TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 7 Desambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    Mialoha ny fandinihana ny laha-dinika voafaritra dia nitondra teny mikasika ny fisian’ny fanakorontanana politika kasaina hatao eto Madagasikara Andriamatoa Filohan’ny Repoblika. Tsy mendrika tsy fahamarinan-toerana ny Nosy Malagasy satria efa misy ny fahasahiranana ara-tsosialy sy ara-toekarena vokatry ny krizy nifanesisesy tany ivelany sy teto amintsika ka tsy tokony hampiana trotraka olana ara-politika hanohitohinana ny fitoniana. Taorian’ny krizy ara-pahasalamana, ny rivo-doza nifanesy, ny olan’ny ady misy any ivelany izay misy fiantraikany amin’ny firenena madinika toa an’i Madagasikara, dia maneho fanohanana sy fahatokisana an’I Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka amintsika, ka fiaraha-mientana hanohizana ny ezaka efa natomboka no tokony atao mba hanarenana ny firenena fa tsy fikonokononana fikorontanana. Miantso ny fitoniana ho an’ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain’ny mpisehatra politika, ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry rehetra ny filan-kevitry ny Minisitra hiara-hifanome tanana hanavotra an’i Madagasikara fa tsy sanatria hamotika azy.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandefasana an’I RAKOTOARIVELO Nampoina Daniel, handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena judo ho an’ny olona jamba 2022 (grand tournoi de Judo pour les aveugles 2022) izay hatao ny 11 desambra 2022 any Tokyo Japon. Izy no Malagasy voalohany manana fahasembanana ara-batana handray anjara amina fifaninanana iraisam-pirenena goavana tahaka izao ; ka mendrika hotohanana. Fiaraha-miasa amin’ny Federasiona Malagasin’ny taranja Judo ho an’ny olona manana fahasembanana ara-batana no ataon’ny fitondram-panjakana nahafahana mandefa ity atletantsika ity any Japon.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra malagasy miisa 489 manovo fianarana amin’ireo firenena any ivelany tahaka ny Tunisie, Algérie, indonésie, Russie, Chine, Cuba, Egypte ary Maroc. Vatsim-pianarana ho an’ny taona 2020-2021.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fitaovana ara-panatanjahan-tena sy boky omena ny ENS (Ecole Normale Supérieure) avy any Frantsa. Ireo fitaovana ireo dia fanomezana avy amin’ny Fikambanana « Zanak’Avaratra Ampielezana” any Frantsa..

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny « Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable » (PAAEP) eto Antananarivo sy any amin’ny tanàna 06 hafa, ny 15 sy 16 desambra 2022.

    Ity tetikasa ity dia nampiharina ny 08 septambra 2022 ary hotanterahina eto Antananarivo sy any amin’ny tanàna 06 hafa, dia Antsiranana, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara ary Mananjary. Ny tanjony dia : (i) ny fiarovana sy fampitomboana ny famokarana rano amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fahazoana tolotra rano any amin’ireo toerana hiasany, sy (ii) ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana eto Madagasikara.

    Noho izany dia hisy ny atrikasa ho fanombohana amin’ny fomba ofisialy ity tetikasa ity ny 15 desambra 2022 ao amin’ny Hôtel Novotel Alarobia, Antananarivo.

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana tanteraka ny haba sy hetra ho an’ireo kaontenera miisa 49 misy fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Madagasikara.

    Ho fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny Fampivoarana ny vehivavy amin’ny ONG « TETIKASA ANKIZY KRISMASY » na TAK dia hisy kaontenera miisa 49 misy fanomezana ho tonga eto Madagasikara alohan’ny fetin’ny Noely 2022.

    Ireo fanomezana ireo dia natolotr’ireo ankizy kristianina Amerikanina sy Kanadianina izay mahatsapa ny vokatry ny fahantrana amin’ny ankizy aty amin’ny tany andalam-pandrosoana.

    Toy ny isan-taona, ireo fanomezana ireo dia zaraina maimaimpoana ho an’ireo ankizy malagasy sahirana 2 taona ka hatramin’ny 14 taona. Marihina fa mitondra fahasambarana feno ho an’ny ankizy misitraka ny fanomezana sy ireo ray aman-dreny ny fahazoana izany.

    Ho an’ny taona 2022-2023 dia ny Faritra 23 no voakasiky ny tetikasa. Ny TAK dia manaiky ny hanatanterahana ny fizaràna eo ambany fiahian’ny Minisitry Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny fampivoarana ny vehivavy. Ny TAK dia maniry ihany koa hiara-hiasa amin’ny Fikambanana FITIA.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Noraisina ny didim-panjakana manambara ho tombotsoam-bahoaka ireo asa fanorenana ny « Maison de la Communication et de la Culture » any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohibary, Distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, sy ny fakàna (par voie amiable ou par expropriation) noho ny tombotsoa iombonana ny ampahan-tany ao amin’ny fananana antsoina hoe « TSARAFARITRA » TN°3751-I, izay voakasiky ny tetikasa.

    MINISTERE DES TRANSPORTS ET DE LA METEOROLOGIE

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2002-473 tamin’ny 24 jona 2002 izay nanendry ny « Administrateur Délégué » an’ny orinasam-panjakana « Réseau National des Chemins de Fer Malagasy »

    MINISTERE DE L’AGRICULTURE ET DE L’ELEVAGE

    Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana 2018-790 tamin’ny 16 jolay 2018 izay manangana sy mandamina ny « Centre de Fabrication, de Formation et d’Application du Machinisme, de la Mécanisation Agricole » (CFFAMMA).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2016-134 tamin’ny 24 febroary 2016 ary manendry an’Andriamatoa ADOUHOURI ALY Bachiry ho Talen’ny « Centre National de Recherches Océanographiques ».

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAROSOLO Iarilanto ho Tale Jeneraly mpisolo toeran’ny « Office Malgache des Tabacs » (OFMATA).

    MINISTERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021- 1057 tamin’ny 06 octobre 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Benoît Lucien ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny « Autorité Nationale de l’Eau, de l’Assainissement » (ANDEA).

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-558 tamin’ny 19 may 2021 ary manendry an’Andriamatoa RALAMBOSAMIMANANA Mamy Nirina, ho « Directeur de la Règlementation et de la Protection des Ressources en Eau » eo anivon’ny « Autorité Nationale de l’Eau, de l’Assainissement » (ANDEA).
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2019-258 tamin’ny 07 mars 2019 izay nanendry ny Tale Jeneralin’ny Fitantanambola sy ny Raharaha Ankapobeny eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

 

Natao ny 7 Desambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO