TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia faha-13 Marsa 2024, Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia faha-13 Marsa 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Andry RAJOELINA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary natrehin’Andriamatoa NTSAY Christian, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny asa maika tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny 100 andro voalohany amin’ny fitantanana ny firenena, ny tomban’ezaka tamin’ny asa efa vita sy ny asa mbola hatao.

    Manamarika hatrany Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa ny famahana haingana ireo olana misy sy ny fandraisana andraikitra ary mitondra fanovana miantraika mivantana amin’ny vahoaka no tanjona.

    1. Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka :

    - Tondrozotra mazava manaraka ny fivoarana ara-teknolojika sy ny haitao ara-kajy mirindra no hampiasaina amin’ny dingana arahina mikasika ny fangatahana pasipaoro sy fametrahana « guichet unique »: ny tanjona apetraka ao anatin’ny 100 andro dia ny fampiakarana hatrany amin’ny 50% ny fangatahana fotoana hanaovana pasipaoro amin’ny alalan’ny aterineto. Efa mandeha izay lamin’asa izay ankehitriny, hatreto dia efa 21,82% ny olona mila pasipaoro no efa manao ny fangatahana amin’ny aterineto. Hampihenana ny filaharam-be eny an-toerana, sy hanafoanana ny mpijirika sy mpanelanelana no tena tanjona, ka efa ao anatin’ny vina 100 andro koa ny fametrahana ny “guichet unique” mba handraisan’ny tahirimbolam-panjakana eny an-toerana ihany ny sarany aloa amin’ny fanaovana pasipaoro. Efa vita ny didim-pitondrana iraisan’ny minisitera voakasika rehetra mametraka izay “guichet unique” izay ka miroso amin’ny fanatanterahana ankehitriny.

    Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa tokony hisy fanatsarana ihany koa eny amin’ireo biraom-panjakana fandraisana ny vahoaka.

    - Fifehezana ny firongatry ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana sy filaminana antanàn-dehibe : fanamafisana ny paikady fisorohana no tena tanterahina ao anatin’ny 100 andro, ao anatin’izay dia asa fisorohana eny ifotony miisa 52.133 no kendrena hatao, ka efa 38.262 ankehitriny no vita, izany hoe 73,39%, nahafahana nampihena hatrany amin’ny 22,66% ny asa ratsy nokasaina natao tamin’ireo tanàn-dehibe ary nampiakatra hatrany amin’ny 76,60% ny tahan’ny fikirakirana ny raharaha halatra na heloka bevava hafa an-drenivohitra izay nahitam-bokatra.

    2. Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa:

    - Fitokanana ireo oniversitem-paritra Itasy sy Analanjirofo : efa vonona tanteraka ary azo tokanana ny Oniversiten’Itasy, ary hisy sampam-pianarana vaovao hosokafana dia ny fizahan-tany, ny siansa momba ny ranomasina, ary ny siansa maha-olona. Kendrena ho mpianatra hatrany amin’ny 3234 no hianatra ao. Ny Oniversiten’Analanjirofo kosa dia ho vonona tanteraka ary ho azo tokanana manomboka amin’ny faran’ity volana Marsa ity. Marihana fa maoderina sy manara-penitra ireo fotodrafitrasa vaovao ireo, ahitana tranomboky, laboratoara miisa 2, efitrano lehibe fanaovana “soutenance”, efitrano fianarana miisa 6, efitrano ara-informatika mahazaka mpianatra 40, efitrano fivoriana, efitranon’ny mpampianatra, ary birao isan-karazany. Ahitana “amphithéatre” iray lehibe, mirefy 693 m2 ary mahazaka mpianatra hatrany amin’ny 400. Farany, ny toerana fatorian’ny mpianatra (dortoir) kosa dia misy fandriana 80, kidoro 160 ary fanaka fampirimana entana 160 ihany koa. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia hisantarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanafarana ireo mpampianatra avy any ivelany, ireo Oniversite roa vaovao vao hisokatra ireo.

    Ny lalam-piofanana izay apetraka dia natao mifandraika amin’ny seha-pihariana mitarika fampandrosoana eny an-toerana. Hanampy ny tanora avy amin’ny faritra izany mba tena afaka handray andraikitra eo amin’ny faritra misy azy ary hampihena ny fandanian’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana zanaka lavitra.

    - Fanamafisana ny lentam-pahaizan’ireo mpampianatra amin’ny Oniversite: mampanao fampiofanana hanatrarana izany tanjona izany ny Minisitera ankehitriny, amin’ny lafiny ara-pedagôjika, ny fomba fampianarana, ny fanaovana tombana ny fampianarana, ny fampidirana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fampianarana, ary ny fitsipika etika sy ara-moraly. Hatreto dia mpampianatra 110 no efa vita fiofanana ho an’Itasy, 18 ho an’i Fianarantsoa, 38 ho an’Analanjirofo, izany hoe 76,14% ny tanjon’ny fampiofanana napetraka no efa tratra. Ao anatin’ny 100 andro dia mpampianatra miisa 218 no kendrena ho vita fiofanana tanteraka.

    Ny tanjona dia ny hampiakatra ny kalitaon’ny fampianarana. Noho izany dia hisantatra fiaraha-miasa amina mpampianatra avy amina oniversite avy any ivelany ary tokony mamoaka tetiandro amin’ny fampiofanana ny mpampianatra ny Ministera, hoy Andriamatoa Filohan’nyRepoblika.

    3. Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-Pirenena

    - Fametrahana ny paikady hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana: ny ady amin’ny halatr’omby, ady amin’ny fakana an-keriny, fanafihana amin’ny lalam-pirenena, ary ny fanafihana mitam-piadiana no tena mandrafitra ny asa maika ao anatin’ny 100 andro. Hatreto dia hatrany amin’ny 78,78% ny tahan’ny famerenana amin’ny tompony ny omby nisy nangalatra, izany hoe omby miisa 1.835 no tafaverina amin’ny tompony, ary mpangalatra omby hatrany amin’ny 453 no efa voasambotra. Nihena hatrany amin’ny 56,07% kosa ny asan-dahalo isan-karazany. Nanaovana ezaka manokana ny faritra mena tahaka ny any amin’ny faritra Menabe sy ny distrikan’i Ankazobe. Raha ny volana Marsa 2024 dia efa foana tanteraka ny halatr’omby any Menabe, nosoloina rahateo ny kaomandin’ny vondrom-pileovana Menabe sy ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Morondava. Naverina ny andrimasom-pokonolona, napetraka ny fisavana karapanondrom-pirenena ary nohamafisina ny fahafaha-miatrika ady (capacités opérationnelles) ho an'ny mpitandro filaminana. Ho an’Ankazobe dia natomboka tamin’ny 29 Janoary 2024 lasa teo ny “operation harato II”, novaina daholo koa ny tompon’andraikitra amin’ny kaompania sy borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Nenjehina araka ny lalàna ireo mpitandro filaminana sy tompon’andraikim-panjakana na olom-boafidy niray tsikombakomba tamin’ny dahalo sy ny mpaka an-keriny, ka efa nisy 89 voasambotra ary 61 naiditra am-ponja. Nahitam-bokatra ny “operation harato II” satria tamin’ny volana Febroary lasa teo dia 2 sisa ny trangana fakana an-keriny nisy, ary foana tanteraka kosa izy tamin’ity volana Marsa ity.

    - Mikasika ny ady amin’ny asan-dahalo manokana dia natao hatrany izay hanakaikezan’ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka. Nampitomboina ny fisafoana amin’ny fidinana ifotony eny amin’ny toerana saro-dalana ary nohamafisina ny fampiharana ny asan’ireo andrimasom-pokonolona : tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Nahitana vokatra avy hatrany izany satria nihena ny halatr’omby ary nitombo ny isan’ny omby eny am-bala.

    - Nisy ezaka manokana natao ihany koa eo amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fikirakirana ny taratasy ara-panjakana tahaka ny karpanondrom-pirenena sy ny bokin’omby. Nohamafisina ny fahaiza manao an’ireo zandary sy ny ezaka fampiharana ny fitsipika anatiny : misy fanadiovana anatiny.

    Nanao fanamarihana hatrany Andriamatoa Filohan’ny Repoblika fa mila hafainganina hatrany ny “intervention” izay atao manoloana ny asan-dahalo sy ireo tranga izay mety hiseho mba hanan’ny vahoaka fahatokisana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana. Mari-drefy ahafahana mahita ny “presence de l’Etat” ny hafainganam-piasan’ny mpitandro ny filaminana.

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitry ny fandraisan’anjaran'i Madagasikara tamin'ny andiany fahatelo tamin’ny "Forum Diplomatique d’Antalya 2024. "Diplomasia mahomby ho an’ny fandriampahalemana sy ny filaminana” no lohahevi-dehibe tamin'ity andiany fahatelo ny FDA ity. Noresahana nandritra izany ireo fanamby goavana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena hita maneran-tany amin’izao fotoana izao. Ary nifampizarana ny fomba mahomby indrindra hanatrarana ny tanjona amin'ny fametrahana rafitra iraisam-pirenena mahomby, mampiaty sy ara-drariny, mba hisian'ny fandriampahalemana, ny filaminana sy ny fitoniana.

    Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara no nitarika ny delegasiona Malagasy tany an-toerana. Nisongadina tamin’izany ny fihaonany tamin’ Andriamatoa Recep Tayyip ERDOGAN, Filohan’ny Repoblikan'i Türkiye niresahana indrindra ny fifanakalozana eo amin’i Madagasikara sy Türkiye. Nanao jery todiky ny fiaraha-miasa ny roa tonta. Nomena vahana manokana ireo laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara ary anisan'izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny fiarovana.

    Matanjaka amin’ny resaka fitaovana fanamboaran-trano i Türkiye, izay misy kalitao rahateo ka ilaina fametrahana fiarahamiasa ao anatin’ny fotoana haingana, handefa iraka mpandraharaha tsy miankina aty Madagasikara avy hatrany i Türkiye mba hanatanterahana ny fiaraha-miasa, voaresaka rahateo koa ny fametrahana masoivohon’i Madagasikara any Türkiye.

    Nisy ihany koa ny fihaonan'ny delegasiona malagasy tamin'ireo mpandraharaha tiorka ka nahafahana nampahafantatra ireo tetikasan'ny fitondram-panjakana malagasy eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny angovo, ny harena ankibon'ny tany ary ireo laharam-pahamehana amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana indrindra ireo mety ho fiaraha-miasa amin'ny fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fangatahana fiaraha-miasa momba ny hetra eo amin’ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Emirats Arabes Unis. Izany dia mba ahafahana misitraka tombontsoa iombonana eo amin’ny firenena roa tonta hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana.

    Ny fanaovana sonia fifanarahana momba ny hetra dia manome tombony maro eo amin’ny lafiny ara toe-karena, politika, diplomatika ary indrindra ny hetra. Io fifanarahana io dia fitaovana iray mahomby hisorohana ny "double imposition" izay singa lehibe eo amin’ny tontolon'ny fampiasam-bola eo amin'ireo firenena manao sonia izany. Izany dia hahafahan'i Madagasikara misarika ireo mpampiasa vola emiratis ka hampitombo ny fampidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana, hanatsara ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fifezivezen'ireo mpandraharaha eo amin’ny firenena roa tonta ary indrindra hampiroborobo ny fifanakalozana fahaiza-manao sy teknolojia.

    Manamafy ny maha-zava-dehibe ny fisokafana amin’ireo firenena ireo Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, amin’ny tanjon’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fizahan-tany eto Madagasikara. Izany dia hamafisin’ny fisokafan’ny sidina mivantana hampifandray an’i Madagasikara sy Dubai.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fividianana ireo pasipaoro elektronika malagasy miisa 33.600 izay efa tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, sy ireo kojakoja samihafa ilaina amin’ny fanamboarana ny pasipaoro ho an’ny mpanjifa mangataka izany eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana fepetra manokana mikasika ny fiarovana ny orinasa mpamokatra siramamy Siramamin’Analaiva (SIRANALA) ao Morondava. Hatramin’ny savorovoro nitranga tamin’ny taona 2014 tao amin’ny tobin’ny siramamy SIRANALA any Morondava, dia maro ireo maniry ny sisa tavela sy ny fananan’ity orinasa ity, nahitana tranga fangalarana vy maro.

    Hisy ny fiaraha-miasa amin'ny minisiteran’ny fitsarana mba hanara-maso akaiky ireo fitarainana 15 napetraky ny orinasa SIRANALA momba ireo halatra vy ireo ary hahafahana manamafy ny fiarovana ireo fananam-panjakana ireo ary mba hialana amin’ny firaisana tsikombakomba tsy ahitana ny marina.

    Ilaina maika araka izany ny fanaovana fitsirihana miaraka amin’ireo tompon’adraikim-panjakana ifotony hahalalana izay mbola fananan’ny orinasa rehetra tavela, ka iantohana ny fiarovana izany tsy hitohizan’ny halatra intsony. Nomena ihany koa ny toromarika mba hanohizana sy hamaranana ny fifampiraharahana amin’ny orinasa Complant izay nandray ny orinasa tany aloha, mba hahafahana misarika mpamatsy vola vaovao mety ho liana amin’ny fitrandrahana ny Siranala.

    MINISITERAN’NY RANO, SY NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo asa fanadiovana maika ao Andravoahangy noho fiverimberenan'ny olan'ny rano mihandrona izay nihombo noho ny habetsaky ny rotsak'orana sy ireo lakan-drandro tsentsina izay ahiana hitarika tondran-drano.

    1km ny lakandrano mila fanadiovana maika ary misy koa ny asa fanamboarana ireo lakan-drano sasany izay efa potika tanteraka. Ho tanterahina mandritra izany ny fanamboarana ny rindrin'ireo (piedroit) lakandrano efa misy, ny fanamboarana ny sarona lakankandrano miisa 9 ary ny fanadiovana ireo dalots, buses sy ireo lakandrano misokatra.

    Mikasika ny fanadiovana dia nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanaovana asa tagnamaro na “HIMO”, ho an’ireo fokonolona sahirana eny an-toerana hanampy amin’izay asa fanadiovana tokony hatao. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandaniana amin’ity asa maika tsy maintsy hatao ity.

  • II. FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy mameno ireo andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana faha 2017-014 tamin'ny 04 janoary 2017 mikasika ny fandaminana ny tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ifotony na "Fonds de Développement Local" (FDL) nasiam-panitsiana sy nofenoin'ny didim-panjakana laharana faha 2022-020 tamin'ny 12 janoary 2022.

    Ny didim-panjakana laharana faha 2024-020 tamin’ny 14 janoary 2024 manendry ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta no nanambatra ireo departemantan'ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Fanovana izay tafiditra ao anatin’ny fitohizan’ny fampiharana ny fanavaozana goavana natomboka taorian’ny nandraisana ny Taratasy momba ny Politika momba ny fitsinjaram-pahefana (Lettre de Politique de Décentralisation Emergente - LPDE) araka ny lalàna laharana 2021-011 tamin’ny 18 aogositra 2021. Miova araka izany ny mpiahy ara teknika ny FDL ka dia tsy maintsy nokitihana ny didim-panjakana mifehy ny fandaminana ny FDL ka nahitsy hifanaraka amin’ny lalàna laharana faha 2018-037 izay mifehy ny sampan-draharaham-panjakana nasionaly (Etablissements Publics Nation.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manome alalana ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola handefa antoka (garanties souveraines) amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny fifanarahana fampanofana fiaramanidina miisa 02 vaovao hampiasain’ny Kaompaniam-pitaterana « Madagascar Airlines » avy amin’ny orinasa ACIA Aero Leasing. Ity antoka ity dia hahafahana mamita ny fifanarahana fampanofana alohan’ny fanasoniavana azy.

    MINISITERAN'NY ATITANY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana famenon’ny didim-panjakana laharana faha 2019-189 tamin’ny 20 febroary 2019 mamaritra ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, sy ny fitsinjarana ny toerana (répartition des sièges) manerana ny firenena malagasy, ary ny fomba famaritana ny fari-pifidianana ho an’ny fifidianana solombavambahoaka.

    Ny distrika tsirairay avy no mirafitra ho fari-pifidianana ary tahaka izao ny famaritana ny isan’ny solombavambahoaka isaky ny fari-pifidianana :

    • Ny boriborintany 6 izay mirafitra ho distrika 6 eto Antananarivo renivohitra dia manana solombavambahoaka 2 avy isaky ny boriborintany, amin’ny maha-renivohitr’i Madagasikara
    • Ny distrika renivohim-paritany 5 hafa koa dia manana solombavambahoaka 2 avy.
    • Ny distrika manana isan’ny mponina mihoatra ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 2 avy
    • Ary ny distrika manana isan’ny mponina latsaka ny 310.000 dia manana solombavambahoaka 1 avy.
    • Na manahoana na manahoana kosa dia tsy misy distrika manana solombavambahoaka mihoatra ny 2

    Voafaritra ho 163 araka izany ny isan’ny solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara hofidiana amin’ny fifidianana amin’ny 29 mey 2024, niampy 12 izany raha ampitahaina amin’ny tamin’ny 2019 noho ny fitombon’ny isan’ny mponina.

    Ireto avy ny distrika lasa hanana solombavambahoaka miisa 2 hofidiana ao aminy ankoatra ireo efa nanana 2 hatramin’izay:

    • Ambatolampy – Vakinankaratra
    • Betafo – Vakinankaratra
    • Antsirabe I – Vakinankaratra
    • Ambalavao – Matsiatra Ambony
    • Ihosy – Ihorombe
    • Toamasina II – Atsinanana
    • Mahanoro – Atsinanana
    • Mandritsara – Sofia
    • Betioky Atsimo – Atsimo Andrefana
    • Amboasary Atsimo – Anosy
    • Ambilobe – Diana
    • Antalaha – Sava
  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-372 tamin'ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Général de Division RAKOTOSON Jocelyn ho Lehiben'ny Etamazaorin'ny Tafika an-tanety.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-212 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Colonel RABEMIZANA Toky Fihandrianana, ho Lehiben'ny Etamazaorin'ny Tafika an’habakabaka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-830 tamin'ny 18 aogositra 2021 ary manendry ny Vice-amiral GA Jacquy Honoré, ho "Major Général des Armées" ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-869 tamin'ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RAMANANTSOA Harifidy Roland, ho "Sous-Chef d’Etat-Major en charge de la Chaîne Organique de l’Etat-Major des Armées"

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANJARA Clara, ho Talen’ny Serasera.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa TALBOT Antonio Christophe Gino, ho Talen’ny Fanitarana ara-toekarena

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAJERY Mino Lalaina Harifeno, ho Talem-paritry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Betsiboka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1588 tamin'ny 30 novambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRATSIMBA Gilbert Vonjinomenjanahary, ho Tale Jeneralin'ny "Fonds National Foncier" na FNF.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANATOANDRO Solofoniaina, ho Talem-paritry ny fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany Vakinankaratra.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-646 tamin'ny 10 aprily 2019 ary manendry an'Andriamatoa RABARIARISON Fanomezana, ho "Directeur de la Formation, des Recherches et des Stages"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIAMBOAVONJY Dimby Rakoto, ho "Directeur des Etudes et de la Programmation"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1477 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISOA Hery Lova Fidy, ho Talen’ny Trano Printim-pirenena
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAKAMANANA Marilys Victoire, ho "Directeur d’Appui, de suivi et d’Evaluation"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1478 tamin'ny 26 oktobra 2022 ary manendry an'Andriamatoa MIRAY Elvin, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Androy"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2211 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an'Andriamatoa MANARINA Claude Manoela Solomampionona, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Anosy"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2213 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAVANOMANANA Mandimbisoa Paul, ho "Chef de Commission Régionale des Marchés Atsimo Andrefana"

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1092 tamin'ny 04 jona 2018 ary manendry an'Andriamatoa RASOLONDRAIBENY Alain, ho "Directeur d’Appui à la Gestion de l’Ordre et de la Sécurité Publics".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1127 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Richard, ho Préfet an'Ambositra.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-115 tamin'ny 12 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa FALY Aritiana Fabien, ho "Coordonnateur Général de Projet du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes."
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-113 tamin'ny 12 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAHOLINARIVO SOLONAVALONA Paolo Emilio, ho "Directeur des Etudes du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes"(BNGRC).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-112 tamin'ny 12 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY John Heriniandry, ho "Directeur du Centre d’Etudes, de Réflexion, de Veille et de l’Orientation du Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes" (BNGRC).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-994 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAHARIJAONA Andoniaina Norosoa, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambohidratrimo
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-581 tamin'ny 26 may 2021 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANAIVO Voahangindraibe Ravakiniaina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Betafo
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1541 tamin'ny 18 novambra 2020 ary manendry an'dRamatoa ANDRIAMANANA Ravaka, ho Lehiben'ny Distrikan'Ambilobe.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-634 tamin'ny 04 may 2022 ary manendry an'Andriamatoa TODIVELO Cyrille, ho Lehiben'ny Distrikan'i Port- Bergé
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-297 tamin'ny 22 marsa 2023 ary manendry an-dRamatoa ZARANIVO Ernestine, ho Lehiben'ny Distrikan'Ifanadiana
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-1052 tamin'ny 30 aogositra 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIMANANA David Emmanuel, ho Lehiben'ny Distrikan'Iakora.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-578 tamin'ny 17 may 2023 ary manendry an'Andriamatoa RALALAHARISON Oninirina Mamiko, ho Lehiben'ny Distrikan'i Betroka.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-039 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa MANAY Alison Fabrice, Lehiben'ny Distrikan'i Miandrivazo.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-431 tamin'ny 19 aprily 2023 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIRINA Fanomezantsoa Dina Andrianina, ho "Directeur de la Protection des Consommateurs"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1090 tamin'ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAHARINOMENA Fanjaniaina Miharisoa, ho Sekretera Jeneraly.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANONDRAKA Michel, ho Tale Jeneralin'ny Fambolena sy Fiompiana.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHERIJAONA Noro Clara, ho "Directeur de la Communication, du Système d’Information et de la Digitalisation"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1101 tamin'ny 13 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RABEONY Voara Ambinintsoa, ho "Directeur des Affaires Juridiques et Contentieuses"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANAIVOMANANA Andritiana Luc, ho "Coordonnateur Général des Projets et Partenariats"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1098 tamin'ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMPAMOA Hanitra Nirinalinoro Lucile, ho "Directeur d’Appui à la Production et au bien-être Animale"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-095 tamin'ny 01 febroary 2023 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISAONA Mitia Finoana, ho "Directeur de la Vulgarisation et de la Professionnalisation des Producteurs"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1374 tamin'ny 28 septambra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMAHEFASOA Bettelhein, ho "Directeur des Services Vétérinaires"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1248 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAMILIARIJAONA Nomenjanahary Saholy, ho "Directeur de la Protection des Végétaux"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-368 tamin'ny 31 may 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOMALALA Andriamarosata Joël, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa Vakinankaratra.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-182 tamin'ny 02 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa LOVATIANA Andrianaivo, ho Tale Iraisam-paritry ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ao Fianarantsoa.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANDRIANARISON NDRIAMANJAVA Thierry, ho Talem-paritry asa vaventy Betsiboka.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1721 tamin'ny 04 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa FANOMEZANTSOA Marie Robine, ho Talem-paritry Serasera sy ny Kolontsaina Melaky
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-223 tamin'ny 9 marsa 2023 ary manendry an-dRamatoa RAMILISON Nomenjanahary Vololona, ho Talen’ny "Dépêche Informative TARATRA"

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-908 tamin'ny 08 septambra 2021 ary manendry ny Général de Division BOTO Lucien Maurice, ho Lefitra voalohan’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-906 tamin'ny 08 septambra 2021 ary manendry ny Général de Division NIXOR Tsitambala, Lefitra Faharoa ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-939 tamin'ny 15 septambra 2021 manendry ny Général de Brigade RAMASITERA Ny Haingo Zafinirina, ho Komandin’ireo sekoly sy fanofanana eto amin’ny zandarimariam-pirenena.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1193 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry Général de Brigade BAMA Marima, ho "Directeur Général adjoint de la sécurité routière".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1268 tamin'ny 10 novambra 2021 ny Général de Brigade RANDRIANARIJAONA Herifidy Jocelyn, ho "Directeur de l’organisation et de l’emploi"

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1247 tamin'ny 10 novambra 2021 ary nanendry ny Tale Jeneralin'ny Fambolena
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1092 tamin'ny 13 oktobra 2021 nanendry ny Tale Jeneralin'ny Fiompiana
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1182 tamin'ny 27 oktobra 2021 nanendry ny "Directeur d’Appui à l’Organisation des Producteurs et l’Agro-business" (DOPAB)
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1094 tamin'ny 13 oktobra 2021 ary nanendry ny "Directeur de l’Unité de Gestion des Systèmes d’Informations et de la Digitalisation (USID)"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-015 tamin'ny 04 janoary 2023 nanendry ny Talen'ny Cellule de Communication (CelCom).
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1096 tamin'ny 13 oktobra 2021 nanendry ny "Directeur de la Planification et du Suivi Evaluation (DPSE)"
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1133 tamin'ny 20 oktobra 2021 nanendry ny "Directeur de l’Unité d’Appuis aux Projets Présidentiels" (UAPP)

     

 

Natao ny faha-13 Marsa 2024

Ny Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy Fanofanana ara-kasa,

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Mpitondra Tenin’ny Governemanta,

Ny Fitaleavan’ny Serasera

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika