TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 01 martsa 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny fanazaran-tena miaramila iraisan’ireo firenena sy Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indiana (manœuvre militaire multinationale) « IVONDRO 2023 » izay hatao ny 29 aprily ka hatramin’ny 04 mey 2023 any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo.

    Voakasika ao anatin’ny fanazaran-tena izay avokoa ny tafika an’habakabaka, andranomasina, ary an-tanety. Madagasikara, Frantsa, Comores, Maurice ary Seychelles no handray anjara amin’izany.

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny milina fanapotehana vy « McIntyre 500HD » miisa 02, izay fanomezana avy amin’ny « Fonds d'Affectation Volontaire du Traité sur le Commerce des Armes »

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hidiran’i Madagasikara amin’ny alalan’ny tahirimbolan’ny fisotroan-drononom-panjakana (caisses de retraites publiques) ao anatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ara-tsosialy (AISS). Hitondra tombony manokana amin’ny fanarenana sy ny fampaharetana ny rafitra mikasika ny fisotroan-drononom-panjakana, ny fidirana amin’ireny rafitra iraisam-pirenena ireny.

    Hanaraka sy hanohana ny fanavaozana ataon’ny Minisitera ankehitriny ny AISS, satria efa manana traikefa matanjaka an-taonany maro mikasika izany. Tamin’ny taona 1927 tokoa no efa nitsangana ny AISS teo ambany fiahian’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT). Any Genève Suisse no foibeny ary efa rafitra misahana ny fisotroan-drononom-panjakana miisa 320 avy amin’ny firenena 160 ankehitriny no efa mpikambana ao. Marihana fa ao anatin’ny fepetra takian’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ao anatin’ny fandaharana FEC (Facilité Elargie de Crédit) ny fanavaozana ny rafitry ny fisotroan-drononom-panjakana.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mahakasika ny fanafody sy sakafo (vary, lafarina, vovo-dronono, siramamy sy menaka) izay fanampiana avy amin’ny Fikambanana vahiny « OMAN CHARITABLE ORGANIZATION » taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso. Ny Birao Nasionaly mitantana ny Ambana sy ny loza voajanahary (BNGRC) no handray sy hiandraikitra ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo. 

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mahakasika ny sakafo maina (nourriture sèche) sy fitaovana hamoahana rano fisotro madio mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Fanampiana avy amin’ny firenena breziliana ireo entana ireo izay hatolotra ny BNGRC ihany koa ho fanampiana maika ireo traboinan’ny rivodoza.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY + MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanombohana ny tetikasa “TITRE VERT Menabe Antimena” ho an’ny famonjena ny faritra arovana Menabe Antimena, « réserve foncière » Bezeky, eo anelanelan’ny kaominina 2 dia i Befasy sy Analaiva.

    Nandritra ny fotoana lava tokoa mantsy dia iharan’ny fandripahana goavana ny ala any an-toerana, noho ny fisian’ny fifindra-monina mirongatra avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy sy ny fanaovana ny tavy. Ireo olona mpifindra monina, araka izany, no tena iantefan’ny tetikasa ka fianakaviana 500 no hisitraka ny fanomezana tany hambolena mirefy 2 hektara isam-pianakaviana sy ny masomboly, zezika ary fitaovam-pamokarana hafa. Hisy ihany koa fanamboarana trano fonenana miisa 500 ho azy ireo sy fananganana fotodrafitrasa ara-tsosialy ilainy ahafahany mijanona any an-toerana, toy ny fampidirana rano fisotro madio, ny fanajariana lalana hampifandray ny toeram-ponenana sy ny tanimboly sy tanimbary, ny sekoly, ny toeram-pitsaboana ary toby ho an’ny zandarimariam-pirenena. Ankoatra izay dia hisy koa ny tosika fiompiana ho azy ireo. Eo amin’ny lafiny tontolo iainana, dia hisy ny fametrahana « ceinture verte » sy « zone tampon » izay hanaovan’ireo fianakaviana misitraka ny tetikasa fambolen-kazo, ka tafiditra ao anatin’izany ny hazo azo avadika angovo, ny hazo fihinamboa, ny hazo ahafahana manangana trano sy ny hafa. Marihana fa hisy hetsika manokana hanaovana sora-piankohonana ho an’ireo olona izay tsy manana kopia nahaterahana, na karapanondrom-pirenena ho an’ireo efa feno 18 taona. 4 taona ny faharetan’ny tetikasa izay kendrena hahavotra tanteraka ny faritra arovana Menabe Antimena. Ny 17 marsa 2023 ho avy izao no hatao ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa.

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fampidirina amin’ny sehatra manara-dalàna ireo mpanao asa tanana eto Madagasikara, izany dia taorian’ny fanisana nataon’ny Minisitera ka nahitana fa mahatratra 2 tapitrisa ankehitriny, izay mitsinjara amina karazana asa miisa 164, ireo mpanao asa tanana ireo. Hozaraina karatra maha-matihanina (carte professionnelle d’artisan) araka izany ireo mpanao asa tanana, ka Antananarivo sy Sainte-Marie ary Nosy-be no hanombohana azy amin’ny alalan’ny tetikasa andrana.

    Io karatra io dia ahafahan’ireo mpanao asa tanana misitraka ny fepetra ara-ketra isan-karazany sy ny fepetra hafa apetraky ny minisitera haha-matihanina azy ireo tahaka ny fampiofanana sy ny fanohanana ara-teknika. Marihina fa ny fanatanterahana ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny fandaharanasa FIHARIANA sy ny banky BNI Madagascar. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fandraisana an-tanana ny fandaniana amin’ny fanamboarana ireo karatra, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. 

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry amin’ny ampahany ireo mpikambana ao amin’ny Filankevim-pitantanan’ny ARMP (Autorité de Régulation des Marchés Publics) :

    • Andriamatoa RAKOTOARISOA Miadantsata Indriamanga : solontenan’Atoa Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta
    • Andriamatoa LALA ARSON Ny Aina : solontenan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola
    • Andriamatoa RAVELOSAONA Anjara Ranto : solontenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena
    • Andriamatoa LEONARD Christophe, solontenan’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka
    • Andriamatoa RABEONY Voara Ambinintsoa, solontenan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana
    • Andriamatoa ANDRIAMANDIMBISOA Jocelyn, solontenan’ny mpandraharaha ara-toekarena
    • Andriamatoa RATEFIARIVONY Lilia, solontenan’ny mpandraharaha ara-toekarena
    • Andriamatoa RAHERIMIARIMANANA Jean Odilon, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena
    • Andriamatoa RAZANAMPARANY Jean Claude, solontenan’ny fiarahamonim-pirenena
    • Andriamatoa ANDRIANARISON Ranaivoson Razafimanantsoa Hasina, solontenan’ny mpiasa ARMP

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, sy manendry an-dRamatoa ANDRIANARISOA Romy ho Talen’ny Kabinetra vaovao.

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2019-145 tamin’ny 20 febroary 2019, sy manendry ny Général de Division RAMASY Razafindratovo Heritiana, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATOLOJANAHARY Marie de Jésus ho Filohan’ny Filankevi-panjakan’ny Fitsarana Tampony.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2022-208 tamin’ny 10 febroary 2022, sy manendry an’Andriamatoa SOLONIAINA Nomenjanahary ho Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany any amin’ny faritra

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAKAMANANA Théodore ho Talen’ny « Ecole Doctorale Géosciences, Physique, Chimie de l’Environnement et Systèmes Hôtes-Pathogènes » (GPCEHP) ao amin’ny Oniversite an’i Toliara.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2020-1437 tamin’ny 04 novambra 2020, sy manendry an’Andriamatoa RAFALIMANANA Rufin Angelo ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2021-1340 tamin’ny 24 novambra 2021, sy manendry an-dRamatoa RABOTOVAO Nirinarisoa Estelle Marie Christophine ho Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana any amin’ny faritra Amoron’i Mania.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana lf 2021-1179 tamin’ny 07 desambra 2021 izay nanendry ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka any amin’ny faritra Analanjirofo

 

Natao ny 01 martsa 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO