TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 06 desambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany Alarobia 06 desambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo Minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ny Sekretera Jeneraly Lefitra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanovàna entina eo amin’ny fomba fampiasàna ny sorabola momba ny fampiasam-bola hamokarana natokana ho fanohanana ny fampandrosoana na “crédit d’investissement destiné à l’appui au développement” (CIAD) izay natao hampiasain’ireo Solombavambahoaka.

    Ity fanovàna ity dia mahakasika ireo Distrika izay manana Solombavambahoaka miisa roa. Manomboka izao ary dia azo zaraina roa mitovy ireo CIAD ka afaka samy mandrafitra ireo programan’asa mifandraika amin’izany avy ny Solombavambahoaka tsirairay. Tsy takiana intsony ihany koa ny sonian’ireo Solombavambahoaka roa tonta, fa samy manao sonia tsirairay izy ireo miaraka amin’ny mpanalalana na “ordonnateurs”, amin’ny fampiasàna ny ampahan’ny sorabola natokana ho azy. Ny tahan’ny sorabola hividianana solika kosa dia ferana tsy hihoatra ny 35% ny sorabola voasoratra ao amin’ny kaonty 23174 mikasika ny fitaterana sy ny famitana iraka na “Transport et missions». Ity fanovàna ity no natao moa dia mba hitondràna fanatsaràna eo amin’ny fampiasàna ireo CIAD eny anivon’ireo Distrika voakasik’izany. Hosoritana ao anatin’ny toro-làlana momba ny fanantanterahana ny tetibola na “circulaire d’exécution budgétaire” ity fanovàna ity.

    MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-kevitra avy tany amin’ny Filan-kevi-pirenena momba ny Lavanila na ny “Conseil National de la Vanille” (CNV) mahakasika ny fisokafan’ny fe-potoana fanondranana ny lavanila efa voakarakara na « vanille préparée » ho an’ny taona 2023-2024.

    Voarakitra ao anatin’izany tolo-kevitra izany ary fa ny faha 7 desambra izao no hisokafan’ny fotoana azo ivarotana sy anondranana ny lavanila efa voakarakara ary amin’ny faha 31 jolay 2024 kosa no daty voatendry hikatonany. Araka ny voalazan’ny lalàna moa dia ho voafaritra ao anaty didim-pitondràna ireto daty voatanisa etsy ambony ireto, mba hampanan-kery azy.

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny famatsiana ny FIDA 13 ao amin’ny Famatsiam-bola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena na « Fonds International de Développement Agricole ».

    Madagasikara dia isan’ireo Firenena misitraka famatsiana maro avy amin’ny FIDA amin’ny alalan’ny tetikasa toy ny FORMAPROD, AD2M2, DEFIS, PA2R, PROGRES. Izany indrindra no antony itondrany ny anjara birikiny amin’ny fanangonana ireo famatsiana mba ahafahan’ny FIDA manatanteraka soa aman-tsara ny andraikiny. Hatao ny faha 14 sy 15 desambra 2023 izao any Parisy ao Lafrantsa moa ny fanambaràn’ireo firenena rehetra izay handray anjara amin’izany famatsiana ny FIDA faha 13 izany.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAMPONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina amin’ny fametrahana ny fitaterana an-tariby na « Transport par câble » ho an’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

    Ny fandefasana entana laharana faha 13, 16 sy faha 20 no voakasik’ity fankatoavana ity.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVÀNA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISTERAN’NY FITSARANA

    Noraisina ny Didim-panjakana mahakasika ny andraikitra, fandaminana ary fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Vaomiera Malagasy Momba ny Informatika sy ny Fahalalahana na « Commission Malagasy de l’Informatique et des Libertés » na « CMIL » ary mahakasika ny fikirakirana ny antontan-kevitra mahakasika ny lafim-piainana manokana (“données à caractère personnel”).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019 011 tamin’ny 18 janoary 2019 ary manendry an’Atoa RANJEVA RAZANAKOMBANA Marcel ho Lehiben’ny Mariboninahi-pirenena Malagasy.

  • IV- FANAFOANANA

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 348 tamin’ny 11 aprily 2018 nanendry ny Komandin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarmariam-pirenena ao Moramanga.

 

Natao ny 06 desambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella