TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 23 novambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetik’asa PRIRTEM I, ary ho fampiharana ny didim-panjakana manambara ny asa ho ilaina amin’ny tombontsoam-bahoaka, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 14 septambra 2022 ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandaniana mikasika ny fanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa (Personnes Affectées par le Projet) izay tsy maintsy miala amin’ny taniny, dia ny fandrafetana ny « plans parcellaires » miaraka amin’ny Minisitera misahana ny Fanajariana ny tany.

    Eo koa ny fampihenana ny fiantraikan’ny fanatanterahana ny tetik’asa amin’ny lafiny tontolo iainana raha misy, amin’ny alalan’ny fandaharanasa « Programme de Gestion Environnementale et Sociale » ary ny farany dia ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana, mikasika ireo fiara 4X4 miisa telo (03) izay fanomezana avy amin’ny mpamatsy vola hampiasaina mandritra ny fanatanteraha ny tetikasa. Izany dia mifanaraka amin’ny fifanarahana nataon’ny Repoblikan’I Madagasikara sy ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana amin’ny ampahany ny anjara latsakembok’i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy ao anatin’ny Vondrona SADC amin’ity taona 2022 ity.

    MINISITERAN’NY FIZAHAN-TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitaovana ny Minisiteran’ny Fizahan-tany, ao anatin’ny tetikasa « Nouveaux Projets Emergents » taona 2022. Tafiditra ao anatin’izany ny fitaovana ara-informatika, fitaovana ara-teknika ary fanaka sy kojakoja ilaina anaty birao izay hisitrahan’ny Minisitera Foibe, ny Fitaleavam-paritry ny Fizahan-tany ary ireo delegen’ny fizahan-tany any anivon’ny Distrika.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana ara-informatika hampiasaina amin’ny fampianarana, izay fanomezana avy amin’ny firenena Sinoa.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny saram-pitaterana hanaparitahana ireo fitaovam-pianarana “kits scolaires”, fampitaovana ny sekoly manaram-penitra, sy ireo bisikileta ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena miisa 23 sy ny Fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) miisa 114 eto Madagasikara.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-607 tamin'ny 27 jona 2018 ary manendry an'Atoa. RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, ho "Procureur Général près la Cour Suprême".

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-922 tamin'ny 15 septambra 2021 ary manendry an'Atoa. RAMAROSANDRATANA Jeannot Olivier, ho "Directeur du Système d’Information" eo anivon’ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1963 tamin'ny 16 oktobra 2019 ary manendry an'Atoa. RALOVASON RAKOTONIRINA Bernard Andriatody, ho Lehiben'ny Distrikan'Andilamena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1418 tamin'ny 15 desambra 2021 ary manendry an'Atoa. AUBIN THIERRY Ratovelo, ho Lehiben'ny Distrikan'i Mahabo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-968 tamin'ny 25 jolay 2016 ary manendry an-dRamtoa RANDRIANALISOA Harimanana Domoina, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Miarinarivo.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. VELOMILA Jean, ho Talem-paritry Serasera sy ny Kolontsaina ao Atsimo Andrefana

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0408 tamin'ny 20 martsa 2019 ary manendry an'Atoa. ANDRIAMINO Brusa, ho "Directeur de Lutte contre les Maladies Transmissibles"

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-222 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry an'Atoa. TOVONKERY Alfred, ho Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka ao Sofia

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-687 tamin'ny 11 may 2022; laharana faha 2022-915 tamin'ny 15 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa RAMAHERISON Zo Aina Angelica, ho "Responsable de l’Unité de Coordination des Projets et des Partenariats"

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON'NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1021 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an'Atoa. RANAIVOSAMIMANANA Tolotra Stephane, ho "Directeur du Développement des Nouvelles Villes"

  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-330 tamin'ny 11 martsa 2020 nanendry ny "Directeur de la Police des mines" eo anivon’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika.

Natao ny 23 novambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO