marsa 2019 ary manendry ny Général de Brigade MIANDRISOA Olivier, ho "Directeur Administratif et Financier de la Direction Générale de la Sécurité Routière"

     

  • III - FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1867 tamin'ny 25 septambra 2019 nanendry ny Governora Faritra Itasy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana manendry ny Governora Faritra Vatovavy.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-902 tamin'ny 01 aogositra 2018 nanendry ny "Directeur Général des Réformes Administratives"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1191 tamin'ny 06 jona 2019 nanendry ny "Directeur de l’Accréditation et de l’Assurance Qualité"

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0847 tamin'ny 24 avrily 2019 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Sava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0846 tamin'ny 24 avrily 2019 nanendry ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Menab
  • IV - SAMIHAFA

    Taorian’ny fitsidihana izay notanterahan’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ary ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta tany amin’ny Faritra Atsianana sy Analanjirofo lasa teo, dia niditra an-tsehatra avy hatrany ireo minisitera voakasika.

    Momba ny fanadiovana ny lakandranon’ny Pangalana dia hita fa misy ireo orinasa izay manary ireo loto azo avy amin’ny akoranafo (pollution d’hydrocarbures) amin’iny lakandrano iny. Eo ihany koa ireo loto izay arian’ny mponina manodidina ka manentsina ny lakandrano sy manakana ny fivoahan’ny rano. Nisy avy hatrany moa ny fidinana ifotony izay nataon’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy Fandrosoana Lovain-jafy tany an-toerana taorian’ny fitsidihana nataon’ny Filohan’ny Repoblika ka ho raisina ny fepetra mikasika izany.

    Nitsidika ireo toby fandajana (station de pesage) ihany koa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ary hita fa tsy miasa mihitsy izy ireny. Noraisina araka izany ny fepetra fa ny toby fandanjana ao Maevatanana dia hafindra any Toamasina ary ny eo Ambohimalaza kosa dia halefa any Maevatana. Herinandro eo no fe-potoana hanaovana ny famindrana rehetra ka ho hentitra ny fanaraha-maso azy ireo. Hita tokoa mantsy fa ny tsy fanarahana ny fetran’ny lanjan’ireo fiara fitaterana no anisan’ny tena mahasimba ireo lalam-pirenena ireo.

     

 

Natao ny faha-24 Avril 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika