TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 07 Jona 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nandritry ny fitsidihana nataony tao Maroantsetra sy Mananara Avaratra ny 3 sy 4 jona lasa teo, rehefa nahita sy nihaino ny hetahetan’ireo mponina tao an-toerana ny Filoham-pirenena, dia namaly ny fangatahan’ny vahoaka tao anatin’ireo Distrika ireo. Tsy miandry ela ary, fa tonga dia nanome toromarika ireo Minisitra tompon’andraikitra izy nandritry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny amin’ny handraisana ny fepetra rehetra, mba hamaliana ao anatin’ny fotoana fohy izany fangatahan’ny vahoaka izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ary ny fantanterahana an’ireto manaraka ireto:

    - Fametrahana ny faritra faha-24 izay antsoina hoe “Faritra AMBATOSOA”;

    - Fanamborana ireo toha-drano ahafahana miantoka ny famatsian-drano ao Anjahana, Maroantsetra ary Mananara Avaratra;

    - Fanamboarana ny lalana na “Avenue” izay miditra ao amin’ny tanànan’i Mananara Avaratra;

    - Fanamboarana ny lalana ao Maroantsetra indrindra fa ny ao an-tampon-tanàna;

    - Fananganana ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Mananara Avaratra;

    - Fananganana trano fonenana ho an’ny mpitsabo eo anivon’ny tobim-pahasalamana fototra na “CSB II” ao Analanampotsy;

    - Famitàna ny asa fanamboarana ny Biraon’ny Kaominina Ambanivohitra Antanambaobe;

    - Fampidirina rano fisotro madio ao Mananara Avaratra sy fametrahana “forage” ao Analanampotsy;

    - Fananganana toerana fijerena baolina sy lanonana na “gradin” ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Analanampotsy;

    - Fanorenana biraon’ny fananan-tany ao Mananara Avaratra.

    Satria moa hisy ny fametrahana Faritra vaovao dia hirosana ihany koa ny fanamboarana ny biraon’ny faritra AMBATOSOA izay ho toerana hiasan’ny governora ary ho atao miaraka amin’izay ihany koa ny birao ho an’ny Faritra VATOVAVY. Manomboka amin’ny herinandro ambony dia efa hisy ny fidinana ifotony hotanterahin’ireo minisitera voakasik’ireo fampanantenana ireo.

    MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitàna am-bava momba ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny fivoriana andiany faha 45 amin’ny « task force » an’ny « Eastern and Southern Africa Anti-Money Laudering Group » (ESAAMLG), ny 26 hatramin’ny 30 martsa tany Arusha, Tanzanie.

    Nandritra io fivoriana io no nanaovana ny tomban’ezak’i Madagasikara eo amin’ny lafiny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatisana ny asa fampihorohoroana, ka nivoatra tamin’izany fa fito (7) tamin’ireo fepetra sivy (9) nanaovana tombana no fenon’i Madagasikara. Nankatoavina ihany koa ny fiakaran’ny latsak’emboka izay haloan’i Madagasikara manomboka ny taona 2025 araka ny tapaka nandritra io fivoriana io, fiakarana izay mihatra amin’ny firenena mpikambana rehetra ao anaty ESAAMLG.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampatisahivina sata mifehy ireo kianja ara-panatanjahantena Manarapenitra araka ny lalàna sy ny tokony hitandroana azy ireo. Araka ny Lalàna lf 2005-019 tamin’ny 17 oktobra 2005 mametraka ny foto-kevitra mifehy ny sata mifehy ny tany ao amin’ny andininy faha-5 ary koa ao amin’ny andininy voalohany amin’ny lalàna lf 2008-013 tamin’ny 23 jolay 2008 momba ny fananam-panjakana tsy azo amidy, ireo fananana voakasika sy azo atao kianja ara-panatanjahantena « MANARAPENITRA » dia tafiditra ao anaty ny fananam-panjakana. Mba hitandroana ny tombontsoan’ny daholobe sy ny filaminam-bahoaka dia ampahafantarina ny rehetra fa ireo tany mamaly io fepetra io dia tsy azo hifampiraharana intsony, araka ny andininy faha 9 amin’ny Lalàna lf 2005-019 tamin’ny 17 oktobra 2005 voatsiahy etsy ambony, sy ny andininy faha 4 amin’ny Lalàna lf 2008-013 tamin’ny 23 jolay 2008 momba ny fananam-panjakana tsy azo amidy. Araka ny voalazan’ny Lalàna lf 2008-014 tamin’ny 23 jolay 2008 momba ny fananan’ny Fanjakana ao amin’ny andininy faha 10 : "Ny fananan’ny Fanjakana izay ampiasaina ho an'ny tombontsoan’ny daholobe dia tsy azo afindra, omena, na hitoerana amin'ny fomba tsy ara-dalana mandritra ny fampiasana azy". Amin'ireo voalaza etsy ambony ireo, ireo Kianja ara-panatanjahantena dia ampiasaina ho an'ny tombontsoan'ny daholobe, izay mahatonga azy ireo ho tsy azo afindra, varotana na hitoerana amin'ny fomba tsy ara-dalàna.”

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nodinihina nandritry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana na tsia amin’ny fandaniana ny Lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana ho an’ny taona 2023. Tapaka araka izany fa tsy hisy ny fanaovana an’izany lalàna izany, noho ireto antony maro manaraka ireto:

    - Ny fandrafetana ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana dia mitaky fanajanonana ao anaty fotoana voafetra ny fampiasam-bolam-panjakana satria ilaina raiketina ny antontan’isa avy ao amin’ny Lalàna mifehy ny teti-bola izay iasana ankehitriny ka afindra mankao amin’ny Lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana. Ny fotoam-piasana anefa efa fohy ka tsy afaka intsony ny Fanjakana ny hanajanona ny fampiasam-bola sao hanatara ny fanatanterahana ireo fandaharan’asa maro izay mbola miandry;

    - Ho an’ireo minisitera na andrim-panjakana izay mety hangataka vola fanampiny, dia misy fomba voalazan’ny lalàna afahana manao izany amin’ny alàlan’ny didim-panjakana raisina amin’ny Filankevitry ny Governemanta ary mbola manana fahafahana ara-tetibola anaovana izany ny Fitondrana;

    - tamin’ny faha 2 jona 2023, dia 48% ny tahan’ny fampiasam-bolam-panjakana, noho izany, mbola manana 52% azo ampiasana mandrapahatongan’ny faran’ny taona. Ny fandaniana tafiditra ao anatin’ny sokajy “Projet d’investissments publics” na PIP kosa, dia mbola 10% no mbola voatokana holaniana hatreto, izany hoe mbola misy 90% azo ampiasana hatramin’ny faran’ny taona;

    - Ny sora-bola misoratra anaty teti-bolam-panjakana dia azo ahetsika ao anatina Minisitera iray na eo amin’ny Minisitera samy hafa (mouvement de credits) araky ny fepetra takian’ny andininy faha 19 ao amin’ny lalàna 2004-007 tamin’ny 24 jolay 2004 momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Noho izany dia manana fahafahana ireo Ministera rehetra mandamina ny fampiasam-bolany araky ny lalàna;

    - Mikasika ny fanampiana ara-bola voaray avy amin’ny mpiara-miombon’antoka (appui budgétaire) toa ilay ho voaray avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena kosa, izay tokony misoratra ao amin’ny fdiram-bolam-panjakana ao anaty Tetibola dia tsy ilana fanoavana Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana intsony amin’ity taona ity satria efa nosoratana mialoha tao anaty Lalàna mifehy ny tetibola tany ampiadohana izany;

    - Ary farany, ao anatin’ny fifanarahana miaraka amin’ny Mpamatsy vola iraisam-pirenana, indrindra ny Tahirim-bolam-panjakana iraisam-pirenena (FMI) dia takiana manditry ny fanaovana ny Lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana ny tokony hampifanarahana ny tahan’ny harikarena eto Madagasikara amin’ny fizotry ny harikarena faobe aty Afrika sy manera-tany. Izany anefa dia taha mihiba ankehitriny ka noho izany dia hitarika fihenan’ny vinavinan’ny vola hiditra sy vola hivoaka izany.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny ministra ny hanomezan’ny Fanjakana fanampiana ara-bola na “subvention” ho an’ny Komity misahana ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy faha-11 na COJI 2023.

    Ny COJI izay hikarakara ny lalaon’ny nosy andiany faha 11 dia fikambanana ara-panatanjahantena mahaleo tena, natsangana tamin’ny 11 desambra 2021, ary mipetraka eo ambany fiahiana ara-bolan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ary ambany fiahiana ara-teknikan’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Anisan’ny andraikitra sahaniny ny fikarakarana sy ny fiantohana ny fanatanerahana ny lalaon’ny nosy eo amin’ny lafiny ara-teknika, ara-pitaovana, ara-bola, ara-pitantanana, na ato amin’ny sehatra nasionaly izany na amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Entina hanatanterahana an’izany andraikitra maro izany indrindra no antony anomezana azy io fanampiana ara-bola na “subvention” io, fa indrindra hiantohana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa maro ilaina hampiasaina mandritra ny lalaon’ny nosy ary eo ihany koa ny fividianana ireo fitaovana sy kojakoja ara-teknika ilaina rehetra. Satria efa akaiky tokoa ny fotoana, dia nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hampisana ny paikady ao anatin’ny hamehana na “procedure d’urgence” mba ahafahana mamita ireo asa maro mialohan’ny fiandohan’ny lalaon’ny nosy.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezan-dalana ny fividianana ireo fitaovana ara-teknika ho an’ireo Hopitaly Manarapenitra any Maintirano sy Mampikony

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fanatanterahana ireo asa fandravonana (travaux de terrassement) ny lalana mampitohy an’i Vontovorona sy ny ivontoerana ara-panatanjahantenan’ny CNAPS.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fifanarahana momba ny fandoavan’i Madagasikara ny fandraisan’anjarany ao amin’ny Ivontoeran’ny vary ho an’i Afrika (AfricaRice) ho an’ny taona 2023.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana fampiofanana ho an’ny olona miisa 1 081 525 avy amin’ny faritra 23, ny volana jona hatramin’ny volana oktobra 2023. Tanjona lehibe amin’izany ny hanatsarana ny fahafaha-miasan’ireo vehivavy, tanora sy olon-dehibe amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahaiza-manao matihanina. Izany dia mamaly ny Velirano faha 6 : asa mendrika ho an’ny rehetra, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao matihanina. Izy io ihany koa dia tafiditra ao anaty ny fanohizana ny fandaharanasa fanofanana ny vehivavy momba ny asa fototra izay notanterahina teto Antananarivo ny 03 hatramin’ny 05 martsa 2023, teo ambany fiahian’ny Vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA ary mbola nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika ny fanohizana azy.

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mifandraika amin’ireo fitafiana, fitaovana ara-pidiovana, boky, sakafo sy fitaovana ara-pitsaboana, izay fanomezana avy amin’ny « Impact Sans Frontières » (ISF) ao anaty ny fanatanterahana ny hetsika mitsinjo ny mahaolona « Cap sur Madagascar ».

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mifandraika amin’ny vovona legioma tsy misy rano na « VEGETABLE MIXTE ».

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandrosoana ny fizotry ny fanomanana sy fikarakarana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy faha 11 izay hotanterahina ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra 2023 ho avy izao.

    Teboka maromaro no novelabelarina ka anisan’izany ny famaritana ny toerana fandraisam-bahiny izay hatokana hivantanan’ireo delegasiona avy any amin’ireo nosy rahavavy izay handray anjara amin’ny lalao, sy ho an’ny mpandray anjara avy eto an-toerana. Hentitra ny baiko nomen’ny Filohan’ny Repoblika ny amin’ny hijerena izay toerana manaraka ny fenitra sy mendrika handraisana ireo delegasiona sy ny atleta Malagasy. Hisy araka izany ny fivoriana izay hotarihin’ny Minisitry ny fizahantany miaraka amin’ireo mpisehatra maro ao amin’ny fandraisam-bahiny mba hametrahana ny fiaraha-miasa mahomby. 

    Anisan'ny teboka noresahina ihany koa ny momba ny fikarakarana maro toy ny mikasika ny sakafo, ny fitaterana, ny famaritana ireo toerana hanaovana ireo fifaninanana isan-karazany, ny isan’ireo taranja hifaninanana, ary ny isan’ireo medaly izay hiadivana. Nanome toromarika ihany koa ny Filoham-pirenena ny amin’ny hamitàna ny asa fanamboarana na fanatsarana ireo fotodrafitrasa handraisana ireo fifaninanana isan-karazany. Himasoana ihany koa ny fanofanana ny tompon’andraikitra amin’ny arofenitra sy ny serasera ary indrindra ny fiantohana ny fandriam-pahalemana mandritra io fotoana io. Kendrena hatrany ny fanomezana ohatra tsara eo amin’ny lafiny fahaiza-mandray vahiny, ka hisy ny fizarana “carte sim” miisa 4000 ho an’ireo vahiny izay hoavy, ka ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra no hiantoka an’izany fanomezana izany. Farany dia hisy ny fiaraha-mientan’ny minisitera tsirairay avy izay hifandrimbona amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena mba hanatontosana an-tsakany sy an-davany an’ity lalaon’ny nosy ity.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana momba ny vola miditra sy fandaniana fanampiny ho ho an'ny Fiadidian'ny Praiminisitra araka ny lalàna mifehy ny tetibola 2023 mitentina 3.422.864.000 Ar ao anatin’ny fandoavana ny tambin-karama fiantohana (indemnités d'assurance) ho an’ny vondrona African Risk Capacity (ARC).

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manitsy ny tovana laharana voalohany amin’ny lalàna laharana faha-2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014 nasiam-panitsiana sy nofenoin’ny lalàna laharana 2021-012 sy ny lalàna laharana faha-01 jolay 2018 mikasika ny loharanom-bolan'ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny fomba fifidianana, ary koa ny fandaminana, ny fomba fiasa ary ny anjara asan'ireo rantsa-mangaikan'izy ireo. Ity volavolan-dalàna ity dia mitondra fanitsiana fanindroany amin’ny tovana laharana voalohany ao amin’ny lalàna laharana faha-2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014 momba ny fananganana Faritra vaovao any amin’ny tapany avaratry ny Faritanin’i Toamasina izay antoisna hoe “ Faritra AMBATOSOA.” Araka izany, toy izao ny distrika sy kaominina izay mandrafitra azy:

    - Distrikan’i Maroantsetra, izay ahitana Kaominina miisa roapolo (20)

    - Distrikan’i Mananara Avaratra, izay ahitana Kaominina miisa enina ambifolo (16) i Maroantsetra no voatendry ho renivohitry ny Faritra AMBATOSOA.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1226 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa ONIVOLOLONA Jaonarison Aurélien, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Matsiatra Ambony
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 057 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAMILISON Giovanni, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Vatovavy.

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1625 tamin'ny 02 desambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTOVAO Harimamy Lalaina, ho Lehiben'ny Distrikan'i Toliara II

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-420 tamin'ny 23 martsa 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANAIVOSON Herilalaina Lantotiana Olaf, ho Tale Jeneralin'ny "Centre Malgache de la Canne et du Sucre" (CMCS).

    MINISITERAN'NY NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1252 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANIRINA Benja Enintsoa, ho "Directeur des Projets"

 

Natao ny 07 Jona 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO