TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia faha-27 Marsa 2024, Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-27 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Mialohan’ny nandinihana ny laha-dinika efa voaomana dia nitondra resaka manokana mikasika ny voina mianjady amin’ny mpiray tanindrazana any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy, noho ny fandalovan’ny rivodoza GAMANE ny Filan-kevitry ny Minisitra notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA. Mahatsiaro sy miombom-po tanteraka manoloana izao loza voajanahary mahazo ny vahoaka any an-toerana izao ny Fitondram-panjakana, ary mankahery azy ireo ihany koa. Nanome toromarika hentitra Andriamatoa Filoha fa tsy maintsy eo anilan’ny vahoaka malagasy hatrany ny Fitondram-panjakana indrindra ao anatin’izao fahavoazana izao, napetraka ny fandaminana amin’ny fandefasana ny fanampiana vonjy aina rehetra, amin’ny alalan’ny fitaterana an’habakabaka ao anatin’ny 24 ora ho avy arakaraky ny fahafahan’ny fiaramanidina misidina noho ny toetrandro. Torak’izany koa ny tsy maintsy handehanan’ireo mpikambana ao anaty governemanta any an-toerana mifanome tanana amin’ireo tompon’andraikitra efa any. Napetraka ny lamina rehetra amin’ny fanavotana ireo mpiray tanindrazana mbola dibo-drano, sy ny famindràna azy ireny amin’ny toerana avo efa natokana handraisana ireo traboina, miaraka amin’ny Foloalindahy, ny Minisiteran’ny ati-tany ary ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny ambana sy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Nanome toromarika manokana ihany koa Andriamatoa Filoha mba hojerena faran’izay haingana ny hahafahana mamerina ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) mampitohy an’Ambilobe-Vohémar, satria tapaka ny tetezana ao Daraina.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Koa satria hifarana amin’ny 04 avrily 2024 ho avy izao ny 100 andro voalohany nitondran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, dia miroso amin’ny fampahafantarana ny vokatry ny asany tao anatin’izay fe-potoana izay ny Minisitera tsirairay avy. Natao tamin’ny alalan’ny horonan-tsary moa ny fampahafantarana, ka nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra androany dia anjaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no niroso tamin’ny fanehoana ny jery todika ny asa vitany. Marihana fa halefa ho hitan’ny vahoaka malagasy amin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana tsirairay avy ireo horonan-tsary mirakitra ny zava-bita isaky ny Minisitera ho fanamarihana ny fahavitan’izay 100 andro voalohany izay.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana ny taratasy fangatahana famatsiam-bola (requête de financement) halefa any amin’ny Banky Arabo ho an’ny Fampandrosoana Ara-toekarena aty Afrika (BADEA) mikasika ny tetikasa fitantanana ny ambana ara-pambolena mba hisian’ny fampandrosoana sy ny fahafaha-miatrika eto Madagasikara (Gestion des Risques Agricoles pour la Croissance Inclusive et la Résilience - GRACIR).

    Madagasikara dia anisan’ny mizaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro, ka mila manana Tetikasa haharitra 8 taona, ary hisy fizarany ara-teknika telo, dia ny fanamafisana ny famokarana masomboly sy ny fahafaha-mamokatra amin’ny ankapobeny, ny fanamafisana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fambolena, ary ny fametrahana tontolo manome vahana ny fitantanana mahomby ny ambana sy ny fanohanana izay sehatra izay ny GRACIR. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny tahirina masomboly sy hanam-pamokarana, izany hoe raha sendra misy ny loza manambana na mihatra amin’ny fambolena dia mba efa manana tahiry ahafahany miatrika izany ny sehatry ny fambolena. Eo amin’ny manodidina ny 70 ka hatramin’ny 100 tapitrisa dolara amerikana ny famatsiam-bola mety ho azo, ary hahakasika tokantrano miisa 300.000 afaka hisitraka azy, any amin’ny Faritra Atsimo sy ny Atsimo-Atsinanan’i Madagasikara ary Amoron’i Mania.

    MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FIRAISANKINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tetikasa haratonaina « filets de sécurité et de résilience-FSR » hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola toy ny Banky Iraisam-pirenena. Raha tsiahivina dia efa ao anatin’ny dingana famaranana azy ny tetikasa haratonaina « Filets sociaux de sécurité- FSS » nanomboka ny taona 2016, tao anatin’izany ny « Vatsin’ankohonana » sy ny « Fiavota », ny haratonaina ambonivohitra « Mijoro » sy « Milofo », ny « Asa Vonjy Voina » sy « Tosika Fameno », izay nahafahan’ny tokantrano miisa 580.000 nisitraka tamina disitrika niisa 82. Mba hanamafisana ny fiarovana ara-tsosialy ny hanohanana ireo tokantrano tena marefo no hanaovana ity tetikasa vaovao FSR ity, izay tohin’ny tetikasa FSS teo aloha. Tokantrano marefo vaovao 281.000 no hisitraka ny tetikasa, izay amin’ny volana Avrily ho avy izao dia efa hanomboka ny fizarana ny vola hanohanana ireo tokantrano marefo ireo, hiparitaka amin’ny faritra 23.

    Ireto avy no ho fandaharanasa telo samihafa ho hita ao anatin’ny tetikasa ankapobeny FSR:

    • Fandaharanasa voalohany izay hiandraiketan’ny Tahirim-bola ho an’ny Fampandrosoana na FID : “haratonaina sy Sandatohitra” mitentina 213,9 tapitrisa USD ka hahitana ny “asa avotra mirindra”, “vatsin’ankohonana sy fiavota”, “asa vonjy voina” ary “sandatohitra sy fampiantiana ara-pamokarana”
    • Fandaharanasa faharoa izay mbola hiandraiketan’ny FID ihany : ho fanamafisana ny fitantanana, ny fanaraha-maso ary ireo andraikitra ho fiarovana ny fiarahamonina.
    • Ary ny fandaharanasa fahatelo izay hiandraiketan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina manokana : fanamafisana ny rafim-panjakana handrindra ireo asa fiahiana ny mpiara-belona.

    Mitentina 250 tapitrisa dolara amerikana ny totaliben’ny tetikasa, ary haharitra hatrany amin’ny taona 2027.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana andiany faha-2 ka hatramin’ny faha-8 ilaina amin’ny tsenan’asa famatsiana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro manana tanjaka 50 Mw ao anatin’ny tetikasa « Projet Parcs Solaires ».

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovana fandefasana vola handraisana an-tanana ny fandaniana tsy maintsy atao dia ny karama sy ny mifandraika amin’izany (transfert des charges de service public EPA) avy amin’ny tetibolan’ny Minisitera mankany amin’ny sampan-draharaha eo ambany fiahiany dia ny « Agence Routière » ho an’ny taona 2024. Nanome toromarika manokana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny hanaovana fitsirihana manokana ny sora-bola avy amin’ity sampan-draharaha ity, mba tena hifanaraka amin’izay tokony ho izy.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hampiasana ny vola entina manampy ny fitrandrahana ny zotra FCE (Fianarantsoa-Côte Est). Izany tetibola izany dia efa voafaritra mialoha ao anatin’ny Lalàna mifehy ny tetibola 2024, izay mitentina 1.000.000.000 Ariary, ka ho ampiasaina amin’ny:

    • fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny FCE
    • fandoavana ny latsakemboka ho an’ireo mpiasan’ny FCE mbola tsy voaloa any amin’ny CNAPS
    • fandoavana ny fandaniana hampiodinana ny FCE
    • ary ny fanamafisana ny fiarovana ireo fitaovana sy ny zotran-dalamby FCE mihitsy

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanasoniavana fifanaraham-pifankahazoana (mémorandum d’entente) hidirana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro, eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Repoblikan’i Turquie.

    Tafiditra ao anatin’izany fiaraha-miasa izany ny :

    • fiaraha-miasa ara-tsiansa sy ara-teknika eo amin’ny sehatry ny jono
    • fanatanterahana tetikasa iombonana eo amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny toekarena manga
    • fisorohana sy famonganana tanteraka ny jono tsy ara-dalàna, tsy nanaovana fanambarana na tsy voarindra araka ny lalàna ihany koa
    • fifanakalozana fahaiza-manao sy ny traikefa ary fanatanterahana fampiofanana eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana trondro

    Haharitra 4 taona ny fifanarahana.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra farany, nanome alalana ny fanakatonana ny Kaonsily jeneralin’i Madagasikara any Cape Town Afrika Atsimo, dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny didimpanjakana lf: 97-1270 tamin’ny 30 oktobra 1997 nanangana izany kaonsily jeneraly izany tany Johannesbourg, ka nafindra tany Cape-Town tamin’ny volana Jolay 2005. Tsiahivina fa ny Masoivohon’i Madagasikara any Prétoria no hiandraikitra ny asa rehetra nataon’ny Kaonsily aorian’izao fanakatonana azy izao.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna hankatoavana ny fifanarahan’ny Vondrona Afrikana (UA) mikasika ny fiarovana eo amin’ny aterineto (cybersécurité), ny ady amin’ny fandikan-dalàna atao amin’ny aterineto (cybercrimnalité) ary ny fiarovana ny torohay momba ny olona tsirairay avy, izay antsoina hoe « convention de Malabo », nolaniana tany Malabo Guinée Equatoriale nandritra ny fivoriana antampony ara-potoana andiany faha-23 ny Vondrona Afrikana.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana ny petrabolan’ny OMNIS ao anatin’ny renivolan’ny orinasa QMM mba ho arotsaka any amin’ny Tahirimbola « Fonds Souverain Madagascar (FSM) ». Ny antony moa dia efa niova ho ny FSM no misolotena ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny QMM raha OMNIS izany teo aloha, ho fampiharana ny andininy faha-5 amin’ny lalàna lf : 2021-024 mikasika ny fananganana ny FSM

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-831 tamin’ny 18 aogositra 2021 ary manendry ny Général de division DERA Zafindravolamananarivelo Didier, ho "Sous-Chef d’Etat-Major en charge des Opérations" ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-381 tamin'ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Général de brigade KOTO Paul, ho “Sous-Chef d’Etat-Major Emploi de l’Etat-Major de l’Armée de Terre”.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-390 tamin'ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Général de Brigade Aérienne SOLO Andrianantenaina Angelitto, ho "Sous-Chef d’Etat-Major en charge de la Planification de l’Etat-Major des Armées".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-638 tamin'ny 24 jona 2020 ary manendry ny Général de brigade RAKOTONANDRASANA René Bruno, ho "Major Général de l’Armée de Terre de l’Etat-Major de l’Armée de Terre".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-219 tamin'ny 09 marsa 2023 ary manendry ny Général de division RAJAONARISON Volamanana Mamiarivelo, ho Tale Jeneralin'ny "Planification Stratégique".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-220 tamin'ny 09 marsa 2023 ary manendry ny Médecin Général de brigade RATOVONDRAINY Willy, ho Tale Jeneralin'ny "Centre Hospitalier de Soavinandriana".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-567 tamin'ny 17 may 2023 ary manendry ny Médecin Colonel MIANDRISOA Rija Mikhaël, ho Tale Jeneraly Lefitry ny "Centre Hospitalier de Soavinandriana"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-935 tamin'ny 03 may 2019 ary manendry ny Général de brigade ANDRIAMASINORO Fanjanirina, ho "Directeur Administratif et Financier du Centre Hospitalier de Soavinandriana".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-519 tamin'ny 10 may 2023 ary manendry ny Médecin Colonel RANDRIANTSARA Iharijaona Joe, ho Tale Tekinikan'ny "Centre Hospitalier de Soavinandriana".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1030 tamin'ny 22 may 2019 ary manendry ny Général de division RANDRIAMIARAMANANA Hery Emma René, ho Talen'ny Ozinina Miaramila Moramanga.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANARISOA Lanja, ho "Directeur des Programmes et du Suivi au sein du Fonds de Développement Local"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABODOMALALA Miangaly Domoina Oelintsoa, ho Tale Jeneralin'ny fanajariana ny tany.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa BEVAZAHA Marie Annick, ho Governora mpisolo toerana ao Analanjirofo
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SABIRE Jérôme, ho Governora mpisolo toerana ao Betsiboka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANAKIRAHINA Jean Noël, ho Governora mpisolo toerana ao Melaky
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMAROSANDRATANA Daniela, ho Governora mpisolo toerana ao Amoron’i Mania
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa SOLOFONIAINA RAJAOBELINA Aristide Gérard, ho Governora mpisolo toerana ao Atsimo Atsinanana.

    Marihina fa ireo Governora mpisolo toerana izay voatendry anio dia natao hisahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro eo anivon'ny Faritra fotsiny na koa hoe "affaires courantes".

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1624 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANDRAIBE Vincent de Paul, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Atsimo Atsinanana".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1536 tamin'ny 18 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa MARIANNE NIRINA Minosoa, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Melaky".

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1235 tamin'ny 30 septambra 2020 ary manendry ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro, ho "Directeur des Ressources Humaines"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-595 tamin'ny 27 aprily 2022 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RASOAMANANJARA Pierrette Marie Françoise, ho Directeur de la Recherche et de la Formation Continue
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-834 tamin’ny 29 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire de Police RANDRIAMANOHISOA Tovohery Hajanirina, ho "Directeur des Systèmes d’Information et des Transmissions"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-304 tamin'ny 22 marsa 2023 ary manendry an'Andriamatoa RABEHARISOA Fanomezana Hajanirina, ho "Directeur du Génie Rural" (DGR)
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-096 tamin'ny 01 febroary 2023 ary manendry an-dRamatoa Mme. ARISON Marie Ligy, ho Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Vakinankaratra
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-117 tamin'ny 21 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANAIVOSON Bleriot, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana SAVA.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1341 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAVOHITRA Donatien, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Sofia.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-645 tamin'ny 04 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMORA Gio, ho Talem-paritry fambolena sy fiompiana, Anosy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-568 tamin'ny 20 aprily 2022 ary manendry an'Andriamatoa MANANJO Roberto Helmo, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Androy.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-676 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an'Andriamatoa LAHADY Victor, ho "Directeur des Ressources Humaines"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-606 tamin'ny 27 aprily 2022 ary manendry an'Andriamatoa BELALAHY Jean Yves Evariste, ho "Directeur de l’Institut National de Promotion de la Formation"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa CHRISTOPHE Tovondraza Juliot, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa Menabe

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONDRAINIBE Vonjy, ho "Directeur de la Valorisation des Produits Touristiques".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-726 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa LAHIANDRY Manampisoa, ho Talem-paritry ny fizahantany sy ny asa tanana Anosy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-726 tamin'ny 18 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMANGALAHY Nianjason Nirina Fidiarilanto, ho Talem-paritry fizahantany sy ny asa tanana Androy.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-061 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'dRamatoa KOTOSON Miranda Louise, ho Talem-paritry fizahantany sy ny asa tanana Analanjirofo.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1566 tamin'ny 23 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIMANANA Mamy Tiana, ho "Directeur de la Police des Mines".

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-185 tamin'ny 20 febroary 2019 ary manendry an-dRamatoa MANAC Jenny Salomé, ho "Directeur des Ressources Humaines"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1376 tamin'ny 21 oktobra 2020 ary manendry an'Andriamatoa MAHATOVO Tahirisoa Tsinangàny, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières auprès de l’Office de la Radio et Télévision publique de Madagascar" (ORTM)
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANITRA Andry, ho "Directeur de la Promotion du Volontariat et de l’Animation Communautaire."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1248 tamin'ny 6 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa FENOMANA Ernest, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Androy
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-938 tamin'ny 02 aogositra 2023 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARISON Niry, ho "Conservatrice » eo anivon’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara(ORMada).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-165 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIVELO Raharisoa Jeanne, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Fitovinany.

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-044 tamin'ny 11 janoary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RABENANDRIANINA Rivosoa, ho Tale Jeneralin'ny Fandrosoana Lovain-jafy.

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1095 tamin'ny 27 jolay 2022 nanendry ny "Directeur Général de l’Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo (A.P.I.P.A)".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-941 tamin'ny 22 jona 2022 nanendry ny Tale Jeneralin'ny Sampan-draharahan'ny fananan-tany.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-989 tamin'ny 6 jolay 2022 nanendry ny "Directeur des Ressources Humaines"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-559 tamin’ny 27 may 2020 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana ambony sy Fikarohana ara-tsiansa.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1009 tamin’ny 06 jolay 2022 nanendry ny Talem-paritry ny fitaterana sy famantarana ny toetrandro ao Fitovinany.

     

 

Natao ny faha-27 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika